Ny ra: Fanapahan-kevitr’iza ary fieritreretan’iza no tokony hohajaina?
Nadika noho ny fahazoan-dalana nomen’ny New York State Journal of Medicine, 1988; 88:463, 464, copyright Medical Society de l’Etat de New York.
Nanaiky hanokana ny fahalalany sy ny talentany ary ny fanandraman-javatra hitany ho amin’ny ady amin’ny aretina sy ny fahafatesana ireo mpitsabo. Nefa inona no tokony hataony manoloana ny marary iray mandà ny fitsaboana asaina atao? Izany no azo ampoizina fa hitranga rehefa Vavolombelon’i Jehovah ilay marary, ka ra manontolo ilay fitsaboana, na fitambarana liomena marihitra, na plasma, na ra mandry fisaka kely.
Raha ny amin’ny fampiasana fanafody misy ra, dia mety hieritreritra ny mpitsabo iray fa rehefa mifidy fitsaboana tsy misy ra ny marary iray, dia mametra ny fahefa-miasan’ireo mpitsabo nanokan-tena ho an’ny fitsaboana. Tsy tokony hohadinoina anefa fa matetika koa ny marary tsy Vavolombelon’i Jehovah no manapa-kevitra ny tsy hanaraka ny baikon’ny mpitsabo azy. Araka ny voalazan’i Appelbaum sy Roth1, dia 19 % amin’ireo marary any amin’ireo hôpitaly fianarana no nanda fitsaboana na fandidiana iray fara fahakeliny, na dia “nety hamoizany ny ainy” aza izany fandavana izany tamin’ny 15 % taminy.
Ekena, amin’ny ankapobeny, fa “ny mpitsabo no tsara toerana indrindra”, ary izany no mahatonga ny ankamaroan’ny marary hanankina ny raharaha amin’ny fahaiza-manao zavatra sy ny fahalalan’ny mpitsabo azy. Nefa ny mpitsabo izay handray izany hevitra izany ho toy ny raharaha ara-tsiansa ka hitsabo ny marariny mifanaraka amin’izany, dia hitompo teny fantatra amin’ny fanaporofoan-kevitra mampidi-doza sy mamitaka. Marina fa manome antsika tombom-pahefana lehibe eo amin’ny faritry ny fitsaboana ny fiofanana azontsika sy ny fahazoan-dalana hiasa noraisintsika, ary ny fanandraman-javatra hitantsika. Manana zo kosa ny marary tsabointsika. Araka ny azo inoana fa ahafantarantsika azy anefa, dia ny zo no omen’ny lalàna (anisan’izany ny Lalàm-panorenana) ny laharam-pahamehana.
Any amin’ny ankamaroan’ireo hôpitaly amerikana dia hita mipetaka eny amin’ny rindrina ny “Zon’ny marary”. Ny iray amin’ireny zo ireny dia mifandray amin’ny fanekena amim-pahalalana tsara, izay ho marina kokoa ny hiantsoana azy hoe safidy amim-pahalalana tsara. Rehefa avy nampahafantarina an’ilay marary izay mety ho vokatr’ireo fitsaboana samy hafa (na ny fandavana izany fitsaboana izany), dia izy no manao ny fanapahan-kevitra farany. Ao amin’ny hôpitaly Albert Einstein, any Bronx (New York), dia izao no ambaran’ny filazana iray momba ny fitsipi-pitondrantena tokony harahina mahakasika ny fampidiran-dra sy ny Vavolombelon’i Jehovah: “Izay marary rehetra ampy taona sy tsy very saina dia manana zo handa izay rehetra mety ho fitsaboana, na inona na inona vokany manimba ny fahasalamany mety hateraky ny fandavany2.”
Na dia misy mpitsabo mety hilaza ny fanahiany mikasika ny fitsipika mifehy azy sy ny maha-tafiditra ny andraikiny aza, ny tribonaly kosa dia nanoritra ny fahambonian’ny sitrapon’ny marary3. Nanambara ny fitsarana ambony any New York fa “ny zon’ny marary hamaritra ny fizotran’ny fitsaboana azy [no] tena lehibe (...). Tsy azo heverina ho meloka ho tsy nanao ny andraikiny araka ny lalàna na ny asa ny mpitsabo [iray] rehefa manaja ny zo ananan’ny marary ampy taona rehetra sy afaka mandà fitsaboana iray4”. Nasain’io fitsarana io nomarihina koa fa “na dia zava-dehibe aza ny tsy fivadihana amin’ny fitsipika mifehy ny asa fitsaboana, izany dia tsy afaka mihoatra ny zo fototra ananan’ny olona arovana eto. Ny ilaina sy ny fanirian’ilay olona, fa tsy izay takin’ny lalàna, no tena lehibe5”.
Rehefa mandà tsy handray ra ny Vavolombelona iray dia mety hanana fiahiahian’ny fieritreretana ireo mpitsabo sao tsy afaka hanao izay heveriny fa tsara indrindra. Ny angatahin’ilay Vavolombelona amin’ireo mpitsabo malina anefa dia ny hanomezany azy fitsaboana solony tsara indrindra amin’io toe-javatra io. Moa ve isika matetika tsy voatery tokoa hanova ny fomba fitsaboana ampiasaintsika mba hampifanarahana izany amin’ny fisehoan-javatra manokana toy ny fiakaran’ny tosi-dra na ny tsy fahazakana antibiôtika tena lehibe na ny tsy fahafahana manana fitaovana lafo vidy? Raha ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia angatahina ireo mpitsabo handamina ny zava-manahirana ara-pitsaboana na ara-pandidiana mba hifanaraka amin’ny safidy sy ny fieritreretan’ilay marary, ary ny fanapahan-keviny ara-pitondrantena sy ara-pivavahana hifady ra.
Tatitra maro be momba ny fandidiana sarotra natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah no mampiseho fa mpitsabo maro no afaka mizatra, amim-pieritreretana tsara sy amim-pahombiazana, amin’ny fangatahan’ny marary iray tsy handray ra. Tamin’ny 1981, ohatra, i Cooley dia nanao fanadihadiana ny amin’ny fandidiana momba ny fo sy ny lalandra 1026, izay ny 22 % taminy no natao tamina zaza tsy ampy taona. Nanatsoaka hevitra izy “fa tsy dia betsaka kokoa noho ny an’ireo hafa nodidiana ny loza nety nihatra tamin’ireo marary Vavolombelon’i Jehovah6”. Kambouris7 dia namelabelatra tatitra iray momba ny fandidiana sarotra natao tamina Vavolombelona, izay ny sasany dia “tsy nanaovana ny fandidiana nilainy maika satria nandà tsy handray ra izy ireo”. Nanambara toy izao izy: “Alohan’ny fandidiana dia nahazo antoka ny marary rehetra fa na inona na inona mitranga ao amin’ny efitrano fandidiana dia hohajaina ny zavatra inoany ara-pivavahana. Tsy nisy vokany manimba mihitsy izany fomba fanaovan-javatra izany.”
Rehefa Vavolombelon’i Jehovah ilay marary, ankoatra ny fisafidianana ny fitsaboana, dia tafiditra koa ny fieritreretana. Tsy ny fieritreretan’ilay mpitsabo ihany no tokony hoheverina amin’izany. Ahoana ny amin’ny fieritreretan’ilay marary? Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mihevitra fa ny aina dia fanomezan’Andriamanitra ary ny ra no marik’izany. Inoany ny didin’ny Baiboly izay milaza fa natao ‘hifady (...) ra’ ny kristiana. (Asa 15:28, 29.)8 Amin’izany, raha toa ny mpitsabo iray manao toy ny ray iray manjakazaka ka manao tsinontsinona an’ireo finoana ara-pivavahana lalina sady efa notanan’ilay marary hatry ny ela, dia mety hampahonena ny vokany. Nomarihin’ny papa Jean Paul II fa ny fanerena olona iray handika ny fieritreretany “no famelezana mampidi-doza indrindra mety hatao amin’ny zon’olombelona. Mbola ratsy noho ny famonoana ara-batana izany amin’ny heviny anankiray9”.
Raha noho ny antony ara-pivavahana no andavan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy handray ra, dia mihamaro kokoa ny marary tsy Vavolombelona mifidy ny tsy handray ra mba tsy hiharan’ny loza toy ny SIDA na ny aretin’aty tsy A- tsy B na ny fahavoazan’ny fiarovana misy ao amin’ny tena. Azontsika atao ny mampiseho aminy fa heverintsika ho toa faran’izay kely ny loza setraina raha oharina amin’ny soa azo. Kanefa, araka ny anoritan’ny Fikambanan’ny mpitsabo amerikana azy, dia anjaran’ny marary “amin’ny farany ny manapa-kevitra raha tiany ny hahazo ny fitsaboana na ny fandidiana asain’ny mpitsabo atao, na ny hisetra ny vokatry ny fandavana izany. Izany no zo voajanaharin’ny isam-batan’olona, ary manaiky izany ny lalàna10”.
Noresahin’i Macklin11 ny raharaha mifandray amin’io, dia ny amin’ny hoe loza sa soa no naterak’izany tamin’ny Vavolombelona iray “izay nisetra lotsi-dra (hémorragie) mandra-pahatapitry ny ainy noho ny tsy fandraisana ra”. Hoy ny mpianatra ho mpitsabo iray: “Tsy niova ny fahafahany misaina. Inona no ataonao rehefa misy zavatra inoana ara-pivavahana manohitra ny fampiasana ny hany fitsaboana azo atao?” Hoy ny fanjohian-kevitr’i Macklin: “Mety hiaiky tanteraka isika fa manao hadalana io lehilahy io. Mino anefa ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny fanekena fampidiran-dra (...) dia [mety] hahazoany fanamelohana mandrakizay. Amin’ny ara-pitsaboana isika dia nampiofanina mba hamakafaka na ny loza na ny soa mety hiseho, nefa raha ampifandanjainao ny fanamelohana mandrakizay sy ny fiainana mandrakizay eto an-tany, dia miova ny votoatin’ilay famakafakana.”
Ao amin’ity laharana iray amin’ny Journal ity, ry Vercillo sy Duprey12 dia maka ny raharaha Osborne mba hampisongadinana ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny olona karakaraina, nefa ahoana no nandaminana io raharaha io? Nahakasika ny lehilahy iray naratra mafy, nanan-janaka roa tsy ampy taona, izy io. Nanapa-kevitra ny tribonaly fa raha maty izy dia hisy mpikambana ao amin’ny fianakaviana hikarakara ireo zanany amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy. Toy ny tamin’ny fisehoan-javatra13 hafa vao haingana àry, ny tribonaly dia tsy nahita antony manohitra ny tombontsoam-panjakana manamarina ny tsy fanajana ny zon’ilay marary hifidy karazam-pitsaboana iray; izay fanelanelanana ara-pitsarana rehetra natao hanome lalana hampiasa fitsaboana laviny tanteraka àry dia fanaovana jadona14. Nomena fitsaboana solony ilay marary, ary dia sitrana ka afaka nanohy nikarakara ny ankohonany.
Moa ve tsy marina fa ny ankamaroan’ireo aretina atrehin’ireo mpitsabo ankehitriny, na azo antoka fa hotsaboiny any aoriana, dia azo tsaboina tsy misy ra? Izay nianarantsika sy fantatsika tsara indrindra dia ny raharaha ara-pitsaboana, nefa ireo marary tsabointsika dia olombelona samy manana zavatra heverina fa sarobidy sy zava-kendrena tsy tokony odian-tsy hita. Izy no mahafantatra tsara indrindra ny tenany manokana, ny mari-pitondrantena sy fieritreretany manokana, zavatra izay manome heviny ny fiainany.
Mety hisedra ny fahaizantsika ny fanajana ny fieritreretana ara-pivavahan’ireo marary Vavolombelon’i Jehovah. Amin’ny fandresena an’io zava-manahirana io anefa no anomezantsika lanjany ireo fahafahana sarobidy izay ankamamintsika rehetra. Marina ilay nosoratan’i John Stuart Mill hoe: “Tsy misy fitambaran’olona na dia iray aza afaka ny ho afaka, na inona na inona fitondram-panjakana ao aminy, raha tsy hajaina avokoa izany fahafahana izany (...) Ny tsirairay no mpiambina ny fahasalaman’ny tenany manokana na ara-batana, na ara-tsaina sy ara-panahy. Mahazo tombony be lavitra ny olombelona raha mamela ny tsirairay hiaina araka izay tian’ny tenany noho ny hoe terena hiaina araka izay heverin’ny hafa rehetra fa tsara ny tsirairay15.”
[Loharanon-kevitra]
1. Appelbaum PS, Roth LH: Les patients hospitalisés qui refusent les soins. JAMA 1983; 250:1296-1301.
2. Macklin R: Les travaux d’un comité d’éthique: Dernière bataille à propos des Témoins de Jéhovah. Hastings Cent Rep 1988; 18(1):15-20.
3. Bouvia contre cour supérieure, 179 Californie App 3d 1127, 225 Californie Rptr 297 (1986); affaire Brown, 478 So 2d 1033 (Missouri 1985).
4. Affaire Storar, 438 NYS 2d 266, 273, 420 NE 2d 64, 71 (New York 1981).
5. Rivers contre Katz, 504 NYS 2d 74, 80 n 6, 495 NE 2d 337, 343 n 6 (New York 1986).
6. Dixon JL, Smalley MG: Témoin de Jéhovah. Le défi chirurgical et éthique. JAMA 1981; 246:2471,2472.
7. Kambouris AA: Opérations abdominales lourdes sur des Témoins de Jéhovah. Am Surg 1987; 53:350-356.
8. Les Témoins de Jéhovah et la question du sang. Brooklyn, NY, Watchtower Bible and Tract Society, 1977, pp.1-64.
9. Le pape dénonce la répression en Pologne. New York Times, 11 janvier 1982, p. A9.
10. Bureau du conseil général: Medicolegal Forms with Legal Analysis. Chicago, Association des médecins américains, 1973, p. 24.
11. Kleiman D: Le philosophe de l’hôpital face aux décisions vitales. New York Times, 23 janvier 1984, pp. B1, B3.
12. Vercillo AP, DuPrey SV: Les Témoins de Jéhovah et la transfusion de produits sanguins. New York State Journal of Medicine 1988; 88:000-000.
13. Wons contre administration de la Santé publique, 500 So 2d 679 (cour d’appel fédérale de Floride) (1987); Randolph contre ville de New York, 117 AD 2d 44, 501 NYS 2d 837 (1986); Taft contre Taft, 383 Massachusetts 331, 446 NE 2d 395 (1983).
14. Affaire Osborne, 294 A 2d 372 (cour d’appel du district de Columbia 1972).
15. Mill JS: Sur la liberté, Adler MJ (éd.): Les grands livres du monde occidental (angl.). Chicago, Encyclopédie britannique, Inc, 1952, vol. 43, p. 273.