Fizarana Faha-2
Tany Iray ho Afaka Amin’ny Fijaliana
1, 2. Fomba fihevitra hafa inona no ananan’ny olona maro?
KANEFA, misy olona an-tapitrisany maro maneran-tany manana fomba fihevitra hafa dia hafa noho izany. Mahatsinjo hoavy mahatalanjona ho an’ny taranak’olombelona izy ireo. Milaza izy ireo fa, eto amin’ity tany ity mihitsy, tsy ho ela, dia hisy tontolo iray ho afaka tanteraka amin’ny faharatsiana sy ny fijaliana. Matoky izy ireo fa tsy ho ela dia hesorina izay ratsy ary hisy tontolo iray vaovao tanteraka haorina. Milaza mihitsy aza izy ireo fa efa eo am-panorenana azy ankehitriny ny fototr’izany tontolo vaovao izany!
2 Mino ireo olona ireo fa io tontolo vaovao io dia ho afaka amin’ny ady, ny halozana, ny heloka bevava, ny tsy rariny ary ny fahantrana. Ho tontolo tsy hisy aretina, alahelo, ranomaso ary na dia fahafatesana mihitsy aza, izany. Amin’izany fotoana izany, dia hahatratra ny fahatanterahana ny olona ary hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana ao amin’ny paradisa eto an-tany. Ireo maty aza dia hatsangana ka hanana ny fahafahana hiaina mandrakizay!
3, 4. Nahoana ireo olona ireo no feno fatokiana momba izany fomba fiheviny izany?
3 Moa ve nofinofy fotsiny, nofy antoandro ihany, izany fomba fihevitra ny amin’ny hoavy izany? Tsia, tsy izany velively. Izany dia mifototra amin’ny finoana mafy orina fa tsy azo sorohina ny fahatongavan’io Paradisa io. (Hebreo 11:1). Nahoana izy ireo no mahazo antoka aoka izany ny amin’izany? Satria ilay Mpamorona Tsitoha izao rehetra izao no nampanantena izany.
4 Momba ireo fampanantenan’Andriamanitra, dia milaza ny Baiboly hoe: “Tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.” “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga (...) Moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?” “Jehovah, Tompon’ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy, ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy.” — Josoa 23:14; Nomery 23:19; Isaia 14:24.
5. Fanontaniana inona avy no mila valiny?
5 Kanefa, raha fikasan’Andriamanitra ny hanorina paradisa eto an-tany ho afaka amin’ny fijaliana, nahoana izy no namela ny zava-dratsy hitranga akory? Nahoana izy no niandry enina arivo taona vao hanitsy izay tsy mety? Moa ve ireny taonjato maro be nisian’ny fijaliana ireny mety hampiseho fa tsy dia tena miahy antsika Andriamanitra, na koa fa tsy misy mihitsy aza izy?