Ny fomba fangeja ireo fehim-pianakaviana
Sady maro no matetika maro loha ireo antony andaozan’ny tanora ny fonenany. Na dia tsy hain’ity lahatsoratra ity atsikera lalina aza ireny, dia omeny kosa ny porofo fa rehefa ampiasaina ireo hainga-kevitry ny Baiboly dia mandray anjara amin’ny fampiraisana ny fianakaviana.
SAROTRA ny manombana marina ny isan’ireo zaza mitsoaka. Araka ny fanombatombanana samihafa dia eo amin’ny 600 000 ka hatreo amin’ny 3 000 000 ireo zaza tsy hita naleha any Etazonia fotsiny, isan-taona. Tafiditra ao amin’ireo fanombantombanana ireo matetika ireo zaza nitsoaka sy ireo notsipahina na nariana ary koa ireo izay nindaosin’ny iray amin’ireo ray aman-dreniny rehefa avy nisaraka. Fanombantombanana fotsiny ireo satria tsy misy ray aman-dreny milaza ny nataony rehefa avy narary zaza. Misy koa, etsy an-daniny, zaza miverimberina mandosi-ponenana. “Raha misy tanora 16 taona mitsoaka ny tranon-dray aman-dreniny indimy ao anatin’ny taona ka mandry any ivelany foana, dia (...) zaza dimy no hita fa nitsoaka ao amin’ireo antontan’isa”, hoy ny New York Times.
Fa ankoatr’ireo isa, dia andeha hiaraha-mandinika ireo antony mampitsoa-ponenana zaza. Araka ny revio Fijery ara-pitsaboana ny fifananahan’olombelona (angl.), “araka ny tranga faobe dia fikorontanana ao an-tokantrano no aboraka fitsoahan-jaza”. Indraindray izany dia vokatra olana efa nisy rahateo, toy ny famelezana mandratra na ny tsirambina, ny tsy fisiam-pitia na ny fisarahana ary fitakiana ny tafahoatra na ny fitsipika henjana tsy milefitra. Mety hanesika izany koa ny tahotra ireo fiantraikana fananana anaka na fifampikatrohana tamin’ny manam-pahefana. Mpitsoaka maro nadinadinina ny amin’ny nanesika azy, tao amin’ny fanazavany no nanome tsiny ny fifampikasohany amin-dray aman-dreniny. Araka ny revio Adolescence (angl.), dia “toa misy fiantraikany be dia be tokoa eo amin’ny fihetsik’ilay zaza mitsoaka ireo fifampikasohan’ny mpianaka”. Tohiziny koa hoe: “Ny fifampikasohana sy fifandraisana tsy zarizary amin’ny ray aman-dreniny no matetika anilihan’ireo zaza mitsoaka ny nataony na fifandonana mahery vaika amin’ny mpianakavy na amin’ny iray aminy na koa ny ray aman-dreny tsy miraika.”
Ireo fototr’aretina
Fotoana mahabe fahenjanan-kozatra izao iainantsika izao. Araka ny revio Ladies’ Home Journal, dia “mampitombo ireo olana sy fifanenjanana ao an-tokantrano ny fandroson’ny tsy fisiana asa sy ny fahasahiranana ara-bola mamely ankohonana mihamaro. Rehefa very asa ny ray ka tsy efa intsony ny lanin’ny tokantrano, dia ny vady aman-janaka no potsitra. Ireo tanora izay tsy ampy omana hanatrika fahenjanana toy izany dia tsy mahita lalana afa-tsy ny mitsoaka”. Ny ray aman-dreny mihitsy indraindray no mampilefa tsy nahy an’ireo zanany. Entim-pahavinirana izy ka mety hitaky aminy na hanaraka ny teniny na handeha hiala. Sosotra sy sasatry ny fitotototoany isan’andro mba hamaha olam-bola izy ka tsy ampy angôvo intsony hikarakara an-janany.
Fotoam-pahenjanana ihany koa etsy an-daniny ny vanim-potoana maha-zatovo. Mifandrirotra eo amin’ireo zatovo ny filana hahazo ilay fitia sy fiarovana fahazaza sy ny faniriana hahaleo tena avy amin’ny ray aman-dreniny mba ho tonga olon-dehibe. Misarita-tsaina izy azon’io roritra io ka mitebiteby. Iharam-piovana ara-batana koa izy ireny. Misafotofoto be loatra tampotampoka ny fiainany ka tsy arany intsony. Tsapany ho samy manery vozona azy na ny ray aman-dreniny na ny namany. Mandalo eo aminy koa ireo fotoana tsy atokiany tena ka kivy izy. “Aza atao mahagaga anareo raha toa tsy misy mahatakatra ny ao am-ponareo ao an-trano ao, hoy ny soritan’ny revio ’Teen, raha amin’ny tenanareo aza no sarotra izany. Raha ny tenanareo tokoa aza mantsy no tsy mahatakatra ny tenanareo, dia hataon’ny ray aman-dreninareo ahoana no faminany izay ao an-dohanareo ao?” Ray aman-dreny maro no tsy mahalala ny fetram-pahafahana azony omena an-janany, indrindra ny voalohany. Ny fitakiana tafahoatra tsy amim-pahatakarana ny heviny matetika no manesika tanora hilefa avy ao an-trano.
“Tsy misy fitsoahana mitondra vahaolana anefa, hoy ny nosoratan’i Judy Blume ao amin’ny bokiny hoe Taratasy ho an’i Judy (angl.). Fipongatra fotsiny ireny fa tsy vahaolana. Tokony hifanaraka kosa ireo mpianakavy mba hifanakalo hevitra ka hijery ny toe-javatra toy ny maha-izy azy ary hanatrika mivantana ny zava-misy. Izay no hany fepetra hampanao azy ireo fiovana hahafahany miara-miaina amim-piadanana. Matetika izy no mila fanampiana mba hahatratra izany.”
Avy aiza izany fanampiana izany?
Amin’izay lafiny izay dia ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly no ahitana ny fanampiana tsara indrindra. Nahoana àry? Satria Andriamanitra no nahary ny olombelona koa dia Izy no mahafantatra ny ilainy tsara indrindra. Efa nanome hafatrafatra ny amin’izany koa Izy, “ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra”. (2 Timoty 3:16.) Mandaitra tokoa ireo aingam-pitsipiky ny Baiboly sady mifandray amin’ny lafim-piainana rehetra.
Araka izay vao avy nolazaina teo, dia tsy maintsy ho fanirian’ireo mpianakavy rehetra ny manatrika mivantana ny zava-misy ary satriny ny hiova. Raha tsy atrehina ny zava-misy ary tsy misy ny finiavan-kiova dia tsy hisy izay fandrosoana vita na ho fongana ireo antony manesika hitsoaka. Ary izany indrindra no ho izy eo amin’ireo fianakaviana ahitana fisotroan-toaka tafahoatra sy fampiasana zavatra mahadomelina ary fanimbana amin’ny maha-lahy sy maha-vavy. Tsy maintsy fongorana aloha ireo olana rehetra ireo vao ho azo setraina ireo fahasahiranana mahazatra eo amin’ny fiainana. Rehefa miorina amin’ny fahalalana hentitra ny Teniny ny finoana an’Andriamanitra sy ny faniriana tsy amim-pihatsarambelatsihy mba hahazo sitraka aminy dia nanampy fianakaviana maro hanitsy toe-javatra mampivarahontsana izay ho nahatonga tanora hilefa avy ao amin’ny fonenany, raha tsy izany. — Jereo 1 Korintiana 6:9-11.
Ny fiainana fotsiny eto amin’ity tontolo ankehitriny ity, izay voamariky ny fitiavan-tena sy ny tsy fisian-toky ary tototry ny heloka bevava, dia efa misedra mafy tokoa ireo fehim-pianakaviana. Noho izany, “izay rehetra voasoratra fahiny [ao amin’ny Baiboly] dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina”. — Romana 15:4.
Ny fampiharana an’ireo aingam-pitsipiky ny Baiboly
Rehefa fantatra izao ireo antony mampitsoaka zaza, dia azo ampiharina ireo aingam-pitsipiky ny Baiboly. Ireo antony ireo indrindra no resahin’ny Baiboly rehefa mananatra ny ray aman-dreny mba hanokana ho an-janany ny fotoana voafantina ilainy ary mba hanome azy fitaizana mirindra sy feno fitiavana izy. Misy fandoza roa anefa tokony hosorohina, dia ny tsy firaikana sy ny famehezana diso voageja. Mamepetra ny Tenin’Andriamanitra manao hoe: “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.” — Efesiana 6:4; Ohabolana 22:6.
Toy ny tamin’ny andro nanoratana ny Baiboly dia tsy tokony ho tapaka ny ray aman-dreny mitantana sy manara-maso ary mampianatra ny ankohonany ‘na mipetraka ao an-trano izy, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha’. (Deoteronomia 11:19.) Na voatery ampiharina aza indraindray ny famaizana, dia hitandrina ny ray aman-dreny mba hanao izany hatrany amim-pitiavana (Ohabolana 13:24). Hampahasambatra be lavitra tokoa ny fiainam-pianakaviana io torohevitra io!
Tsy maintsy mba manao ny anjarany koa ireo ankizy: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany. ‘Manajà ny ray sy ny reninareo.’ ” (Efesiana 6:1, 2). Solomona, olon-kendry fahizay, dia nanoratra “hanomezam-pahendrena ho an’ny kely saina ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ny zatovo”. Izy no manoro hevitra hoe: “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao; (...) raha taomin’ny mpanota hianao, aza manaiky.” — Ohabolana 1:1-10.
Ahoana anefa no fomba fandinika ireo olana ara-pianakaviana? Amim-pitiavana, satria ny Baiboly mamepetra hoe: “Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana.” (1 Korintiana 16:14). Ka izany dia tokony ho fitiavana lalina vonon-kilefitra eo anoloan’ny tsy fahatanterahan’ny sasany sy fahazaran-dratsy izay mety hanorisory na hahavinitra mihitsy aza. “Ary mihoatra ny zavatra rehetra, hoy ny Baiboly, mifankatiava tsara; fa ‘ny fitiavana manarona fahotana maro’.” — 1 Petera 4:8.
Ny fitiavana toy izany dia manesika koa hikaroka izay hahasambatra sy hahatretrika ny sasany, hany ka mampifanatona ireo mpianakavy. Mariho kely ange ny teny manorina itononan’ny fitsipika volamena e: “Izay rehetra hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany.” (Matio 7:12, Kat.). Tanora mpitsoaka maro nadinadinina rehefa nisy fikarohana natao no nilaza fa teo amin’ny tena fara fahasimbany indrindra ny fifandraisany tamin’ny ankohonany rehefa niala avy tao an-trano izy. Araka ny revio Adolescence, “ ‘ny fitotongan’ireo fehim-pianakaviana’ no anisan’ny antony mampanapaka hevitra zaza na handao fonenana na tsia”. Azo resena anefa ireo fahasahiranana mifamatotra amin’ny fitotongan’ireo fehim-pianakaviana sy ny tsy firaikana ary ny fifankahazoana ratsy rehefa manokana fotoana hiarahana bebe kokoa amin’ny fianakaviana toy ny anentanan’ny Baiboly amin’izao teny izao hoe: “Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” (Filipiana 2:4). Ny fifankazarana sy ny fifankatiavana ao an-tokantrano no hanamaivan-danja izay fiezahana sakaiza hitaona zaza hitsoaka.
Rehefa ampiharina ireo aingam-pitsipiky ny Baiboly dia tsy hita ho vahaolan’ny fiainana andavanandro intsony ny fitsoahana. Noho ny fiahiana feno fitiavana ifampisehoan’ny tsirairay avy, dia lasa manda miaro amin’ireo fanafihana avy any ivelany ny fianakaviana. Hitombo ny fahasambaranao rehefa mandalina ny fahalalana an’ireo aingam-pitsipiky ny Baiboly sy ny fomba fampihatra azy ianao ary rehefa mahatakatra ny fanantenana atolotr’Andriamanitra anao. Nahoana no tsy manaiky hiara-mandinika izany hevitra izany amin’ny vavolombelon’i Jehovah?
[Efajoro/Sary, pejy 7]
RY RAY AMAN-DRENY, INONA NO AZONAREO ATAO?
Manokàna fotoana hiarahana amin’ireo zanakareo; mahaiza mamantatra ny fahasahiranany sy izay ilainy.
Aza tapatapaka manome azy ny fitandremana sy ny fanoroan-dalanareo.
Faizo sy tezao amim-pitiavana izy
Ataovy toerana mahatamana ny fonenanareo.
RANKIZY, INONA NO AZONAREO ATAO?
Maneke ny ray aman-dreninareo ary tiavo sy hajao izy.
Aza mitokantokana fa mandraisa anjara feno amin’ny fiainam-pianakaviana.
Hevero ho iray tsy mivaky ny fianakaviana fa aza tsy mihevitra afa-tsy izay hahafaly ny tenanao fotsiny.
Mbà sariaka ary miresaha.
[Sary, pejy 5]
Antony mampanapaka hevitra ny fifandraisan’ireo mpianaka.