FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • sp p. 11-12
  • Mpamono Olona Ireo Demonia!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpamono Olona Ireo Demonia!
  • Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahery Noho ny Demonia i Jesosy
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Ireo Mpitondra ny Faharatsiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Tena Misy ve ny Demonia?
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?
sp p. 11-12

Mpamono olona ireo demonia!

Lozabe sy nampidi-doza foana i Satana sy ireo demoniany. Tany am-boalohany, i Satana dia namono ny biby sy ny mpanompon’i Joba nahatoky. Avy eo dia namono ny zanak’i Joba folo izy tamin’ny alalan’ny “rivotra mahery” iray izay nandrodana ny trano nisy azy ireo. Taorian’izay i Satana dia “namely vay ratsy an’i Joba hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany.” — Joba 1:7-19; 2:7.

Tamin’ny andron’i Jesosy, ireo demonia dia nahatonga olona ho tsy afa-niteny sy ho jamba. (Matio 9:32, 33; 12:22). Nampijaly ny lehilahy iray izy ireo ka nanao izay hitetehany tena tamin’ny vato. (Marka 5:5). Nampihiaka zazalahy iray koa izy ireo sy nanjera azy tamin’ny tany, ary “nampifanintontsintona azy mafy.” — Lioka 9:42, MN.

Ataon’i Satana sy ny demonia voan’ny vay i Joba, ary misy olona ataony mifanintona

Tamin’ny andro lasa, ireo demonia dia nahatonga olona harary ary nampifanintontsintona ny hafa

Ankehitriny, dia mbola vonona ny hamono olona tsy misy ohatra izany i Satana sy ireo demonia. Raha ny tena izy, dia nitombo ny asa ratsin’izy ireo hatramin’ny nandroahana azy avy tany an-danitra. Ny filazana azo manerana ny tany dia manamarina ny maha-lozabe azy ireo. Mampitondra ny olona sasany aretina tsy eran’ny aina izy ireo. Mampijalijaly tsy an-kijanona ny hafa amin’ny alina izy ireo, ka tsy mampahita tory azy na mampanonofy ratsy azy aoka izany. Mampihatra fitondrana ratsy eo amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy amin’ny hafa koa izy ireo. Ary mitarika ny hafa ihany koa ho amin’ny fahaverezan-tsaina, ny famonoana olona na ny famonoan-tena izy ireo.

Ampirisihin’ny demonia hahery setra ny lehilahy iray, ary ataony manonofy ratsy be ny lehilahy iray hafa

Amin’izao andro izao ireo demonia dia manao izay hahatonga ny olona sasany hahery setra; mampijalijaly tsy an-kijanona ny hafa amin’ny alina izy ireo ka mampanonofy ratsy azy aoka izany

Mitantara i Lintina, monina any Suriname, fa namono ny mpikambana 16 tao amin’ny fianakaviany ny demonia, na fanahy ratsy, iray ary nampijaly azy ara-batana sy ara-tsaina nandritra ny 18 taona. Avy amin’ny zava-nitranga tamin’ny tenany manokana dia afaka manambara izy fa ireo demonia dia “faly mampijaly amin-kabibiana hatramin’ny fahafatesana ireo olona mampalahelo fa nanjary azony.”

Afaka miaro ny mpanompony amin’ny famelezan’i Satana anefa i Jehovah. — Ohabolana 18:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara