FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 5
  • Nanomboka ny Fiainana Mafy Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanomboka ny Fiainana Mafy Iray
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no Namoy ny Fonenany Izy Ireo
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Nanao Ahoana ny Fiainana tao Amin’ny Paradisa?
    Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao
  • Tsy Nankatò An’Andriamanitra i Adama sy Eva
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Misy Persona Iray Ambony Noho Isika
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 5

TANTARA 5

Nanomboka ny Fiainana Mafy Iray

NAHITA fahasahiranana maro i Adama sy Eva tany ivelan’ny zaridainan’i Edena. Tsy maintsy niasa mafy izy mba hahazoana sakafo. Ho solon’ny hazo fihinam-boa tsara tarehy, dia tsilo sy hery no hitany naniry nanodidina azy. Izany no nitranga rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva ka nitsahatra tsy ho sakaizany.

Nefa ny mbola ratsy noho izany, dia nanomboka nihamaty i Adama sy Eva. Tsarovy fa Andriamanitra dia nampitandrina azy ireo fa ho faty izy raha mihinana ny voan’ny hazo iray. Tamin’ny andro izay nihinanany àry dia nanomboka nihamaty izy. Endrey ny hadalan’izy ireo noho ny tsy fihainoana an’Andriamanitra!

Taorian’ny nandroahan’Andriamanitra an’i Adama sy Eva avy ao amin’ny zaridainan’i Edena no niteraka ny zanany rehetra izy ireo. Milaza izany fa tsy maintsy hihantitra koa ny zanany ary ho faty.

Raha mba nankatò an’i Jehovah mantsy i Adama sy Eva, dia ho nanana fiainana sambatra izy sy ireo zanany. Tokony ho velona mandrakizay tao anatin’ny fahasambarana teto an-tany izy rehetra. Tsy tokony ho nisy olona antitra, marary ary maty.

Tian’Andriamanitra ho velona mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana ny olona, ary mampanantena Izy fa hahita izany izy ireo indray andro any. Tsy hoe ho tsara tarehy fotsiny ny tany manontolo, fa ny olona rehetra koa dia ho salama. Ary ny tsirairay eto an-tany dia ho sakaiza tsaran’ny hafa rehetra sy Andriamanitra.

Nefa dia tsy sakaizan’Andriamanitra intsony i Eva. Noho izany, rehefa niteraka ireo zanany izy dia tsy mora taminy izany. Nanaintaina izy. Tsy isalasalana fa nitondra alahelo be ho azy ny tsy fankatoavana an’i Jehovah, sa tsy marina izany?

Nanana zanakalahy sy zanakavavy maro i Adama sy Eva. Rehefa teraka ny zanaka lahimatoan’izy ireo, dia nantsoiny hoe Kaina. Nomeny anarana hoe Abela ny zanany lahiaivo. Inona no nitranga tamin’izy ireo? Fantatrao ve?

Genesisy 3:16-23; 4:1, 2; Apokalypsy 21:3, 4.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara