FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • rq lesona 10 p. 20-21
  • Fanao Halan’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanao Halan’Andriamanitra
  • Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy Manao Ratsy ny Naman’Andriamanitra
    Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
  • Halaviro ny Fandriky ny Filokana
    Mifohaza!—2002
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1981
  • Loka
    Mifohaza!—2015
Hijery Hafa
Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
rq lesona 10 p. 20-21

Lesona Faha-10

Fanao Halan’Andriamanitra

Ahoana no tokony hiheveranao ireo zavatra lazain’Andriamanitra fa ratsy? (1)

Karazana firaisana ara-nofo inona avy no ratsy? (2)

Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny hoe mandainga (3) ny miloka? (3) ny mangalatra? (3) ny herisetra? (4) ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy? (5) ny fimamoana? (6)

Ahoana no ialana amin’ny fanao ratsy? (7)

1. Tia ny tsara ny mpanompon’Andriamanitra. Tsy maintsy mianatra mankahala ny ratsy koa anefa izy ireo. (Salamo 97:10) Midika izany fa halaviriny ireo fanao halan’Andriamanitra. Inona avy ny sasany amin’izany?

2. Fijangajangana: Ny firaisana alohan’ny fanambadiana, ny fanitsakitsaham-bady, ny firaisana amin’ny biby, ny firaisana amin’olom-pady, ary ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, dia fahotana lehibe amin’Andriamanitra avokoa. (Levitikosy 18:6; Romana 1:26, 27; 1 Korintiana 6:9, 10) Raha misy olon-droa tsy mpivady vita soratra nefa miray trano, dia tokony hisaraka izy ireo, na hivady ara-dalàna.—Hebreo 13:4.

3. Mandainga, miloka, mangalatra: Tsy mahay mandainga Andriamanitra. (Titosy 1:2) Tokony tsy handainga izay ta hahazo sitraka aminy. (Ohabolana 6:16-19; Kolosiana 3:9, 10) Ahitana fitiavam-bola foana rehefa mety ho filokana. Koa tsy miloka mihitsy àry ny Kristianina, na loteria io, na filokana amin’ny hazakaza-tsoavaly, na lôtô, na inona na inona. (Efesiana 5:3-5) Tsy mangalatra koa ny Kristianina. Tsy mividy zavatra fantany fa halatra izy ireo, na maka zavatra tsy nahazoan-dalana.—Eksodosy 20:15; Efesiana 4:28.

4. Misafoaka, mahery setra: Mety hahery setra ny olona tsy mahafehy fahatezerana. (Genesisy 4:5-8) Tsy ho sakaizan’Andriamanitra mihitsy ny olona mahery setra. (Salamo 11:5; Ohabolana 22:24, 25) Ratsy ny mamaly faty na mamaly ny ratsy nataon’ny hafa tamintsika.—Ohabolana 24:29; Romana 12:17-21.

5. Ozon’ny mpamosavy sy fifandraisana amin’ny fanahy ratsy: Misy miantso fanahy mba hahazoana hery hanasitranana aretina. Misy kosa manozona ny fahavalony mba hampaharary azy, na hahafaty azy mihitsy aza. I Satana no hery ao ambadik’izany rehetra izany. Koa tsy tokony handray anjara amin’izany ny Kristianina. (Deoteronomia 18:9-13) Ny fitoerana ho akaiky an’i Jehovah no fiarovana tsara indrindra amin’ny ozona mety hataon’ny hafa mba hamelezana antsika.—Ohabolana 18:10.

6. Fimamoana: Tsy ratsy ny misotro kely divay, na labiera, na fisotro hafa misy alkaola. (Salamo 104:15; 1 Timoty 5:23) Ratsy eo imason’Andriamanitra kosa ny miboboka toaka sy ny mimamo. (1 Korintiana 5:11-13; 1 Timoty 3:8) Mety hanimba ny fahasalamanao sy handrava ny tokantranonao ny fisotroana be loatra. Hanjary ho mora resin’ny fakam-panahy hafa koa ianao, noho izy io.—Ohabolana 23:20, 21, 29-35.

7. “Tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” izay zatra manao zavatra lazain’Andriamanitra fa ratsy. (Galatiana 5:19-21) Afaka miala amin’izany fanao izany ianao raha tena tia an’Andriamanitra sy ta hampifaly azy. (1 Jaona 5:3) Mianara mankahala izay lazain’Andriamanitra fa ratsy. (Romana 12:9) Miaraha amin’olona manana fahazarana tsara. (Ohabolana 13:20) Afaka manampy anao ireo Kristianina matotra namanao. (Jakoba 5:14) Ambonin’izany rehetra izany, dia miantehera amin’ny fanampian’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny vavaka.—Filipiana 4:6, 7, 13.

[Sary, pejy 20, 21]

Halan’Andriamanitra ny fimamoana, ny fangalarana, ny filokana ary ny herisetra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara