Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nomem-boninahitra talohan’ny nahaterahany
VAO avy nanambara tamin’i Maria ny anjely Gabriela fa hiteraka zazalahy natao ho tonga mpanjaka mandrakizay izy. Nanontany azy toy izao anefa i Maria: ‘Ahoana no hetezan’izany, nefa aho mbola tsy nanana firaisana tamin-dehilahy mihitsy?
‘Ho tonga aminao ny fanahy masin’Andriamanitra, hoy ny navalin’i Gabriela. Noho izany no hiantsoana ilay zazalahy hoe Zanak’Andriamanitra.’ Mba hanampiana azy hino, dia izao no teny nanampin’i Gabriela: ‘Eritrereto Elizabeta havanao efa be taona. Fantatry ny olona rehetra fa tsy afaka niteraka izy, nefa bevohoka enim-bolana izy izao.’ Nino ny tenin’i Gabriela i Maria ka nanambara hoe: ‘Enga anie ho tanteraka araka ny teninao ny zavatra rehetra!’
Fotoana fohy taorian’ny niaingan’i Gabriela, dia niomana i Maria hitsidika an’i Elizabeta izay niara-nonina tamin’i Zakaria vadiny tao amin’ny faritra be tendrombohitra amin’i Jodia. Koa satria tany Nazareta izy no nonina, dia ho fandehanana lavitra izany ka angamba handaniany telo na efatra andro.
Tonga tao an-tranon’i Zakaria i Maria tamin’ny farany. Niditra tao an-trano izy ka niarahaba. Avy hatrany dia feno fanahy masina i Elizabeta ka namaly azy hoe: ‘Voatahy samy vehivavy hianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao. Endrey ny tombontsoako mandray ny renin’ny Tompoko! Raha vao nandre ny feonao aho, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ato an-kiboko.’
Nentanin-kafaliana i Maria ka nanambara hoe: ‘Hatramin’izao dia hataon’ny olona rehetra hoe sambatra aho noho ireo zavatra lehibe nataon’Andriamanitra ho ahy.’ Hijanona telo volana teo ho eo teo anilan’i Elizabeta i Maria. Tsy isalasalana fa hilainy tokoa izy mandritra ireo fotoana faramparany naha-bevohoka azy. Marina tokoa fa niavaka ny nahatafaray an’ireo vehivavy nahatoky roa ireo izay samy nanana anaka noho ny fahagagana nandraisan’Andriamanitra anjara tamin’io vanim-potoana nahasambatra teo amin’ny fiainan’izy ireo io.
Voamarikao ve ny voninahitra nomena an’i Jesosy raha mbola tsy teraka akory izy? Niantso azy hoe “Tompoko” i Elizabeta, ary nibitaka noho ny hafaliana ny zaza tao an-kibony rehefa tonga i Maria. Nisy hafa kosa anefa naneho fanajana latsaka lavitra an’i Maria sy ilay zaza haterany, araka ny ho hitantsika any aoriana. Ao amin’ny tantara kelintsika manaraka anefa, dia hifankahalala bebe kokoa amin’i Jaona, zanak’i Elizabeta, isika. Lioka 1:26-56.
◆ Inona no nolazain’i Gabriela tamin’i Maria mba hampahafantarana azy ny fomba hananany anaka?
◆ Ahoana no nanomezam-boninahitra an’i Jesosy talohan’ny hahaterahany?
◆ Naharitra hafiriana no nijanonan’i Maria teo amin’i Elizabeta? Nahoana no nety ny nanaovany toy izany?