MBA ANDRAMO IZAO
Ampiasao Tsara Ilay Fitaratra
Nilaza i Jakoba mpianatra hoe hoatran’ny fitaratra manampy antsika hahita ny tena toetrantsika ny Baiboly. (Jak. 1:22-25) Ahoana àry no hampiasantsika tsara ny Baiboly mba ho hoatran’ny fitaratra ilay izy?
Vakio tsara ny Baiboly. Raha maimaika fotsiny isika rehefa mijery fitaratra dia mety tsy ho hitantsika akory hoe misy zavatra tena tokony hamboarina. Raha tiantsika koa ny hahita an’izay toetra mila hahitsintsika, dia tokony handinika tsara ny Tenin’Andriamanitra isika ka mamaky tsara azy io.
Ny tenanao jerena fa tsy ny hafa. Raha tsy ataontsika mifanandrify amintsika ny fitaratra, dia izay tsy metimety eny amin’ny hafa indray no ho hitantsika. Mety ho lasa ampiasaintsika mba hijerena ny fahadisoan’ny hafa koa ny Baiboly. Tsy hanampy antsika hanitsy an’izay toetra mila ovantsika anefa izany.
Mahaiza mandanjalanja. Raha tsy miala eo amin’izay tsy metimety amintsika mihitsy ny masontsika rehefa mijery fitaratra, dia mety ho kivy isika amin’ny farany. Mila mahay mandanjalanja koa isika rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra. Aleo tsy sarotiny loatra amin’ny tenantsika fa izay takin’i Jehovah amintsika ihany no atao.—Jak. 3:17.