FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be fian. 33 p. 197-p. 201 feh. 1
  • Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Mianara Mandanjalanja
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara — Amim-pahaiza-manavaka
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be fian. 33 p. 197-p. 201 feh. 1

LESONA 33

Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra

Inona no ilainao hatao?

Mitandrina izay lazainao sy ny fomba ary ny fotoana ilazanao azy, mba tsy hanafintohina olona tsy amin’antony.

Nahoana izany no tena ilaina?

Raha mahay mandanjalanja ianao, dia mety ho vonona hihaino ny vaovao tsara ny olona. Hanampy anao ho tsara fihavanana amin’ny Kristianina hafa koa ny fahaiza-mandanjalanja.

TSY manafintohina ny hafa tsy amin’antony ny olona mahay mandanjalanja. Fantany ny fomba sy ny fotoana hilazana zavatra. Tsy midika anefa izany hoe mampandefitra ny marina, na manolana ny zava-misy. Tsy tokony hampifangaroina amin’ny tahotra olona ny fahaiza-mandanjalanja.—Ohab. 29:25.

Ny fananan’ny olona iray ny vokatry ny fanahy no tena manampy azy hahay handanjalanja. Ohatra, ny olona atosiky ny fitiavana dia tsy maniry hanorisory ny hafa, fa hanampy azy kosa. Tsy mivatravatra ny olona tsara fanahy sy malemy fanahy rehefa manao zavatra. Manao izay hahatsara fihavanana azy amin’ny hafa ny olona tia fiadanana. Ary tony foana ny olona mahari-po, na dia masiaka aza ny hafa.—Gal. 5:22, 23.

Hisy foana anefa olona tsy ho faly amin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly, na ahoana na ahoana fomba ilazantsika azy. “Vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka” i Jesosy Kristy, ho an’ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, satria ratsy ny fon’izy ireo. (1 Pet. 2:7, 8) Hoy i Jesosy momba ny asa fitoriana ilay Fanjakana nataony: “Tonga hanipy afo etỳ ambonin’ny tany Aho.” (Lioka 12:49) Mbola tsy maintsy ambara amin’ny olona ankehitriny ihany ny hafatra momba ny Fanjakan’i Jehovah sy ny tokony haneken’izy ireo ny Mpamorona azy ho Mpanjakany. Maro no tsy faly mahare fa handrava tsy ho ela ity tontolo ratsy ity ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho fankatoavana an’Andriamanitra anefa, dia tohizintsika ihany ny fitoriana, sady tadidintsika foana ity torohevitry ny Baiboly ity: “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.”—Rom. 12:18.

Mahay mandanjalanja rehefa mitory. Misy toe-javatra maro iresahantsika momba ny finoantsika amin’ny hafa. Manao izany isika, rehefa mitory eny amin’ny saha, nefa koa rehefa miaraka amin’ny havana sy ny mpiara-miasa na ny mpiara-mianatra amintsika. Mila mahay mandanjalanja isika amin’ireo toe-javatra rehetra ireo.

Mety hampahasosotra ny olona isika raha toa be fananarana rehefa mitory ilay Fanjakana. Mety tsy ho faly izy raha anarintsika hanitsy ny fiainany, kanefa izy tsy nangataka fanampiana, ary angamba tsy mihevitra fa mila izany akory. Inona no azontsika atao, mba tsy ho diso fandray izay lazaintsika ny hafa? Mianatra ny fahaiza-miresaka amin-katsaram-panahy.

Atombohy amin’ny foto-kevitra mahaliana ilay olona ny resaka ataonao. Mety ho efa fantatrao izay mahaliana azy, raha havanao izy, na mpiara-miasa na mpiara-mianatra aminao. Raha mbola tsy nahita ilay olona mihitsy ianao taloha, dia vaovao tao amin’ny radio na tao amin’ny gazety no anombohy ny resaka. Ireny mazàna no ahafantarana izay mampanahy ny olona maro. Mahaiza mandinika rehefa mitory isan-trano. Mety hahalalana izay mahaliana ny tompon-trano ny haingon-tranony, ireo kilalao eny an-tokotany, ireo zavatra ara-pivavahana, na ny soratra mipetaka eo am-baravarana na varavarankely. Henoy tsara izy, rehefa tonga eo am-baravarana. Ho hitanao amin’izay lazainy raha marina na diso ny hevitrao momba izay mahaliana azy sy ny fomba fiheviny. Ho fantatrao koa izay tokony horesahina mba hanaovana fitoriana mandaitra.

Rehefa mitohy ilay resaka, dia milazà zavatra avy ao amin’ny Baiboly sy ny boky manazava ny Baiboly, izay mifandray amin’ilay foto-kevitra. Aza mibodo resaka anefa. (Mpit. 3:7) Asaivo miresaka koa ilay tompon-trano, raha mety izy. Henoy tsara ny fomba fiheviny. Mety ho fantatrao avy amin’ny teniny ny zavatra tsy tokony holazaina mba tsy hanafintohinana azy.

Alohan’ny hilazanao zavatra, dia hevero aloha izay mety handraisan’ilay olona azy io. Derain’ny Ohabolana 12:8 ny olona manana ‘fahendrena’ eo amin’ny vavany. Mifandray amin’ny fahaiza-manavaka sy ny fitandremana ilay teny hebreo ampiasaina eto. Noho izany, ny fahendrena dia midika koa hoe mitandrina ny teny lazaina rehefa avy nieritreritra tsara, mba hanaovan-javatra amim-pahendrena. Mampitandrina antsika tsy ‘handefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra’ ny andininy faha-18 ao amin’io toko io ihany. Azo atao ny miaro ny Baiboly, nefa tsy hampahatezitra ny hafa.

Ny fahaiza-mifidy teny fotsiny, dia efa ahafahanao misoroka fanoherana tsy amin’antony. Raha tsy tantin’ny olona ny mandre ilay teny hoe “Baiboly”, dia azonao ampiasaina ny hoe “soratra masina”, na “boky iray voadika amin’ny fiteny maherin’ny 2 000.” Anontanio ny fiheveran’ilay olona ny Baiboly raha manonona azy io ianao, ary hevero foana izay nolazainy, mandritra ilay resaka.

Matetika ny olona mahay mandanjalanja no mahay mamantatra ny fotoana mety mba hilazana zavatra. (Ohab. 25:11) Mety tsy hitovy hevitra amin’izay rehetra lazain’ilay olona ianao, nefa tsy ilaina hotoherina izy isaky ny milaza zavatra tsy araka ny Soratra Masina. Aza mitady hilaza aminy ny zava-drehetra amin’iny indray mandeha iny. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.”—Jaona 16:12.

Derao amim-pahatsorana ilay olona iresahanao, isaky ny azonao atao. Na dia mitady hifamaly aminao aza ilay olona, dia mbola derao ihany izy, noho ny fomba fiheviny. Nanao izany ny apostoly Paoly, fony izy niresaka tamin’ireo olon-kendry tao amin’ny Areopago tany Atena. “Nanohitra” an’i Paoly ireo olona ireo. Ahoana no nahafahany nitory, nefa tsy nampahatezitra azy ireo? Efa hitany talohan’izay fa nisy alitara maro naorin’izy ireo ho an’ny andriamaniny. Tsy nanameloka an’ireo Atenianina noho ny fanompoan-tsampiny izy, fa nahay nandanjalanja kosa, ka nidera azy ireo noho ny fitiavany fivavahana. Hoy izy: “Hitako fa amin’ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ny andriamanitrareo indrindra hianareo.” Nahafahany nitory hafatra momba ilay Andriamanitra marina, izany fomba izany. Tonga mpino ny sasany, noho izany.—Asa. 17:18, 22, 34.

Aza misafoaka, rehefa manohitra ilay olona. Aoka ianao ho tony foana. Hararaoty ilay izy mba hahafantarana tsara kokoa ny fomba fisainan’ilay olona. Isaory izy, noho izy nampahafantatra ny heviny. Ahoana raha mivantambantana izy miteny hoe: “Manana ny fivavahako aho”? Anontanio amim-pahaiza-mandanjalanja izy hoe: “Efa tia fivavahana toy izany foana ve ianao, tompoko, hatramin’izay?” Rehefa avy namaly izy, dia anontanio hoe: “Heverinao ve, tompoko, fa ho tafaray ao anatin’ny fivavahana iray ihany ny olombelona, indray andro any?” Mety ho afaka hanohy ny resaka ianao, noho izany.

Hanampy antsika hahay handanjalanja ny fiheveran-tena araka ny tokony ho izy. Miaiky mafy isika fa ny lalan’i Jehovah no tsara indrindra ary ny Teniny no fahamarinana. Feno toky isika, rehefa miresaka momba ireo zavatra ireo. Tsy misy tokony hiheverantsika tena ho tsara noho ny hafa anefa. (Mpit. 7:15, 16) Velom-pankasitrahana isika mahalala ny fahamarinana sy manana ny fitahian’i Jehovah. Fantatsika tsara koa anefa fa noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa sy ny finoantsika an’i Kristy, no ankasitrahan’i Jehovah antsika, fa tsy noho ny fahamarinantsika manokana akory. (Efes. 2:8, 9) Manaiky isika, fa mila ‘mandini-tena foana isika raha mitoetra amin’ny finoana na tsia, ary mila mizaha toetra ny tenantsika foana.’ (2 Kor. 13:5) Koa rehefa ilazantsika àry ny olona fa ilaina ny manao izay takin’Andriamanitra, dia hanetry tena isika ka hampihatra izany torohevitra izany amin’ny tenantsika koa. Tsy manana zo hitsara ny mpiara-belona amintsika isika. ‘Nomen’i Jehovah ny Zanaka ny fitsarana rehetra’, ary eo anoloan’ny fitsaran’i Kristy isika no tsy maintsy ampamoahina noho izay ataontsika.—Jaona 5:22; 2 Kor. 5:10.

Rehefa miaraka amin’ny fianakaviantsika sy ny Kristianina hafa. Tsy tokony ho eny am-pitoriana ihany isika no hahay handanjalanja. Koa satria fisehoan’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny fahaiza-mandanjalanja, dia tokony haneho azy io koa isika ao an-trano, rehefa miaraka amin’ny mpianakavintsika. Tiantsika izy ireo, ka asiantsika fiheverana ny fihetseham-pony. Tsy mpanompon’i Jehovah ilay mpanjaka vadin’i Estera. Nanaja azy anefa i Estera, ary tena naneho fahaiza-manavaka rehefa namboraka taminy ny raharaha nahakasika ny vahoakan’i Jehovah. (Estera, toko faha-3-8) Raha mahay mandanjalanja amin’ny mpianakavy tsy Vavolombelona isika, dia ny fitondran-tenantsika, fa tsy ny fanazavana momba ny finoantsika, indraindray no avelantsika hahatonga azy hankasitraka ny fahamarinana.—1 Pet. 3:1, 2.

Toy izany koa ny amin’ireo anisan’ny fiangonana: Tsy hoe fantatsika tsara izy ireo, dia hivantambantam-piteny aminy isika na hoe tsy ho tsara fanahy aminy. Tsy tokony hihevitra isika hoe matotra izy ireo, ka tokony hahazaka izany. Tsy tokony hanala tsiny ny tenantsika koa isika ka hilaza hoe: “Izany no toetrako, ka ahoana?” Tokony ho tapa-kevitra ny hiova isika raha hitantsika fa manafintohina ny hafa ny fomba fitenintsika. Raha ‘mifankatia tsara’ isika, dia tokony ‘hanao soa amin’ny mpianakavin’ny finoana.’—1 Pet. 4:8, 15; Gal. 6:10.

Rehefa eny ambony lampihazo. Mila mahay mandanjalanja koa ireo miteny eny ambony lampihazo. Samy hafa ny toe-piainana niavian’ireo mpihaino sy ny toe-javatra misy azy ireo. Tsy mitovy koa ny fandrosoana ara-panahy vitany. Sambany vao tonga ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny sasany. Angamba ny hafa mandia zava-manahirana faran’izay mafy, izay tsy fantatr’ilay mpandahateny. Ahoana no ahafahan’ny mpandahateny tsy hanafintohina ny mpihaino?

Mifanaraka amin’ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Titosy, dia miezaha ‘tsy hiteny ratsy olona, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.’ (Tit. 3:2) Aza manahaka ny an’ity tontolo ity, izay manambany olona hafa firazanana, fiteny, na firenena. (Apok. 7:9, 10) Aza mihambahamba miresaka ireo zavatra takin’i Jehovah, ary asehoy fa fahendrena ny mampihatra azy ireny. Aza esoina anefa ireo mbola tsy manaraka tsara ny lalan’i Jehovah. Ampirisiho kosa ny rehetra hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra sy hanao izay mampifaly azy. Asio teny fiderana feno hatsaram-panahy sy fahatsoram-po ny torohevitra omenao mba hahatonga azy halefaka. Asehoy amin’ny fomba fiteninao sy ny toe-peonao, ilay fitiavan-drahalahy tokony hananantsika rehetra.—1 Tes. 4:1-12; 1 Pet. 3:8.

NY FOMBA HANEHOANA AZY

  • Miresaha, fa aza be fananarana.

  • Eritrereto tsara izay ho fandraisan’ny olona ny teninao.

  • Diniho aloha ilay fotoana raha mety tsara mba hiresahana, vao miteny.

  • Manaova teny fiderana amim-pahatsorana, isaky ny azo atao.

  • Aza misafoaka, rehefa misy fanoherana.

  • Aza mihevi-tena ho tsara kokoa noho ny hafa; aza mitsara olona.

FANAZARAN-TENA: Vakio tsara ireto fitantarana ireto: 2 Samoela 12:1-9; Asan’ny Apostoly 4:18-20. Ao amin’ny tsirairay aminy, dia mariho 1) ireo porofon’ny fahaiza-mandanjalanja sy 2) ny teny mampiseho fifikirana hentitra amin’ny lalana marin’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara