Fianarana 30
Famelabelarana Lahateny Mirindra
1-3. Inona no anjara asan’ny firindrana ao amin’ny lahateny iray, ary ahoana no mety hanatratrarana izany?
1 Mirindra ny lahateny iray rehefa afaka manaraka azy mora foana ny mpihaino. Mifanohitra amin’izany kosa fa raha tsy ao io toetra ilaina io, dia tsy hitana ny sain’ny mpanatrika maharitra izany. Raharaha mendrika ny fitandremanao rehetra àry io rehefa manomana lahateny ianao; noho izany, ny “Firindran-kevitra noho ny teny mpampitohy” dia voamarika mitokana eo amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny.
2 Ny firindrana dia midika hoe fampiraiketan-javatra miaraka, fanakambanana tapatapany izay hazonina mafy miaraka mba hahaforona fitambaran-javatra iray mifandrindra tsara. Indraindray ny lahateny iray dia mety hirindra satria fotsiny milahatra araka ny lôjika ireo tapatapany samy hafa. Kanefa ao amin’ny ankamaroan’ny lahateny dia misy tapany tsy maintsy ampifandraisina fa tsy vitan’ny hoe alahatra fotsiny. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia ilaina ny tetezana mampitohy hevitra iray mankamin’ny iray hafa, mba hisian’ny firindrana. Ilaina ny teny na fehezanteny mba hampisehoana ny fifandraisan’ny hevi-baovao iray amin’ilay teo alohany, ka hameno ny banga vokatry ny fiovam-potoana na fiovan-kevitra. Izany no atao hoe firindran-kevitra noho ny teny mpampitohy.
3 Ohatra, ny fampidiran-dresaka, ny vatan’ny lahateny ary ny teny famaranana dia tapany miavaka tsara amin’ny lahateninao. Kanefa ilaina ny mampiray azy ireo amin’ny fampitohizana. Toy izany koa, ireo hevi-dehibe amin’ny lahateny dia hifandray amin’ny fampitohizana, indrindra raha tsy miharihary avy hatrany ny fifandraisana misy amin’izy ireo. Indraindray aza dia misy fehezanteny na fehintsoratra mila ny hampifandraisina amin’ny teny fampitohizana.
4-7. Inona no antsoina hoe fampiasana teny mpampitohy?
4 Fampiasana teny mpampitohy. Mba hampifandraisana ireo hevitra amin’izy samy izy dia ampy indraindray ny mampiasa teny mpampikambana tsotra na fombam-pitenenana mampikambana na mpamaritra matoanteny toy ny hoe: noho izany, ankoatra izany, toy izany koa, noho izany antony izany, satria, araka izany, àry, kanefa, mifanohitra amin’izany kosa, rehefa avy eo, raha, taorian’ny, sy ny sisa. Ilaina ny teny toy izany mba hampifandraisana fehezanteny na fehintsoratra roa.
5 Nefa ny firindrana matetika dia mitaky mihoatra noho ny teny fampitohizana tsotra. Rehefa tsy ampy ny teny na fombam-pitenenana iray, dia tsy maintsy ampiana ny mpihaino hiampita avy amin’ny hevitra iray ho amin’ny anankiray hafa amin’ny alalan’ny fehezanteny iray na maromaro manazava izany.
6 Fomba iray fampitohizana koa ny fandraisana ho anisan’ny teny fampidirana hevitra iray, ny teny fampiharana ilay hevitra teo aloha. Mampiasa io fomba io isika matetika amin’ny fampisehoantsika isan-trano.
7 Tsy eo amin’ireo hevitra mifanarakaraka ihany no tokony hasiana fifampitohizana fa eo amin’ny hevitra roa misaraka koa indraindray. Ohatra, ny teny famaranana lahateny iray dia tokony hifampitohy amin’ny teny fampidirana. Ny hevitra na fanoharana iray naseho teo am-piandohan’ny famelabelarana dia azo ampiharina ao amin’ny famaranan-teny, mba hanosehana hanao zavatra na mba hampisehoana ny fifandraisan’ilay fanoharana na ilay hevitra amin’ny zava-kendren’ilay lahateny. Ny famerenana toy izany ny lafiny sasany amin’io hevitra na fanoharana io dia ampiasaina ho fampitohizana ary miditra amin’ny firindran’ny lahateny.
8. Nahoana no misy fiantraikany eo amin’ny fampiasana fomba fampitohizana mampirindra hevitra ny karazan’olona mihaino?
8 Firindran-kevitra mifanentana amin’ny mpihaino. Ny fifidianana ireo teny fampitohizana dia miankina amin’ny ampahany sasany amin’ny mpihaino. Tsy midika akory izany hoe misy mpihaino tsy mila teny mpampitohy. Vao mainka kosa aza ny mpihaino sasany mila bebe kokoa, noho izy ireo tsy mahafantatra tsara ireo hevitra ampifandraisina. Ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah iray dia hanakambana tsy amim-pisalasalana andalan-teny iray miresaka ny amin’ny fiafaran’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny amin’ny anankiray hafa mifandray amin’ilay Fanjakana. Nefa ny mpihaino izay mihevitra fa toe-tsaina ilay Fanjakana na toe-po dia tsy hahita mora foana ny fifandraisana; ilay mpandahateny àry dia tokony hampiditra teny na hevitra iray fampitohizana mba hampiharihariana izany. Eny am-pitoriana dia voatery manao toy izany isika matetika.
**********
9-13. Inona no atao hoe famelabelarana lôjika, ary inona avy ireo fomba roa lehibe indrindra mba hamelabelarana fanaporofoan-kevitra iray?
9 Ilay hevitra hoe “Famelabelarana lôjika sy mirindra”, izay mifamatotra akaiky amin’io toetra ilaina amin’ny fahaiza-mandaha-teny io, dia voatondro ihany koa eo amin’ny taratasy momba ny torohevitra. Zavatra takina fototra izany mba hahatonga ny lahateny iray hampiaiky.
10 Inona no atao hoe lôjika? Raha mahakasika ilay zava-kendrentsika, dia azontsika lazaina fa io teny io dia manondro ny siansa izay mampianatra mba hisaina araka ny tokony ho izy sy hanjohy hevitra marina. Manamora ny fahatakaran-javatra izany, satria noho izany dia takatra ny fifandraisan’ireo tapatapany mahaforona fitambaran-javatra iray. Ny lôjika dia manazava hoe nahoana ireo tapatapany ireo no miara-miasa sy mahaforona fitambaran-javatra. Mirindra ny famelabelarana iray raha toa mitombo miandalana ny fanjohian-kevitra, ka mahatonga ireo tapatapany rehetra hifampitohy tsara. Ny famelabelarana lôjika dia mety ho filaharana arakaraka ny halehibeny, na arakaraka ny fotoana nisehoany, na zava-manahirana iray arahin’ny vahaolana, raha tsy hanonona afa-tsy vitsivitsy monja aza isika.
11 Misy fomba roa lehibe mba hamelabelarana fanaporofoan-kevitra iray: 1) Ny fampisehoana mivantana ny fahamarinana, miaraka amin’ny porofo ho fanamafisana; 2) Ny fanoherana fahadisoan-kevitra iray, mahatonga ny fahamarinana hiharihary ho azy. Ny hany sisa tokony hataon’ny mpandahateny avy eo, dia ny fampiharana araka ny tokony ho izy ireo fahamarinana izay votoatin’ny lahateniny.
12 Tsy manjohy hevitra amin’ny fomba mitovy tanteraka akory ny mpandahateny roa. Ny ohatra tsara dia tsara iray ny amin’ny fomba samy hafa hamelabelarana foto-kevitra iray ihany dia omena antsika ao amin’ireo Filazantsara efatra. Misy mpianatr’i Jesosy efatra nanoratra mitokantokana fitantarana ny asa fanompoany. Samy hafa ireo fitantarana efatra; nefa izy rehetra dia samy mampiseho famelabelarana lôjika sy azo ekena. Ny mpanoratra filazantsara tsirairay avy dia namelabelatra ilay foto-dresaka mba hanatratrarana zava-kendrena iray voafaritra, ary tonga tamin’izany izy.
13 Tokony ho fantatr’ilay mpanoro hevitra anao hoe inona no zava-kendren’ny famelabelaranao ka hanombana ny hasarobidin’ny fanjohian-kevitrao araka izany izy. Amin’izay dia afaka manampy azy ianao, dia izy sy ny mpihaino anao, amin’ny fanambarana ny zava-kendrenao ao amin’ny fampidiran-dresakao sy amin’ny fampiharana izany ao amin’ny famaranan-teninao.
14, 15. Asehoy ny antony maha zava-dehibe ny hananana hevitra milahatra tsara.
14 Hevitra milahatra tsara. Amin’ny fandaharana ireo hevitrao na ny planinao, dia aoka aloha ho azonao antoka fa misy fampiomanana mialoha avokoa izay filazana na hevitra rehetra ampidirinao. Manontania tena toy izao mandrakariva: Inona no hevitra manaraka ara-dalàna indrindra ilay vao avy novelabelariko? Hatreo amin’io famelabelarana io, ara-drariny raha hanontany tena hoe ahoana ny mpihaino? Rehefa hitanao ilay fanontaniana, dia valio fotsiny ilay izy. Tokony ho afaka hilaza foana ny mpihaino anao hoe: “Raha jerena izay rehetra nohazavainao teo aloha dia takatro ny hevitrao farany.” Raha mifanohitra amin’izany kosa ka tsy manomana ny toerana ianao, dia azo antoka fa hihevitra ilay mpanoro hevitra anao fa tsy nirindra ny filahatr’ireo hevitra naseho ary misy zavatra tsy ampy ao.
15 Rehefa manomana ireo hevitrao ianao dia jereo ireo izay mifamatotra ara-dalàna amin’izy samy izy. Ataovy izay hahitana ny fifandraisan’ireo tapany samy hafa, dia alaharo araka izany rehefa avy eo. Mitovy amin’ny fanorenana trano izany. Mpanao trano iza no hanangana ireo rindrina nefa tsy nametraka ny fototra aloha, na hampiditra ny fitarihan-drano rehefa avy nahavita ny asany ilay mpandalotra? Tokony hanao toy izany koa ilay mpandahateny. Ny tapany tsirairay avy amin’ny lahateniny dia tokony handray anjara amin’ny fahamafisan’ilay asa manontolo; hifanaraka araka ny laharany ireo hevitra ka ny tsirairay avy aminy dia hameno ilay teo aloha ary hanomana ny lalana ho amin’ilay manaraka. Tokony ho voamarina hatrany ny laharana ametrahanao ny hevitrao.
16-20. Ahoana no ahafahana mahazo antoka fa misy fifandraisana amin’ny foto-dresaka ny hevitra rehetra ao amin’ny lahateny iray?
16 Hevitra mifandray amin’ilay foto-dresaka ihany ampiasaina. Ny hevitra tsirairay avy ampiasaina dia tokony hifandray akaiky amin’ilay foto-dresaka, fa raha tsy izany ny hevitra sasany dia hivoaka ny resaka, tsy hifanaraka ary tsy hirindra.
17 Nefa mety hisy hevitra iray toa mivoaka ilay foto-dresaka raha vao jerena, kanefa manana antony tsara hilazana azy ianao. Tsy hahita izay tsy mahamety izany ilay mpanoro hevitra anao raha tahiny ka ampifandraisina tsara amin’ny foto-kevitra izany ka mifanaraka aminy ary asehonao araka ny filaharana lôjika.
18 Ahoana no ahafahana mamantatra mora foana sy haingana ireo hevitra izay tsy misy ifandraisany amin’ilay foto-kevitra, rehefa manomana lahateny? Eto no ahitana ny ilana planina misy ny hevitra fototra. Ny planina toy izany dia manampy anao handahatra ireo hevitrao. Manandrama mampiasa taratasy kely henjana maromaro, na zavatra mitovitovy amin’izany, ka ireo hevitra rehetra mifandray no mariho eo amin’ny taratasy tsirairay. Alaharo amin’izay ireo taratasy kely, araka izay heverinao fa filaharana ara-dalàna tokony hisehoany. Izany dia hahafahanao tsy hoe hanapa-kevitra fotsiny ny amin’ny fomba hamelabelarana ilay foto-kevitra, fa hamantarana koa ireo hevitra tsy misy ifandraisany amin’ilay foto-kevitra. Ireo hevitra izay toa tsy azo alahatra dia hovana raha heverinao fa tena ilaina amin’ny fanaporofoan-kevitrao izany. Raha tsy tena ilaina kosa izy ireo, dia esory satria tsy misy ifandraisany amin’ilay foto-kevitra.
19 Hita àry fa ny foto-kevitry ny lahateninao, nofidina arakaraka ny mpihaino sy ny zava-kendrenao, no mamaritra na mifandray amin’ny foto-dresaka na tsia ny hevitra iray. Arakaraka ny toe-javatra miseho sy ny fahalalan’ireo mpihaino anao, ny hevitra iray dia mety ho tena ilaina, na tena tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny resaka. Miankina amin’ny mpihaino sy ny foto-kevitra ny zavatra rehetra.
20 Rehefa jerena izay voalaza rehetra teo aloha, hatraiza no hamelabelarana feno ny foto-dresaka? Tsy tokony hampandeferina ny famelabelarana lôjika sy mirindra satria fotsiny hoe tiana horesahina avokoa ireo hevitra rehetra tafiditra ao amin’ilay anjaranao. Kanefa tsara kokoa ny mifidy faritra iray izay hahafahanao hiresaka tsara, hevitra faran’izay betsaka mba hahatonga ireo lahatenin’ny mpianatra ho tapany ahitana fianarana amin’ny sekoly. Tsy tokony hesorina anefa ireo hevitra fototra tena ilaina amin’ny famelabelarana ny foto-dresaka.
21. Nahoana no zava-dehibe ny tsy hanadinoana hevitra fototra na dia iray aza?
21 Tsy misy hevitra fototra hadino. Ahoana no ahafahana mahafantatra raha hevitra fototra ny hevitra iray na tsia? Tena ilaina ny hevitra iray raha toa ianao ka tsy afaka mahatratra ny zava-kendren’ny lahateninao raha tsy misy azy. Izany dia mahakasika mivantana ny famelabelarana lôjika sy mirindra. Inona no hataonao ohatra, raha tahiny ny mpianto-draharaha iray manao ho anao trano iray misy rihana iray nefa tsy misy tohatra? Toy izany koa, ny lahateny iray tsy misy hevitra sasany tena ilaina dia tsy lôjika sy tsy mirindra rehefa velabelarina. Misy zavatra tsy ampy ao. Tsy haharaka ilay mpandahateny ny sasany amin’ny mpihaino. Tsy hisy izany raha mirindra sy lôjika ny famelabelarana lahateny iray.