Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Fahagagana hafa koa tany Kapernaomy
NOFIDIN’I Jesosy ireo mpianany efatra voalohany — Petera, Andrea, Jakoba sy Jaona — ary ny sabata nanaraka dia lasa izy rehetra nankao amin’ny synagoga iray tao Kapernaomy. Tao, dia nanomboka nampianatra i Jesosy, ary talanjona ny vahoaka satria nanao izany toy ny olona nanam-pahefana izy fa tsy mba sahala amin’ireo mpanora-dalàna.
Tamin’io andro io, dia tao amin’ny synagoga ny olona azon’ny demonia iray; rehefa afaka kelikely dia niantsoantso mafy izy io hoe: “Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra Hianao.”
Ny demonia tao amin’io olona io raha ny marina dia anankiray tamin’ireo anjelin’i Satana. Niteny mafy azy i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Mangina hianao ka mivoaha aminy!”
Tamin’izay ilay demonia dia nampifanintontsintona ny tenan-dralehilahy sady nikiakiaka mafy dia mafy. Nivoaka avy tao aminy tsy nampaninona azy mihitsy anefa izy. Nitolagaga izay rehetra nahita maso ny fisehoan-javatra. “Manao ahoana re izao zavatra izao?” hoy izy ireo nifanontany. “Ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.” Niely nanerana ny tany manontolo nanodidina ny vaovao.
Niala tao amin’ny synagoga i Jesosy sy ny mpianany ka nankao an-tranon’i Simona izay nantsoina hoe Petera koa. Narary mafy anefa ny rafozambavin’i Petera; nanavy mafy izy. Niangavy an’i Jesosy toy izao ireo mpianatra: ‘Ampio izy, raha sitrakao.’ Dia nanatona azy i Jesosy, nandray ny tanany ka nampitsangana azy. Raha vantany vao sitrana ravehivavy dia lasa nanomana sakafo ho azy ireo.
Taty aoriana, taorian’ny nilentehan’ny masoandro, dia nanomboka ho tonga avy hatraiza hatraiza ho ao an-tranon’i Petera niaraka tamin’ny marariny ny olona. Tsy ela ny tanàna manontolo dia tafangona teo anoloan’ny varavarana. Nositranin’i Jesosy daholo ny marary rehetra, na inona na inona karazan’aretina nahazo azy. Namoaka demonia avy amin’ny olona azony koa aza izy. Rehefa nivoaka ireo demonia, dia niantsoantso hoe: “Hianao no Zanak’Andriamanitra.” Niteny mafy azy anefa i Jesosy ary tsy namela azy ireo hiteny, satria fantatr’ireo fa izy no Kristy. Marka 1:21-34; Lioka 4:31-41; Matio 8:14-17.
◆ Inona no nitranga tao amin’ny synagoga tamin’ny andro sabata nanaraka ny fotoana nifidianan’i Jesosy ireo mpianany efatra?
◆ Taiza no nalehan’i Jesosy rehefa niala tao amin’ny synagoga izy, ary fahagagana inona no nataony tao?
◆ Inona no nitranga taty aoriana tao anatin’io takariva io ihany?
[Sary, pejy 9]