LESONA 26
Famelabelarana Mirindra Tsara
MILA manana zava-kendrena aloha ianao, vao afaka mandamina ny fanazavanao hirindra tsara. Te hampahafanta-javatra amin’ny hafa ve ianao: fampianarana, fihetsika, toetra tsara, fitondran-tena, na fomba fiaina? Te hanaporofo ve ianao fa marina na diso ny hevitra iray? Handrisika ny hafa hankasitraka zavatra iray ve no irinao, sa hanosika azy hanao zavatra? Na olon-tokana no hitenenanao na mpanatrika maromaro, dia mila mihevitra izay efa fantany sy ny toe-tsainy momba ilay foto-kevitra ianao, raha tianao handaitra ny fanazavanao. Alamino avy eo ny fanazavanao mba hahafahanao hahatratra ilay zava-kendrenao.
Milaza ny Asan’ny Apostoly 9:22 fa “nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy [i Saoly, na Paoly] ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy.” Inona no nataony tamin’izany? Hita amin’ny fandinihana ny fitantarana ny fanompoan’i Paoly tany Antiokia sy tany Tesalonika ny valiny: Koa satria nanaiky ny Soratra Hebreo ny Jiosy sady nihambo ho nino izay voalaza tao momba ny Mesia, dia tamin’izany aloha no nitondran’i Paoly ny resaka. Avy tamin’io Soratra Hebreo io, avy eo, no nakany tapany nifandray tamin’ny fiainan’ny Mesia sy ny fanompoany. Notononiny ireny teny ireny ary nampitahainy tamin’ny zavatra tena nitranga teo amin’ny fiainan’i Jesosy. Ary nanatsoaka hevitra mazava izy tamin’ny farany fa i Jesosy no Kristy, na Mesia. (Asa. 13:16-41; 17:2, 3) Handresy lahatra ny hafa ny fahamarinana ara-baiboly, raha mirindra toy izany koa ny fomba anazavanao azy.
Fandaminana ny famelabelaranao. Maro samy hafa ny fomba mirindra tsara azonao andaminana ny fanazavanao. Azonao ampiarahina ny fomba maromaro, raha hitanao fa hanampy kokoa izany. Indreto ny sasany amin’izany.
Araka ny foto-kevitra. Alamino hisy fizarana samihafa ny fanazavanao, ka samy manampy hahatratra ilay zava-kendrenao ny tsirairay aminy. Mety ho hevi-dehibe ilaina mba hampahazava ny foto-kevitrao izy ireo. Mety ho porofo manamarina na mandiso zavatra iray koa izy ireo. Misy hevitra mifandray amin’ilay foto-kevitra azonao ampidirina na esorina, arakaraka ny mpihaino anao na ny zava-kendrenao.
Indro misy ohatra. Ny famelabelarana fohy momba ny anaran’Andriamanitra dia mety hanazava 1) hoe nahoana no ilaina ny mahafantatra ny anaran’Andriamanitra, sy 2) hoe iza izany anarana izany, ary 3) hoe inona no hatao mba hanomezam-boninahitra azy io.
Be ny azo ianarana momba ny famelabelarana araka ny foto-kevitra, raha mandinika ireo boky fampianarana Baiboly navoakan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina.’ (Matio 24:45) Mazàna ireny boky ireny no misy foto-kevitra maromaro, izay hanampy ny mpianatra hahita amin’ny ambangovangony ny fahamarinana ara-baiboly. Ao amin’ireo boky lehibe, ny toko tsirairay dia misy lohatenikely manondro ireo fizarazarana ao aminy. Ny lohatenikely tsirairay dia toy ny teny fampidirana ilay fanazavana eo ambaniny, ary mifandray amin’ilay loha hevitra ankapobe.
Antony sy vokany. Fomba mirindra tsara iray hafa ny famelabelarana ny antony nampisy ny zavatra iray sy ny vokany.
Mandaitra io fomba io, raha irinao ny hampirisika olon-tokana na maromaro handinika tsara ny ho vokatry ny zavatra iray efa ataony na kasainy hatao. Manome ohatra tena tsara ny amin’izany ny Ohabolana toko faha-7. Voalaza ao ny amin’ny zazalahy iray mbola zazavao amin’ny fiainana ka “tsy ampy saina” (io no antony), ary niaraka tamin’ny vehivavy janga ka voatery nizaka ny voka-dratsiny (io no vokany).—Ohab. 7:7.
Mba hanamafisan-kevitra kokoa, dia ampifanohero ny voka-dratsy hitan’ireo tsy mandeha amin’ny lalan’i Jehovah sy ny vokatra tsara hitan’ireo mihaino azy kosa. Natosiky ny fanahin’i Jehovah mba hampifanohitra hevitra toy izany i Mosesy, fony izy niteny tamin’ny firenen’ny Isiraely talohan’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina.—Deot., toko 28.
Tsara kokoa indraindray ny manomboka amin’ny fampahafantarana tarehin-javatra iray (ny vokany) ary avy eo vao manome ireo lafin-javatra nitarika ho amin’izy io (ny antony). Famelabelarana milaza ny olana sy ny vahaolana matetika no atao amin’izany.
Olana sy vahaolana. Mety hihaino ny olona eny amin’ny fanompoana, raha zava-manahirana mampanahy ny olona no resahinao, ary asehonao fa misy fanafodiny mahafa-po. Mety ho zava-manahirana nolazainao ilay izy na nolazain’ilay tompon-trano.
Angamba ny fahanterana sy ny fahafatesana izany, na ny asan-jiolahy miely patrana, na koa ny tsy rariny hatraiza hatraiza. Tsy ilaina ny miresaka ela be momba ny fisian’ilay zava-manahirana, satria efa miharihary izany. Tonòny fotsiny ilay izy, ary avy eo dia asehoy ny fanafodiny omen’ny Baiboly.
Mety ho tsy zava-manahirana ankapobe anefa ilay olana, fa mahakasika olona manokana; ohatra, ireo zava-tsarotra hitan’ny ray na ny reny mitaiza irery ny zanany, ny fahakiviana satria marary mafy, na ny fampijaliana ataon’ny hafa. Tsy maintsy mihaino tsara aloha ianao, raha te hahazo ny vokatra tsara indrindra. Manome fanazavana faran’izay tsara momba ireny zava-manahirana rehetra ireny ny Baiboly. Ilana fitandremana anefa ny fampiasana izany. Mila mijery ny zava-misy ianao, raha tena te hanampy an’ilay iresahanao. Asehoy mazava tsara raha vahaolana maharitra no resahinao, na fanamaivanana vetivety, na ny fomba hiaretana tarehin-javatra iray tsy ho azo ovana amin’izao fotoana izao. Fanjohian-kevitra ara-baiboly mazava tsara àry no omeo, mba hisy heviny ny fanatsoahan-kevitrao. Raha tsy izany, dia mety tsy heken’ny olona ilay izy, satria tsy mirindra tsara.
Fitanisana fisehoan-javatra arakaraka ny nisehoany. Misy fanazavana mety tsara amin’io fomba famelabelarana io. Mitanisa ireo Loza Folo arakaraka ny nisehoany, ohatra, ny bokin’ny Eksodosy. Manaraka ny fandehan’ny fotoana ny filaharan’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana fakan-tahaka, notanisain’i Paoly ao amin’ny Hebreo toko faha-11.
Hanampy ny mpihaino hahatakatra ny antony nahatonga ny toe-javatra sasany ianao, raha mitantara ireo zava-nitranga tamin’ny lasa arakaraka ny nisehoany. Marina izany, na zava-nitranga ankehitriny na tamin’ny andron’ny Baiboly no resahinao. Azonao ampiarahina àry ny fitanisana zavatra arakaraka ny nisehoany sy ny fanjohian-kevitra milaza ny antony sy ny vokany. Raha izay lazain’ny Baiboly fa hitranga amin’ny hoavy no tianao horesahina, dia ny famelabelarana azy ireo arakaraka ny hisehoany no mora arahina sy mora tadidy indrindra.
Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy atombokao amin’izay nitranga voalohany foana ilay izy. Tsara kokoa indraindray raha fisehoan-javatra manaitra iray no anombohanao ny fitantaranao. Rehefa mitantara zavatra niainan’ny olona iray ianao, ohatra, dia azonao atomboka amin’ny fotoana nitsapana ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra izany. Nanaitra ny fahalianan’ny mpihaino ianao, ka azonao tantaraina araka ny nisehoany amin’izay ireo tsipirian-javatra nitarika ho amin’ilay fitsapana.
Hevitra mifandray amin’ny foto-kevitra ihany ampiasaina. Na ahoana na ahoana fomba andaminanao ny famelabelaranao, dia hevitra mifandray amin’ny foto-kevitrao ihany ampiasaina. Hanampy anao hifidy azy ireo ny loha hevitry ny anjaranao na lahateninao. Tokony hoheverinao koa ireo hihaino anao. Misy hevitra raisin’ny antokon’olona iray ho zava-dehibe, nefa tsy ilain’ny antokon’olona hafa. Ataovy azo antoka koa fa samy hanampy anao hahatratra ilay zava-kendrenao ny hevitra rehetra hampiasainao. Raha tsy izany, dia tsy handaitra firy ny famelabelaranao, na dia mahaliana aza.
Mety hahita fanazavana mahaliana be dia be ianao, rehefa manao fikarohana momba ny foto-kevitrao. Firy amin’ireny no tokony hampiasainao? Tsy hazava ny anjaranao na ny lahateninao, raha be loatra no asainao henoin’ny mpihaino. Hevi-dehibe vitsivitsy novelabelarina tsara no mora tadidy kokoa noho ny hevitra be dia be nosafosafoina vetivety fotsiny. Tsy midika akory izany hoe tsy tokony hampiditra hevitra kely fanampiny mihitsy ianao. Mitandrema fotsiny sao manakona ilay zava-kendrenao izy ireny. Mariho ny fomba nampidirana fanamarihana kely toy ireny, ao amin’ny Marka 7:3, 4 sy Jaona 4:1-3, 7-9.
Aza atao tampoka loatra ny fifindrana avy amin’ny hevitra iray mankamin’ny hevitra manaraka, sao tsy araky ny mpihaino ny fizotran’ny hevitrao. Mety hila fehezanteny mpampitohy ianao, mba hampisosa tsara ny fifandraisan’ireo hevitra amin’izy samy izy. Amin’ny fiteny maro, dia efa ampy ny teny mpampitohy tsotra mba hampifandraisana hevi-baovao amin’ilay teo aloha.
Hahatratra ilay zava-kendrenao ianao, raha tsy mampiasa afa-tsy ireo hevitra mifandray amin’ny foto-kevitrao sy mandamina azy ireo hirindra tsara.