Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara — Amim-pahaiza-manavaka
1 Hoy ny ohabolana azo tamin’ny tsindrimandry iray: “Izay mitandrina fahalalana [fahaiza-manavaka, MN] hahita soa.” (Ohab. 19:8). Hita matetika teny amin’ny asa fitoriantsika fa mampiseho fahendrena ireo teny ireo. Ohatra, amin’ny fampiasana fahaiza-manavaka sy fahaiza-mandanjalanja, ny mpitory maro be dia nampiova izay saika tonga fanoherana ho fahafahana hanao fanambarana fanampiny. Na koa, fara faharatsiny, nametraka fototra ho an’ny fanaovana fanambarana any aoriana izy ireo. Ahoana no hahafahana hanao izany?
NY FAMALIANA IREO FANOHERANA
2 Matetika isika dia mifankahita amin’ny olona milaza hoe: “Sahirana aho.” Moa ve tena sahirana marina ilay tompon-trano, sa milaza izany fotsiny izy mba tsy hidirana ao anatin’ny resaka lava be? Ilaina ny fahaiza-mahataka-javatra amin’izay. Raha toa tsy dia tena sahirana izy, dia azontsika atao ny mandresy io fanoherana io. Afaka milaza isika hoe: “Tsy haharitra àry aho.” Avy eo dia afaka mamintina izay nokasaintsika horesahina isika, amin’ny fitadidiana ao an-tsaina ny fanekena nataontsika hametra ny resaka hataontsika. Ho vokatry ny fanehoantsika fiheverana sy ireo tenintsika manaitra fahalianana, dia mety haneho faniriana hanohy ilay resaka eo no ho eo ihany mihitsy aza ilay olona.
3 Aoka hatao hoe tena sahirana tokoa ilay olona hatoninao. Na dia tsy tiantsika aza ny holavina mora foana, raha mikiry na misisika ihany isika, dia mety hamela fihetseham-po feno tsy fankasitrahana ao amin’ilay olona. Raha tonga eo am-baravarana mitondra fitaovana fandrahoan-tsakafo eny an-tanany ilay tompon-trano ka mandre fofon-tsakafo eo an-tokonana isika, dia tena azo antoka fa sahirana marina izy. Ilaina àry amin’izay ny fahaiza-manavakana sy mitsara zavatra. Tsy ho fanehoana fiheverana ny hijanonana hiresaka ela amin’izany fotoana izany. Ho tsara lavitra toy inona ny fanomezana azy taratasy mivalona iray ary hanolorana hevitra aminy ny hiverenanao any aoriana. Izany dia hamela ao aminy fihetseham-po mankasitraka kokoa, ary mety ho azo atao ny hanao fanambarana tsara dia tsara rehefa misy Vavolombelona iray mitsidika azy amin’ny manaraka.
NY FOMBA FIHETSIKA EO ANOLOAN’NY TOE-PON’ILAY OLONA
4 Indraindray isika dia mahita olona izay mitratrevatreva rehefa mitsidika azy isika eo amin’ny fitoriana isan-trano. Inona no tokony hataontsika rehefa miseho izany? Manoro hevitra toy izao ny Ohabolana 17:27: “Izay mahatsindry fo no manan-tsaina [mahay manavaka, MN].” Torohevitra tsara dia tsara re izany! Ny feo malefaka, maneho fiahiana, matetika dia mampitony ny olona toy izany. Fanampin’izany, raha haintsika ny mampiteny azy amim-pahaiza-mandanjalanja mba hilazany ny heviny momba ny raharaha iray mahakasika azy, dia mety tsy hiaro tena loatra intsony izy. Na dia manapaka tampoka ilay resaka aza izy, angamba ny famaliana amim-pahalemem-panahy ataontsika dia mety hamela azy hanana fironan’ny saina tsara ho an’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mazava ho azy fa raha manjary sosotra na tezitra ilay tompon-trano, ny tsara indrindra dia ny fandaozana azy moramora ary angamba ny fanandramana hanao fanambarana aminy amin’ny fotoana hafa.
5 Eo koa ireo olona izay mety ho tso-po, na dia tia famaliana aza. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia mety ho tena fitsapana ny faharetantsika ny fanohizana ny resaka ifanaovana aminy. Kanefa, raha mahay mahataka-javatra isika, dia tsy hanatsoaka hevitra avy hatrany fa tsy liana ny tompon-trano iray satria fotsiny hoe maneho amin-kery fomba fihevitra hafa noho ny antsika izy. Mety ho tiantsika ny hanao fanontaniana feno fandanjalanjana mba hahafantarana ny antony inoany izany, ary avy eo dia hampiseho aminy izay lazain’ny Baiboly momba ilay foto-kevitra. (Ohab. 20:5, MN). Arakaraka ny fomba fihetsiny eo anoloan’izany, dia afaka manapa-kevitra isika raha hisy vokany ny hanohizana ilay resaka.
6 Ny mpitory iray mahay mahataka-javatra dia mahatsapa fa manova ny fihetsiky ny tompon-trano iray eo anoloan’ny hafatra momba ilay Fanjakana matetika ny fotoana sy ny toe-javatra. Mety ho hafa tanteraka ny fomba fihetsiny amin’ny fotoana manaraka hitsidihantsika azy. Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hanana fihetsika tsy manorina noho ilay fomba fihetsik’ilay tompon-trano fony isika nitsidika azy farany.
7 Tsy mora ny manapa-kevitra raha tokony hotohizina ny resaka iray na tsia. Kanefa, amin’ny fambolena fahaiza-mampianatra, isika dia hahita vokatra tsara kokoa eo am-pampisehoana ny vaovao tsara amim-pahaiza-manavaka, sady hiantehitra amin’i Jehovah mba hitahiany ny fiezahana ataontsika. — 1 Kor. 3:6; Titosy 1:9.