FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • gt toko 23
  • Fahagagana hafa koa tany Kapernaomy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fahagagana hafa koa tany Kapernaomy
  • Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahagagana hafa koa tany Kapernaomy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Nanao Fahagagana tao Kapernaomy i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Ny antony nahatongavan’i Jesosy teto an-tany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Nitory Nanerana An’i Galilia i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
gt toko 23

Toko 23

Fahagagana hafa koa tany Kapernaomy

NY SABATA nanaraka ny niantsoan’i Jesosy ireo mpianany efatra voalohany — i Petera, i Andrea, i Jakoba ary i Jaona — dia nankany amin’ny synagoga iray teo an-toerana tao Kapernaomy izy rehetra. Tao i Jesosy dia nanomboka nampianatra, ary vaky vava ny olona satria nampianatra azy tahaka izay nanana fahefana izy fa tsy tahaka ireo mpanora-dalàna.

Tamin’io Sabata io dia nisy olona azon’ny demonia iray koa teo. Rehefa afaka kelikely, dia nihiaka tamin’ny feo avo izy nanao hoe: “Moa mifaninona akory izahay sy ianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay ve ianao? Fantatro tsara hoe iza ianao, dia Ilay Masin’Andriamanitra.”

Raha ny marina, dia anankiray tamin’ireo anjelin’i Satana ilay demonia nifehy io lehilahy io. Niteny mafy an’ilay demonia i Jesosy ka nanao hoe: “Mangìna ianao ka mivoaha aminy!”

Nampifanintontsintona an’ilay lehilahy ilay demonia ary nihiaka tamin’ny feo mafy dia mafy, nefa nivoaka taminy tsy naharatra azy. Gaga tsotra izao ny rehetra! “Inona re izao zavatra izao e?”, hoy ny fanontanian’izy ireo. “Ny fanahy maloto aza no didiany amim-pahefana, ka dia manaiky azy.” Niely teny amin’ny faritra nanodidina rehetra ny vaovao momba izany.

Niala tao amin’ny synagoga i Jesosy sy ny mpianany ka nankany amin’ny tranon’i Simona, na koa hoe Petera. Narary mafy noho ny tazo ny rafozambavin’i Petera tao. ‘Ampio izy re’, hoy ny fitalahoan’izy ireo. Nanatona azy àry i Jesosy, nandray ny tanany ary nanarina azy. Sitrana niaraka tamin’izay izy ary nanomboka nanomana sakafo ho azy ireo!

Tatỳ aoriana, rehefa nilentika ny masoandro, dia nanomboka tonga nitondra ny marariny tao amin’ny tranon’i Petera ny olona avy hatraiza hatraiza. Tsy ela dia tafangona teo anoloan’ny varavarana ny tao an-tanàna rehetra! Ary nahasitrana ny marariny rehetra i Jesosy, na inona na inona aretina nahazo azy ireo. Nanafaka ireo azon’ny demonia koa aza izy. Rehefa tafavoaka ireo demonia dia niantsoantso hoe: “Ianao no Zanak’Andriamanitra.” Niteny azy mafy anefa i Jesosy ary tsy namela azy hiteny, satria fantatr’izy ireo fa izy no Kristy. Marka 1:21-34, MN; Lioka 4:31-41, MN; Matio 8:14-17.

▪ Inona no nitranga tao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata nanaraka ny niantsoan’i Jesosy ireo mpianany efatra?

▪ Taiza no nalehan’i Jesosy rehefa niala tao amin’ny synagoga izy, ary fahagagana inona no nataony tao?

▪ Inona no nitranga taorian’izay tamin’io takariva io ihany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara