Toko Faha-4
Nahoana i Dada sy i Neny no Nisaraka?
“Tadidiko rehefa nandao anay i Dada. Tena tsy fantatray mihitsy izay zava-nitranga. Voatery nandeha niasa i Neny ary namela anay ho irery foana. Indraindray izahay dia nijanona teo am-baravarankely fotsiny ary nanontany tena raha nandao anay koa izy. (...)” — Ankizivavy iray izay nisara-panambadiana ny ray aman-dreniny.
NY FISARAHAN’NY ray aman-drenin’ny tena dia mety hitovy amin’ny faharavan’izao tontolo izao, loza izay miteraka fahoriana toa haharitra mandrakizay. Matetika izany dia miteraka firongatry ny fihetseham-po toy ny henatra, hatezerana, tebiteby, tahotra ny hilaozana, fahatsiarovan-tena ho meloka, fahaketrahana ary fahatsapana famoizan-javatra — faniriana hamaly faty mihitsy aza.
Raha nisaraka vao haingana ny ray aman-dreninao, dia mety hahatsapa fihetseham-po toy izany koa ianao. Rehefa dinihina tokoa, dia nataon’ny Mpamorona antsika hotezain’ny rainao sy ny reninao ianao. (Efesiana 6:1-3). Kanefa, izao dia nesorina taminao ny fiarahana isan’andro amin’ny rainao na ny reninao izay tianao. “Tena niandrandra ny raiko aho ary naniry hijanona niaraka taminy”, hoy i Paul nilaza ny alahelony momba ny ray aman-dreniny nisaraka fony izy fito taona. “Nefa i Neny no nahazo ny zo hitaiza anay.”
Ny antony isarahan’ny ray aman-dreny
Matetika dia manafina ny zava-manahirana azy ireo ray aman-dreny. “Tsy tsaroako ho nahita ny ray aman-dreniko niady aho”, hoy i Lynn, izay mbola ankizy fony nisaraka ny ray aman-dreniny. “Noheveriko fa nifankahazo tsara izy ireo.” Ary na dia mifamaly aza ny ray aman-dreny, dia mbola mety hanaitra aoka izany rehefa tena misaraka tokoa izy ireo!
Amin’ny toe-javatra maro, dia misaraka ny ray aman-dreny satria meloka ho nanana fitondran-tena ratsy teo amin’ny lahy sy ny vavy ny iray taminy. Omen’Andriamanitra lalana hahazo fisaraham-panambadiana ilay vady tsy meloka. (Matio 19:9). Amin’ny toe-javatra hafa, dia manjary herisetra be ny “fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy”, ka mahatonga ny iray aminy hanahy ny amin’ny toe-piainany ara-batana sy ny an’ireo ankizy. — Efesiana 4:31.
Ekena aloha fa misy fisaraham-panambadiana azo noho ny antony tsy dia manao ahoana. Tsy miezaka handamina ny zava-manahirana azy ny sasany, fa misaraka amim-pitiavan-tena kosa satria milaza fa ‘tsy sambatra’ na ‘tsy raiki-pitia’ intsony. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra, izay ‘mankahala ny fisaoram-bady’, izany. (Malakia 2:16). Nilaza koa i Jesosy fa hisy olona hamarana ny fanambadiany satria tonga Kristiana ny vadiny. — Matio 10:34-36.
Na ahoana na ahoana, ny nety ho nifidianan’ny ray aman-dreninao tsy hilaza na inona na inona, na tsy hanome afa-tsy valin-teny manjavozavo amin’ny fanontanianao momba ny fisarahany, dia tsy midika hoe tsy tia anao izy ireo.a Variana loatra amin’ny fahavoazana manjo azy ny ray aman-dreninao ka mety ho sarotra aminy ny hiresaka momba ny fisarahany. (Ohabolana 24:10). Mety hahasakodiavatra sy hahamenatra azy koa ny hiaiky ny fahadisoany avy.
Izay azonao atao
Miezaha hahita ny fotoana mety mba hiresahana amim-pahatoniana amin’ny ray aman-dreninao momba ireo fanahianao. (Ohabolana 25:11, NW ). Ataovy fantany ny alahelonao sy ny fahaverezan-kevitrao eo anoloan’ny fisarahan’izy ireo. Angamba izy ireo hanome anao fanazavana mahafa-po. Raha tsy izany no izy, dia aza mamoy fo. Moa ve i Jesosy tsy nihazona fanazavana sasany izay noheveriny fa mbola tsy naha-vonona ireo mpianany ny nizaka azy? (Jaona 16:12). Ary moa ve ireo ray aman-dreninao tsy manana zo hihazona zavatra ho an’ny tenany manokana?
Farany, dia aoka ho takatrao fa ilay fisarahana, na inona na inona antony, dia fifandirana eo amin’izy ireo — fa tsy aminao! Tamin’ny famotopotorana nataony tamin’ny fianakaviana 60 ravan’ny fisaraham-panambadiana, i Wallerstein sy i Kelly dia nahita fa ireo mpivady dia nifanome tsiny, nanome tsiny ny mpampiasa azy, ny mpianakaviny ary ny namany noho ilay fisaraham-panambadiana. Kanefa hoy ireo mpanao fikarohana ireo: “Tsy nisy na dia iray aza, ary mahaliana tokoa izany, nanome tsiny ireo zanany.” Tsy miova ny fihetseham-po tsapan’ny ray aman-dreninao aminao.
Ny fanasitranana entin’ny fotoana
Eo ny fotoana ‘ahasitranana’. (Mpitoriteny 3:3). Ary tsy misy hafa amin’ny ratra ara-bakiteny, toy ny taolana tapaka ohatra, izay mety hila herinandro na volana maromaro mihitsy aza vao sitrana tanteraka, ireo ratra ara-pihetseham-po koa dia mila fotoana vao sitrana.
Ireo mpanao fikarohana momba ny fisaraham-panambadiana, i Wallerstein sy i Kelly, dia nahita fa, roa taona monja aorian’ilay fisaraham-panambadiana, “ireo tahotra, alahelo, fahatairana ary tsy fanekena hita teo amin’izy rehetra (...) dia nihena na nanjavona tanteraka”. Misy manam-pahaizana mihevitra fa ny vokatra ratsy indrindra avy amin’ny fisaraham-panambadiana dia misinda ao anatin’ny telo taona monja. Mety ho toa ela be izany, kanefa tsy maintsy misy zavatra maro mitranga alohan’ny hahatongavan’ny fiainanao tsy hihozongozona intsony.
Voalohany aloha, dia tsy maintsy alamina indray ny fahazarana manao zavatra ao an-trano — izay nasavorovoron’ilay fisaraham-panambadiana. Tsy maintsy hisy fotoana elaela koa alohan’ny hiorenan’ny ray aman-dreninao tsara indray eo amin’ny ara-pihetseham-po. Amin’izay ihany izy ireo vao mety ho afaka hanome anao ny fanohanana ilainao. Rehefa mihamahazo karazana fahazarana ny fiainanao, dia hahatsapa tena ho ara-dalàna indray ianao.
Kanefa, nanome izao fampitandremana izao i Solomona: “Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara [kokoa, NW ] ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin’ny fahendrena no anontanianao izany.” (Mpitoriteny 7:10). Ny fifantohana amin’ny lasa dia mety hanajamba anao tsy hahita ny ankehitriny. Nanao ahoana ny toe-piainan’ny fianakavianao talohan’ilay fisaraham-panambadiana? “Nisy ady foana — filelalelana sy fanompana”, hoy ny fieken’i Annette. Moa ve ianao izao tsy mahita fiadanana kokoa ao an-trano?
‘Haiko ny mamerina azy ireo hiaraka indray’
Misy tanora manonofy ny hampiray ireo ray aman-dreniny indray, ary angamba mbola mifikitra amin’izany nofinofy izany ihany na dia aorian’ny fanambadian’ireo ray aman-dreniny olona hafa indray aza!
Kanefa, ny fandavana ny fisian’ilay fisaraham-panambadiana dia tsy manova na inona na inona. Ary azo inoana fa ny ranomaso sy ny fiangaviana ary ny tetika rehetra eran’ny tany dia tsy hahatonga ny ray aman-dreninao ho tafaraka indray. Koa nahoana àry ianao no hampijaly tena amin’ny fifantohana amin’izay tsy azo ampoizina fa hitranga? (Ohabolana 13:12). Nilaza i Solomona fa eo ny fotoana “ahaverezana”. (Mpitoriteny 3:6). Ekeo àry fa tena zava-misy sady haharitra ilay fisaraham-panambadiana. Izany dia dingana lehibe iray ho amin’ny fahasitrananao.
Mihavàna indray amin’ireo ray aman-dreninao
Mety ho tezitra ara-drariny amin’ny ray aman-dreninao ianao noho izy ireo nampisavorovoro ny fiainanao. Nilaza izany toy izao ny zatovolahy iray, tezitra mafy: “Tia tena ireo ray aman-dreniko. Tsy tena nieritreritra anay sy izay ho vokatry ny hataony eo aminay, izy. Nanao araka izay efa nokasainy hatao fotsiny izy.” Mety ho marina izany. Kanefa afaka manohy miaina ve ianao sady vesaran’izany fahatezerana sy alahelo mafy izany kanefa tsy hitondra fahavoazana ho an’ny tenanao?
Manoro hevitra toy izao ny Baiboly: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana (...) ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka.” (Efesiana 4:31, 32). Ahoana no ahafahanao mamela olona iray izay nampalahelo anao mafy toy izany? Iezaho jerena amin’ny fomba tsy miangatra ny ray aman-dreninao — olombelona tsy tanteraka sy mety diso. Eny, na dia ireo ray aman-dreny aza dia ‘manota ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra’. (Romana 3:23). Ny fahatakaranao izany dia afaka manampy anao hihavana indray amin’ireo ray aman-dreninao.
Resaho ireo fihetseham-ponao
“Tsy tena niresaka mihitsy ny amin’izay tsapako momba ny fisarahan’ny ray aman-dreniko aho”, hoy ny zatovolahy iray rehefa nadinadininay izy. Na dia tsy niraika aza io tanora io tamin’ny voalohany, tsikelikely dia nihananjary nihetsi-po izy — nanganohano mihitsy aza — rehefa niresaka momba ny fisarahan’ny ray aman-dreniny. Tafavoaka ireo fihetseham-po nilevina nandritra ny ela be. Gaga noho izany izy ary nitsotra hoe: “Tena nanampy ahy ny firesahana momba ilay izy.”
Mety ho hitanao fa hanampy anao toy izany koa ny famborahana ny fihetseham-ponao amin’ny olona iray, fa tsy ny fitokantokanana. Ataovy fantatry ny ray aman-dreninao izay tena tsapanao, ireo tahotrao sy tebitebinao. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 23:26.) Afaka manampy koa ireo Kristiana matotra. I Keith, ohatra, dia tsy nahazo fanampiana firy na tsy nahazo mihitsy aza, rehefa voarotidrotiky ny fisaraham-panambadiana ny fianakaviany. Nahita fanohanana avy tamin’ny hafa anefa izy. Hoy i Keith: “Nanjary fianakaviako ny kongregasiona kristiana.”
Ambonin’ny zavatra rehetra, dia afaka mahita sofina vonon-kihaino ianao eo amin’ilay Rainao any an-danitra, dia ilay “Mpihaino vavaka”. (Salamo 65:2). Izao no tsaroan’ny zatovo iray atao hoe Paul momba izay nanampy azy hahazaka ny fisarahan’ny ray aman-dreniny: “Nivavaka tsy an-kijanona aho ary nahatsapa foana fa tena persona marina i Jehovah.”
Tohizo ihany ny fiainanao
Aorian’ny fisaraham-panambadiana, dia mety tsy hitovy amin’ny teo aloha intsony mihitsy ny zava-drehetra. Tsy midika anefa izany fa tsy afaka ny hisy vokany na ho sambatra ny fiainanao. Mananatra toy izao ny Baiboly: “Mazotoa, fa aza malaina”. (Romana 12:11). Eny, aza mamela ny tenanao hiraviravy tanana noho ny alahelo, ny ratram-po na ny hatezerana, fa tohizo ihany kosa ny fiainanao! Aoka ianao ho variana amin’ny fianaranao. Manaova zavatra izay ankafizinao manokana. Aoka ianao ho “be zavatra hatao amin’ny asan’ny Tompo”. — 1 Korintiana 15:58, NW.
Hitaky asa sy fahatapahan-kevitra ary ny fandehan’ny fotoana izany. Kanefa amin’ny farany, ny faharavan’ny fanambadian’ny ray aman-dreninao dia tsy ho ny zava-dehibe hibahana indrindra eo amin’ny fiainanao intsony.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ireo mpanao fikarohana atao hoe Wallerstein sy Kelly dia nahita fa ny “efatra ampahadimin’ireo zanaka kely indrindra [an’ireo ray aman-dreny nisara-panambadiana] nanaovana famotopotorana dia tsy nomena fanazavana mety tsara na toky fa hoe mitohy ny fikarakarana azy ireo. Ny marina aza dia hoe nifoha izy ireo indray maraina ary nahita fa lasa ny rainy na ny reniny”.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Inona avy ireo antony sasany isarahan’ny ray aman-dreny?
◻ Nahoana no mety ho sarotra amin’ny ray aman-dreninao ny hiresaka momba izany? Inona no azonao atao raha mampiseho izany fahalainana hiresaka izany izy ireo?
◻ Nahoana no tsy misy heviny ny hifantohana amin’ny lasa na ny hanonofinofisana momba ny famerenana ny ray aman-dreninao hiaraka indray?
◻ Inona avy ireo zavatra manorina sasany azonao atao mba hanampiana ny tenanao hahazaka ilay fisaraham-panambadiana?
◻ Ahoana no ahafahanao mandresy ny hatezerana mety ho tsapanao amin’ny ray aman-dreninao?
[Efajoro, pejy 36, 37]
‘Hanimba ny Fiainako ve ny Fisaraham-panambadian’izy Ireo?’
Aorian’ny fisarahan’ny ray aman-dreniny, ny tanora sasany dia manimba ara-bakiteny ny fiainany. Ny sasany manao fanapahan-kevitra tsy amim-piheverana, toy ny fialana amin’ny fianarana. Ny hafa manala ny hakiviany sy ny hatezerany amin’ny fitondran-tena ratsy — toy ny hoe mba hanasaziana ny ray aman-dreniny noho ilay fisaraham-panambadiana. Hoy ny tsaroan’i Denny: “Nalahelo sy ketraka aho taorian’ny fisarahan’ny ray aman-dreniko. Nanomboka nanan-java-nanahirana tany am-pianarana aho ary tsy nifindra kilasy. Taorian’izay (...) aho dia nanjary ny mpampihomehy tao an-dakilasy sady niady tamin’ny olona be dia be.”
Mety hanintona ny sain’ny ray aman-drenin’ny tena ny fitondran-tena ratsy. Kanefa inona no tena tontosa amin’izany, ankoatra ny fanampiana fihenjanana amin’ny tarehin-javatra efa mihenjana? Raha ny tena izy, dia ilay mpanao ratsy ihany no hany voasazy amin’izany. (Galatiana 6:7). Miezaha hahatakatra fa mijaly koa ny ray aman-dreninao, ary koa fa tsy avy amin’ny haratsiam-panahy ny toa fanaovana tsirambina asehon’izy ireo. Nitsotra toy izao ny renin’i Denny: “Tena nanao tsirambina tanteraka ireo zanako aho. Taorian’ilay fisaraham-panambadiana, na ny tenako aza dia nisafotofoto aoka izany, hany ka tsy nahavita nanampy azy ireo.”
Mananatra toy izao ny Baiboly ao amin’ny Hebreo 12:13: “Manaova làla-mahitsy halehan’ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa”. Na dia tsy eo aza ny fifehezana avy amin’ny ray aman-dreny, dia tsy misy fialan-tsiny ho an’ny fitondran-tena ratsy. (Jakoba 4:17). Ekeo fa tompon’andraikitra amin’ny ataonao ianao ary mahaiza mifehy ny tenanao. — 1 Korintiana 9:27.
Halaviro koa ny fanaovana fanapahan-kevitra tsy amim-piheverana, toy ny fialana ao an-trano, ohatra. “Ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” (Ohabolana 14:15). Raha toa ny ray aman-dreninao ka variana loatra amin’io fotoana io mba hihainoana anao, nahoana ianao raha miresaka momba ny fanapahan-kevitrao amin’ny namana iray be taona kokoa noho ianao?
Na dia izany aza, dia mety ho feno fanahiana momba ny hoavinao ianao. Koa satria tsy nahomby ny fanambadian’ny ray aman-dreninao, dia mora takatra ny mety hanahianao momba ny hanananao fanambadiana sambatra amin’ny hoavy. Soa ihany fa tsy zavatra nolovana avy amin’ny ray aman-dreny — toy ny taim-parasy amin’ny tava — ny tsy fahasambarana eo amin’ny fanambadiana. Olona miavaka tsara iray ianao, ary ny ho fiafaran’ny fanambadianao amin’ny hoavy dia hiankina, tsy amin’ny tsy fahombiazan’ny ray aman-dreninao, fa amin’ny fanarahanao sy ny vadinao, na tsia, ny Tenin’Andriamanitra.
Mety hahita ny tenanao hanahy ny amin’ny zavatra izay noheverinao fa mandeha ho azy taloha — toy ny sakafo, ny fitafiana, ny fialofana, ny vola — koa ianao. Ireo ray aman-dreny anefa mazàna dia mandamina fomba hamelomana ireo zanany aorian’ny fisaraham-panambadiany, na dia ho voatery hiasa aza i Neny. Na dia izany aza, dia mampitandrina araka ny tena izy toy izao ilay boky hoe Surviving the Breakup: “Izay namelona fianakaviana iray teo aloha, dia tsy maintsy mamelona fianakaviana roa ankehitriny, ka tsy maintsy misy fihenan’ny fari-piainana ho an’ny mpianakavy tsirairay.”
Noho izany, dia mety ho voatery hizatra tsy hanana ireo zavatra nankafizinao teo aloha, toy ny akanjo vaovao, ianao. Mampahatsiahy antsika toy izao anefa ny Baiboly: “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (1 Timoty 6:7, 8). Angamba aza ianao ho afaka hanampy eo amin’ny fandaminana ny teti-bolan’ny fianakaviana vaovao iray. Tadidio koa fa i Jehovah dia “Rain’ny kamboty”. (Salamo 68:5). Afaka matoky ianao fa tena miahy amin’ny fomba lalina ny amin’izay ilainao izy.
Nanamarika toy izao i Jeremia: “Tsara amin’ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.” (Fitomaniana 3:27). Marina fa tsy dia misy maha-“tsara” azy loatra ny fahitana fa nisaraka ny ray aman-drenin’ny tena. Kanefa azonao atao ny mandray soa na dia avy amin’io fanandraman-javatra mampalahelo io aza.
Nanamarika toy izao ilay mpanao fikarohana atao hoe Judith Wallerstein: “Tena nanaitra, ary indraindray aza dia nanohina ny fo, ny fitomboana ara-pihetseham-po sy ara-tsaina [hita eo amin’ny zanaky ny ray aman-dreny nisara-panambadiana] izay naterak’ilay zava-manahirana teo amin’ny fianakaviany. Nandinika tamim-pahatonian-tsaina ny fanandraman-javatra hitan’ny ray aman-dreniny (...) ireo ankizy ireo ary nanatsoaka hevitra tamim-pieritreretana ho an’ny hoavin’ny tenany manokana. Niahy ny amin’ny hahitana fomba hanalavirana ireo fahadisoana nataon’ny ray aman-dreniny izy ireo.”
Tsy misy isalasalana fa tsy maintsy hisy akony eo amin’ny fiainanao ny fisarahan’ny ray aman-dreninao. Kanefa ny hahatongavan’izany akony izany ho pentina mihamanjavona na ho fery miharatsy hatrany, dia miankina be dia be aminao.
[Sary, pejy 35]
Ny fahitana ny faharavan’ny fanambadian’ny ray aman-dreninao dia mety ho ny iray amin’ireo zavatra mampanaintaina indrindra azo saintsainina
[Sary, pejy 38]
Ny fifantohana amin’ny fahatsiarovana momba ny fiainana taloha dia mety hahaketraka anao fotsiny