FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 43
  • Tonga Mpitarika i Josoa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tonga Mpitarika i Josoa
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nifidy An’i Josoa i Jehovah
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Fianarana avy Amin’ny Finoan’i Josoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Nikapoka ny Vatolampy i Mosesy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Josoa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 43

TANTARA 43

Tonga Mpitarika i Josoa

I MOSESY dia naniry hiditra tao Kanana niaraka tamin’ny Israelita. Koa dia nangataka izy hoe: ‘Avelao aho hita ny Ony Jordana, Jehovah ô, ary hijery ny tany soa.’ Nefa hoy i Jehovah: ‘Ampy izay! Aza mamerina izany intsony!’ Fantatrao ve ny antony nilazan’i Jehovah izany?

Noho izay nitranga rehefa nikapoka ilay vatolampy i Mosesy. Tadidio fa tsy nanome voninahitra an’i Jehovah izy sy Arona. Tsy nilaza tamin’ny vahoaka izy ireo fa i Jehovah no nampivoaka rano avy amin’ny vatolampy. Noho izany antony izany no nitenenan’i Jehovah fa tsy hamela azy ireo hiditra ao Kanana izy.

Volana vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’i Arona àry, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Raiso i Josoa, ary ampijoroy eo anoloan’i Eleazara mpisorona sy ny vahoaka izy. Ary eo anatrehan’izy rehetra ireo, dia ambarao fa i Josoa no mpitarika vaovao.’ Nanao araka izay nolazain’i Jehovah i Mosesy, araka ny azonao jerena eo amin’ny sary.

Hoy i Jehovah tamin’i Josoa avy eo: ‘Mahereza, ary aza matahotra. Hitarika ny Israelita hiditra ao amin’ny tany Kanana izay nampanantenaiko azy ireo ianao, ary homba anao aho.’

Tatỳ aoriana i Jehovah dia nilaza tamin’i Mosesy mba hananika teo an-tampon’ny Tendrombohitra Nebo, tao amin’ny tanin’i Moaba. Avy eo amin’io toerana io i Mosesy dia afaka nijery tany ampitan’ny Ony Jordana ary nahatazana ny tany tsara tarehin’i Kanana. Hoy i Jehovah: ‘Io no tany izay nampanantenaiko fa homena ny taranak’i Abrahama, Isaka ary Jakoba. Navelako hahita izany ianao, nefa tsy havelako hiditra ao ianao.’

Teo an-tampon’ny Tendrombohitra Nebo no maty i Mosesy. Roapolo amby zato taona izy tamin’izay. Mbola natanjaka foana izy, ary mbola tsara foana ny fahitan’ny masony. Nalahelo aoka izany ny olona ary nitomany satria maty i Mosesy. Faly anefa izy ireo nanana an’i Josoa ho mpitarika azy vaovao.

Nomery 27:12-23; Deoteronomia 3:23-29; 31:1-8, 14-23; 32:45-52; 34:1-12.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara