FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 11/15 p. 7-9
  • Afaka Mankafy Fiainana na Jamba Aza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mankafy Fiainana na Jamba Aza
  • Mifohaza!—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampio ny Jamba mba Hahalala An’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • Teboka Mivohitra Manova Olona
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Hitory Amin’ny Jamba
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Louis Braille — Fitondrana Fahazavana ho An’ireo Voahidy ao Amin’ny Haizina
    Mifohaza!—2000
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 11/15 p. 7-9
Paqui sy ny vadiny

Afaka Mankafy Fiainana na Jamba Aza

“Nahery loatra ilay fanafody natao tamin’ny masoko tamin’izaho vao teraka, ka lasa tsy nahita tsara intsony aho. Jamba tanteraka aho folo taona mahery tatỳ aoriana, ary lasa kivy be.”—Paqui, vehivavy efa zokinjokiny ary jamba koa ny vadiny.

BETSAKA ny antony mahatonga ny olona ho jamba, anisan’izany ny ratra na ny aretina. Mety hisy vokany amin’ny masony, na ny hoza-masony, na ny atidohany ireo. Malahelo sy matahotra ny olona rehefa lasa jamba na tsy mahita tsara intsony. Tsy eken’ny sainy koa ilay izy. Maro anefa no mahavita miatrika an’izany, ka lasa afaka mankafy fiainana.

Avy amin’ny maso no tena ahalalantsika ny zava-mitranga manodidina antsika. Raha lasa jamba àry ny olona iray, dia tsy maintsy miantehitra amin’ny vavahadin-tsaina hafa izy, ka manampy azy amin’izany ny sofina, orona, tanana, ary ny lela.

Nilaza ny gazety Amerikanina Siantifika fa “afaka manova ny fomba fiasany” ny atidoha “arakaraka ny zava-misy.” Hoy koa izy io: “Betsaka ny porofo manamarina fa afaka manao fanovana ny atidoha raha vao tsy maharay hafatra avy amin’ny vavahadin-tsaina iray. Ampiany ny vavahadin-tsaina hafa ary ataony mora mandre kokoa.” Diniho ireto fanazavana ireto:

Sofina: Manampy olona iray haka sary an-tsaina ny zava-mitranga ny feo reny. Mety ho feon’olona izany, na figadon’ny tongotra. Hoy i Fernando, lehilahy jamba: “Lasa haiko ny mamantatra sy mitadidy olona iray amin’ny feony na ny figadon’ny tongony.” Hoy koa i Juan: “Ny feon’ny olona no amantaran’ny jamba azy.” Tena mahamarika ny lantom-peo ny jamba, toa antsika rehetra ihany. Ahalalana ny fihetseham-pon’ilay olona miteny mantsy izany.

Rehefa tena zatra ny sofin’ny jamba, dia lasa fantany avy amin’ny feo reny ny manodidina azy, anisan’izany ny lalana izoran’ny fiara, ny halehiben’ny efitrano, ary ny toerana misy sakantsakana.

Orona: Ahalalana zavatra betsaka koa ny orona, fa tsy hoe andrenesana fofona fotsiny. Rehefa mandeha eny an-dalana, ohatra, ny jamba iray, dia toy ny hoe misy sary ao an-tsainy. Mety ho fantany avy amin’ny fofona reny mantsy hoe mandalo fivarotana kafe izy, na hotely, na tsena. Manampy azy amin’izany koa ny feo reny sy ny zavatra kasihiny.

Tanana: “Ny rantsantanako no solon’ny masoko”, hoy i Francisco. Afaka manampy ny tanana “hahita” zavatra betsaka kokoa ny tehina. Jamba hatrany an-kibon-dreniny i Manasés ary mbola kely izy dia efa nianatra nampiasa tehina. Hoy izy: “Haiko tsara hoe aiza aho, satria manampy ahy ny vavahadin-tsaiko sy ny fitadidiako. Eo koa ny paozipaozin’ny sisin’arabe, izay fantatro amin’ny alalan’ny tehina.”

Olona mamaky gazety Tilikambo Fiambenana amin’ny soratra Braille

Mamaky gazety Tilikambo Fiambenana amin’ny soratra Braille

Ny tanany koa no ahafahan’ny jamba mamaky boky. Maro izao ny fitaovana ahafahan’ny jamba mampitombo fahalalana sy mifandray amin’Andriamanitra. Anisan’izany ny boky amin’ny soratra Braille sy ny zavatra noraisim-peo ary ny ordinatera. Afaka mamaky Baiboly sy boky fianarana Baiboly ny jamba, vokatr’izany.a

Nahazo fampaherezana avy amin’ireny boky ireny i Paqui sy ny vadiny, ilay voaresaka terỳ aloha, sady lasa nanana fanantenana. Manohana azy ireo koa ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy azy, izay toy ny fianakaviambe ara-panahy. Hoy i Paqui: “Afaka miaina hoatran’ny olon-drehetra izao izahay, sady mba mahavita tena ihany.”

Marina aloha fa miatrika olana manokana ny jamba. Afaka mandresy an’izany sy mankafy fiainana anefa izy ireny. Hita tokoa hoe mahay miaina mifanaraka amin’ny zava-misy ny olombelona.

a Mamoaka boky fianarana Baiboly amin’ny soratra Braille amin’ny fiteny 25 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah.

Mahafa-po Ahy ny Fiainako na Jamba aza Aho

Marco Antonio sy Dante, ilay alika mpitari-dalana azy

Manam-bady aman-janaka i Marco Antonio, ary mpiara-miombon’antoka ao amin’ny orinasa iray. Jamba anefa izy. Noresahiny tamin’ny Mifohaza! ny zavatra mahafaly azy sy ny olana atrehiny.

Inona no andraikitrao ao am-piasana?

Mandray antso an-telefaonina aho, dia miresaka amin’ny mpanjifa sy ny mpamatsy entana. Izaho koa no mifampiraharaha amin’ny banky.

Inona no fialam-boly ataonao?

Tia mozika aho satria mampitony ahy ilay izy. Mitendry piano koa aho na dia sarotra amiko aza izany. Tsy vitako mantsy ny hoe sady mamaky naoty amin’ny soratra Braille no mitendry amin’ny tanana roa. Vakiko amin’ny tanako ankavanana aloha ilay naoty, dia ny tanako ilany no mitendry. Ampifamadihako indray avy eo ny zavatra ataon’ny tanako. Rehefa haiko tsianjery ilay naoty, dia mitendry amin’ny tanako roa amin’izay aho.

Nisy olana manokana natrehinao ve?

Nikarakara tsara ahy ny ray aman-dreniko sy ny zandriko roa lahy, ary tsy hoatran’ny olona jamba no nitondran-dry zareo ahy. Marina aloha hoe mianjera aho indraindray, na midondòna etsy sy eroa, kanefa vitako ihany, amin’ny ankapobeny, ny zavatra ataon’ny olona mahita. Ilay izaho tsy afaka mitondra fiara fotsiny no nahasorena ahy, rehefa nihalehibe aho.

Manam-bady aman-janaka aho izao, ary mifankatia sy mifanohana tsara izahay mianakavy. Tratran’ilay areti-maso nahazo ahy koa i David zanako lahy, izany hoe mihamifintina ny hoza-masony. Miezaka ny ho modely ho azy anefa aho. Tiako ho fantany hoe hahavita zavatra betsaka izy raha manana faharetana sy fahavononana.

Nahoana ianao no mampiasa alika mpitari-dalana?

Afaka mandeha haingana kokoa aho sady tsy dia atahorana hiharan-doza rehefa mitondra an’ilay alikako atao hoe Dante. Tsy jamba i Loli vadiko, dia miaraka aminay sy Dante izy raha sambany izahay no ho any amin’ny toerana iray. Izy no manoro lalana anay. Sarotra tamiko, tamin’ny voalohany, ny niantehitra tamin’ny alika. Tena matoky azy anefa aho izao. Mifantoka amin’ny asany izy na inona na inona mitranga manodidina anay. Hoatran’ny alika rehetra ihany anefa izy rehefa esoriko ny tadiny.

Ahoana no anaovanao fianarana samirery hoatran’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra?

I Loli no namaky teny ho ahy, tamin’ny mbola vitsy ny boky amin’ny soratra Braille. Nanampy be ahy izy. Afaka nanao lahateny tany amin’ny fivorian’ny fiangonana mihitsy aza aho, vokatr’izany. Efa manana Baiboly sy boky fianarana Baiboly amin’ny soratra Braille anefa aho izao, ka afaka mamaky teny samirery. Maka zavatra noraisim-peo ao amin’ny jw.org koa aho. Manana fitaovana manokana mifandray amin’ny ordinaterako aho, dia lasa haiko ny mamaky an’izay misoratra eo amin’ny efijery. Misy bokotra kely be dia be izy io, dia ireo no mivohibohitra ka manome soratra Braille. Mahavariana ilay izy!

Tena tiako ny manampy ny sampan’asa momba ny Braille ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Espaina. Mangataka soso-kevitra amin’ny jamba ny olona ao mba hanatsarana ny boky avoakany. Tsapako hoe tia ahy ireo rahalahy sy anabaviko kristianina sady mankasitraka ny zavatra ataoko.

Tia mifanerasera amin’olona ve ianao?

Ie! Indrindra fa ny fianakaviako sy ny Vavolombelona namako. Miara-mitory isan-trano koa izahay. Hoatran’ny olon-drehetra ihany no itondran-dry zareo ahy. Hadinony aza indraindray hoe jamba aho.

Afaka miresaka ny fampanantenan’ny Baiboly aho rehefa mitory. Milaza, ohatra, ny Isaia 35:5 fa “hampahiratina ny mason’ny jamba”, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Nampahiratra ny jamba i Jesosy Kristy tamin’izy teto an-tany, ary mbola hanao an’izany izy amin’ny hoavy. (Matio 15:30, 31) Mihelina ihany ny fahajambana sy ny kilema rehetra. Rehefa lasa Paradisa ny tany, dia tsy hisy hitaraina intsony hoe marary na kilemaina.—Isaia 33:24; Lioka 23:43.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara