Toko Faha-37
Nahoana Aho no Tsy Afaka Mampifalifaly Tena Indraindray?
TALOHA, ny zoma hariva, dia nankany amin’ireo fivoriana kristiana i Paulinea. Tiany ireo dinidinika natao tany, kanefa indraindray izy dia tsy faly satria tany ny tenany, kanefa ireo mpiara-mianatra taminy nandeha nivoaka nampifalifaly tena.
Rehefa vita ny fivoriana, dia nandalo teo anoloan’ny toerana falehan’ny zatovo izy rehefa nandeha nody. Hoy ny tsaroany: “Voasinton’ilay mozika nandeha mafy sy ireo jiro nipendrampendrana aho, ka natehiko teo amin’ny varavarankelin’ilay trano ny oroko rehefa nandalo teo, ary nieritreritra tamim-pitsiriritana ny amin’ny fahafinaretana tsy maintsy ho nananan-dry zareo.” Tamin’ny farany, dia nanjary ny zavatra lehibe indrindra teo amin’ny fiainany ny faniriany hampifalifaly tena niaraka tamin’ireo namany.
Toa an’i Pauline, indraindray ianao dia mety hihevitra fa, noho ianao Kristiana, dia misy maha-maty antoka ny tenanao. Te hijery ilay fandaharana ao amin’ny televiziona resahin’ny ankizy hafa rehetra ianao. Ny ray aman-dreninao anefa milaza fa mahery setra loatra ilay izy. Te hitsangantsangana any amin’ny ville miaraka amin’ireo ankizy any am-pianarana ianao. Miantso azy ireo hoe “fifaneraserana ratsy” anefa ny ray aman-dreninao. (1 Korintiana 15:33, NW ). Ta hankany amin’ilay lanonana halehan’ny iray kilasy aminao rehetra ianao. I Dada sy i Neny anefa manao hoe “tsia”.
Toa mivoaka sy miditra araka izay tiany ireo iray kilasy aminao, manatrika rindran-kira sy manao lanonana mandra-maraina tsy misy ray aman-dreny manelingelina azy. Mety hahita ny tenanao mitsiriritra ny fahalalahany àry ianao. Tsy hoe ta hanao zava-dratsy akory ianao, fa maniry ny hampifalifaly tena indraindray fotsiny.
Ny fanarian-dia — Ny fomba fijerin’Andriamanitra
Matokia fa tsy misy maha-ratsy ny faniriana hahazo fahafinaretana akory. Rehefa dinihina tokoa, i Jehovah no “ilay Andriamanitra sambatra”. (1 Timoty 1:11, NW ). Ary hoy Izy tamin’ny alalan’i Solomona, ilay olon-kendry: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao”. Kanefa avy eo, dia nampitandrina toy izao i Solomona: “Aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina hianao amin’izany rehetra izany.” — Mpitoriteny 11:9, 10.
Ny fahafantarana fa heverin’Andriamanitra ho tompon’andraikitra ny amin’ny zavatra ataonao ianao dia mahatonga anao hijery ny fanarian-dia amin’ny fomba hafa tanteraka. Izany dia satria, na dia tsy manameloka ny olona iray noho izy mampifalifaly ny tenany aza Andriamanitra, dia tena tsy mankasitraka ny olona iray izay “tia ny fahafinaretana”, izany hoe tsy miaina afa-tsy ho amin’ny fotoana mahafinaritra fotsiny. (2 Timoty 3:1, 4). Fa nahoana? Diniho i Solomona Mpanjaka. Nampiasa ireo fananany sesehena izy mba hanandramana ireo fahafinaretan’ny olombelona azo heverina rehetra. Hoy izy: “Na inona na inona nirin’ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin’izay mety ho fifaliana aho”. Inona no vokany? “Indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany”. (Mpitoriteny 2:10, 11). Eny tokoa, fantatr’Andriamanitra fa, amin’ny farany, dia tsy hanome anao afa-tsy fahatsiarovana ho foana sy fahakiviana ny fiainana natao hitadiavana fahafinaretana.
Andriamanitra koa dia mitaky ny tsy hikasihanao ireo fanao mandoto, toy ny fampiasana zava-mahadomelina sy ny firaisana alohan’ny fanambadiana. (2 Korintiana 7:1). Kanefa, maro amin’ireo zavatra ataon’ny zatovo mba hifalifaliana no mety hitarika anao ho voafandrika hanao ireo zavatra ireo koa. Ny ankizivavy iray, ohatra, dia nanapa-kevitra ny hanatrika fiaraha-mikorana nalamin’ny mpiray kilasy sasantsasany ka tsy nisy mpanara-maso. “Tsy nisy ohatra izany ilay mozika nalefa tamin’ny stéréo, nahafinaritra be ny dihy, natsiro erỳ ny zavatra nohanina ary feno fihomehezana”, hoy izy mahatsiaro. Kanefa avy eo, dia “nisy nitondra maoly. Ary dia nanomboka ny fisotroana toaka. Tamin’izay no nanomboka tsy nety intsony ny zava-drehetra”. Nitarika ho amin’ny fijangajangana izany. Nitsotra toy izao ilay ankizivavy: “Tena mahatsiaro ho mijaly sy ketraka aho hatramin’izay.” Rehefa tsy misy olon-dehibe manara-maso, dia mora erỳ ny hiovan’ny fiaraha-mikorana toy izany ho “filalaovan-dratsy”! — Galatiana 5:21.
Tsy mahagaga raha miahy aoka izany ny amin’ny fomba andanianao ny fotoam-pialam-bolinao ny ray aman-dreninao, angamba amin’ny famerana ny toerana alehanao sy izay olona azonao ifaneraserana. Inona no antony manosika azy ireo hanao izany? Mba hanampiana anao hanaraka izao fampitandreman’Andriamanitra izao: “Esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.” — Mpitoriteny 11:10.
Mitsiriritra ireo mpikatsaka fahafinaretana ve ianao?
Mora ny manadino ireo rehetra ireo sy ny mitsiriritra ny fahalalahana toa ananan’ny tanora sasany. Nitsahatra tsy namonjy fivoriana kristiana intsony i Pauline ary nifandray tamin’olona mpikatsaka fahafinaretana. “Nanjary nanao ireo zava-dratsy rehetra nampitandremana ahy aho”, hoy izy mahatsiaro. Tamin’ny farany, ny fitadiavan’i Pauline fahafinaretana dia nitarika ho amin’ny fisamborana azy sy ny fametrahana azy tao amin’ny sekoly ho an’ny zaza maditra!
Efa ela be izay, dia nanana fihetseham-po nitovy tamin’ny an’i Pauline ny mpanoratra ny Salamo faha-73. “Nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy”, hoy izy nitsotra. Nanomboka nisalasala ny amin’ny hasarobidin’ny fanarahana ireo fotopoto-pitsipika marina mihitsy aza izy. “Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasako ny tànako tamin’ny fahamarinana”, hoy izy. Kanefa avy eo, dia nahatakatra izao fahamarinana lalina izao izy: Ny ratsy fanahy dia “eo amin’izay mahasolafaka”, eo am-bava loza! — Salamo 73:3, 13, 18.
Azon’i Pauline izany fianarana izany — kanefa voa izy aloha. Taorian’ny nilalaovany tany amin’izao tontolo izao, dia nanao fiovana goavana teo amin’ny fiainany izy mba hahazoana indray ny fankasitrahan’Andriamanitra. Ianao anefa tsy voatery handia fisamborana, ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana na handalo ireo fijaliana vokatry ny fialana amin’ny zava-mahadomelina, vao hahatakatra fa avo dia avo ny vidin’ny ‘fampifalifaliana’ tena. Misy fomba madio sady mampandroso maro ahafahana milalao kanefa tsy misy ireo loza ireo. Inona avy no sasany amin’izany?
Fotoana mahafinaritra madio
Ny fandinihana natao tamina tanora amerikana dia nampiharihary fa ny zatovo dia “faly noho ireo fitsangantsanganana sy fanaovan-javatra miaraka amin’ny fianakaviana”. Ny fanaovan’ny mpianakavy zavatra miaraka dia sady mahafinaritra no afaka manatsara ny fianakaviana.
Izany dia midika mihoatra noho ny fijerena televiziona miaraka fotsiny. Hoy ny Dr. Anthony Pietropinto: “Ny manahirana amin’ny fijerena televiziona dia izao: na dia mety hatao miaraka amin’ny hafa aza izy io, dia fanaovan-javatra atao mitokana raha ny tena izy. (...) Kanefa, ny fialam-boly toy ny lalao fanao ao an-trano, ny spaoro ao an-tokotany, ny fandrahoana sakafo ho an’ny namana, ny fanaovana asa tanana ary ny famakian-teny amin’ny feo avo dia azo antoka fa manome fahafahana azo hararaotina tsara ho an’ny fifampiresahana, ny fiaraha-manao zavatra ary ny fandrisihana ara-tsaina lehibe kokoa noho ny fijeren’ny fianakaviana maoderina tsy an-kihetsika ny televiziona.” Milaza izany toy izao i John, manan-janaka fito: ‘Na dia ny fanadiovana ny tokotany sy ny fandokoana trano aza dia mahafinaritra rehefa iaraha-manao amin’ny fianakaviana.’
Raha mbola tsy miara-manao zavatra toy izany ny fianakavianao, dia manaova fanoloran-kevitra amin’ny ray aman-dreninao. Miezaha hahita hevitra mahaliana sy mampientana sasany ho an’ny fitsangantsanganana na fanaovan-javatra sasany hiarahan’ny fianakaviana.
Tsy voatery hiaraka amin’ny hafa foana anefa ianao vao ho afaka hampifalifaly ny tenanao. I Mary, tanora iray mitandrina tsara izay ifaneraserany, dia nianatra ny hankafy ireo fotoana naha-irery azy. “Mahay mitendry piano sy violon aho, ary mandany fotoana sasany anaovako fanazaran-tena”, hoy izy. I Melissa, zatovovavy hafa iray, dia milaza zavatra mitovy amin’izany koa: “Indraindray aho dia mandany fotoana anoratako tantara na tononkalo ho an’ny tenako manokana.” Ianao koa dia afaka mampiasa ny fotoananao amin’ny fomba mandaitra amin’ny fanatsarana fahaizana toy ny famakian-teny, ny fandrafetana na ny fitendrena zavamaneno.
Fiaraha-mikorana eo amin’ny samy Kristiana
Indraindray, dia mahafinaritra koa ny miaraka amin’ny namana. Ary any amin’ny faritra sasany dia misy zavatra madio maro azonao ankafizina. Any amin’ny tany maro dia fanao tian’ny olona ny fandehanana milomano, ny filalaovana ping-pong, ny fitaingenana bisikilety, ny lalao baolina isan-karazany. Azonao itarina ny lisitry ny zavatra azonao ankafizina amin’ny fanandramana hitsidika tranom-bakoka na toerana misy biby azo jerena. Ary tena mety tokoa ny fiarahana amin’ny tanora kristiana hafa amin’ny toerana iray mba hihainoana kapila fotsiny na hijerena fandaharana madio iray ao amin’ny televiziona.
Mety ho tianao mihitsy aza angamba ny hangataka ny ray aman-dreninao mba hanampy anao handamina fanasana iray. Ataovy ho mahaliana izany amin’ny fandaminana fanaovan-javatra maro samihafa, toy ny fiaraha-milalao na fiaraha-mihira. Raha misy manan-talenta amin’ny fitendrena zavamaneno ny namanao, dia azo ampirisihina kely angamba izy ireny mba hitendry mozika sasantsasany. Hanome lafiny tsara fanampiny ny sakafo tsara, kanefa tsy voatery ho voakaly aoka izany na ho lafo vidy be izany. Indraindray dia afaka samy mitondra zavatra hohanina na hosotroina ireo nasaina.
Misy saha na tany malalaka ve eo akaiky eo ka ahafahana manao baolina na milomano? Nahoana raha mandamina pique-nique? Eto koa, dia afaka samy mitondra ny sakafony ireo fianakaviana samihafa mba tsy ho enta-mavesatra ara-bola na ho an’iza na ho an’iza izany.
Ny fahalalana onony no tena zava-dehibe. Tsy voatery hankarenin-tsofina ny hamafin’ny mozika vao ho azo ankafizina, na voatery ho tsy mendrika na mihantsy ny dihy vao hahafinaritra. Mitovy amin’izany koa fa azo atao ny mankafy lalao eny an-kalamanjana tsy misy fifaninanana tsy an-kiantra. Kanefa, hoy ny ray iray: “Mifamaly indraindray ny tanora sasany, ary mila hiady mihitsy aza.” Hazòny ho zavatra mahafinaritra ny lalao toy izany amin’ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly mba tsy ‘hifaninana’. — Galatiana 5:26, NW.
Iza no tokony hasainao? Hoy ny Baiboly: “Manàna fitiavana ny fitambaran’ny rahalahy manontolo.” (1 Petera 2:17, NW ). Nahoana ianao no hametra ny fiaraha-mikorana toy izany ho amin’ireo mitovy taona aminao ihany? Halalaho ny fifaneraseranao. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 6:13.) Nanamarika toy izao ny ray iray: “Ireo be taona, na dia tsy afaka mandray anjara amin’ny sasany amin’ireo zavatra atao aza matetika, dia faly tonga amin’izany sy mijery ny hafa.” Ny fisian’ny olon-dehibe matetika dia misakana ny fiovan’ny toe-javatra ho tsy azo fehezina. Tsy hety anefa ny hanasana “ny fitambaran’ny rahalahy manontolo” ho amin’ny fiaraha-mikorana iray. Ankoatra izany, dia mora kokoa ny manara-maso olona vitsivitsy kokoa.
Ireo fiaraha-mikorana eo amin’ny samy Kristiana koa dia manolotra fahafahana hifampandroso eo amin’ny ara-panahy. Marina fa ny tanora sasany dia mihevitra fa ny fampidirana lafin-javatra ara-panahy ao amin’ny fiaraha-mikorana iray dia mahatonga azy io tsy hahafinaritra intsony. “Rehefa misy fiaraha-mikorana ao aminay”, hoy ny fitarainan’ny ankizilahy kristiana iray, “dia izao no mitranga: ‘Samia mipetraka daholo, raiso ny Baibolinareo, ary andao hanao kilalao ara-baiboly.’ ” Kanefa, hoy ilay mpanao salamo: “Sambatra ny olona izay (...) ny lalàn’i Jehovah no sitrany”. (Salamo 1:1, 2). Afaka ny hahafinaritra aoka izany àry ny resaka — na ny kilalao koa aza — izay mifototra amin’ny Baiboly. Angamba ianao mila ny handalina fotsiny ny fahalalanao ny Soratra Masina mba hahafahanao handray anjara feno kokoa.
Ny hevitra hafa iray dia ny fangatahana ny sasany amin’ireo nasaina, hitantara ny fomba nahatongavany ho Kristiana. Na azo angatahina koa ny hafa hitantara zavatra mampihomehy mba hisy fifaliana sy fihomehezana ilay fotoana. Matetika dia manome fianarana sarobidy ny tantara toy izany. Ny toko sasany amin’ity boky ity aza dia mety ho fototry ny resaka mahaliana any amin’ny fiaraha-mikorana iray.
Manehoa fahaiza-mandanjalanja!
Tsy nanda ny tsy hampifalifaly tena indraindray mihitsy i Jesosy Kristy. Mitantara ny Baiboly fa nanatrika fanasana tamin’ny fampakaram-bady iray tany Kana izy. Tsy isalasalana fa nahitany sakafo, mozika, dihy, ary fifaneraserana nampandroso tondraka tany. Nanampy ho amin’ny fahombiazan’ilay fanasana mihitsy aza i Jesosy tamin’ny fanomezana divay tamin’ny alalan’ny fahagagana iray! — Jaona 2:3-11.
Tsy lanonana tsy an-kijanona anefa ny fiainan’i Jesosy. Nandany ny ankamaroan’ny fotoanany nikatsahana tombontsoa ara-panahy izy, tamin’ny fampianarana ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny olona. Hoy izy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34). Ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra dia nitondra ho an’i Jesosy fahafinaretana maharitra lavitra noho izay fanarian-dia nihelina. Amin’izao andro izao, dia mbola misy ‘zavatra be dia be hatao ao amin’ny asan’ny Tompo’. (1 Korintiana 15:58, NW; Matio 24:14). Kanefa, rehefa mihevitra ianao indraindray fa mila fialam-boly, dia ankafizo izany, amin’ny fomba madio sy maneho fahaiza-mandanjalanja. Nilaza izany toy izao ny mpanoratra iray: “Tsy afaka ny ho feno asa sy zavatra manaitaitra lalandava ny fiainana — ary na dia marina aza izany, dia azo inoana fa handreraka anao ny fiainana toy izany!”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy tena anarany io.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Nahoana ny tanora kristiana sasany no mitsiriritra ny tanora eo amin’izao tontolo izao? Efa mba nahatsapa izany fihetseham-po izany ve ianao?
◻ Fampitandremana inona no omen’Andriamanitra ny tanora momba ny fitondran-tenany, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny fifidiananao ny fanarian-dianao?
◻ Nahoana no hadalana ny hitsiriritana ireo tanora izay mandika ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’Andriamanitra?
◻ Inona avy no fomba sasantsasany azo ankafizana fanarian-dia madio 1) miaraka amin’ny fianakaviana, 2) rehefa irery ianao, ary 3) miaraka amin’ny Kristiana hafa?
◻ Inona no ohatra navelan’i Jesosy Kristy raha ny amin’ny fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny fialam-boly?
[Teny notsongaina, pejy 297]
“Voasinton’ilay mozika mafy sy ireo jiro nipendrampendrana aho, ka natehiko teo amin’ny varavarankelin’ilay trano ny oroko rehefa nandalo teo, ary nieritreritra tamim-pitsiriritana ny amin’ny fahafinaretana tsy maintsy ho nananan-dry zareo”
[Teny notsongaina, pejy 302]
“Nisy nitondra maoly. Ary dia nanomboka ny fisotroana toaka. Tamin’izay no nanomboka tsy nety intsony ny zava-drehetra”
[Sary, pejy 299]
Tena maty antoka tokoa ve ireo tanora manaraka ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly?
[Sary, pejy 300]
Ny fanaovana zavatra iray ankafizina manokana dia fomba madio iray andaniana ny fotoam-pialam-bolin’ny tena
[Sary, pejy 301]
Mahafinaritra kokoa ireo fiaraha-mikorana kristiana rehefa misy zavatra maro samihafa nalamina hatao ary rehefa misy olona samy hafa taona eo