FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g23 No. 1 p. 12-14
  • Rivotra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rivotra
  • Mifohaza!—2023
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Atahorana haloto loatra ny rivotra
  • Noforonina mba haharitra ny tany
  • Ny ezaka efa natao
  • Mbola misy azo antenaina​—Inona no lazain’ny Baiboly?
  • Mahafaty ny ‘rivotr’izao tontolo izao’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Raha mba Mahazo Rivotra Madio Mantsy A!
    Mifohaza!—1996
  • Maneke hatrany ny ‘fanahy mahavelona’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mihasempotra Miandalana Ireo Tanàn-dehibe Goavana
    Mifohaza!—1995
Hijery Hafa
Mifohaza!—2023
g23 No. 1 p. 12-14
Mpivady mandeha eo amin’ny tehezan-kavoana feno lanezy. Manga ny lanitra, ary mitazana farihy voahodidina tendrombohitra rakotra ala izy ireo.

AHOANA NO HIAFARAN’ITY TANINTSIKA ITY?

RIVOTRA

MILA mifoka rivotra isika mba ho velona. Tsy izay ihany anefa no ilana ny rivotra. Miaro ny tany amin’ny ankamaroan’ireo taratra manimba avy amin’ny masoandro izy io. Raha tsy teo ny rivotra, dia ambanin’ny zero ny mari-pana eran-tany.

Atahorana haloto loatra ny rivotra

Tena maloto ny rivotra amin’izao, ka atahorana ho faty ny zavamananaina eto an-tany. Ny iray isan-jaton’ny mponina eto an-tany ihany no mifoka rivotra madio mifanaraka amin’ny fenitra navoakan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana.

Misy ifandraisany amin’ny rivotra maloto ny aretin’ny taovam-pisefoana, ny kanseran’ny havokavoka, ary ny aretim-po. Olona 7 000 000 eo ho eo koa no maty aloha be isan-taona, noho ny rivotra maloto.

Noforonina mba haharitra ny tany

Efa natao ho afaka hamatsy rivotra madio ho an’ny zavamananaina rehetra ny tany. Hahavita an’izany foana izy io, raha tsy dia mandoto ny tontolo iainana ny olona. Diniho ireto ohatra vitsivitsy ireto:

  • Efa be mpahalala fa mahavita mifoka ny gazy karbonika eny amin’ny rivotra ny ala. Tsy dia be mpahalala anefa hoe mbola tsy mahatoraka ny ala honko eny amoron-tsiraka ny ala. Avo dimy heny noho ny gazy karbonika fohin’ny alan’ny tany mafana mantsy no fohin’ny ala honko.

  • Hita tamin’ny fanadihadiana vao haingana fa tsy vitan’ny hoe mifoka ny gazy karbonika eny amin’ny rivotra ny ahidrano lehibe sasany, fa mandevina azy io koa. Misy kitapo kely feno rivotra eo amin’ny ravin’ny ahidrano antsoina hoe kelp, ka afaka mitsingevana sy miala lavitra ny morontsiraka ireny ravina ireny. Vaky ireo kitapon-drivotra rehefa tonga eny afovoany eny, dia milentika any amin’ny fanambanin’ny ranomasina ilay kelp feno gazy karbonika. Any ilay izy no milevina mandritra ny an-jatony taona.

  • Hita tamin’ilay fihibohana tamin’ny COVID-19, fa afaka ny hadio ho azy ny atmosfera na dia feno loto aza teo aloha. Vetivety dia nihanadio ny rivotra tamin’ny 2020, rehefa tsy nandoto ny tontolo iainana intsony ny ankamaroan’ny orinasa sy ny fiara eran-tany. Maherin’ny 80 isan-jaton’ireo firenena nadinadinina no nilaza fa nadio kokoa ny rivotra tany amin-dry zareo, tsy ela taorian’ilay fihibohana, araka ny “Tatitra Momba ny Fahadiovan’ny Rivotra Eran-tany (2020).”

    FANTATRAO VE?

    Afaka ny Hadio Indray ny Rivotra

    Kisary mampiseho ny hadion’ny rivotra. Hita eo ny habetsahan’ny poti-javatra bitika mandoto ny rivotra (PM2,5) tany New Delhi, any Inde. Nisy 128,1 izany tamin’ny Janoary 2020, ary nosokajina hoe tsy mahasalama. Lasa ambany kelin’ny 35,5 izany tamin’ny Aogositra 2020, ary nosokajina hoe eo ho eo.

    Nihena be ny rivotra maloto avy amin’ny orinasa sy ny fiara tany New Delhi, any Inde, nandritra ny fihibohana tamin’ny COVID-19. Vetivety dia nihena ny habetsahan’ny poti-javatra mandoto ny rivotra (PM2,5). Ireny zavatra bitika kely ireny (0,0025 mm na kely kokoa) no mety hahatonga ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ny aretina lehibe hafa. Tsy naharitra ela anefa izany rivotra nihanadio izany. Na izany aza, dia hita tamin’izy iny hoe vetivety dia vitan’ny atmosfera ny manala an’ireo zavatra mandoto sy mankarary eny amin’ny rivotra.

    New Delhi, any Inde, tamin’ny faramparan’ny 2019, ahitana hoatran’ny zavona matevina satria maloto be ny rivotra.

    © Amit kg/Shutterstock

    Faramparan’ny 2019

    New Delhi, any Inde, tatỳ aoriana nandritra ny fihibohana tamin’ny COVID-19. Lasa mazava kokoa, satria nihena ny loto teny amin’ny rivotra.

    © Volobotti/Shutterstock

    Tamin’ny fihibohana (COVID-19)

Ny ezaka efa natao

Lehilahy iray avy niasa ary mametraka ny bisikiletany eo amin’ny toerany.

Mihena kokoa ny fandotoana ny rivotra rehefa mandeha bisikileta ny olona

Tenenin’ny fitondram-panjakana foana izao ny orinasa mba tsy dia handoto ny rivotra. Ny mpahay siansa indray mahita fomba vaovao foana hanarenana ny vokatry ny fandotoana. Mampiasa mikraoba, ohatra, ry zareo mba hanovana ny loto ao amin’ny rivotra ho lasa zavatra tsy mankarary. Ny olona koa ampirisihin’ny manam-pahaizana handeha an-tongotra na bisikileta fa tsy handeha fiara, ary hitady hevitra mba tsy handany angovo be loatra rehefa ao an-trano.

Vehivavy iray ao amin’ny trano tsotsotra. Mahandro sakafo izy ary mipetraka amin’ny tany. Tsotra ilay fatampera kely ampiasainy nefa tsy dia manetroka.

Miezaka manome fatana maoderina ho an’ny vahoakany ny fanjakana sasany, mba hampihenana ny fandotoana ny rivotra. Betsaka anefa ny olona mbola tsy misitraka an’ireny

Tsy ampy anefa izany, araka ny tatitra maromaro tamin’ny 2022 navoakan’ny fikambanana iraisam-pirenena, anisan’izany ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana sy ny Banky Iraisam-pirenena.

Milaza ny tatitra tamin’ny 2020 fa ny iray ampahatelony eo ho eo amin’ny olona eran-tany no mampiasa zavatra mandoto tontolo iainana rehefa mahandro sakafo. Vitsy ihany any amin’ny faritra maro no afaka mampiasa karazana fatana vaovao, na afaka mampiasa angovo hafa.

Mbola misy azo antenaina​—Inona no lazain’ny Baiboly?

“Izao no tenin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, dia ilay Mpamorona ny lanitra ... Ilay nanao ny tany sy ny vokatra eo aminy, Ilay manome fofonaina ho an’ny mponina eny ambonin’ny tany.”​—Isaia 42:5.

Andriamanitra no namorona ny rivotra iainantsika, sy ireo tsingerina manadio azy io. Tsy misy fetra koa ny heriny sy ny fitiavany ny olombelona. Izy ve dia hijery fotsiny an’izao fandotoana ny rivotra iainantsika izao? Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mampanantena Andriamanitra fa ho Tsara Fiafara ity Tanintsika Ity.”

FANAZAVANA FANAMPINY

Planeta Tany tazanina avy eny amin’ny habakabaka.

Ahoana no nampisy ny atmosfera? Jereo ao amin’ny jw.org ilay video hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara