FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 114
  • Ny Faran’ny Faharatsiana Rehetra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Faran’ny Faharatsiana Rehetra
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Soavaly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Soavalin-dranomasina Mahay Mandihy
    Mifohaza!—2005
  • Hoza-tongotra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Foaran’ny Oktobra — “Foaran-tsoavaly Iraisam-pirenena Tranainy Indrindra eto Eor
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 114

TANTARA 114

Ny Faran’ny Faharatsiana Rehetra

INONA no hitanao eto? Eny, tafika iray mitaingina soavaly fotsy. Nefa mariho ny toerana iaviany. Ireo soavaly dia midina avy any an-danitra eny amin’ny rahona! Moa ve tena soavaly any an-danitra ireo?

Tsia, tsy tena soavaly ireo. Fantatsika izany satria tsy afaka mihazakazaka eny amin’ny rahona ny soavaly, sa tsy izany? Nefa ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny soavaly any an-danitra. Fantatrao ve ny antony iresahany toy izany?

Satria fahiny ny soavaly dia nampiasaina betsaka teo amin’ny ady. Ny Baiboly àry dia miresaka ny amin’ny olona mitaingin-tsoavaly avy any an-danitra mba hampisehoana fa manana ady atao amin’ny olona etỳ an-tany Andriamanitra. Fantatrao ve izay iantsoana ny toeran’io ady io? Hara-magedona. Hanafoana ny faharatsiana rehetra eto an-tany izany.

I Jesosy no hitarika izany ady ao Hara-magedona izany. Tadidio fa i Jesosy no nofidin’i Jehovah mba ho mpanjakan’ny fitondram-panjakany. Izany no antony itondrany satroboninahitry ny mpanjaka. Ary ny sabatra dia mampiseho fa hamono ny fahavalon’Andriamanitra rehetra izy. Tokony ho gaga va isika satria handringana ny olona ratsy rehetra Andriamanitra?

Jereo indray ny Tantara Faha-10. Inona no hitanao eto? Eny, ny Safodrano lehibe izay nandringana ny olona ratsy fanahy. Iza no nahatonga an’io Safodrano io? I Jehovah Andriamanitra. Jereo izao ny Tantara Faha-15. Inona no mitranga eo? Ravan’ny afo nalefan’i Jehovah i Sodoma sy Gomora.

Avadiho mankao amin’ny Tantara Faha-33 ange. Jereo izay mitranga amin’ny soavaly sy ny kalesy fiadian’ny Ejipsianina. Iza no nahatonga ny rano hanafotra azy ireo? I Jehovah. Nataony izany mba hiarovana ny olony. Jereo ny Tantara Faha-76. Ho hitanao eto fa i Jehovah dia namela mihitsy ny Israelita olony hiharan’ny fandringanana, noho ny faharatsian’izy ireo.

Koa tsy tokony ho gaga àry isika raha haniraka ny tafiny any an-danitra i Jehovah mba hamarana ny faharatsiana rehetra eto an-tany. Nefa hevero ange izay ambaran’izany e! Avadiho ny pejy ary aoka hojerentsika.

Apokalypsy 16:16; 19:11-16.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara