LESONA 29
Nifidy An’i Josoa i Jehovah
I Mosesy no nitarika ny Israelita nandritra ny taona maro. Rehefa akaiky ho faty izy, dia hoy i Jehovah taminy: ‘Tsy ianao no hitarika ny Israelita hiditra ao amin’ny Tany Nampanantenaina. Avelako hitazana an’ilay tany anefa ianao.’ Niangavy an’i Jehovah àry i Mosesy mba hifidy olon-kafa hitarika ny Israelita. Dia hoy i Jehovah taminy: ‘Teneno i Josoa hoe izy no fidiko.’
Niteny tamin’ny Israelita i Mosesy hoe efa ho faty izy, ka i Josoa indray no nofidin’i Jehovah hitarika an-dry zareo hiditra ao amin’ny Tany Nampanantenaina. Niteny tamin’i Josoa i Mosesy avy eo hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao i Jehovah.’ Tsy ela taorian’izay, dia niakatra teo an-tampon’ny Tendrombohitra Nebo i Mosesy. Teo izy no nasain’i Jehovah nitazana an’ilay tany nampanantenainy an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Maty i Mosesy tamin’izy 120 taona.
Hoy i Jehovah tamin’i Josoa: ‘Mandehana miampita ny Reniranon’i Jordana, ary midira any Kanana. Ao fa hampiako ianao, hoatran’ny nataoko tamin’i Mosesy. Dia vakio isan’andro ny Lalàko. Aza matahotra fa ataovy fotsiny izay asaiko ataonao.’
Naniraka mpitsikilo roa nankany amin’ny tanànan’i Jeriko i Josoa. Ho hitantsika ao amin’ny tantara manaraka hoe inona no nitranga tany. Rehefa niverina tany amin’i Josoa izy roa lahy, dia niteny hoe: ‘Izao no fotoana mety indrindra hidirana ao Kanana.’ Nasain’i Josoa nangorona entana àry ny vahoaka ny ampitso. Nasainy nandeha mialoha niampita ny Reniranon’i Jordana avy eo ny mpisorona nilanja ny Vata misy ny fifanekena. Tondraka be ilay renirano tamin’izay. Vao nikasika an’ilay rano anefa ny tongotr’ireo mpisorona, dia tsy nikoriana intsony ilay renirano sady lasa maina! Nankeny afovoany ry zareo avy eo dia nijoro teo, fa ny Israelita rehetra kosa niampita terỳ amin’ny ilany. Araka ny hevitrao, mety ho tadidin-dry zareo ve tamin’izay hoe efa nanao fahagagana hoatr’izany koa i Jehovah teo amin’ny Ranomasina Mena?
Ela ny ela ka tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina ihany ny Israelita! Afaka nanamboatra trano sy tanàna amin’izay ry zareo, ary afaka nanana saha sy tanimboaloboka ary saham-boankazo. Tena tondra-dronono sy tantely ilay tany!
“Hitarika anao foana i Jehovah, ka hataony afa-po ianao, na dia any amin’ny tany karakaina aza.”—Isaia 58:11