FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb20 Martsa p. 7
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Hitory Amin’ny Jamba

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Hitory Amin’ny Jamba
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampio ny Jamba mba Hahalala An’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • Teboka Mivohitra Manova Olona
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
  • Afaka Mankafy Fiainana na Jamba Aza
    Mifohaza!—2015
  • Louis Braille — Fitondrana Fahazavana ho An’ireo Voahidy ao Amin’ny Haizina
    Mifohaza!—2000
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
mwb20 Martsa p. 7
Anabavy iray jamba mampiasa ny tanany mba hamakiana boky amin’ny soratra braille.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Hitory Amin’ny Jamba

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Betsaka ny jamba tsy dia tia miresaka amin’ny olona tsy fantany. Mila ezaka kokoa àry ny mitory amin’izy ireo. Tia sy miahy ny olona jamba i Jehovah. (Le 19:14) Manahaka an’i Jehovah isika raha miezaka manampy an’ireo jamba mba hifandray akaiky aminy.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • “Tadiavo” ireo jamba. (Mt 10:11) Mahafantatra olona manana havana jamba ve ianao? Misy sekoly ho an’ny jamba na fikambanana mikarakara azy ireny ve ao amin’ny faritaninareo? Te hahazo boky na gazety ho an’ny jamba ve ry zareo?

  • Asehoy hoe miahy azy ianao. Tsy hatahotahotra ilay olona jamba, raha tsara fanahy aminy ianao sady mampiseho hoe tena te hanampy azy. Afaka miresaka zavatra mahaliana ny olona ao amin’ny faritany ianao mba hanombohan-dresaka

  • Omeo boky na gazety na zavatra hafa ilainy izy. Namoaka boky sy gazety amin’ny soratra braille na amin’ny endriny hafa ny fandaminana, mba hanampiana ny jamba sy ireo tsy dia mahita tsara. Anontanio izy hoe inona no mety aminy. Mila hamarinin’ny mpiandraikitra ny fanompoana hoe mety tsara ny fanafarana ataon’ny mpikarakara ny boky

Misy amin’ny fiteny maro ny boky sy gazety ho an’ny jamba sy ireo tsy dia mahita tsara. Misy amin’ny endriny samihafa koa izy ireny. Ireto avy izany:

  • Raki-peo ao amin’ny JW Library na ao amin’ny jw.org

  • Soratra lehibe

  • Braille

  • Rakitra elektronika azo vakina amin’ny fitaovana manokana. Io fitaovana io no mamadika an’ilay izy ho feo sy soratra braille

  • Rakitra elektronika azo vakina amin’ny alalan’ny programa ao amin’ny ordinatera. Io programa io no mamadika ny zavatra miseho eo amin’ny efijery ho feo

Sary: 1. Anabavy iray mamaky boky amin’ny soratra braille. 2. Anabavy iray mampiasa fitaovana manokana ho an’ny jamba.

Boky sy fitaovana manokana ho an’ny jamba

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara