FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 84
  • Nitsidika An’i Maria ny Anjely Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nitsidika An’i Maria ny Anjely Iray
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nitsidika An’i Maria i Gabriela
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Nomem-boninahitra talohan’ny nahaterahany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • “Intỳ Aho Mpanompovavin’i Jehovah!”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Nomem-boninahitra talohan’ny nahaterahany
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 84

TANTARA 84

Nitsidika An’i Maria ny Anjely Iray

I MARIA io vehivavy tsara tarehy io. Israelita izy io, ary nonina tao an-tanànan’i Nazareta. Fantatr’Andriamanitra fa tena olona tsara dia tsara i Maria. Izany no antony nanirahany ny anjeliny Gabriela hiresaka aminy. Fantatrao ve izay nambaran’i Gabriela tamin’i Maria? Aoka hojerentsika.

‘Arahaba, ry ilay nohasoavina’, hoy i Gabriela taminy. ‘I Jehovah no momba anao.’ Mbola tsy nahita io olona io mihitsy i Maria taloha. Very hevitra izy, satria tsy fantany izay tiany holazaina. Nefa avy hatrany dia nampitonen’i Gabriela ny tahony.

‘Aza matahotra, ry Maria’, hoy izy. ‘Nahita fitia tamin’i Jehovah ianao. Noho izany, dia hanao zava-mahagaga ho anao izy. Tsy ho ela dia hanan-janaka ianao. Ary hataonao hoe Jesosy ny anarany.’

Nanohy nanazava toy izao i Gabriela: ‘Ho lehibe io zaza io, ary hatao hoe Zanak’ilay Andriamanitra Avo Indrindra. I Jehovah dia hanao azy ho mpanjaka sahala amin’i Davida. Nefa ho mpanjaka mandrakizay i Jesosy, ary tsy hisy farany ny fanjakany!’

‘Ahoana no mety hahatanteraka izany rehetra izany?’, hoy ny fanontanian’i Maria. ‘Tsy manambady akory aho. Tsy niara-nitoetra tamin-dehilahy aho, koa ahoana no mety hananako zaza?’

‘Ho tonga aminao ny herin’Andriamanitra’, hoy ny navalin’i Gabriela. ‘Koa ny zaza dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.’ Hoy izy avy eo tamin’i Maria: ‘Tadidio i Elizabeta havanao. Nilaza ny olona fa antitra loatra izy ka tsy ho afaka hanan-janaka. Nefa tsy ho ela izao dia hanan-janakalahy izy. Hitanao àry fa tsy misy zavatra tsy hain’Andriamanitra.’

Niteny avy hatrany i Maria hoe: ‘Ankizivavin’i Jehovah aho! Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao.’ Dia lasa ilay anjely.

Nandeha faingana i Maria hamangy an’i Elizabeta. Rehefa ren’i Elizabeta ny feon’i Maria, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza tao an-kibony. Feno ny fanahin’Andriamanitra i Elizabeta ka niteny tamin’i Maria hoe: ‘Voatahy manokana amin’ireo vehivavy ianao.’ Nitoetra teo amin’i Elizabeta teo amin’ny telo volana i Maria, ary niverina nody ho any Nazareta avy eo.

Efa akaiky hanambady ny lehilahy iray atao hoe Josefa i Maria. Nefa rehefa fantatr’i Josefa fa hanan-janaka tsy ho ela i Maria, dia tsy nieritreritra izy hoe tokony hanambady azy. Hoy ilay anjelin’Andriamanitra taminy avy eo: ‘Aza matahotra hampakatra an’i Maria ho vadinao. Fa Andriamanitra no nanome azy zanakalahy.’ Koa nivady àry i Maria sy Josefa ary niandry ny fahaterahan’i Jesosy izy ireo.

Lioka 1:26-56; Matio 1:18-25.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara