FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g16 No. 6 p. 3
  • Ahoana no Hisorohana Aretina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hisorohana Aretina?
  • Mifohaza!—2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Niverenan’ireo Mikraoba Mahery?
    Mifohaza!—2003
  • Areti-mandringana Amin’izao Taonjato Faha-20 Izao
    Mifohaza!—1997
  • Rehefa Tsy Hankarary Intsony ny Mikraoba
    Mifohaza!—2003
  • Tena Mampahatahotra Ve?
    Mifohaza!—2003
Hijery Hafa
Mifohaza!—2016
g16 No. 6 p. 3

MATOAN-DAHATSORATRA

Ahoana no Hisorohana Aretina?

Miady amin’ny fahavalo maro ny vatanao isan’andro. Tsy hita maso sy misoko mangina izy ireny, nefa mety hahafaty. Mety hankarary, ohatra, ny bakteria, virosy, ary katsentsitra.a Tsy tsapanao hoe miady amin’ireny mikraoba ireny ny vatanao, satria tonga dia resin’ny hery fanefitra ny ankamaroany. Tsy voatohitra anefa izy ireny indraindray, ka marary ianao. Mila mihinam-panafody na manaraka fitsaboana hafa ianao amin’izay, mba hatanjaka ny hery fanefitrao.

Antony mahatonga aretina, anisan’​izany ny olona manao dia lavitra, zavamiaina bitika dia bitika, fahantrana, ary ny sakafo tsy voakarakara tsara

Nandritra ny an’arivony taona ny olona no tsy nahay hoe mampidi-doza ny mikraoba sy ny zavamiaina bitika hafa. Hitan’ny mpahay siansa anefa taorian’ny 1800 fa mitondra aretina ny mikraoba, ka lasa afaka niaro tena kokoa ny olona. Vitan’ny mpikaroka, nanomboka tamin’izay, ny namongotra ny areti-mifindra toy ny nendra sy ny lefakozatra, na ny nampihena be ny isan’ny olona voan’izy ireny. Nirongatra indray anefa, tato ho ato, ny aretina toy ny tazovony (ngorongosy) sy ny dengy. Nahoana?

  • An-tapitrisany ny olona mivezivezy eran-tany isan-taona, ary matetika izy ireny no mitondra otrikaretina. Milaza ny gazety iray momba ny fitsaboana fa “mety hampiely areti-mifindra mahafaty” ny olona mivezivezy mankany amin’ny firenena samihafa.

  • Lasa tsy voatohitry ny antibiotika ny bakteria sasany. Hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana: ‘Manomboka tsy mandaitra intsony izao ny antibiotika, ka aretina maro no mety hahafaty indray.’

  • Mikorontana sy mahantra ny tany sasany, ka sarotra amin’ny fitondram-panjakana ny misakana ny aretina tsy hiely.

  • Maro no tsy mahay ny fomba hisorohana aretina.

Na izany aza, dia betsaka ny azonao atao mba hiarovana ny tenanao sy ny fianakavianao. Ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra manaraka, fa misy fomba tsotra sy mandaitra azo ampiasaina, na dia ho antsika atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana aza.

a Tsy mankarary ny ankamaroan’ny mikraoba. Ny zavamiaina bitika dia bitika sy ny mikraoba mankarary anefa no tena resahina ato.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara