Fanampiny
Zava-tsarotra Ara-pandidiana sy Ara-pitsipi-pitondrantena Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah
Navoaka noho ny fanomezan-dalana avy amin’ny Fikambanana ara-pitsaboana amerikana nalaina avy tao amin’ny The Journal of the American Association (JAMA), 27 Novambra 1981, boky faha-246, No. 21, pejy faha-2471, 1472. “Copyright” 1981, American Medical Association.
Misetra zava-tsarotra manokana ny mpitsabo amin’ny fitsaboana Vavolombelon’i Jehovah. Ireo anisan’io finoana io dia manana finoana mafy ara-pivavahana manohitra ny fandraisana ra manontolo, harihitra liomena, liofotsy na taharon-dra kitika mampivongana azy (plaquettes) avy amin’ny olon-kafa na ny an’ny tena ihany (auto-transfusion). Kanefa maro aminy no manaiky ny fampiasana fitaovana fo sy havokavoka namboarin’olombelona, na “dialyseur”, na fitaovana mitovitovy amin’izany (tsy ampandehanina amin’ny ra), raha toa ka tsy miato ny fikorianan’ny ra any ivelan’ny vatana. Tsy tokony hanana ahiahy ny mpiasa mikarakara ny fitsaboana raha ny amin’ny andraikiny, satria ny Vavolombelona dia maka fepetra ara-dalàna ampy mba hanalana andraikitra azy ireo raha ny amin’ny fandavany amim-pahalalana tsara ny ra. Ekeny kosa ny ranoka mahasolo ra. Amin’ny fampiasana izany sy ireo teknika hafa voatandrina fatratra, ny mpitsabo dia afaka manao ny karazana fandidiana lehibe rehetra amin’ny Vavolombelona olon-dehibe na ankizy tsy ampy taona. Izany dia nampandroso fari-pitsaboana ho an’ireny marary ireny, izay mifanaraka amin’ny fitsipiky ny fitsaboana ny “olona manontolo”. (JAMA 1981; 246:2471-2472)
NY MPITSABO dia misetra zava-tsarotra mitombo izay raharaha iadian-kevitra ara-pitsaboana lehibe iray. Misy Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny dimy hetsy, izay tsy manaiky fampidiran-dra any Etazonia. Ny isan’ny Vavolombelona sy ireo namany dia tsy mitsaha-mitombo. Na dia mpitsabo sy mpitantan-draharaha ao amin’ny hôpitaly maro aza taloha no nihevitra ny fandavana fampidiran-dra ho toy ny zava-manahirana tokony hiandraiketan’ny lalàna, ka nangata-dalana tamin’ny tribonaly mba hahafahany manao izay ninoany fa tokony hatao eo amin’ny lafin’ny fitsaboana, ireo boky ara-pitsaboana vao haingana dia manambara fa misy fiovana lehibe eo amin’ny toe-tsaina mitranga ankehitriny. Mety ho vokatry ny fanandraman-javatra bebe kokoa azo tamin’ny fandidiana an’ireo marary nanana fatrana hemôglôbinina tena ambany izany, ary angamba manome taratra koa ny fahalalana mitombo ananana momba ny fitsipika ara-dalàna ny amin’ny fanekena atao amim-pahalalana tsara.
Ankehitriny, dia fandidiana maro be azo isafidianana na vokatry ny ratra, mahakasika Vavolombelona olon-dehibe na ankizy tsy ampy taona, no tanterahina tsy misy fampidiran-dra. Vao haingana, dia nisy solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah nihaona tamin’ny mpiasa mpitantan-draharaha sy mpandidy tany amin’ireo foibem-pitsaboana lehibe sasany [tany Etazonia]. Nanatsara ny fifankahazoana sy nanampy tamin’ny fandaminana ireo raharaha momba ny fitsitsiana ra sy ny famindrana taova ireny fihaonana ireny, ary nisoroka ny fifanoherana teo amin’ny lafin’ny fitsaboana sy fitsarana.
NY TOERAN’NY VAVOLOMBELONA EO ANATREHAN’NY FITSABOANA
Manaiky hotsaboina sy hodidiana ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha ny marina, dia maro be amin’izy ireo no mpitsabo ary mpandidy mihitsy aza. Olona tena tia fivavahana anefa ny Vavolombelona, izay mino fa voarara ho azy ny fampidiran-dra, noho ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly tahaka ireto: “Kanefa ny nofo izay mbola misy aina (dia ny rany) no aza haninareo” (Genesisy 9:3, 4); “[Tsy maintsy] haidiny amin’ny tany ny rany ka hototofany” (Levitikosy 17:13, 14); ary ‘Hifady (. . .) ny fijangajangana sy ny zavatra kendaina ary ny ra izy’. (Asa. 15:19-21).1
Na dia tsy voalaza amin’ny fitenenana ara-pitsaboana aza ireo andinin-teny ireo, dia mihevitra izany ho fisakanana ny fandraisana ra manontolo, harihitra liomena sy ranon-dra (plasma), ary koa liofotsy sy “plaquettes” ny Vavolombelona. Kanefa, ny fahalalany ara-pivavahana dia tsy mandrara tanteraka ny Vavolombelona tsy hampiasa taharon-dra toy ny “albumine” (proteida ao amin’ny tsatson-dra na sérum), ny “immunoglobuline” (tenan-javatra kitika ao amin’ny ra), ary ny fanafody amboarina ho an’ny “hémophiles”; ny Vavolombelona tsirairay no tokony hanapa-kevitra manokana raha afaka handray ireny izy.2
Mino ny Vavolombelona fa tokony hariana ny ra nesorina tamin’ny vatana, noho izany dia tsy manaiky fampidirana ran’ny tena ihany izay notahirizina izy. Ny teknika fanangonana ra mandritra ny fandidiana na ny fanampohana ny ra izay mahatafiditra fitahirizana ra, dia tsy azony ekena. Vavolombelona maro kosa anefa no manaiky ny fampiasana “dialyseur” sy ny fitaovana fo sy havokavoka namboarin’olombelona (tsy ampandehanina amin’ny ra) ary koa ny fitsitsiana ra mandritra ny fandidiana, rehefa tsy miato ny fikorianan’ny ra ivelan’ny vatana; tokony hiara-midinika amin’ny marary tsirairay ny mpitsabo momba izay andidian’ny fieritreretany azy hatao.2
Tsy mihevitra ny Vavolombelona fa mivaofy mivantana ny amin’ny famindrana taova ny Baiboly; noho izany, dia ny Vavolombelona tsirairay no tokony hanapa-kevitra momba ny famindrana sarontapotsimaso (cornée), voa, na tambatsela hafa.
AZO ATAO NY FANDIDIANA LEHIBE
Na dia mandà matetika ny hitsabo ny Vavolombelona aza ireo dokotera mpandidy noho ny toerana tanany eo anoloan’ny fampiasana zavatra avy amin’ny ra, izay toa “mamatotra ny tanan’ny dokotera”, dia mpitsabo maro izao no mihevitra ny tarehin-javatra ho toy ny zava-tsarotra iray fanampiny mihaika ny fahaizany fotsiny. Koa satria ny Vavolombelona tsy mandà ny ranoka krystaloida na kôlôïda mahasolo ra, na ny “électrocautère”, ny fanoranana amin’ny fampidinana ny tosi-dra,3 na ny fampidinana ny hafanana, dia nampiasaina tamim-pahombiazana ireny fomba fitsaboana ireny. Ny fampiasana ny hetastarch ankehitriny sy amin’ny hoavy,4 ny tsindrona dextran misy vy avo harihitra ampidirina amin’ny mpamerindra,5,6 ary ny “scalpels à ultra-sons”7 dia mahavelom-panantenana ary tsy misy manohitra azy ara-pivavahana. Raha voaporofo fa azo antoka sy mandaitra koa ny zavatra mahasolo ny ra misy “fluorocarbones” nampiasaina vao haingana (Fluosol-DA),8 ny fampiasana azy io dia tsy hifanohitra amin’ny finoan’ny Vavolombelona.
Tamin’ny 1977, ny dokotera Ott sy Cooley9 dia nanao tatitra momba ny fandidiana fo sy lalan-dra 542 natao tamina Vavolombelona tsy nisy fampidiran-dra, ka nanatsoaka hevitra izy ireo fa notanterahina “nisy loza kely dia kely izay mbola azo nekena” izany fomba fitsaboana izany. Noho ny fangatahanay, ny dokotera Cooley dia nanao fandinihana statistika indray vao haingana momba ny fandidiana 1 026, ny 22% tamin’izany natao tamin’ankizy tsy ampy taona ka tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra izy fa “ny mety hisian’ny loza amin’ny fandidiana tamin’ny antokona marary Vavolombelon’i Jehovah dia tsy tena ambony loatra noho ny tamin’ny marary hafa”. Tahaka izany koa, ny dokotera Michael E. DeBakey, MD, dia nanambara “fa tamin’ny ankamaroan’ny tarehin-javatra [nahakasika Vavolombelon’i Jehovah] ny mety hisian’ny loza noho ny tsy fampiasana fampidiran-dra dia tsy lehibe kokoa noho ny tamin’ny marary izay nanaovana fampidiran-dra” (fanambarana manokana tamin’ny Martsa 1981). Nanoratra ny amin’ny fandidiana lehibe nahomby natao tamin’ny tatavia sy ny mifandray amin’ny fanitsiana ny kilema amin’ny vatana koa ny boky.11 Ny dokotera G. Dean Mac Ewen, MD, sy J. Richard Bowen, MD, dia nanoratra fa ny fandidiana natao hampihetsika ny tonon-taolan’ny hazon-damosina (arthrodèse rachidienne postérieure) dia “vita tamim-pahombiazana tamin’ny ankizy tsy ampy taona 20 [Vavolombelona]” (filazana tsy navoaka, Aogositra 1981). Mbola nanampiny koa fa: “Ny mpandidy dia tokony hanaiky ny fiheverana momba ny fanajana ny zon’ny marary handa fampidiran-dra, kanefa hanatanteraka ihany ny fandidiana amin’ny fomba izay tsy hisian’ny loza mananontanona an’ilay marary”.
Ny dokotera Herbsman12 dia niresaka ny amin’ny fandidiana nahomby, nahafaoka tanora sasany, “very ra be vokatry ny ratra”. Niaiky izy fa “Ny Vavolombelona dia mahita fahavoazana ihany rehefa tonga ny fotoana ilàna ra. Kanefa, miharihary tanteraka koa fa manana zavatra mahasolo ny ra isika”. Raha nanamarika izy fa mpandidy maro no voasakana tsy handray marary Vavolombelona noho ny “tahotra ny ho vokany ara-pitsarana”, dia nasehony fa tsy voamarina izany fanahiany izany.
IREO FANAHIANA ARA-PITSARANA SY MOMBA NY ANKIZY TSY AMPY TAONA
Ny Vavolombelona dia manao sonia an-tsitrapo ny taratasy fenoina natolotry ny Fikambanana amerikana ara-pitsaboana, manala ny andraikitry ny mpitsabo sy ny hôpitaly,13 ary ny ankamaroan’ny Vavolombelona dia mitondra karatra iray firaketana ara-pitsaboana voaisy daty sy voamarin’ny vavolombelona, izay nomanina tamin’ny fakana ny hevitr’ireo manam-pahefana ara-pitsaboana sy ara-pitsarana. Mamatotra ny marary (na ny toerany) ireny firaketana an-tsoratra ireny ary manolotra fiarovana ho an’ny mpitsabo, satria nohamafisin’ny mpitsara atao hoe Warren Burger fa “tsy azo tohanana ho marina” ny fanarahan’ny fitsarana noho ny fanaovana fahadisoana teo amin’ny asa, raha nisy fanalana andraikitra karazan’izany voaisy sonia. Raha nanampy fanazavana ny amin’io, ao amin’ny fanadihadiana iray momba ny “fikarakarana ara-pitsaboana tsy maintsy atao sy ny fahalalahana ara-pivavahana” i Paris14, dia nanoratra toy izao: “Ny mpivaofy teny iray, izay nandinika akaiky ny boky voalaza dia nanambara fa ‘tsy afaka nahita mihitsy aho, fahefana manambara fa ny mpitsabo dia tokony hiharan’ny (. . .) fanamelohana (. . .) noho ny andraikiny, tamin’ny tsy nahafahany nampiditra ra an-keriny tamin’ny marary tsy nanaiky izany’. Toa vokatry ny hevitra noforonin’ny sain’ny mpivaofy lalàna fotsiny ny mety hisian’izany, fa tsy zavatra mety hiseho marina”.
Ny fikarakarana ny ankizy tsy ampy taona no mahatonga fanahiana lehibe indrindra, matetika miteraka fitoriana ny ray aman-dreny amin’ny fitsarana noho ny fiampangana ho nanao tsirambina ny zanany. Nefa ny fanaovan-javatra toy izany dia lavin’ny mpisolovava sy mpitsara maro mahafantatra tsara ny amin’ny Vavolombelona, satria mino izy ireo fa mitady fikarakarana ara-pitsaboana tsara ho an’ny zanany ny ray aman-dreny Vavolombelona. Tsy maniry hiala amin’ny andraikiny amin’ny maha-ray aman-dreny izy, na hamindra izany amin’ny mpitsara na amin’olon-kafa iray, fa angatahiny kosa mba hoheverina ny finoana ara-pivavahan’ny fianakaviany. Ny Dr. A. D. Kelly, sekreteran’ny Fikambanana ara-pitsaboana kanadiana teo aloha, dia nanoratra15 fa “ny ray aman-drenin’ny ankizy tsy ampy taona ary ny havana akaiky indrindra ny marary tsy mahatsiaro tena dia manana zo hanazava ny sitrapon’ilay marary. (. . .) Tsy deraiko ny fomba fanaovana sarisarim-pitsarana iray, izay mivory amin’ny roa ora maraina mba hanaisotra ny zaza iray amin’ny fitaizan’ny ray aman-dreniny”.
Miharihary ny hoe manan-kambara amin’ny fikarakarana ny zanany ny ray aman-dreny, toy ny amin’ny mety ho loza sy soa rehefa miatrika fandidiana, fitarafana (radiothérapie) na fitsaboana amin’ny foto-javatra simika (chimiothérapie). Noho ny antony ara-pitondrantena, izay mihoatra noho ny raharaha ny amin’ny mety ho loza entin’ny fampidiran-dra, dia angatahin’ny ray aman-dreny Vavolombelona ny hampiasana fitsaboana izay tsy voarara amin’ny finoany ara-pivavahana. Mifanaraka amin’ny fitsipika ara-pitsaboana momba ny fitsaboana “ilay olona manontolo” izany, ka mitsinjo ny mety ho fahavoazana maharitra eo amin’ny saina noho ny fomba fitsaboana iray atao an-keriny izay mandika ny finoana ara-pivavahana fototry ny fianakaviana iray. Ny foibem-pitsaboana lehibe manerana ilay tany [any Etazonia] nahita fanandraman-javatra tamin’ny Vavolombelona dia manaiky ny handray marary nafindra avy amin’ny toeram-pitsaboana tsy vonona hitsabo ny Vavolombelona izao, na dia izay mahakasika ny zaza aza.
FIHAIKANA HO AN’NY MPITSABO
Araka ny mora takatra, ny fitsaboana Vavolombelon’i Jehovah dia toa mety hametraka ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra ny mpitsabo nanokan-tena mba hiaro ny aina sy ny fahasalamana, amin’ny fampiasana ny teknika rehetra eo am-pelatanany. Raha nanoratra ny hevitry ny mpampanonta tao amin’ny sasin-tenin’ny fitohitohizan-dahatsoratra momba ny fandidiana lehibe natao tamina Vavolombelona ny dokotera Harvey17, dia niaiky toy izao: “Tena hitako ho manorisory ireny finoana izay mety hisalovana amin’ny asako ireny”. Kanefa, nanampy toy izao izy: “Angamba mora hadinontsika koa fa ny fandidiana dia fahaizana miankina amin’ny teknika manokan’ny olona tsirairay. Ary azo hatsaraina ny teknika”.
Ny profesora Bolooki18 dia nanao fanamarihana momba ny filazana mampanahy fa, ny iray amin’ireo hôpitaly be raharaha indrindra mpitsabo ratra noho ny loza, any amin’ny fizaran-tanin’i Dade, any Florida, dia “manana tetik’asa ampihariny amin’ny tarehin-javatra rehetra, dia ny fandavana ny hitsabo” ny Vavolombelona. Nosoritany fa “tamin’io antokona marary io, ny ankamaroan’ny fitsaboana natao tamin’ny alalan’ny fandidiana dia narahin’ny loza kelikely kokoa noho ny mahazatra”. Hoy ny nanampiny: “Na dia mety hihevitra aza ny mpandidy fa nesorina taminy ny fitaovam-pitsaboana iray araka ny toetr’andro (. . .) dia inoako fa amin’ny fandidiana ireny marary ireny dia hianatra zavatra be dia be izy ireo”.
Tsy mihevitra ny marary Vavolombelona ho zava-manahirana ny mpitsabo mihamaro hatrany, fa mandray ny tarehin-javatra ho toy ny zava-tsarotra ara-pitsaboana tsy maintsy resena kosa. Amin’ny fanekena ny fihaikana, dia nampandroso fari-panaovam-pandidiana ho an’io antokona marary io izy ireo, izay ekena any amin’ny foibem-pitsaboana maro be [manerana an’i Etazonia]. Ary miaraka amin’izany, dia manome fitsaboana izay tsara indrindra ho an’ny tenan’ilay marary manontolo ireny mpitsabo ireny. Araka ny nomarihin’ny dokotera Gardner sy ny hafal19: “Iza no tokony hahita soa raha nositranina ny aretina ara-batan’ilay marary, nefa simba ny fiainany ara-panahy eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny fahitany azy, ka hitarika azy ho amin’ny fiainana tsy misy heviny ary angamba aza ratsy lavitra noho ny fahafatesana”.
Miaiky ny Vavolombelona fa, amin’ny fomba fijery ara-pitsaboana, ny finoana mafy orina tanany dia toa manampy amin’ny loza mety hitranga ary angamba manasarotra ny fikarakarana azy. Noho izany, amin’ny ankapobeny dia mampiseho fankasitrahana tsy mahazatra noho ny fitsaboana noraisiny izy ireo. Ambonin’ny fananany finoana lalina izay tena lehibe sy faniriana mafy ny ho velona, dia faly izy ireo miara-miasa amim’ny mpitsabo sy ny mpiasa amin’ny fitsaboana. Noho izany, dia tafaray ny marary sy ny mpitsabo mba hiatrika an’io zava-tsarotra tsy manam-paharoa io.
[BOKY NANOVOZANA]
1. Les Témoins de Jéhovah et la question du sang. Brooklyn, NY, Watchtower Bible and Tract Society, navoaka tamin’ny fiteny frantsay tamin’ny 1978, pp. 1-64.
2. La Tour de Garde, tamin’ny 15 septambra 1978, pp.29-31.
3. Hypotensive anesthesia facilitates hip surgery, MEDICAL NEWS. JAMA 1978;239:181.
4. Hetastarch (Hespan)—a new plasma expander. Med Lett Drugs Ther 1981;23:16.
5. Hamstra RD, Block MH, Schocket AL:Intravenous iron dextran in clinical medicine. JAMA 1980;243:1726-1731.
6. Lapin R: Major surgery in Jehovah’s Witnesses. Contemp Orthop 1980;2:647-654.
7. Fuerst ML: ‘Sonic scalpel’ spares vessels. Med Trib 1981;22:1,30.
8. Gonzáles ER: The saga of ‘artificial blood’: Fluosol a special boon to Jehovah’s Witnesses. JAMA 1980;243:719-724.
9. Ott DA, Cooley DA: Cardiovascular surgery in Jehovah’s Witnesses. JAMA 1977;238:1256-1258.
10. Roen PR, Velcek F: Extensive urologic surgery without blood transfusion. NY State J Med 1972;72:2524-2527.
11. Nelson CL, Martin K, Lawson N, et al: Total hip replacement without transfusion. Contemp Orthop 1980;2:655-658.
12. Herbsman H: Treating the Jehovah’s Witness. Emerg Med 1980;12:73-76.
13. Medicolegal Forms With Legal Analysis. Chicago, American Medical Association, 1976, p. 83.
14. Paris JJ: Compulsory medical treatment and religious freedom: Whose law shall prevail? Univ San Francisco Law Rev 1975;10:1-35.
15. Kelly AD: Aequanimitas Can Med Assoc J 1967;96:432.
16. Kolins J: Fatalities from blood transfusion. JAMA 1981;245:1120.
17. Harvey JP: A question of craftsmanship. Contemp Orthop 1980;2:629.
18. Bolooki H: Treatment of Jehovah’s Witnesses: Example of good care. Miami Med 1981;51:25-26.
19. Gardner B, Bivona J, Alfonso A, et al: Major surgery in Jehovah’s Witnesses. NY State J Med 1976;76:765-766.