FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/00 p. 3
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Hevitra Ahitana Fianarana, Aseho Mazava
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Fampirisihana Hampiasa Baiboly
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mampiana-javatra ny Mpihaino
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Fifandraisana Amin’ny Mpihaino sy Fampiasana Naoty Fohy
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
km 9/00 p. 3

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Nahoana no mahasoa ny hijeren’ny mpihaino ireo andinin-teny, rehefa asain’ny mpandahateny hanao izany izy ireo mandritra ny lahateniny?

Ny foto-kevitra sy ny hoe fandinihana andinin-teny misesy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ve ilay izy, no hamaritra ny isan’ny andinin-teny azo anasana ny mpihaino hojereny.

Zava-dehibe ny hitadidiana fa ny antony iray hijerena andinin-teny dia mba hanamarinana fa avy ao amin’ny Baiboly izay lazaina. (Asa. 17:11). Ny zava-kendrena iray hafa dia mba handinihana ny porofo ara-baiboly ho fanohanana izay hazavaina, mba hanatanjahana ny finoan’ny rehetra. Ny fahitan’ny maso izay tena voalaza ao amin’ny Baiboly, eo am-pamakiana andinin-teny fototra iray, dia vao mainka handraikitra azy io ao an-tsaina. Ankoatra ny fijerena ireo andinin-teny, dia mahasoa koa ny fandraisana an-tsoratra sy ny fanarahana ny fizotran’ireo hevitra lazaina.

Na dia mety hanonona andinin-teny ara-baiboly maro be aza ny Fikambanana, mba hamelabelarana foto-kevitra iray, izy ireny dia natao ho an’ilay mpandahateny, mba hanampiana azy eo amin’ny fanomanany. Mety hanome azy fanazavana momba ny zava-nitranga ara-tantara izy ireny, sy hanampy azy hahazo tsara ao an-tsaina ireo foto-pitsipika ara-baiboly fototra sy hahatakatra ny famelabelarana ilay foto-kevitra. Mamaritra izay andinin-teny tena ilaina mba hamelabelarana ilay lahateny ilay mpandahateny, ka manasa ny mpihaino hanaraka ny famakiany sy ny fanazavany ireny andinin-teny ireny. Ireo andinin-teny hafa, izay manohana ilay fanazavana, dia azo vakina na lazaina amin’ny fomba hafa, kanefa amin’izay, dia tsy voatery hijery azy ireny ny mpihaino.

Rehefa mamaky ireo andinin-teny nofidiny ny mpandahateny, dia hanao izany mivantana avy ao amin’ny Baiboly, fa tsy avy amin’ny kopia natao pirinty avy tamin’ny ordinatera. Rehefa manasa ny mpihaino hanaraka ny famakiana andinin-teny ilay mpandahateny, dia manonona mazava tsara ilay boky ao amin’ny Baiboly sy ny toko ary ny (ireo) andininy. Raha miato mba hametraka fanontaniana izy, na mba hilaza teny fohy momba ny antony hamakiana ilay andininy, dia hanome fotoana hahitan’ny mpihaino azy io. Hanampy ny mpihaino hitadidy ilay boky sy toko ary andininy koa ny famerenana azy ireo. Tsy anoroana hevitra anefa ny hilazana ny pejy misy azy, satria tsy mitovy izy ireny, arakaraka ny Baiboly ampiasain’ny mpanatrika. Ny fijerena andinin-teny, rehefa asaina hanao izany, dia hanampy ny mpihaino handray soa avy amin’ny herin’ny Tenin’Andriamanitra, izay hazavaina mandritra ilay lahateny. — Heb. 4:12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara