FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 105
  • Ny Fiandrasana tao Jerosalema

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fiandrasana tao Jerosalema
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahazo Fanahy Masina ny Mpianatra
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Olona An-jatony no Nahita Azy Talohan’ny Pentekosta
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Ireo fisehoana farany, sy ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir.
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ireo fisehoana farany, sy ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir.
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 105

TANTARA 105

Ny Fiandrasana tao Jerosalema

MPANARA-DIA an’i Jesosy ireo olona eto ireo. Nankatò azy izy ary nijanona tao Jerosalema. Ary raha mbola teo am-piandrasana niaraka izy rehetra, dia nisy feo nahery nameno ny trano manontolo. Sahala amin’ny rivotra mahery mifofofofo izany. Avy eo dia nisy lela nitarehin’afo nanomboka niseho teo ambony lohan’ny tsirairay tamin’ny mpianatra. Hitanao ve ny afo eo ambonin’ny tsirairay amin’izy ireo? Inona no hevitr’izao rehetra izao?

Fahagagana izao! Efa any an-danitra miaraka amin’ny Rainy i Jesosy, ary eo am-pandatsahana ny fanahin’Andriamanitra amin’ny mpanara-dia azy. Fantatrao ve izay nanosehan’io fanahy io azy ireo hatao? Nanomboka niteny tamin’ny fiteny samihafa izy rehetra.

Olona maro tao Jerosalema no nandre ny feo izay nitovy tamin’ny rivotra mahery, ary tonga mba hijery izay nitranga izy ireo. Ny sasany tamin’ny olona dia avy amin’ny firenen-kafa ary tonga tao noho ny andro firavoravoana israelita atao hoe Pentekosta. Endrey ny hagagan’ireo mpitsidika ireo! Nandre ny mpianatra niteny tamin’ny fiteniny avy izy ny amin’ny zava-mahatalanjona nataon’Andriamanitra.

‘Avy any Galilia daholo ireo olona ireo’, hoy ireo mpitsidika. ‘Ahoana àry izy no mahay miteny amin’ny fiteny samihafa ampiasain’ireo tany niaviantsika?’

Nitsangana izao i Petera mba hanazava tamin’izy ireo. Nakariny ny feony ary nambarany tamin’ny olona ny fomba namonoana an’i Jesosy sy ny nananganan’i Jehovah azy tamin’ny maty. ‘Any an-danitra izao i Jesosy eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra’, hoy i Petera. ‘Ary nandatsaka ny fanahy masina nampanantenainy izy. Izany no antony nahitanareo sy nandrenesanareo ireo fahagagana ireo.’

Eny, rehefa nilaza ireo zavatra ireo i Petera, dia maro tamin’ny olona no nanenina aoka izany ny amin’izay nataony tamin’i Jesosy. ‘Inona no tokony hataonay?’, hoy ny fanontanian’izy ireo. Hoy i Petera taminy: ‘Mila manova ny fiainanareo ianareo ary hatao batisa.’ Koa tamin’iny andro iny ihany dia olona tokony ho 3 000 no natao batisa ary tonga mpanara-dia an’i Jesosy.

Asan’ny Apostoly 2:1-47.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara