FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be fian. 42 p. 230-p. 233 feh. 5
  • Mampiana-javatra ny Mpihaino

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampiana-javatra ny Mpihaino
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitovitovy Aminy
  • Hevitra Ahitana Fianarana, Aseho Mazava
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Aoka Ianao Hampiaiky ny Mpihaino Anao, Miaraha Manjohy Hevitra Aminy
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Fampidiran-dresaka Mahaliana
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be fian. 42 p. 230-p. 233 feh. 5

LESONA 42

Mampiana-javatra ny Mpihaino

Inona no ilainao hatao?

Mampita fahalalana, izay handrisika ny saina hieritreritra ary hahatonga ny mpihaino hahatsapa fa niana-javatra tena ilainy izy.

Nahoana izany no tena ilaina?

Vetivety ny olona dia tsy hifantoka intsony raha zavatra efa fantany ihany no lazainao aminy.

RAHA tianao hiana-javatra avy amin’ny famelabelaranao ny mpihaino, dia tsy ampy ny miresaka fotsiny momba ny foto-kevitra tsara iray. Manontania tena hoe: ‘Nahoana ireo olona mihaino ireo no mila mandre ity foto-kevitra ity? Inona no holazaiko mba hahatonga azy ireo hahatsapa fa tena nandray soa avy tamin’ilay famelabelarana izy?’

Raha fomba fitory no anjaranao ao amin’ny sekoly, dia ilay miresaka aminao no ho mpihaino anao. Raha tsy izany, dia ny fiangonana manontolo.

Izay fantatry ny mpihaino. Manontania tena hoe: ‘Inona no efa fantatry ny mpihaino momba ity foto-kevitra ity?’ Tokony hiankina amin’izany ny fomba hanazavanao azy. Raha mandaha-teny eo anoloan’ny fiangonana misy Kristianina matotra maro be ianao, dia aza mamerina fotsiny fampianarana fototra efa fantatry ny ankamaroany. Raiso ho fototry ny fanazavana fanampiny homenao kosa ireny fampianarana ireny. Mazava ho azy fa tokony hoheverinao koa ny zavatra ilain’ireo vaovao, raha misy maro aminy manatrika eo.

Ampifanaraho amin’izay fantatry ny mpihaino ny hafainganan’ny fitenenanao. Somary ataovy haingana ny filazanao ireo hevitra fantatry ny ankamaroany. Mitenena miadana kokoa kosa, rehefa milaza hevitra mety ho vaovao amin’ny ankamaroan’ny mpihaino, mba hahatakarany azy tsara.

Izay hampiana-javatra ny mpihaino. Ny hoe mampiana-javatra akory tsy midika foana hoe milaza zava-baovao. Na dia efa fantatra aza ny fampianarana iray, ny fomba tsotra anazavan’ny mpandahateny sasany azy dia hahatonga ny mpihaino maro ho sambany vao tena mahazo azy io tsara.

Tsy ampy ny milaza vaovao iray mba hampisehoana fa miaina amin’ny andro farany isika, rehefa mitory. Ampiasao kosa ny Baiboly mba hanazavana ny hevitr’ilay zava-niseho. Tena hiana-javatra ilay tompon-trano amin’izay. Tsy mikendry ny hampitolagaga ilay tompon-trano amin’ny vaovao ara-tsiansa mbola tsy reny hatramin’izay koa ianao, rehefa milaza zavatra momba ny lalàna voajanahary na momba ny zavamaniry na ny biby. Ny zava-kendrenao kosa dia ny hampifanaraka ilay porofo amin’izay lazain’ny Baiboly, mba hampisehoana fa misy Mpamorona tia antsika. Hahita ilay foto-kevitra amin’ny fomba fijery vaovao ilay tompon-trano, amin’izay.

Sarotra ny mamelabelatra foto-kevitra efa ren’ny mpihaino imbetsaka. Mila mianatra ny fomba fanaovana izany tsara ianao, mba ho mpandahateny mahay. Inona izany fomba izany?

Hanampy anao ny fanaovana fikarohana. Tsy izay zavatra tadidinao eo no ho eo fotsiny no ampidiro ao amin’ny lahateninao, fa ampiasao kosa ireo fitaovana fikarohana resahina eo amin’ny pejy faha-33 ka hatramin’ny faha-38. Diniho ireo soso-kevitra omena ao, momba ny zava-kendrena tokony hiezahanao hotratrarina. Rehefa manao fikarohana ianao, dia mety hamaky zava-niseho ara-tantara tsy dia fantatra loatra, nefa mifandray mivantana amin’ny foto-kevitrao. Na ianao sendra nandre filazana tao amin’ny vaovao vao haingana, izay hanamarina ilay hevitra kasainao horesahina.

Ampiasao ny sainao eo am-pandinihana ilay fanazavanao ka manontania hoe inona? nahoana? oviana? taiza? iza? ary ahoana? Ohatra: Nahoana ity no marina? Ahoana no hanaporofoako azy? Inona no inoan’ny sasany ka mahatonga azy tsy hahatakatra ity fampianarana ara-baiboly ity? Nahoana izy ity no zava-dehibe? Inona no tokony ho vokany eo amin’ny fiainan’ny olona? Inona no ohatra mampiseho ny vokatra tsara ateraky ny fampiharana azy? Inona no ahariharin’ity fampianarana ara-baiboly ity momba ny toetran’i Jehovah? Afaka manontany toy izao ianao, arakaraka ilay fanazavana resahinao: Oviana ity no nitranga? Ahoana no azontsika ampiharana ity fanazavana ity ankehitriny? Ataovy velombelona mihitsy aza ny lahateninao, amin’ny fametrahana sy famaliana ny sasany amin’ireo fanontaniana ireo.

Mety ho voatery hampiasa andinin-teny efa fantatry ny mpihaino tsara ianao. Mbola afaka mampiana-javatra ny mpihaino ihany ve ianao amin’izay? Eny, raha tsy vakinao fotsiny ilay izy, fa hazavainao koa.

Mety hampiana-javatra kokoa ny mpihaino ianao, raha raisinao tsirairay ny tapany samihafa amin’ny andinin-teny efa fantatra, ka avahanao ireo izay mifandray amin’ny foto-kevitrao, ary avy eo dia hazavainao. Azo raisina ho ohatra ny Mika 6:8. Inona no atao hoe “marina”? Ny fomba fihevitr’iza momba ny fahamarinana no resahina eto? Inona no ohatra azonao anazavana ny atao hoe ‘manao ny marina’? Na ny hoe “tia famindrampo”? Inona no atao hoe fanetren-tena? Ahoana no hampiharanao ilay fanazavana amin’ny zokiolona? Mazava ho azy fa ny foto-kevitrao, ny zava-kendrenao, ny ho mpihaino anao ary ny fotoana hanananao, no tokony hamaritra ny fanazavana hampiasainao.

Matetika no ilaina ny fanazavana hevi-teny amin’ny fomba tsotra. Mety ho gaga ny olona sasany mahafantatra ny hevitry ny hoe ‘fanjakana’ resahina ao amin’ny Matio 6:10. Na dia ny Kristianina efa hatramin’ny ela aza dia mety hahazo kokoa ny tena hevitry ny andinin-teny iray, rehefa hazavaina aminy indray ny hevitry ny teny iray. Azontsika hamarinina izany, rehefa mamaky ny 2 Petera 1:5-8 isika, ka hazavaintsika avy eo ny hevitr’ireo toetra tanisaina ao: finoana, fahatanjahan-tsaina, fahalalana, fahononam-po, faharetana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, fitiavan-drahalahy, ary fitiavana. Rehefa mampiasa teny samy hafa mitovitovy hevitra ianao, ao amin’ny anjara na lahateny iray, dia hiavaka tsara ny fahasamihafan’izy ireo, raha hazavainao ny heviny. Ohatra ny amin’izany ny hoe fahendrena sy fahalalana ary fahazavan-tsaina, hita ao amin’ny Ohabolana 2:1-6.

Mety hiana-javatra koa ny mpihaino rehefa manjohy hevitra fotsiny momba ny andinin-teny iray ianao. Maro no gaga, rehefa mahare voalohany fa ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany, ny Genesisy 2:7 dia milaza fa fanahy velona i Adama, ary mety maty ny fanahy, araka ny Ezekiela 18:4. Nampitolagaga ny Sadoseo i Jesosy indray mandeha, rehefa nampihatra ny Eksodosy 3:6 tamin’ny fitsanganan’ny maty. Nilaza fa nino an’io andinin-teny io tokoa ny Sadoseo, nefa tsy nino ny fitsanganan’ny maty.—Lioka 20:37, 38.

Ianaran-javatra koa indraindray ny filazana ny teny manodidina ilay andinin-teny, sy ny toe-javatra nanoratana azy, ary ny hoe iza ilay miteny na mihaino. Nahafantatra tsara ny Salamo faha-110 ny Fariseo. Na izany aza, dia nomarihin’i Jesosy tamin’izy ireo ny tsipiriany lehibe iray ao amin’ny andininy voalohany. Hoy izy: “Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy? Zanak’iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak’i Davida. Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin’ny Fanahy no manao Azy hoe ‘Tompo’, ka manao hoe: ‘Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ny tongotrao’? Koa raha Davida ary manao Azy hoe ‘Tompo’, ahoana no maha-zanany Azy?” (Matio 22:41-45) Raha manjohy hevitra momba ireo andinin-teny toy ny nataon’i Jesosy ianao, dia hampianatra ny olona hamaky ny Tenin’Andriamanitra amim-pitandremana kokoa.

Rehefa milaza ny fotoana nanoratana ny boky ara-baiboly iray, na ny fotoana nitrangan’ny zavatra iray, ny mpandahateny, dia tokony hiresaka momba ny toe-javatra nanjaka tamin’izany koa. Ho mora takatry ny mpihaino kokoa amin’izay ny maha zava-dehibe an’ilay boky na ilay zava-nitranga.

Azo ianaran-javatra kokoa ny fampitahana. Azonao ampifanoherina amin’izay lazain’ny Baiboly ny fomba fihevitry ny ankabeazan’ny olona momba ny zavatra iray. Na azonao ampitahaina ny fitantarana roa samy hafa momba ny zavatra iray ihany, ao amin’ny Baiboly. Misy tsy fitoviana ve? Nahoana? Inona no ianarantsika avy amin’izy ireny? Hanana fomba fijery vaovao momba ilay foto-kevitra ny mpihaino anao, amin’izay.

Raha asaina miresaka momba ny lafiny iray amin’ny fanompoana kristianina ianao, dia tsara raha manao famintinana aloha. Resaho aloha hoe inona no tsy maintsy atao, sy hoe nahoana izany no ilaina hatao, ary hoe inona no ifandraisany amin’ny tanjontsika Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny ankapobeny. Hazavao avy eo hoe aiza sy rahoviana ary ahoana no hanaovana ilay asa.

Ahoana raha tsy maintsy miresaka momba “ny saina lalina izay an’Andriamanitra” ianao? (1 Kor. 2:10) Ampahafantaro sy hazavao aloha ny hevitra fototra sasany amin’ilay foto-kevitra, dia ho mora azon’ny mpihaino kokoa ireo tsipiriany. Farano amin’ny alalan’ny famintinana fohy ny fanazavanao, fa ho afa-po tokoa ny mpihaino satria tena niana-javatra.

Torohevitra momba ny fomba fiaina kristianina. Handray soa indrindra ny mpihaino, raha ampianao izy hahita fa mahakasika ny fiainany ny fanazavanao. Manontania tena toy izao rehefa mandinika ireo andinin-teny asaina hazavainao: ‘Nahoana izy ity no notahirizina ao amin’ny Soratra Masina hatramin’izao?’ (Rom. 15:4; 1 Kor. 10:11) Eritrereto ny toe-piainana misy ny mpihaino anao. Ampiharo amin’izany toe-javatra izany ilay torohevitra sy ireo toro lalana ao amin’ireo andinin-teny. Mandritra ny fanazavanao, dia manjohia hevitra momba ireo andinin-teny, mba hampisehoana fa afaka manampy ny olona ao anatin’izany toe-javatra izany izy ireo. Aza milaza zavatra ambangovangony. Farito tsara ny karazana toe-tsaina sy fanaovan-javatra resahinao.

Iray na roa amin’ireo fanoloran-kevitra ireo aloha no ampiharo amin’ny fanomanana ataonao izao. Ampiharo koa ny hafa rehefa mihamahay ianao. Amin’ny farany, dia tsy ho andrin’ny mpanatrika ny hihaino anao, satria fantany fa hiana-javatra tena ilainy izy.

NY FOMBA HANAOVANA AZY

  • Hevero izay efa fantatry ny mpihaino momba ilay foto-kevitrao.

  • Mitenena haingana kokoa, rehefa milaza zavatra efa fantatra, ary miadana kokoa rehefa manazava zavatra vaovao.

  • Aza milaza zavatra fotsiny; hazavao ny heviny na ny antony ilazana azy.

  • Ampiasao ny sainao amin’ny fanontaniana hoe: Inona? Nahoana? Oviana? Taiza? Iza? Ahoana?

  • Makà fotoana hanjohian-kevitra momba ireo andinin-teny; hazavao kokoa ny tapany sasany.

  • Manaova fampitahana sy fampifanoheran-javatra.

  • Asio famintinana fohy ny famelabelaranao.

  • Asehoy fa azo ampiasaina ilay fanazavana mba hamahana olana sy handraisana fanapahan-kevitra.

FANAZARAN-TENA: 1) Manaova fikarohana mba hahitana zavatra azo ampianarina momba ny andinin-teny efa fantatra tsara, toy ny Matio 24:14 sy ny Jaona 17:3. 2) Vakio ny Ohabolana 8:30, 31 sy ny Jaona 5:20. Saintsaino ny fifandraisana misy eo amin’i Jehovah sy i Jesosy Kristy voalazan’ireo andininy ireo. Afaka mampiasa izany ve ianao mba hanampiana fianakaviana iray?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara