FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • we p. 14-19
  • Ahoana no Hahazakako ny Alaheloko?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hahazakako ny Alaheloko?
  • Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no hamoahana ny alahelo?
  • Fiatrehana ny fahatsapana ho meloka
  • Fiatrehana ny hatezerana
  • Fanampiana avy amin’Andriamanitra
  • Fomba Hizakana Alahelo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Ara-dalàna ve ny Fihetseham-po toy Izao?
    Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao
  • Fanampiana An’ireo Nidonam-pahoriana
    Mifohaza!—2011
  • Inona no Azoko Atao Rehefa Ilay Malahelo Be Iny Aho?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao
we p. 14-19

Ahoana no Hahazakako ny Alaheloko?

“TENA mafy tamiko ny nifehy ny fihetseham-poko”, hoy i Mike, rehefa niresaka momba ny nahafatesan-drainy izy. Noheveriny fa tokony hifehy ny alahelony ny tena lehilahy. Takany anefa tatỳ aoriana fa diso hevitra izy. Fantatr’i Mike àry ny tokony hatao rehefa maty ny dadaben’ny namany. Hoy izy: “Raha taona vitsivitsy lasa no nitrangan’izao, dia ho nipaipaika ny sorony aho sady ho niteny hoe: ‘Ny lehilahy tsy mba mitomany izany e!’ Izao anefa dia nokasihiko ny sandriny sady hoy aho taminy: ‘Tsy maninona izay zavatra tsapanao. Hanampy anao tsy ho resin’ny alahelo izany. Handeha aho raha tianao, ary hijanona kosa aho raha tianao. Aza matahotra hilaza ny fihetseham-ponao.’”

Mafy be tamin’i MaryAnne koa ny nifehy ny fihetseham-pony, rehefa maty ny vadiny. Hoy izy: “Niezaka mafy mba ho ohatra tsara aho, ka nifehy tena mba tsy haneho ny fihetseham-po tokony haseho. Fantatro anefa tatỳ aoriana fa tsy nanampy ahy ny fiezahana ho mafy be teo anatrehan’ny olona. Nanomboka nofakafakaiko ny zava-nisy, dia hoy aho: ‘Mitomania raha te hitomany ianao, fa aza miseho ho mafy be. Avoahy izay manavesatra ny fonao.’”

Izao àry no asain’i Mike sy MaryAnne atao: Avelao ny tenanao hanala ny alahelony! Ary marina ny azy ireo. Nahoana? Satria raha manala ny alahelonao ianao, dia mivoaka ny fihetseham-ponao ary tena ilaina izany. Mety hanamaivamaivana ny zavatra mitambesatra aminao ny famoahanao ny fihetseham-ponao. Hiverina amin’ny laoniny izy io, raha asehonao fotsiny izay tsapanao. Hitranga izany rehefa takatrao ny toe-javatra misy anao, ary azonao ny fanazavana marina momba izay fihetsika mety.

Mazava ho azy fa tsy mitovy ny fomba anehoan’ny tsirairay ny alahelony. Mety hisy akony eo amin’ny fihetsiky ny olona koa ny hoe maty tampoka ilay havany, sa efa narary ela be vao maty. Izao anefa no azo antoka: Mety hanimba ara-batana sy ara-pihetseham-po ny alahelo raha kobonina. Mahasoa kokoa raha avoaka ilay izy. Amin’ny fomba ahoana? Misy torohevitra mahasoa ao amin’ny Soratra Masina.

Ahoana no hamoahana ny alahelo?

Mahasoa ny miresaka. Taorian’ny nahafatesan’ny zanany folo sy ny loza hafa nanjo azy, dia hoy i Joba zokiolona nohajaina fahiny: “Maharikoriko ahy ny aiko; hamoaka [hebreo: “hamaha”] ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ny fanahiko.” (Joba 1:2, 18, 19; 10:1) Tsy voafehin’i Joba intsony ny ahiahiny. Nilainy ny namboraka izany. Tsy maintsy ‘niteny’ izy. Hoy koa i Shakespeare, mpanoratra tantara anglisy, tao amin’ilay bokiny hoe Macbeth: “Avoahy ny alahelo; fa ny alahelo tsy miteny dia mibitsibitsika amin’ny fo torotoro ka mandidy azy ho vaky.”

Ho maivamaivana kokoa àry ianao, raha mamboraka ny fihetseham-ponao amin’ny “tena sakaiza”, izay hihaino anao amim-paharetana sy hangoraka anao. (Ohabolana 17:17) Mora kokoa matetika ny mahatakatra sy miatrika ny fihetseham-po, rehefa avoaka ilay izy. Ary raha olona nahay niatrika ny fahoriana nidona taminy ilay mihaino anao, dia mety hahazo torohevitra mahasoa avy aminy ianao. Nisy reny iray maty anaka, nanazava fa nanampy azy ny firesahana tamin’ny vehivavy iray hafa efa maty anaka koa. Hoy io reny io: “Tena nampahery ahy ny nahafantatra fa nisy olona efa niharan-javatra tahaka izany, nefa tsy simba ny sainy na ny fony, ary mbola miriaria amin’ny fiainana azo lazaina hoe ara-dalàna izy.”

Asehon’ny ohatra ao amin’ny Baiboly, fa mety hanampy anao haneho ny alahelonao ny fanoratana ny fihetseham-ponao

Ahoana raha sarotra aminao ny mamboraka ny fihetseham-ponao? Namorona hira fisaonana tena nampihetsi-po i Davida, rehefa maty i Saoly sy Jonatana, mba hamborahany ny alahelony. Lasa anisan’ny fitantarana voasoratra ao amin’ny bokin’ny Samoela Faharoa, ao amin’ny Baiboly, io hira fisaonana io. (2 Samoela 1:17-27; 2 Tantara 35:25) Mora kokoa amin’ny olona sasany koa ny maneho ny ao am-pony amin’ny alalan’ny soratra. Nitantara ny vehivavy iray maty vady fa nosoratany ny zavatra tsapany, ary naveriny novakina andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Nahasoa azy, hono, izany.

Manampy anao hamoaka ny alahelonao ny fampitana ny ao am-ponao amin’ny alalan’ny firesahana na ny fanoratana. Mety hampisava ny tsy fifankahazoan-kevitra koa izany. Hoy ny reny iray nidonam-pahoriana: “Renay mivady fa nisy olona nisara-panambadiana rehefa maty ny zanany, ka tsy tianay hitranga taminay izany. Niresaka àry izahay, isaky ny tezitra sy te hifanome tsiny. Heveriko fa vao mainka nampifankahazo anay izany.” Raha mampahafantatra ny ao am-ponao tahaka izany ianao, dia mety ho takatrao fa na dia samy miara-mizaka fahoriana aza ny olona, dia mety tsy hitovy ny fisehoan’ny alahelo.

Ny mitomany no zavatra hafa mety hanamora ny famoahana alahelo. Ao ny “andro itomaniana”, hoy ny Baiboly. (Mpitoriteny 3:1, 4) Azo antoka fa tonga tokoa io andro io rehefa misy havantsika maty. Tena ilaina ny mandrotsaka ranomason’alahelo mba ho sitrana.

Nohazavain’ny tovovavy iray ny fomba nanampian’ny namana akaiky azy hahazaka ny fahafatesan’ny reniny. Hoy izy: “Teo foana ilay namako mba hanampy ahy. Niara-nitomany tamiko izy, niresaka tamiko. Afaka namoaka ny tao am-poko aho, ary tena nilaiko izany. Tsy nahamenatra ahy ny nitomany.” (Jereo Romanina 12:15.) Tsy tokony hahamenatra anao koa ny mitomany. Araka ny hitantsika, dia feno ohatra momba ny lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana ao amin’ny Baiboly, anisan’izany i Jesosy Kristy. Nandrotsa-dranomason’alahelo an-karihary izy ireny, nefa tsy menatra.—Genesisy 50:3; 2 Samoela 1:11, 12; Jaona 11:33, 35.

Any amin’ny tany rehetra, dia mankasitraka ny fampiononana omena azy, ireo nidonam-pahoriana

Mety ho hitanao fa somary tsy ampoizina ny fihetseham-ponao, mandritra ny fotoana sasantsasany. Mety hirotsaka tampoka ny ranomaso. Hitan’ny vehivavy iray maty vady, fa nahatonga azy hitomany ny fiantsenana tany amin’ny fivarotana lehibe. Nitomany izy, indrindra rehefa nentim-pahazarana ka naka ireo sakafo tian’ny vadiny indrindra. Manàna faharetana amin’ny tenanao. Aza mihevitra fa tsy maintsy fehezinao tsy hirotsaka ny ranomasonao. Tadidio fa ara-dalàna ny mitomany, ary tena ilaina ny ranomaso.

Fiatrehana ny fahatsapana ho meloka

Voalaza terỳ aloha fa misy mahatsapa ho meloka rehefa maty ny hava-malalany. Mety ho takatsika avy amin’izany ny alahelo be tsapan’i Jakoba, lehilahy nahatoky, rehefa nino izy fa matin’ny “biby masiaka” i Josefa zanany. Izy mihitsy mantsy no naniraka an’i Josefa hitsidika an’ireo rahalahiny. Inoana àry fa nitambesaran’ny fahatsapana ho meloka i Jakoba, ka niteny hoe: ‘Nahoana àry no dia nalefako irery i Josefa? Nahoana izy no nalefako tany amin’ny faritra be bibidia?’—Genesisy 37:33-35.

Heverinao angamba fa nisy tsirambina nataonao, ka nahatonga ilay havanao ho faty. Mety hahasoa ny mahatakatra fa ara-dalàna amin’ny olona malahelo ny mahatsapa ho meloka, na tena meloka izy na tsia. Eto indray dia aza mihevitra fa tokony hokoboninao izany. Hahazo ilay fanamaivanana tena ilainao ianao, raha resahinao amin’olon-kafa io fahatsapanao ho meloka io.

Aoka ho fantatrao anefa, fa na tianao toy inona aza ny olona iray, dia tsy afaka mitantana ny fiainany ianao, na hisakana “ny fotoana sy ny sampona” tsy hitranga aminy. (Mpitoriteny 9:11) Tsy nieritreritra hanao ratsy mihitsy ianao. Ohatra, rehefa tsy nanatona dokotera taloha kokoa ianao, ny hahatonga ilay havanao harary sy ho faty ve no zava-kendrenao tamin’izany? Mazava ho azy fa tsia! Tena ianao ve izany no nahatonga an’io olona io ho faty? Tsia.

Niezaka niatrika ny fahatsapana ho meloka ny reny iray, rehefa maty tamin’ny lozam-piarakodia ny zanany vavy. Hoy izy: “Nahatsapa ho meloka aho satria izaho no naniraka azy. Takatro anefa fa hadalana ny fiheverana toy izany. Tsy diso mihitsy aho raha naniraka azy sy ny Dadany. Loza nahatsiravina fotsiny ilay izy.”

‘Misy zavatra betsaka tiako ho nolazaina na natao anefa ange e!’, hoy angamba ianao. Marina izany, nefa iza amintsika moa no afaka milaza fa ray na reny na zanaka lavorary izy? Hoy ny Baiboly: “Manao fahadisoana imbetsaka ... isika rehetra. Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary.” (Jakoba 3:2; Romanina 5:12) Ekeo àry fa tsy tanteraka ianao, ary marina izany. Tsy hampiova na inona na inona ny mieritreritra foana hoe “tahaka izay ...” Mety hampiadana ny fahasitrananao fotsiny izany.

Raha marim-pototra ny antony inoanao fa tena meloka ianao, dia izao atao: Hevero ilay lafin-javatra tena lehibe mifandray amin’izany, dia ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Izao no toky omen’ny Baiboly: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô? Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka.” (Salamo 130:3, 4) Tsy afaka mampiverina ny lasa ianao ka hanova zavatra. Afaka mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra kosa ianao, noho ny fahadisoana tamin’ny lasa. Dia ahoana? Raha mampanantena famelan-keloka Andriamanitra, tsy mba tokony hamela ny tenanao koa ve ianao?—Ohabolana 28:13; 1 Jaona 1:9.

Fiatrehana ny hatezerana

Mahatezitra anao koa ve ny dokotera, mpitsabo mpanampy, namana, na ilay maty mihitsy aza? Fantaro fa fihetseham-po fahita koa izany, rehefa misy havana maty. Angamba zavatra ara-dalàna miaraka amin’ny alahelonao fotsiny ilay hatezerana. Hoy ny mpanoratra iray: “Tsy hiharan’ny vokatra manimban’ny hatezerana ianao, raha tsapanao fa ao anatinao ilay izy, nefa tsy avelanao hanosika anao hanao zavatra.”

Mety ho tsara koa ny maneho ny hatezerana na miresaka momba izany. Amin’ny fomba ahoana? Mazava ho azy fa tsy tokony hapoaka ny fahatezerana. Mampitandrina antsika ny Baiboly fa mampidi-doza ny hatezerana maharitra ela. (Ohabolana 14:29, 30) Mety hahazo fampiononana anefa ianao raha miresaka amin’ny namana mahatakatra ny fihevitrao. Misy koa mahita fa tsara ny manao fampiasan-tena mafy rehefa tezitra.—Jereo koa Efesianina 4:25, 26.

Tena ilaina ny manaiky ny marina momba izay tsapanao sy maneho izany, nefa mitandrema. Tena tsy mitovy mantsy ny hoe maneho ny fihetseham-ponao amin’ny hafa sy ny hoe manampatra ny hatezeranao aminy. Tsy ny olon-kafa no tokony homenao tsiny raha tezitra sy kivy ianao. Lazao àry ny fihetseham-ponao, nefa aza mivatravatra. (Ohabolana 18:21) Misy zavatra lehibe manampy antsika hizaka alahelo anefa. Izany no hojerentsika izao.

Fanampiana avy amin’Andriamanitra

Hoy ny Baiboly: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” (Salamo 34:18) Ary mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, dia ny fifandraisana amin’Andriamanitra no manampy antsika hizaka ny fahafatesan’ny hava-malala. Amin’ny fomba ahoana? Miorina, na mifanaraka amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, ny fanipazan-kevitra rehetra nomena teto, ka hanampy anao ny fampiharana azy.

Aza hamaivanina koa ny hasarobidin’ny vavaka. Hoy ny Baiboly: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao.” (Salamo 55:22) Raha mahasoa ny miresaka ny fihetseham-po amin’ny namana mangoraka, dia mbola mahasoa lavitra noho izany ny mamboraka ny ao am-po amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”!—2 Korintianina 1:3.

Tsy ny vavaka fotsiny no mahatonga antsika ho maivamaivana kokoa. Mampanantena ilay “Mpihaino vavaka” fa homeny an’izay tena mangataka izany aminy ny fanahy masina. (Salamo 65:2; Lioka 11:13) Ary ny fanahy masin’Andriamanitra, na hery ampiasainy, dia afaka manome anao “hery fanampiny” mba hamakivakiana ny andro tsirairay. (2 Korintianina 4:7) Tadidio fa afaka manampy ny mpanompony tsy mivadika Andriamanitra, mba hiaretan’izy ireo ny olana rehetra mety hatrehiny.

Tsaroan’ny vehivavy iray maty anaka fa ny vavaka no nanome hery azy sy ny vadiny hizaka ilay fahoriana. Hoy izy: “Rehefa tao an-trano izahay ny alina, ary tena tsy zaka ny alahelo, dia niara-nivavaka tamin’ny feo avo izahay. Nivavaka izahay mba hahazoana hery, rehefa tonga ny fotoana voalohany tsy maintsy nanaovanay zavatra tsy niaraka intsony tamin’ilay zanakay. Ohatra, ny fivoriana voalohany na ny fivoriambe voalohany natrehinay. Nivavaka tamin’i Jehovah koa izahay mba hanampiany anay, rehefa nifoha maraina ka tena tsy zaka ny fiatrehana ny zava-misy. Noho ny antony sasany, dia tena fahoriana tamiko ny niditra irery tao an-trano. Nivavaka àry aho isaky ny nody irery, mba hiangavy an’i Jehovah hanampy ahy ho tony.” Mino mafy ary mino marina io vehivavy mahatoky io, fa tena ilaina ireny vavaka ireny. Mety ho hitanao koa fa ‘ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonao sy ny sainao’, satria mamaly ny vavaka ataonao amim-pikirizana izy.—Filipianina 4:6, 7; Romanina 12:12.

Tena ilaina ny fanampian’Andriamanitra. Nolazain’i Paoly, apostoly kristianina, fa Andriamanitra dia ‘mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra, mba hahaizantsika hampionona an’izay ao anatin’ny fahoriana isan-karazany.’ Tsy manafoana ny alahelo ny fanampian’Andriamanitra, nefa afaka mahatonga azy io ho mora zakaina kokoa. Tsy midika izany hoe tsy hitomany intsony ianao, na hanadino ilay havanao. Afaka ny ho sitrana anefa ny alahelonao. Amin’izay dia ho takatrao kokoa ny mahazo ny hafa ka hangoraka kokoa ianao, rehefa hanampy azy ireny hizaka fahoriana toy ny anao.—2 Korintianina 1:4.

Fanontaniana Hosaintsainina

  • Nahoana no tena ilaina ny hamelanao ny tenanao hanala ny alahelony?

  • Ahoana no azonao amoahana ny alahelonao?

  • Ahoana no anampian’ny Soratra Masina anao handresy ny fahatsapana ho meloka sy ny hatezerana?

  • Nahoana ny fifandraisana amin’Andriamanitra no manampy anao hizaka ny fahafatesan’ny hava-malala?

  • Inona avy no fanipazan-kevitra mahasoa mba hizakana alahelo?

Fanipazan-kevitra Mahasoa

Miantehera amin’ny namana: Aza misalasala manaiky ny fanampian’ny olona, raha te hanao izany izy, ary raha tena hahasoa anao koa izany. Mety ho izany mantsy no fomba hanehoany ny fihetseham-pony, satria tsy hitany angamba izay holazaina.—Ohabolana 18:24.

Karakarao ny fahasalamanao: Mety handreraka be anao ny alahelo, indrindra amin’ny voalohany. Vao mainka ilaina kokoa izao ny fialan-tsasatra ampy, sy fampiasan-tena ary sakafo sahaza. Mety hilaina koa ny fizaham-pahasalamana tsy tapaka.

Aza mbola mandray fanapahan-kevitra lehibe: Raha azo atao, dia miandrasa kely mba hazava kokoa ny fisainanao vao mandray fanapahan-kevitra lehibe. Anisan’izany ny hoe hivarotra ny tranonareo sa tsia, na hoe hiova asa ianao sa tsia. (Ohabolana 21:5) Tsaroan’ny vehivavy iray maty vady fa nozarazarainy befahatany ny ankamaroan’ny zavatr’ilay vadiny, andro maromaro taorian’ny nahafatesan’izy io. Tsapany, tatỳ aoriana, fa zavatra sarobidy nahatsiarovany an’ilay vadiny ireny zavatra nozarazarainy befahatany ireny.

Manàna faharetana amin’ny tenanao: Matetika no maharitra ela ny alahelo, fa tsy araka ny ieritreretan’ny maro azy. Mety hanokatra indray ilay fery ny fahatsiarovana an’ilay havana isan-taona. Mety hampitomany anao ireo sary, na hira, na fofona manokana mihitsy aza. Nisy fandinihana ara-tsiansa momba ny alahelo nilaza toy izao ny fizotran’izy io: “Mety hiova tampoka sy amin’ny fomba manaitra ny fihetsiky ny olona nidonam-pahoriana. Mbetika izy tsy te hieritreritra intsony an’ilay maty, ary mbetika minia manolokolo ny fahatsiarovana azy.” Tsarovy foana ireo fampanantenana sarobidy nataon’i Jehovah.—Filipianina 4:8, 9.

Mahaiza mamela heloka: Miezaha hanana faharetana amin’ny olona. Fantaro fa saikatra koa izy ireo. Mety hiteniteny foana aza izy, satria tsy fantany izay tokony holazaina.—Kolosianina 3:12, 13.

Mitandrema amin’ny fampiasana fanafody na zava-pisotro misy alkaola mba hizakana ny alahelo: Mihelina ihany ny fanamaivanana mety hoentin’ny fanafody na ny zava-pisotro misy alkaola. Tsy tokony hihinankinam-panafody foana ianao raha tsy misy fanaraha-mason’ny dokotera. Mitandrema anefa satria mahatonga fahazarana tsy mety afaka ny ankamaroan’ireny fanafody ireny. Mety hampitarazoka ny fizotran’ny alahelo koa izy ireny. Hoy ny mpikaroka momba ny aretina: “Tokony hiaretana sy hozakaina ilay loza, ary heken’ny saina, amin’ny farany. Mety hitarazoka na hivaona anefa io fizotran’ny alahelo io, raha totofana fanafody tsy amin’ny antony ilay [olona].” Hahazoana fanamaivanana maharitra ny fisaintsainana ny fikasana mahatalanjon’i Jehovah.—Salamo 1:2; 119:97.

Miverena amin’ny fiainana nahazatra: Mety ho voatery hanery tena ianao amin’ny voalohany, vao handeha hiasa, na hiantsena, na hiantsoroka andraikitra hafa. Mety ho hitanao anefa fa tena hahasoa ny fanarahana ny fiainana nahazatra. Manaova asa fanompoana betsaka foana.—Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 15:58.

Aza matahotra hanadino an’ilay alahelo: Mahagaga fa misy olona nidonam-pahoriana matahotra hanadino ny alahelony. Mino mantsy izy fa mampiseho ny fihenan’ny fitiavany an’ilay havany maty izany. Tsy marina anefa izany. Raha manadino ny alahelo ianao, dia ho tonga ireo fahatsiarovana mamy izay inoana fa hitoetra foana ao anatinao.—Mpitoriteny 3:1, 4.

Aza manahy be loatra: Mety ho be fanahiana ianao ka hanontany tena hoe: ‘Dia ahoana izao ny amiko?’ Manoro hevitra ny Baiboly mba hiatrehana ny olana arakaraka ny ipoirany. Hoy ny vehivavy iray maty vady: “Tena manampy ahy ny tsy fiatrehana afa-tsy ny anio.” Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany.”—Matio 6:25-34.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara