Toko Faha-7
Tokony Hiala ao An-trano ve Aho?
“Any Dada sy Neny,
Lasa ihany aho rehefa ela ny ela. Araka ny nolazaiko teo aloha, dia tsy manao izany aho mba hanisiana ratsy anareo na hamaliana faty na amin’inona na amin’inona akory. Tsy afaka ny ho sambatra aho raha mihiboka araka ny irinareo. Angamba aho tsy ho sambatra koa amin’izao fomba izao, nefa tiako hofantarina fotsiny.”
TAMIN’IZANY fomba izany no nanombohan’ny taratasy fanaovam-beloma nosoratan’ny ankizivavy iray 17 taona ho an’ny ray aman-dreniny. Any amin’ny Repoblika Federalin’i Alemaina, ohatra, dia zazavavy iray ao anatin’ny telo sy zazalahy iray ao anatin’ny efatra, eo anelanelan’ny 15 taona ka hatramin’ny 24 taona, ankehitriny no tsy mipetraka ao an-tranony intsony. Angamba ny tenanao efa nieritreritra ny hiala ao an-tranonao koa.
Tsinjon’Andriamanitra mialoha fa ny faniriana hanambady dia hahatonga ny olona iray “handao ny rainy sy ny reniny”. (Genesisy 2:23, 24). Ary misy antony ara-dalàna hafa hialana ao an-trano, toy ny fanitarana ny fanompoana ataon’ny tena ho an’Andriamanitra. (Marka 10:29, 30). Ho an’ny tanora maro anefa, ny fialana ao an-tranony dia fomba iray handosirana izay heveriny ho toe-javatra tsy zakany fotsiny. Hoy ny zatovolahy iray: “Manao izany ianao satria maniry hahaleo tena kokoa fotsiny. Tsy mahafa-po anao intsony ny fiaraha-miaina amin’ny ray aman-dreninao ao an-trano. Manjary mifamaly amin’izy ireo foana ianao, ary tsy mahatakatra izay zavatra ilainao izy ireo. Ankoatra izany, dia mahatsapa ho voafefifefy aoka izany ianao, tsy maintsy milaza amin’ny ray aman-dreninao foana ny amin’izay fihetsika rehetra ataonao.”
Vonona ho amin’ny fahaleovan-tena ve?
Kanefa moa ve ny fanirianao hahaleo tena midika fa vonona ho amin’izany ianao? Voalohany aloha, dia mety tsy ho mora araka ny fieritreretanao azy ny fameloman-tena. Sarotra matetika ny mahazo asa. Midangana ny hofan-trano. Ary inona no voatery hataon’ireo tanora tratran’ny fahasahiranana ara-bola? Hoy ny lazain’ny mpanoratra ilay boky hoe Pulling Up Roots: “Miverina mody any aminy izy ireo ary manantena ny hiantsorohan’ny ray aman-dreniny indray ny famelomana azy.”
Ary ahoana ny amin’ny fahamatoranao ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy? Mety hihevi-tena ho olon-dehibe ianao, nefa ny ray aman-dreninao dia mety mbola hahita ao aminao ny sasany amin’ireo “lafin-toetra mampiavaka ny zaza”. (1 Korintiana 13:11, NW ). Ary, raha ny tena izy, moa ve tsy ny ray aman-dreninao no eo amin’ny toerana tsara indrindra mba hitsara ny amin’ny fahavononanao hahazo fahafahana? Ny fanoherana ny fahaizany mitsara zavatra sy ny fanombohana fiainana irery dia mety hitarika ho amin’ny loza! — Ohabolana 1:8.
‘Tsy mifanaraka amin’ny ray aman-dreniko aho!’
Marina ve izany raha ny aminao? Na dia marina aza izany, dia tsy misy mihitsy antony tokony hampirimanao entana mba handehanana. Amin’ny maha-tanora anao, dia mbola mila ny ray aman-dreninao ianao, sady azo inoana fa mbola handray soa avy amin’ny fahatakaran-javatra sy ny fahendrena ananany amin’ireo taona maro ho avy. (Ohabolana 23:22). Tokony hanaisotra azy ireo hiala amin’ny fiainanao ve ianao, satria fotsiny hoe nisy zava-tsarotra tsy nampoizina teo amin’ny fifandraisanareo?
Ny tanora alemanina iray atao hoe Karsten, izay niala tao an-tranony mba hanao ny asa fanompoana manontolo andro, dia milaza izany amin’izao fomba izao: “Aza miala ao an-tranonao na oviana na oviana satria fotsiny hoe tsy mahay mifanaraka amin’ny ray aman-dreninao ianao. Raha tsy mahay mifanaraka amin’izy ireo ianao, amin’ny fomba ahoana no hahaizanao hifanaraka amin’ny olon-kafa? Tsy handamina ny zava-manahirana anao ny fialanao ao. Mifanohitra amin’izany aza, fa izany dia tsy hanao afa-tsy ny hanaporofo fa tsy ampy fahamatorana ianao mba hahaleo tena, ary hampisaraka anao bebe kokoa ihany amin’ny ray aman-dreninao.”
Fari-pitondran-tena sy antony manosika
Mirona hanadino ireo loza ara-pitondran-tena tafiditra amin’ny fialana ao an-trano alohan’ny fotoana koa ireo tanora. Ao amin’ny Lioka 15:11-32, i Jesosy dia miresaka ny amin’ny zatovolahy iray nitady fahaleovan-tena ka nanomboka fiainana irery. Rehefa tsy teo ambanin’ny fitaomana tsaran’ny ray aman-dreniny intsony izy, dia nanomboka nanana ‘fiainana nanaranam-po tamin’ny ratsy’, ka latsaka tao amin’ny fijangajangana. Tsy ela dia lanilaniny foana ny volany. Sarotra aoka izany ny nahita asa, hany ka nanaiky hanao asa iray nohamavoin’ny Jiosy mihitsy aza izy — fiandrasana kisoa. Nanjary nahatsiaro tena anefa ilay antsoina hoe zanaka adala na zanaka mpandanilany foana. Naleviny ny hambom-pony ka niverina tany aminy izy ary nitalaho famelan-keloka tamin-drainy.
Na dia notantaraina mba hampisongadinana ny famindram-pon’i Jehovah aza io fanoharana io, dia mirakitra izao fianarana azo ampiharina izao koa: Mety hitondra fahavoazana ara-pitondran-tena sy ara-panahy ho anao ny fialana ao an-trano noho ny antony manosika tsy mampiseho fahendrena! Mampalahelo fa ny tanora kristiana sasany, izay nanomboka nanaraka ny lalan’ny fahaleovan-tena, dia nanjary maty ara-panahy. Tsy afaka namelon-tena izy ireo ka nanaiky hifampizara ny fandaniana tamin’ny tanora hafa izay nifanipaka tamin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ny fomba fiainany. — 1 Korintiana 15:33.
Ny tanora alemanina iray antsoina hoe Horst dia mahatsiaro ny tanora hafa iray mitovy taona aminy izay niala tao an-tranony: “Na dia tsy nivady aza izy sy ilay ankizivavy niarahany, dia nanomboka niara-nipetraka. Nanao lanonana nilibana tamin’ny fisotroan-toaka izy ireo, ka mamo matetika izy. Raha mbola nipetraka tany aminy izy, dia tsy ho namela azy hanao izany rehetra izany ny ray aman-dreniny.” Nanatsoaka izao hevitra izao i Horst: “Marina fa, raha miala ao an-trano ianao, dia manam-pahalalahana kokoa. Kanefa, raha lazaina ny marina, moa ve izany matetika tsy ampiasaina mba hanaovana zava-dratsy?”
Koa raha maniry mafy ny hanana fahafahana bebe kokoa ianao, dia manontania tena toy izao: Inona marina no antony hitadiavako fahafahana bebe kokoa? Moa ve izany mba hahafahako hanana fananana ara-nofo na fahalalahana hanaovana zavatra izay tsy havelan’ny ray aman-dreniko hataoko raha mbola mipetraka ato an-trano aho? Tadidio izay lazain’ny Baiboly ao amin’ny Jeremia 17:9 manao hoe: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?”
Ahoana no ahafahako ho tonga olon-dehibe raha tsy miala ato an-trano aho?
Manao izao fanamarihana izao ny boky Adolescence: “Ny fialana avy ao amin’ny fianakaviana fotsiny dia tsy manome antoka fa hahomby ny fifindrana [ho amin’ny maha-olon-dehibe]. Ary ny fijanonana ao an-trano koa anefa dia tsy milaza fa tsy ho olon-dehibe ny tena.” Raha ny tena izy, ny fahatongavana ho olon-dehibe dia midika be lavitra noho ny fananana vola sy asa ary trano ho an’ny tena manokana. Voalohany aloha, ny fahombiazana eo amin’ny fiainana dia azo amin’ny fiatrehana ireo zava-manahirana tsy amim-pihambahambana. Tsy hahavita na inona na inona isika raha mandositra ireo tarehin-javatra tsy tiantsika. “Tsara amin’ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy”, hoy ny Fitomaniana 3:27.
Raiso, ohatra, ny amin’ireo ray aman-dreny sarotra ifampiraharahana na henjana loatra. Nanana ray izay nanototra azy tamin’ny raharaha taorian’ny sekoly i Mac, izay 47 taona ankehitriny. Nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe, i Mac dia voatery niasa, ny tanora hafa anefa nilalao. “Nihevitra aho tamin’izay fa ny olona ratsy fanahy indrindra teto an-tany izy satria tsy namela anay hilalao sy hifaly”, hoy i Mac. “Matetika aho no nieritreritra hoe: ‘Raha izao moa aho no mba afaka miala eto ka manana ny tranoko manokana!’ ” Ankehitriny anefa dia hafa noho izany no fijerin’i Mac ilay tarehin-javatra: “Tsy vidim-bola aman-karena ny nataon’i Dada ho ahy. Nampianatra ahy hiasa mafy sy hiaritra zava-tsarotra izy. Hatramin’izay fotoana izay aho dia tojo zava-manahirana lehibe lavitra noho ireny, kanefa haiko ny miatrika azy ireo tsy amin-tahotra.”
Paradisa sandoka
Ny fijanonana ao an-trano fotsiny anefa dia tsy manome antoka fa hihamatotra ianao. Hoy ny tanora iray: “Ny niara-niaina tamin’ny ray aman-dreniko tao an-trano dia toy ny niaina tao amin’ny paradisa sandoka. Nanao ny zava-drehetra ho ahy izy ireo.” Anisan’ny fahatongavana ho olon-dehibe ny fianarana hanao zavatra ho an’ny tenanao. Marina aloha fa tsy mahafinaritra ohatra ny mihaino ny hira tianao indrindra ny manary fako na ny manasa lamba. Inona anefa no ho vokany raha tsy mianatra hanao ireo zavatra ireo mihitsy ianao? Mety ho tonga olon-dehibe tsy mahavita na inona na inona ianao, ka hiankina tanteraka amin’ny ray aman-dreninao na ny olon-kafa.
Moa ve ianao (na zatovolahy ianao na zatovovavy) miomana ho amin’ny fahaleovan-tenanao amin’ny hoavy amin’ny fianarana mahandro sakafo, manadio, mipasoka na manamboatra zavatra simba ao an-trano na amin’ny fiara na milina iray?
Fahaleovan-tena ara-bola
Ireo tanora any amin’ireo tany manankarena matetika dia mihevitra fa mora azo ny vola ary mora lanina koa aza. Raha manana asa tapa-potoana izy ireny, matetika dia mirona handany ny volany hividianana fitaovana fihainoana mozika na fitafiana nataon’ny mpanao lamody malaza. Ho mafy toy inona moa ny fahatairan’ireny tanora ireny, rehefa miala ao an-trano izy ka mipetraka irery! Mahatsiaro toy izao i Horst (notononina teo aloha): “Rehefa tonga ny faran’ny volana [fony aho nipetraka irery], na ny poketrako na ny fitoeran-tsakafoko dia samy foana tsy nisy ninoninona.”
Nahoana raha mianatra mitantana vola raha mbola mipetraka ao an-trano ianao? Manana fanandraman-javatra momba izany hatramin’ny taona maro ireo ray aman-dreninao ary afaka manampy anao hanalavitra fandrika maro be. Manipy hevitra aminao mba hanontany azy ireo toy izao manaraka izao ny boky Pulling Up Roots: ‘Ohatrinona no aloantsika isam-bolana amin’ny saribao? Amin’ny jiro? Amin’ny rano? Hetra inona avy no tsy maintsy aloantsika? Ohatrinona ny hofan-trano aloantsika?’ Mety ho taitra mafy ianao hahafantatra fa ireo tanora miasa dia manam-bola be kokoa ho an’ny tenany manokana noho ireo ray aman-dreniny! Raha manana asa àry ianao, dia manolora ny hanome fandraisana anjara antonony amin’ny fandaniana ao an-trano.
Mianara alohan’ny handehananao
Tsia, tsy mila ny hiala ao an-trano ianao mba ho tonga olon-dehibe. Kanefa tsy maintsy miezaka mafy ianao raha mbola ao, mba hahazo fahaiza-mitsara zavatra sy fandanjalanjana. Mianara koa hifanaraka amin’ny hafa. Porofoy fa mahay mizaka fanakianana, tsy fahombiazana na fahadisoam-panantenana ianao. Mambole ‘hatsaram-panahy, hatsaram-po, fahalemem-panahy ary fifehezan-tena’. (Galatiana 5:22, 23, NW ). Ireo lafin-toetra ireo no tena mampiavaka ny lehilahy na vehivavy kristiana olon-dehibe.
Na ho ela na ho haingana, dia mety hisy toe-javatra, toy ny fanambadiana, hanosika anao hiala ao amin’ny akanin’ny ray aman-dreninao. Mandra-pahatongan’izay anefa, inona no maha-maika anao hiala ao an-trano? Resaho amin’ny ray aman-dreninao izany. Mety ho faly izy raha mijanona ianao, indrindra raha tena mandray anjara amin’izay mahasoa ny fianakaviana ianao. Noho ny fanampian’izy ireo, dia afaka manohy mitombo sy mianatra ary mihamatotra ao an-trano mihitsy ianao.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Nahoana ny tanora maro no may ny hiala ao an-tranony?
◻ Nahoana ny ankamaroan’ny tanora no mbola tsy vonona ho an’ny fialana toy izany?
◻ Inona avy no sasany amin’ireo loza entin’ny fialana ao an-trano aloha loatra?
◻ Inona avy no sasany amin’ireo zava-manahirana hitan’ireo mandositra?
◻ Ahoana no ahafahanao mihamatotra na dia mbola ao an-trano aza?
[Teny notsongaina, pejy 57]
“Aza miala ao an-tranonao na oviana na oviana satria fotsiny hoe tsy mahay mifanaraka amin’ny ray aman-dreninao ianao (...), amin’ny fomba ahoana no hahaizanao hifanaraka amin’ny olon-kafa?”
[Efajoro, pejy 60, 61]
Moa ve ny Fandosirana no Fanafodiny?
Mihoatra ny iray tapitrisa ireo zatovo mandositra ny tranony isan-taona. Ny sasany mandositra toe-javatra tsy zakany — toy ny fampijaliana ara-batana na ny fampijaliana eo amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy. Kanefa, ny tena mitranga, dia ateraky ny fifamaliana amin’ny ray aman-dreny noho ny amin’ny ora fodiana, ny naoty azony any an-tsekoly, ny raharaha ao an-trano ary ny fifidianana namana, ny fandosirana.
Angamba mety tsy hifanitsy amin’ny anao fotsiny ny fomba fijerin’ny ray aman-dreninao sy ny eritreriny. Kanefa efa noheverinao ve fa manana adidy eo anatrehan’Andriamanitra hitaiza anao “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy fanabeazana ara-tsaina avy amin’i Jehovah” ny ray aman-dreninao? (Efesiana 6:4, NW ). Mety hanizingizina àry izy ireo ny hiarahanao aminy any amin’ny fivoriana sy ny fanaovan-javatra ara-pivavahana na hametra mihitsy aza ny fifaneraseranao amin’ny tanora hafa. (1 Korintiana 15:33). Moa ve izany antony tokony hikomiana na handosirana? Manana adidy eo anatrehan’Andriamanitra koa ianao, dia izao: “Manajà ny ray sy ny reninao”. — Efesiana 6:1-3.
Ankoatra izany, dia tsy mandamina na inona na inona ny fandosirana. “Tsy miteraka afa-tsy zava-manahirana fanampiny ho anao ny fandosiranao”, hoy ny fanamarihan’i Amy, izay nandositra fony izy 14 taona. Hoy i Margaret O. Hyde ao amin’ny bokiny hoe My Friend Wants to Run Away: “Ny sasantsasany amin’ireo nandositra tany aminy dia tena mahita asa sy mahavita tena tokoa. Fa ho an’ny ankamaroany kosa, dia ratsy kokoa noho ny talohan’ny nialany tany an-tranony ny fiainany.” Ary hoy ny fanamarihana nataon’ny gazetiboky ’ Teen: “Tsy mahita fahafahana ny zatovo eny amin’ny arabe. Mifanohitra amin’izany fa mahita ankizy nandositra na nariana — tahaka ny tenany — mipetraka ao amina trano nilaozana, izay tsy ahitany fiarovana amin’ny mpisavika na ny mpanendaka, kosa izy ireo. Any koa izy ireo dia mahita olona maro izay ny asany maloto dia ny fanararaotana ireo tanora, ka ireo zatovo nandositra tany aminy no mora voa amin’izany.”
Fony nandositra i Amy, dia noraisin’ny lehilahy iray 22 taona ho “namana”, ary nasain’io nandoa ny takalon’ny fipetrahany tao aminy “tamin’ny fananana firaisana taminy sy tamin’ny sivy tamin’ireo namany”. “Nimamo sy nampiasa zava-mahadomelina be dia be” koa i Amy. Ny ankizivavy hafa iray, antsoina hoe Sandi, dia nampijalijalin’ny raibeny nitaiza azy, teo amin’ny maha-vavy azy, ka nandositra. Tonga mpivaro-tena niaina teny amin’ny arabe sy natory teny amin’ny seza teny amin’ny zaridainam-bahoaka na teny amin’izay nahitany toerana, izy. Izy roa vavy ireo dia mampiseho tsara ny zavatra manjo ny ankizy nandositra tany aminy maro be.
Ny ankamaroan’ireo nandositra tany aminy dia tsy manana fahaizana firy azony ampiasaina mba hahazoam-bola. Ankoatra izany, mazàna dia tsy manana taratasy ilaina mba hahazoana asa koa izy ireo: fanamarinam-pahaterahana, kara-piantohana ara-tsosialy, adiresy maharitra. “Tsy maintsy nangalatra sy nangataka aho”, hoy i Luis, “nangalatra indrindra indrindra anefa, satria tsy misy olona hanome anao na inona na inona eny.” Ankizivavy ny 60 isan-jato eo ho eo amin’ireo nandositra tany aminy, ka ny maro aminy dia mamelon-tena amin’ny fivarotan-tena. Ireo mpanao gazety porno, ireo mpivarotra zava-mahadomelina ary ireo lehilahy mitady olona ho an’ny mpivaro-tena dia mihaodihaody eny amin’ny fitodian’ireo fiarambahoaka mba hitadiavana ankizy nandositra tany aminy hohararaotiny. Mety hanolotra toerana hatoriana sy sakafo hohanina ho an’ireo tanora raiki-tahotra izy ireo. Mety hanome azy ireo izay tsy hitany tany an-tranony mihitsy aza izy ireo — ny fahatsapana ho tian’olona.
Any aoriana anefa dia mangataka tamby ireny “mpanao soa” ireny. Ary ny mety ho dikan’izany dia hoe fiasana ho azy ireo ho toy ny mpivaro-tena, manao fahavetavetana eo amin’ny lahy sy ny vavy na alaina sary ho an’ny gazetiboky porno. Tsy mahagaga àry raha maratra mafy — na maty — no iafaran’ny ankizy nandositra tany aminy maro!
Mampiseho fahendrena àry ny hanaovanao ny ezaka rehetra — ary ny dikan’izany dia hoe mihoatra ny indray mandeha — mba hiresahana amin’ireo ray aman-dreninao. Ampahafantaro azy izay tsapanao sy izay zava-mitranga. (Jereo ny Toko faha-2 sy faha-3.) Eo amin’izay misy fampijaliana ara-batana na fampijaliana eo amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy, dia mety hilaina ny hitadiavana fanampiana avy any ivelany.
Na inona na inona zava-mitranga, dia miresaha fa aza mandositra. Na dia tsy tonga lafatra aza ny fiainana ao an-trano, dia tadidio ao an-tsaina fa mety ho ratsy kokoa noho izany no ho hitanao rehefa any am-pandosirana any ianao.
[Sary, pejy 59]
Ireo fahaizana momba ny raharaha ao an-tokantrano hilaina rehefa mitokan-trano dia azo ianarana raha mbola ao an-trano ianao