FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g23 No. 1 p. 9-11
  • Ala

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ala
  • Mifohaza!—2023
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Atahorana ho ripaka ny ala
  • Noforonina mba haharitra ny tany
  • Ny ezaka efa natao
  • Mbola misy azo antenaina​—Inona no lazain’ny Baiboly?
  • Iza no Hiaro ny Alan’ny Tany Mafana?
    Mifohaza!—2003
  • Ho Lany Ripaka ve ny Alan’ny Tany Mafana?
    Mifohaza!—2003
  • Manana hoavy ve ireo ala?
    Mifohaza!—1991
  • Ny Soa Azo avy Amin’ny Ala Tropikaly
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—2023
g23 No. 1 p. 9-11
Vehivavy mandeha eo ambony tetezana mihantona ao anaty ala.

AHOANA NO HIAFARAN’ITY TANINTSIKA ITY?

ALA

ANTSOINA hoe “havokavoka mamelona ny tany” ny ala, ary tena mitombina izany. Ny hazo mantsy no mifoka ny gazy karbonika mety hankarary antsika. Izy ireny koa no mamoaka oksizenina, ary tena ilaina izy io rehefa mifoka rivotra isika. Eo ho eo amin’ny 80 isan-jaton’ny zavamaniry sy ny biby etỳ an-tanety no any anaty ala. Tsy velona mihitsy àry isika raha tsy teo ny ala.

Atahorana ho ripaka ny ala

An’arivony tapitrisa ny hazo kapaina isan-taona. Mba hahazoana tany hambolena matetika no anaovana an’izany. Efa taloha kelin’ny 1950 no nanomboka ripaka ny antsasaky ny ala (any amin’ny tany mafana ny ankamaroany).

Rehefa ripaka anefa ny ala, dia ripaka miaraka aminy koa ny zavamaniry sy ny biby rehetra ao, ary misy vokany amin’ny tontolo iainana izany.

Noforonina mba haharitra ny tany

Mahavariana ny tany sasany rehefa avy ripaka ny ala teo aminy, satria mbola mampitsiry hazo indray izy ary amin’ny faritra midadasika kokoa aza. Gaga be ny mpiaro ny tontolo iainana, satria hita tato ho ato hoe vetivety dia niverina ho azy tamin’ny laoniny ny ala teo amin’ny tany sasany sady nandrobona be, na dia ripaka aza teo aloha. Diniho ireto:

  • Nesorina ny ala teo amin’ny tany sasany mba hambolena sy hiompiana, dia navela teo fotsiny ilay izy tatỳ aoriana, ary nanara-maso an’ireny toerana ireny ny manam-pahaizana. Nisy 2 200 no narahi-maso hoatr’izany tany Amerika sy Afrika Andrefana. Hita hoe lasa azon’ny hazo aniriana indray ilay tany, ao anatin’ny folo taona.

  • Milaza ny gazety Siansa (anglisy) fa tombanan’ny mpikaroka hoe mety hiverina ho azy amin’ny laoniny ny ala sy ny zavamananaina eo aminy ao anatin’ny 100 taona eo ho eo, na dia tsy ambolena hazo aza eo amin’ilay izy.

  • Vao haingana ny mpahay siansa tany Brezila no nampitaha hoe iza no haingana kokoa raha te hahazo ala: Ny mamboly hazo sa ny miandry an’ilay izy haniry ho azy eo.

  • Nanao tatitra momba an’ireo mpikaroka ireo ny Vaovao Momba ny Tany (anglisy). Izao no nolazainy: “Faly ry zareo satria tsy ilaina akory, hono, ny mamboly hazo.” Tao anatin’ny dimy taona fotsiny, dia “efa feno hazo indray” ilay tany narahi-maso, na dia tsy nisy na inona na inona nambolena aza teo.

    FANTATRAO VE?

    Toeram-pambolena sy Fiompiana Lasa Ala

    Sary namboarina mampiseho toerana nisy ala fa nokapaina mba hambolena sy hiompiana, dia navela teo tatỳ aoriana. Lonaka indray ilay tany, afaka folo taona. Afaka ny hisy ala indray eo amin’ilay izy, zato taona atỳ aoriana na maherin’izay.

    Nesorina ny ala teo amin’ny toerana sasany, mba hambolena sy hiompiana. Nilaozan’ny olona anefa izy ireny tatỳ aoriana, dia mahagaga fa niverina tamin’ny laoniny ny ala teo aminy. Niverina ho azy hoatr’izany koa ny ala ripaka noho ny antony hafa.

Ny ezaka efa natao

Nisy ezaka natao maneran-tany mba hiarovana ny ala sisa tavela sy hamerenana an’izay efa ripaka. “Nihena 50 isan-jato mahery [àry] ny fandripahana ala eran-tany” tao anatin’ireo 25 taona lasa, araka ny tatitra avy amin’ny ONU.

Tsy ampy hiarovana ny alantsika anefa ireny ezaka ireny. Izao no nolazain’ilay fikambanana hoe Mpanara-maso ny Ala Eran-tany: “Tsy tena nihena ny habetsaky ny ala ripaka any amin’ny tany mafana, tao anatin’ireo taona vitsivitsy lasa.”

Ahazoana vola an’arivony tapitrisa dolara ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna, dia izany no tena mandripaka ny alan’ny tany mafana.

Mpikarakara ala mandinika an’ireo hazo ao anaty ala.

Ekipa miaro ny ala. Anapahan-dry zareo ny hazo efa lehibe sady mieritreritra ny hamboly zana-kazo vaovao ry zareo

Mbola misy azo antenaina​—Inona no lazain’ny Baiboly?

“Nataon’i Jehovaha Andriamanitra naniry tamin’ny tany ny hazo rehetra mahafinaritra ny maso sady misy voany mampite hihinana.”​—Genesisy 2:9.

Nataon’ilay Mpamorona afaka miverina amin’ny laoniny ny ala, amin’izay ny olona afaka mandray soa avy amin’izy io foana. Tiany harovana ny ala sy ny zavamaniry ary ny biby ao amin’izy ireny.

Asehon’ny Baiboly hoe tsy havelan’Andriamanitra hanimba ny tanintsika sy ny zavaboary eo aminy intsony ny olona tia tena. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mampanantena Andriamanitra fa ho Tsara Fiafara ity Tanintsika Ity”, eo amin’ny pejy 15.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.

FANAZAVANA FANAMPINY

Mpivady iray ao amin’ny Paradisa eto an-tany.

Nahoana isika no afaka matoky hoe tsy hahavita hanimba an’ity tanintsika ity ny olona mitrandraka ny harena voajanahary tsy araka ny tokony ho izy? Jereo ao amin’ny jw.org ilay video hoe Inona no Antony Namoronan’Andriamanitra ny Tany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara