LESONA 41
Mora Azon’ny Hafa
AZA mianina amin’ny fampitana fahalalana fotsiny rehefa miteny. Ataovy azon’ny mpihaino ny zavatra lazainao. Hanampy anao hahay hampita hevitra izany, na mandaha-teny ao am-pivoriana ianao na miresaka amin’ny olona tsy Vavolombelona.
Misy lafiny maro ny fitenenana mora azo. Resahina ao amin’ny Lesona faha-26 hoe “Famelabelarana Mirindra Tsara”, ny sasany amin’izany. Misy hafa koa hazavaina ao amin’ny Lesona faha-30 hoe “Fiheverana ny Hafa.” Hiresaka momba ny hevitra vitsivitsy hafa isika ato amin’ity lesona ity.
Teny sy fomba fiteny tsotra. Tena manan-kery hampita hevitra ny teny tsotra sy ny fehezanteny fohy. Ny toritenin’i Jesosy teo an-tendrombohitra dia ohatra faran’izay tsara ny amin’ny lahateny iray mora azon’ny olona, na iza izy na iza, na aiza na aiza fonenany. Mety ho vaovao amin’izy ireo ny hevitra raketiny. Azon’izy ireo anefa izay nolazain’i Jesosy, satria zavatra mahakasika antsika rehetra no noresahiny, toy ny hoe: ny fomba hahitana fahasambarana, hihavanana tsara amin’ny hafa, handresena ny tebiteby, ary hananana fiainana misy heviny. Nampiasa fiteny fampiasan’ny olona andavanandro koa i Jesosy. (Matio toko 5-7) Marina fa misy fehezanteny samy hafa halava sy samy hafa firafitra be dia be ao amin’ny Baiboly. Tokony ho zava-kendrenao anefa ny hilaza zavatra amin’ny fomba mazava sy mora azo.
Ho mora azo kokoa na dia ny foto-kevitra sarotra aza, raha tsotra ny fomba fiteninao. Ahoana ho ahafahana miteny amin’ny fomba tsotra? Aza totofana tsipirian-javatra tsy ilaina ny mpihaino. Alamino ny fanazavanao mba hampahazava tsara ireo hevi-dehibenao. Fidio tsara ireo andinin-teny fototra hampiasainao. Aza maika hanonona andinin-teny maro misesy, fa makà kosa fotoana hamakiana sy hanazavana azy ireo. Aza be resaka loatra ka manjary tsy hita ny hevitra tsara.
Araho koa ireo toromarika ireo rehefa mitarika fampianarana Baiboly ianao. Aza mitady hanazava ny tsipirian-javatra rehetra. Ampio ilay mpianatra hahazo tsara ireo hevitra lehibe indrindra. Mbola hianatra momba ireny tsipiriany ireny ihany izy any aoriana, amin’ny fianarany manokana sy any amin’ny fivoriana.
Ilaina ny manomana tsara, mba hanomezana fanazavana tsotra. Tsy maintsy mazava tsara aminao aloha ny foto-kevitrao, vao afaka manazava azy amin’ny hafa ianao. Rehefa tena azonao tsara ny zavatra iray, dia afaka milaza ianao hoe nahoana izy io no toy izao, na toy izao. Afaka milaza azy amin’ny fomba fiteninao koa ianao.
Hazavao ireo teny tsy fantatra. Ilaina hohazavaina indraindray ny hevitry ny teny tsy fantatry ny mpihaino. Aza mihevitra azy ireo ho manam-pahalalana be, nefa aza mihevitra azy ho bado koa. Mety hampiasa teny toa hafahafa amin’ny olon-kafa ianao, noho ny fianaranao ny Baiboly. Raha tsy misy fanazavana, dia tsy ho azon’ny olona tsy mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa manondro fitambaran’olona ny hoe ‘sisa voahosotra’, “mpanompo mahatoky sy malina”, “ondry hafa” ary “olona betsaka.” (Rom. 11:5; Matio 24:45; Jaona 10:16; Apok. 7:9) Mety tsy hahazo izay tiantsika holazaina amin’ny hoe “mpitory”, “mpisava lalana”, “mpiandraikitra ny faritra” ary “Fahatsiarovana” koa ny olona tsy mahalala ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Misy koa teny ara-baiboly ampiasain’ny olona tsy Vavolombelona matetika, nefa mety hilaintsika hohazavaina. Amin’ny olona maro, ohatra, ny hoe “Haramagedona” dia milaza fandripahana niokleary. Aminy, ny “Fanjakan’Andriamanitra” dia mety ho zavatra ao am-pon’ny olona, na ny lanitra, fa tsy fitondram-panjakana. Rehefa manonona ny hoe “fanahy” ianao, ny mety ho tonga ao an-tsain’ny olona dia zavatra ara-panahy ao amin’ny olombelona, izay mbola velona ihany, na dia maty aza ny vatana. Olona an-tapitrisany no nampianarina fa ny “fanahy masina” dia manan-toetra toy ny olona, ary anisan’ny Andriamanitra Telo Izay Iray. Maro no nanda ny fitsipika ara-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly, ka mety hila hampiana mba hahazo izay tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe: “Mandosira ny fijangajangana.”—1 Kor. 6:18.
Mety tsy ho azon’ny olona tsy mpamaky Baiboly ny filazanao fotsiny hoe “Hoy i Paoly...” na hoe “Hoy i Jaona...” Mety hisy namany na mpiray tanàna aminy manana ireo anarana ireo. Mety hilaina hampiana hoe apostoly kristianina, na mpanoratra Baiboly, ny fanazavanao.
Matetika ny olona ankehitriny no mila fanampiana mba hahazo ireo andinin-teny misy refy na fomba amam-panao tamin’ny andro fahiny. Mety tsy hisy dikany firy aminy, ohatra, ny hoe hakiho 300 ny halavan’ny sambofiaran’i Noa, sy hakiho 50 ny sakany ary hakiho 30 ny haavony. (Gen. 6:15) Raha hazavainao amin’ny alalan’ny refy fantatra eo an-toerana anefa izany, dia ho azon’ny mpihaino an-tsaina avy hatrany ny haben’ilay sambofiara.
Omeo ny fanazavana ilaina. Mety tsy ho ampy ny fanomezana ny fanazavana marina momba ny teny iray. Narahina fanazavana ny famakiana ny Lalàna tany Jerosalema, tamin’ny andron’i Ezra. Mba hanampiana ny vahoaka hahatakatra ny hevitry ny Lalàna, dia sady nanazava ny Levita, no nampihatra azy io tamin’ny toe-javatra nisy ilay vahoaka tamin’izay. (Neh. 8:8, 12) Makà fotoana toy izany koa, ka hazavao sy asio fampiharana ireo andinin-teny vakinao.
Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty, dia nohazavainy tamin’ny mpianany fa nahatanteraka ny Soratra Masina ny zavatra natrehin’izy ireo. Nohamafisiny koa ny andraikitr’izy ireo mba ho vavolombelona hanambara ireny zavatra ireny. (Lioka 24:44-48) Mora azon’ny olona kokoa ny tena hevitr’izay lazainao, rehefa ampianao izy hahita fa tokony hisy vokany eo amin’ny fiainany ilay zavatra ampianarina azy.
Ny asan’ny fo. Na dia mazava aza anefa ny fanazavanao, dia mety hiankina amin-javatra hafa koa ny hahazoan’ilay olona azy io na tsia. Rehefa tsy vonon-kandray ny fon’ny olona iray, dia hisakana azy izany tsy hahazo ny hevitr’izay lazaina. (Matio 13:13-15) Fahadalana ny zavatra ara-panahy, amin’ny olona tsy mety mijery afa-tsy ny zavatra ara-nofo. (1 Kor. 2:14) Raha toy izany ny toe-tsain’ilay olona, dia aleo faranana eo fotsiny aloha ilay resaka.
Ny zava-tsarotra iainan’ny olona anefa indraindray no mahatonga ny fony tsy hanaiky. Mety hiova izany fo izany amin’ny farany, raha omena fahafahana handre ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly mandritra ny elaela. Rehefa nilazan’i Jesosy ny apostoliny fa hokapohina sy hovonoina ny tenany, dia tsy azon’izy ireo ny tiany holazaina. Nahoana? Satria tsy izany mihitsy no nandrasany na niriny! (Lioka 18:31-34) Azon’ny 11 tamin’ireo apostoly ihany anefa ilay izy tamin’ny farany, ary nasehony izany tamin’ny fanaovana izay nampianarin’i Jesosy azy.
Zava-dehibe ny ohatra tsara. Tsy ny tenintsika ihany no manampy ny olona hahazo zavatra, fa ny zavatra ataontsika koa. Maro no milaza fa tsy izay nohazavaina no tadidiny tamin’ny fivoriana voalohany natrehiny tao amin’ny Efitrano Fanjakana, fa ilay fitiavana niharihary tao. Nanampy olona maro hanaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa ny hafaliana asehontsika. Nahita ny hatsaram-panahy ifanehoan’ny vahoakan’i Jehovah sy ny fiheverany ireo niharan-doza, ny olona sasany, ka nanatsoaka hevitra fa manana ny fivavahana marina ny Vavolombelona. Koa rehefa manampy olona hahazo tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly àry ianao, dia eritrereto ny fomba hanazavanao azy sy ny ohatra omenao.