Fizarana Faha-5
Ny Safidy Malalaka — Fanomezana Mahatalanjona
1, 2. Fanomezana mahatalanjona inona no anisan’ny maha-isika antsika?
MBA HAHATAKARANA ny antony namelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy sy izay hataony momba azy io, dia ilaintsika ny mahafantatra ny fomba nanaovany antsika. Mihoatra noho ny fanomezana vatana sy atidoha fotsiny no nataony rehefa namorona antsika izy. Nanome antsika toetra ara-tsaina sy ara-pihetseham-po manokana koa izy.
2 Ny tapany fototra iray amin’ny maha-isika antsika ara-tsaina sy ara-pihetseham-po dia ny safidy malalaka. Eny, nampidirin’Andriamanitra tao amintsika ny fahaizana hanana ny fahafahana mba hisafidy. Tena fanomezana mahatalanjona avy aminy tokoa io.
Ny fomba nanaovana antsika
3-5. Nahoana isika no mankasitraka ny safidy malalaka?
3 Aoka isika handinika hoe amin’ny ahoana ny safidy malalaka no tafiditra ao amin’ny famelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy. Mba hanombohana izany, dia eritrereto izao: Ankasitrahanao ve ny fahafahana mba hifidy izay hataonao sy holazainao, izay hohaninao sy hanaovanao, ny karazan’asa hataonao ary ny hoe aiza sy amin’ny fomba ahoana no honenanao? Sa ho tianao kosa ny hisian’ny olona iray hilaza aminao ny teny tsirairay holazainao sy ny zavatra tsirairay hataonao amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainanao?
4 Tsy misy olona ara-dalàna na dia iray aza haniry ny fiainany ho tsy azon’ny tenany fehezina amin’ny fomba tanteraka toy izany. Nahoana? Noho ny fomba nanaovan’Andriamanitra antsika. Milaza amintsika ny Baiboly fa namorona ny olona ‘tahaka ny endriny sy ny tarehiny’ Andriamanitra, ka ny iray amin’ireo toetra ananan’ny tenan’Andriamanitra dia ny fahafahana mba hisafidy. (Genesisy 1:26; Deoteronomia 7:6). Rehefa namorona ny olombelona izy, dia nanome azy ireo izany fahaizana mahatalanjona izany koa — ny safidy malalaka. Izany no antony iray mahatonga antsika hahita fa mahakivy ny fanandevozan’ireo mpanapaka mampahory.
5 Tsy avy amin’ny kisendrasendra àry ny faniriana hanana fahafahana, satria Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahafahana. Milaza ny Baiboly hoe: “Any amin’izay misy ny fanahin’i Jehovah no misy fahafahana.” (2 Korintiana 3:17, NW). Noho izany, Andriamanitra dia nanome antsika ny safidy malalaka ho anisan’ny maha-isika antsika mihitsy. Koa satria fantany ny fomba hiasan’ny saintsika sy ny fihetseham-pontsika, dia fantany fa ho sambatra indrindra isika raha manana safidy malalaka.
6. Ahoana no namoronan’Andriamanitra ny atidohantsika mba hiasany mifanaraka amin’ny safidy malalaka?
6 Niaraka tamin’ny fanomezana ny amin’ny safidy malalaka, dia nanome antsika ny fahaizana hieritreritra, handanjalanja zavatra, hanao fanapahan-kevitra ary hahalala ny tsara sy ny ratsy, Andriamanitra. (Hebreo 5:14). Araka izany, ny safidy malalaka dia tokony hiorina amin’ny fanaovana fisafidianana mitory fahaiza-misaina. Tsy natao mitovy amin’ny robots tsy manan-tsaina sady tsy manana ny sitrapon’ny tenany manokana, isika. Ary tsy noforonina mba hanao zavatra tsy amim-pisainana tahaka ireo biby koa anefa isika. Ny atidohantsika mahatalanjona kosa dia novolavolaina mba hiasa hifanaraka amin’ny fahafahana mba hisafidy ananantsika.
Ny fiandohana tsara indrindra
7, 8. Fiandohana tsara dia tsara inona no nomen’Andriamanitra ireo ray aman-drenintsika voalohany?
7 Mba hampisehoana fa tena feno fiahiana tokoa Andriamanitra, ankoatra ny fanomezana ny amin’ny safidy malalaka, i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany, dia nomena ny zavatra rehetra mety hirin’iza na iza ara-dalàna. Napetraka tao amin’ny paradisa iray nidadasika nitovy tamin’ny saha, izy ireo. Tondraka ireo zavatra ara-nofo azon’izy ireo. Nanana saina sy vatana lavorary izy ireo, hany ka tsy voatery hihantitra na harary na ho faty — afaka ny ho niaina mandrakizay izy ireo. Ho niteraka zanaka lavorary izay ho afaka nanana hoavy sambatra mandrakizay koa izy ireo. Ary ny mponina nihamaro dia ho nanana asa nahafapo, dia ny hanova ny tany manontolo ho paradisa. — Genesisy 1:26-30; 2:15.
8 Momba ireo zavatra nomena ireo, dia mitantara toy izao ny Baiboly: “Hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” (Genesisy 1:31). Milaza toy izao momba an’Andriamanitra koa ny Baiboly: “Tanteraka ny asany.” (Deoteronomia 32:4). Eny, ny Mpamorona dia nanome ho an’ny fianakavian’olombelona fiandohana lavorary, izay tsy afaka ny ho tsara kokoa noho izany. Niseho ho Andriamanitra feno fiahiana toy inona moa izy!
Fahafahana misy fetrany
9, 10. Nahoana ny safidy malalaka no tsy maintsy manaraka fitsipika araka ny tokony ho izy?
9 Kanefa, moa ve ny fikasan’Andriamanitra dia ny tsy hananan’ny safidy malalaka fetrany? Alao sary an-tsaina ny tanàn-dehibe feno olona iray tsy misy lalàna momba ny fifamoivoizana, hahafahan’ny rehetra hamily ny fiarany any amin’izay tiany amin’izay hafainganam-pandeha tiany? Ho tianao ve ny hamily fiara ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany? Tsia, fa ho fanjakan’i Baroa eo amin’ny fifamoivoizana izany, ary azo antoka fa hiafara amin’ny loza maro.
10 Toy izany koa ny amin’ny fanomezan’Andriamanitra ny amin’ny safidy malalaka. Hidika ho fanjakan’i Baroa eo amin’ny fitambaran’olona ny fahafahana tsy misy fetrany. Tsy maintsy misy lalàna hitarika ireo zavatra hataon’ny olombelona. Milaza toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Aoka ianareo ho toy ny olona afaka, kanefa amin’ny fitondrana ny fahafahanareo, tsy ho fanaovana ny ratsy akory”. (1 Petera 2:16, NW). Tian’Andriamanitra ny hanarahan’ny safidy malalaka fitsipika mba hitondra soa ho an’ny rehetra. Ny fikasany dia, tsy ny hananantsika fahafahana feno akory, fa fahafahana voafetra, ka hanaiky ny fanapahan’ny lalàna.
Lalàn’iza?
11. Natao mba hankatò ireo lalàn’iza moa isika?
11 Natao hankatò ireo lalàn’iza moa isika? Ny tapany faharoa amin’ilay andinin-teny ao amin’ny 1 Petera 2:16 (NW) dia manambara toy izao: “Amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra.” Izany akory tsy midika hoe fanandevozana mampahory, fa midika kosa fa natao ho sambatra indrindra isika rehefa fehezin’ireo lalàn’Andriamanitra. (Matio 22:35-40). Ireo lalàny, mihoatra noho izay lalàna rehetra noforonin’ny olombelona, dia manome ny fitarihan-dalana tsara indrindra. “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” — Isaia 48:17.
12. Fahafahana hifidy inona no ananantsika ao anatin’ireo lalàn’Andriamanitra?
12 Miaraka amin’izany koa, ireo lalàn’Andriamanitra dia mamela fahafahana mba hisafidy lehibe ao anatin’ny faritra tsy natao hihoarany. Izany dia mahatonga hety ny fisian’ny karazan-javatra maro samihafa ary mahatonga ny fianakavian’olombelona hahaliana aoka izany. Eritrereto ireo karazan-tsakafo, fitafiana, mozika, zava-kanto ary trano maro samy hafa maneran-tany. Azo antoka fa tiantsika kokoa ny hanana ny safidintsika amin’ireo lafin-javatra ireo, toy izay ny hisian’olon-kafa hanapa-kevitra ny amin’izany ho antsika.
13. Lalàna fizika inona avy no tsy maintsy ankatoavintsika mba hahasoa ny tenantsika ihany?
13 Noforonina àry isika mba ho sambatra indrindra rehefa manaiky ireo lalàn’Andriamanitra momba ny fitondrantenan’ny olombelona. Izany dia mitovy amin’ny rehefa manaiky ireo lalàna fizikan’Andriamanitra isika. Ohatra, raha tsy miraharaha ny lalàna momba ny herin’ny tany misintona isika ka mitsambikina avy eny amin’ny toerana avo iray, dia haratra na ho faty. Raha tsy miraharaha ireo lalàna momba ny ao anatin’ny vatantsika isika ka mitsahatra tsy mihinan-tsakafo, misotro rano na mifoka rivotra, dia ho faty.
14. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy noforonina mba hahaleo tena amin’Andriamanitra ny olombelona?
14 Tsy misy hafa amin’ny namoronana antsika hila ny hanaiky ireo lalàna fizikan’Andriamanitra, dia toy izany koa fa noforonina hila ny hanaiky ireo lalàna ara-pitondrantena sy ara-piaraha-monin’Andriamanitra isika. (Matio 4:4). Tsy noforonina mba hahaleo tena tsy hila an’ilay Mpanao azy ny olombelona ka hahomby. Milaza toy izao i Jeremia mpaminaniny: ‘Tsy an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany. Jehovah ô, anaro aho.’ (Jeremia 10:23, 24). Amin’ny lafiny rehetra àry, ny olombelona dia noforonina mba hiaina eo ambany fanapahan’Andriamanitra, fa tsy ny an’ny tenany.
15. Ho navesatra ho an’i Adama sy i Eva ve ireo lalàn’Andriamanitra?
15 Tsy ho navesatra tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany ny fankatoavana ireo lalàn’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany aza fa ho nitondra soa ho azy sy ho an’ny fianakavian’olombelona manontolo izany. Raha nijanona tao anatin’ny fetran’ireo lalàn’Andriamanitra io mpivady voalohany io, dia ho tsara indrindra ny zava-drehetra. Raha ny tena izy, dia ho niaina tao anatin’ny paradisam-pahafinaretana mahatalanjona nisy fianakavian’olombelona feno fitiavana sy tafaray, isika ankehitriny! Tsy ho nisy faharatsiana, fijaliana na fahafatesana.
[Sary, pejy 11]
Nanome fiandohana lavorary ho an’ny olombelona ny Mpamorona
[Sary, pejy 12]
Ho tianao ve ny hamily fiara ao anatin’ny fifamoivoizana feno fiarakodia nefa tsy misy lalàna momba ny fifamoivoizana?