FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yp toko 16 p. 127-132
  • Ara-dalàna ve Izao Alaheloko Izao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ara-dalàna ve Izao Alaheloko Izao?
  • Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fandavana
  • “Ahoana no nahasahiany hanao izany tamiko?”
  • “Tahaka izay (...)”
  • “Inona no holazaiko amin’ireo namako?”
  • Fiatrehana ny alahelonao
  • Lazao amin’ny hafa ireo fihetseham-ponao
  • Fanamafisana ny fatoram-pianakaviana
  • Fanantenana izay mampahatanjaka
  • Ahoana no Hahazakako ny Alaheloko?
    Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao
  • Ahoana no Hizakako ny Alaheloko fa Maty i Neny?
    Mifohaza!—2009
  • Diso ve Aho Raha Malahelo Be An’i Neny?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Fanampiana An’ireo Nidonam-pahoriana
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
yp toko 16 p. 127-132

Toko Faha-16

Ara-dalàna ve Izao Alaheloko Izao?

MAHATSIARO ny andro nahafatesan’ny dadany toy izao i Mitchell: “Tao anatin’ny fahatairana mafy aho tamin’izay. (...) Niteny tsy an-kijanona aho hoe: ‘Tsy marina izany’.”

Angamba nisy olona tsy foinao iray — ray na reny, iray tam-po na namana — maty. Ary tsy alahelo ihany no tsapanao fa fahatezerana sy fisafotofotoana ary tahotra koa. Na dia miezaka toy inona aza ianao, dia tsy afaka mihazona ny ranomasonao. Raha tsy izany, dia koboninao ao anatinao ao ny fanaintainanao.

Raha ny tena izy, dia ara-dalàna tsotra izao ny fahatsapana alahelo rehefa maty ny olona tsy fointsika iray. Ny tenan’i Jesosy Kristy koa aza dia “nitomany” sady “vonto ny fanahiny”. (Jaona 11:33-36; ampitahao amin’ny 2 Samoela 13:28-39.) Ny fahatakarana fa nisy hafa nanana fihetseham-po sahala amin’ny anao koa dia mety hanampy anao hahay hiatrika kokoa ny fahorianao.

Fandavana

Amin’ny voalohany dia mety tsy hahatsapa na inona na inona ianao. Angamba ao anatinao ao ianao dia mety hanantena fa nofy ratsy fotsiny ilay izy, fa hisy olona ho avy hamoha anao ary dia ho sahala amin’ny teo aloha ihany ny zava-drehetra. Ny renin’i Cindy ohatra dia maty noho ny homamiadana. Manazava toy izao i Cindy: “Tsy tena nanaiky tanteraka aho fa lasa izy. Rehefa misy zavatra mitranga izay nety ho noresahiko taminy raha mbola teo izy, dia lasa miteny tsy nahy aho hoe: ‘Tsy maintsy lazaiko amin’i Neny izany.’ ”

Ireo olona azom-pahoriana dia mirona handa fa tena nitranga tokoa ny fahafatesana. Mety hihevitra mihitsy aza izy ireo fa mahita ilay nody mandry eny amin’ny arabe, ao anaty aotobisy iray mandalo, eny ambony taxi-brousse. Izay sendra fitoviana kely aminy dia afaka mamelona ny fanantenana fa angamba tsy maty akory ilay olona. Tadidio fa nanao ny olona mba ho velona Andriamanitra, fa tsy ho faty. (Genesisy 1:28; 2:9). Koa ara-dalàna tsotra izao raha toa ka sarotra amintsika ny manaiky ny fahafatesana.

“Ahoana no nahasahiany hanao izany tamiko?”

Aza gaga raha misy fotoana mihitsy aza ahatsapanao fahatezerana amin’ilay olona maty. Mahatsiaro toy izao i Cindy: “Fony vao maty i Neny, dia nisy fotoana nieritreretako hoe: ‘Tsy tena nampahafantatra marina anay ianao fa ho faty, fa lasa nandeha fotsiny tamin’izao.’ Nahatsiaro tena ho nilaozana tanteraka aho.”

Ny fahafatesan’ny iray tam-po iray dia afaka mampipoitra fihetseham-po toy izany koa. “Mila hahatsikaiky mihitsy ny fahatsiarovana fahatezerana amin’ny olona maty iray”, hoy ny fanazavan’i Karen, “kanefa rehefa maty ny rahavaviko, dia tsy nahasakana ny tenako tsy ho toy izany aho. Tonga tao an-tsaiko tsy an-kijanona ny eritreritra toy ny hoe ‘Ahoana no nahafahany ho faty sy hamela ahy ho irery? Ahoana no nahasahiany hanao izany tamiko?’ ” Ny sasany tezitra amin’ny iray tam-po aminy noho ny fanaintainana rehetra ateraky ny fahafatesany. Ny hafa mahatsiaro tena ho natao tsirambina, angamba ho tsy faly mihitsy aza, noho ilay fotoana sy fiheverana rehetra nomeny an’ilay iray tam-po aminy narary talohan’ny nahafatesany. Ireo ray aman-dreny vonton’alahelo izay matahotra ny hamoy zanaka hafa iray koa dia manjary miaro azy io fatratra tampoka teo, ka mety hampiteraka fahatsapana hatezerana amin’ilay nody mandry.

“Tahaka izay (...)”

Fihetsika fahita matetika koa ny fahatsapana ho meloka. Misy fanontaniana sy fisalasalana maro mamely ny saina. ‘Nety ho nisy zavatra fanampiny ho azo natao ve? Tsy tokony ho nizaha dokotera hafa ve izahay?’ Ary avy eo, dia eo koa ireo Tahaka izay. ‘Tahaka izay izahay tsy nifamaly be toy ireny.’ ‘Tahaka izay aho niseho ho tsara fanahy kokoa.’ ‘Tahaka izay izaho no nandeha niantsena, fa tsy izy.’

Hoy i Mitchell: “Tahaka izay aho nampiseho faharetana kokoa tamin’ny raiko sy nahatakatra kokoa ny fomba fiheviny. Na koa nanao zavatra bebe kokoa tato an-trano izay ho nanamora kokoa ny asany tato rehefa nody izy.” Ary hoy ny nomarihin’i Elisa: “Rehefa narary ka maty tampoka i Neny, dia mbola teo daholo ireo fihetseham-po rehetra tsy voalamina teo aminay mianaka. Mahatsiaro tena ho meloka aho izao. Mieritreritra ireo zavatra rehetra tokony ho nolazaiko taminy aho, sy ireo zavatra rehetra tsy tokony ho nolazaiko, ireo zavatra tsy nety rehetra nataoko.”

Mety hiampanga tena ho tompon’andraikitra ny amin’izay nitranga mihitsy aza ianao. Mahatsiaro toy izao i Cindy: “Nahatsapa tena ho meloka aho noho ireo fifamaliana rehetra teo aminay, noho ireo fihenjanana rehetra tsapan’i Neny noho ny amiko. Nihevitra aho fa ny fihenjanana rehetra tsapany noho ny amiko dia nety ho anisan’ny nahatonga ny aretiny.”

“Inona no holazaiko amin’ireo namako?”

Nanamarika toy izao momba ny zanany lahy ny vehivavy maty vady iray: “Halan’i Jonny ny nilaza tamin’ireo ankizy hafa fa maty ny rainy. Nahasaikatra azy izany sady nahatezitra azy koa, satria saikatra izy.”

Manazava toy izao ny boky hoe Death and Grief in the Family: “Ny hoe ‘Inona no holazaiko amin’ny namako?’ dia fanontaniana iray faran’izay lehibe amin’ireo iray tam-po [amin’ilay maty]. Matetika dia mihevitra izy ireo fa tsy mahatakatra ny zavatra manjo azy, ireo namany. Rehefa manandrana ny hilaza ny halehiben’ny fahoriany aminy izy, dia mety hahita fijery sanganehana sy very hevitra. (...) Noho izany, dia mety hahatsiaro tena ho lavin’ny hafa sy ihatakatahany ary indraindray aza dia ho toy ny olona hafahafa mihitsy, ilay namoy ny iray tam-po taminy.”

Fantaro anefa fa ny hafa indraindray dia tsy mahalala fotsiny izay tokony holazaina amin’ny namana iray tra-pahoriana — ary dia tsy miteny na inona na inona fotsiny izy. Ny fahorianao koa dia mety hampahatsiahy azy fa ny tenany koa dia mety hamoy olon-tiana iray. Tsy maniry ny hampahatsiahivina ny amin’izany izy ireo ka mety hihataka aminao.

Fiatrehana ny alahelonao

Ny fahafantarana fa ara-dalàna ny alahelonao dia fanampiana lehibe iray mba hiadiana amin’izy io. Kanefa tsy manao afa-tsy ny mampaharitra ny alahelonao ny fanohizana handa ilay zava-misy. Indraindray dia mamela toerana banga iray eo amin’ny latabatra isakafoana ho an’ilay nody mandry ny fianakaviana iray, toy ny hoe ho avy hisakafo eo izy. Ny fianakaviana iray anefa dia nifidy ny hanaraka fomba hafa noho izany. Hoy ilay reniny: “Tsy nipetraka tamin’ny toerana nitovy intsony mihitsy izahay teo amin’ny latabatry ny lakozia. Nifindra naka ny toeran’i David ny vadiko, ka izany dia nanampy mba hameno ilay fahabangana.”

Manampy koa ny fahatakarana fa, na dia tena misy tokoa aza zavatra tokony ho nolazainao na nataonao na tsy tokony ho nolazainao na nataonao, mazàna dia tsy ireny no antony nahatonga ilay olon-tianao ho faty. Ankoatra izany, dia “tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra”. — Jakoba 3:2.

Lazao amin’ny hafa ireo fihetseham-ponao

Manipy hevitra toy izao ny Dr. Earl Grollman: “Tsy ampy ny manaiky ireo fihetseham-po mifanohitra ao aminao; tsy maintsy miatrika azy ireo amin’ny firesahana momba azy ireo ianao. (...) Fotoana hilazana amin’ny hafa ireo fihetseham-ponao izao.” Tsy fotoana tokony hihatahanao amin’ny hafa izao. — Ohabolana 18:1.

Milaza ny Dr. Grollman fa, rehefa mandà ny fisian’ny alahelonao ianao, dia “tsy manao afa-tsy ny mampaharitra ilay fangirifiriana sy mampihemotra ny fizotran’ny fisindan’ny alahelo”. Manipy hevitra toy izao izy: “Mitadiava olona mahay mihaino, namana iray izay hahatakatra fa ireo fihetseham-po maro tsapanao dia fihetsika ara-dalàna eo anoloan’ilay alahelonao mafy.” Ny ray na ny reny, ny zoky na ny zandry iray, ny namana iray na ny loholona iray ao amin’ny kongregasiona kristiana matetika dia afaka ny hanohana tokoa.

Ary ahoana raha te hitomany ianao? Manampy teny toy izao ny Dr. Grollman: “Ho an’ny sasany, na lehilahy izany na vehivavy na ankizy, dia ny ranomaso no fanafody tsara indrindra amin’ny fihenjanana ara-pihetseham-po. Ny fitomaniana dia fomba voajanahary hanalefahana ny tebiteby sy hanamaivanana ny fanaintainana.”

Fanamafisana ny fatoram-pianakaviana

Afaka ny hanampy anao be dia be koa ireo ray aman-dreninao amin’ny fotoam-pahoriana — ary afaka ny hanampy azy ireo koa ianao. I Jane sy i Sarah, any Angletera, ohatra, dia namoy an’i Darrall, anadahiny 23 taona. Ahoana no nandresen’izy ireo ny alahelony? Mamaly toy izao i Jane: “Satria efa-mianaka izahay, dia niaraka tamin’i Dada foana aho, ary i Sarah niaraka tamin’i Neny foana. Tamin’izay, dia tsy irery mihitsy izahay.” Mahatsiaro toy izao koa i Jane: “Mbola tsy nahita an’i Dada nitomany mihitsy aho talohan’izay. Nitomany indray mandeha na indroa izy, ary, raha ny marina, dia tsara ny nanaovany izany, ary rehefa mieritreritra aho izao, dia faly satria teo akaikiny aho mba hampionona azy.”

Fanantenana izay mampahatanjaka

I David, any Angletera, dia namoy an’i Janet anabaviny, 13 taona, maty noho ny aretin’i Hodgkin. Hoy izy: “Ny zavatra iray nandraisako soa lehibe dia ny andinin-teny iray notononina tany amin’ny lahatenim-pandevenana. Izao no lazain’izy io: ‘Satria Andriamanitra efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana, koa efa nanome antoka hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany azy, izany hoe i Jesosy, tamin’ny maty.’ Nanantitrantitra ilay teny hoe ‘antoka’, momba ny fitsanganana amin’ny maty, ilay mpandahateny. Tena loharanon-kery lehibe ho ahy ilay izy taorian’ny fandevenana.” — Asan’ny Apostoly 17:31, NW; jereo koa Marka 5:35-42; 12:26, 27; Jaona 5:28, 29; 1 Korintiana 15:3-8.

Tsy manafoana ny alahelo akory ny fanantenana omen’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty. Tsy hanadino na oviana na oviana ilay olon-tianao ianao. Kanefa, maro no nahita tena fampiononana tao amin’ireo fampanantenana ao amin’ny Baiboly ary, ho vokatr’izany, dia nanomboka ho sitrana tsikelikely tamin’ilay fanaintainana nentin’ny famoizana olona tsy foiny iray izy.

Fanontaniana Hiaraha-midinika

◻ Heverinao ve fa ara-dalàna ny halahelovana noho ny fahafatesan’ny olona tsy foinao iray?

◻ Fihetseham-po inona avy no tsapan’ny olona iray tra-pahoriana, ary nahoana?

◻ Inona avy no fomba sasantsasany azon’ny tanora iray tra-pahoriana anombohana handresena ireo fihetseham-pony?

◻ Ahoana no mety hampiononanao ny namana iray namoy olona tsy foiny iray?

[Teny notsongaina, pejy 128]

“Tsy tena nanaiky tanteraka aho fa lasa izy. (...) Lasa miteny tsy nahy aho hoe: ‘Tsy maintsy lazaiko amin’i Neny izany’ ”

[Teny notsongaina, pejy 131]

‘Fony vao maty i Neny, dia nieritreritra aho hoe: “Tsy tena nampahafantatra marina anay ianao fa ho faty, fa lasa nandeha fotsiny tamin’izao.” Nahatsiaro tena ho nilaozana tanteraka aho’

[Sary, pejy 129]

“Tsy marina izany!”

[Sary, pejy 130]

Rehefa mamoy olona tsy fointsika iray amin’ny fahafatesana isika, dia mila ny fanohanan’ny olona iray mahay mangoraka

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara