Fizarana faha-3
Topazo Maso ny Endrikao Ivelany
Voalaza fa tsy lasa lavitra fa ivelany fotsiny ny hatsaran-tarehy. Nahoana anefa no toa omena ny tombony rehetra ireo tanora tsara endrika ivelany? Ary ahoana no hanoheran’ny tanora iray ny fanerena rehetra hiakanjo sahala amin’ireo mitovy taona aminy sy hitovy endrika ivelany aminy?
Ireo pejy vitsivitsy manaraka dia natao hanampiana anao hanopy maso indray sy araka ny tena izy amin’ilay tarehy hitanao isa-maraina eo amin’ny fitaratra.