LESONA 50
Fiezahana Hanohina ny Fo
TSY mitory amin’ny olona fotsiny isika, fa mila miezaka hanohina ny fony koa. Matetika ny fo no ampifanoherin’ny Baiboly amin’izay miseho etỳ ivelany. Ny maha izy ilay olona ao anatiny ao no fo ara-panoharana, izany hoe, ny fihetseham-pony, izay rehetra eritreretiny, ny antony ieritreretany izany, ary ny fiantraikan’izany eo amin’ny zavatra ataony. Ao amin’io fo ara-panoharana io no afafy ny voan’ny fahamarinana. (Matio 13:19) Ary tsy maintsy avy ao no ipoiran’ny fankatoavana an’Andriamanitra.—Ohab. 3:1; Rom. 6:17.
Mifantoha amin’ireto tanjona ireto mba ho tafiditra hatrany am-pon’ny olona ny fampianaranao: 1) Fantaro izay efa namolavola ny fon’ilay olona. 2) Entano izy mba hanana toetra tsara, toy ny fitiavana sy ny fahatahorana an’Andriamanitra. 3) Ampirisiho izy hamakafaka ny antony anaovany zavatra, mba hampifaliana kokoa an’i Jehovah.
Mahaiza mamanta-javatra. Misy antony maro samihafa mahatonga ny olona mbola tsy hanaiky ny fahamarinana. Angamba ianao mila mandrodana fitsarana an-tendrony, sy milaza zava-misy manohitra ny hevi-dison’ilay mpianatra, na manome porofo fotsiny, rehefa mampianatra Baiboly. Manontania tena hoe: ‘Tsapany ve fa mila zavatra ara-panahy ny olombelona? Firy ny zavatra efa inoany? Inona no mbola tsy inoany? Inona no nahatonga azy hino na tsy hino? Mila fanampiana ve izy mba handreseny faniriana izay mety hisakana azy tsy hanaiky ireo andraikitra entin’ny fahafantarana ny fahamarinana?’
Tsy mora foana ny mamantatra ny antony inoan’ny olona zavatra sasany. “Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona”, hoy ny Ohabolana 20:5, “fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany.” Takatry ny ‘manan-tsaina’ ny zavatra tsy miharihary avy hatrany. Mitaky fahaiza-mandinika tsara sy fiahiana ny olona izany.
Tsy amin’ny teny foana no ampitana hevitra. Misy foto-kevitra mety hampiova endrika, na hampiova feo ny mpianatra iray. Fantatrao tsara, raha ray ianao, na reny, fa matoa niova fihetsika ny zanakao, dia tsy maintsy nisy zava-nitranga teo amin’ny fiainany. Aza odian-tsy hita ireny fiovana ireny, fa mampahafantatra izay mitranga ao am-pony.
Hanampy anao hanovo izay ao am-pon’ny olona iray ny fanontaniana voafantina tsara. Manontania hoe: “Ahoana ny fiheveranao ny . . .?” “Nahoana ianao no mino fa . . .?” “Inona no hataonao, raha . . .?” Aza totofana fanontaniana anefa izy. Mahaiza mandanjalanja ka manontania aloha hoe: “Tsy mampaninona anao ve, raha manontany aho hoe . . .?” Tena sarotra ny mamantatra izay ao am-pon’ny olona, ka tsy azo atao maimaika. Saiky elaela foana ny olona vao afaka matoky olon-kafa sy mamboraka ny tena fihetseham-pony. Na amin’izay aza, dia tandremo sao mahatonga azy hihevitra fa mitsabaka amin’ny raharahany manokana ianao, rehefa mametra-panontaniana.—1 Pet. 4:15.
Ilana fahaiza-manavaka ny fihetsika asehonao rehefa mandre ny valin-tenin’ilay olona ianao. Tadidio fa ny tanjonao dia ny hahazo ny heviny, mba hamantaranao izay fanazavana ara-baiboly mety hanohina ny fony. Fehezo ny vavanao mba tsy hilaza avy hatrany fa diso ny heviny. Mahaiza kosa mamantatra ny fihetseham-pony rehefa miteny izy. Ho hainao amin’izay ny fomba hamaliana azy; ary ilay mpianatrao kosa hahatsapa fa azonao ny heviny, ka hihaino kokoa izay lazainao izy.—Ohab. 16:23.
Mety ho afaka hanohina ny fon’ny isam-batan’olona koa ianao, na dia mandaha-teny ho an’ny olona maro aza. Mifandraisa tsara amin’ny mpihaino, mariho izay fiovana hitanao eny amin’ny endriny, mametraha fanontaniana mampisaintsaina nefa tsy miandry valiny. Ho fantapantatrao avy amin’izany izay heverin’ny mpihaino momba izay lazainao. Raha fantatrao tsara ny mpihaino, dia asio fiheverana ny toe-javatra misy azy. Asio fiheverana koa ny fihetsik’ilay fiangonana amin’ny ankapobeny, rehefa miara-manjohy hevitra aminy amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra ianao.—Gal. 6:18.
Entano ny mpihaino mba hanana fihetseham-po tsara. Azonao ampiasaina izay efa fantapantatrao momba ny olona iray: ny zavatra inoany, sy ny tsy inoany, ary ny anton’izany. Nanohina ny fon’ny mpianany i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, fony izy “namoaka ny hevitry ny Soratra Masina” momba ireo zava-nitranga tamin’izay. (Lioka 24:32) Tokony hiezahanao hampifandraisina koa ny zavatra niainan’ny olona iray, sy izay iriny, ary izay hitany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ho voatohina tsara ny fon’ny mpianatra iray, rehefa takany mazava tsara hoe: “FAHAMARINANA ity!”
Antitrantero ny hatsaram-pon’i Jehovah, ny fitiavany, ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, ary ny maha fahendrena ny lalany. Hanampy ilay mpianatra hanamafy ny fitiavany an’Andriamanitra izany. Makà fotoana hampisehoana ireo toetra tsara hitan’Andriamanitra ao amin’ilay olona. Hampino azy izany fa azony atao ny manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra. Mety ho vita izany rehefa saintsainina ny andinin-teny toy ny Salamo 139:1-3 sy Lioka 21:1-4 ary Jaona 6:44, sy rehefa ampiana ny mpihaino hahatakatra ny halalin’ny fitiavan’i Jehovah ny mpanompony mahatoky. (Rom. 8:38, 39) Hazavao fa tsy mifantoka amin’ireo fahadisoantsika i Jehovah, fa mijery kosa ny fiainantsika manontolo, ny zotom-pontsika ho an’ny fivavahana madio, ny fitiavantsika ny anarany. (2 Tant. 19:2, 3; Heb. 6:10) Tadidiny na dia ny tsipiriany madinika indrindra maha isika antsika aza, ary hanao zavatra tena miavaka izy, rehefa hamelona indray “ny olona rehetra any am-pasana.” (Jaona 5:28, 29; Lioka 12:6, 7) Matetika no manohina ny fon’ny olona ny resaka momba ny toetra tsaran’i Jehovah, satria noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona.—Gen. 1:27.
Voatohina koa ny fon’ny olona iray, rehefa mianatra mijery ny hafa araka ny fomba fijerin’i Jehovah izy. Mazava ho azy fa raha tia antsika isam-batan’olona ilay Andriamanitsika, dia mba tiany toy izany koa ny hafa, na manao ahoana na manao ahoana toe-piainana niaviany, na ny fireneny, na firazanany. (Asa. 10:34, 35) Raha vao takatr’ilay olona izany, dia hanana antony tsara ara-baiboly izy hanafoanana ny fankahalana sy ny fanavakavahana avy ao am-pony. Hanampy azy hihavana tsara amin’ny hafa izany, eo am-piezahany hanao ny sitrapon’Andriamanitra.
Ampio koa ny hafa hatahotra an’Andriamanitra. (Sal. 111:10; Apok. 14:6, 7) Hanosika ny olona hahavita zavatra mety tsy ho vitany irery ny fahatahorana an’Andriamanitra, na ny fanajana azy lalina. Rehefa miresaka momba ireo asa mahatahotra nataon’i Jehovah sy ny hatsaram-panahiny ary ny fitiavany ianao, dia hanampy ny hafa hanana tahotra mahasoa, tahotra sao hampahatezitra azy.—Sal. 66:5; Jer. 32:40.
Ataovy azon’ny mpihaino anao tsara fa zava-dehibe amin’i Jehovah ny fitondran-tenany. Manana fihetseham-po i Jehovah, ka arakaraka ny fihetsitsika manoloana ny fitarihany no hampalahelo azy, na hampifaly azy. (Sal. 78:40-42) Asehoy amin’ny mpihaino fa na hanamarina na hanohitra ny fiampangan’i Satana an’Andriamanitra, ny fitondran-tenany.—Ohab. 27:11.
Ampio ny mpihaino anao hahita fa hahasoa azy ny fankatoavany ny zavatra takin’Andriamanitra. (Isaia 48:17) Resaho, ohatra, ny fahavoazana ara-batana sy ara-pihetseham-po vokatry ny fandavana ny fahendren’Andriamanitra, na dia vetivety fotsiny aza. Hazavao fa mampisaraka antsika amin’Andriamanitra ny fahotana, sady misakana ny hafa tsy hianatra ny fahamarinana avy amintsika, ary manitsakitsaka ny zon’izy ireo koa. (1 Tes. 4:6) Ampio izy ireo hankamamy ny fitahiana efa azony, noho ny nankatoavany ny lalàn’Andriamanitra. Ampio koa izy hankasitraka kokoa ny toerany, satria afaka misoroka zava-doza maro izy noho ny fanarahany ny lalana marin’i Jehovah. Raha vao mino ny olona iray fa fahendrena ny lalan’Andriamanitra, dia haharikoriko azy izay fihetsika rehetra manohitra azy io. (Sal. 119:104) Tsy ho enta-mavesatra aminy ny fankatoavana, fa ho fomba hanehoany ny fitiavany sy ny fifikirany amin’i Jehovah kosa.
Ampio ny hafa handini-tena. Mila mihaino izay lazain’ny fony ny olona mba hitomboany hatrany ara-panahy. Hazavao fa afaka manampy azy hanao izany ny Baiboly.
Ampio ny mpihaino anao hahatakatra fa tsy didy, sy torohevitra, sy tantara ary faminaniana fotsiny akory no ao amin’ny Baiboly. Mampiseho ny fomba fisainan’Andriamanitra koa izy io. Ampitahain’ny Jakoba 1:22-25 amin’ny fitaratra ny Tenin’Andriamanitra. Mampiharihary izay ao am-pontsika ny hafatry ny Baiboly. Hita izany amin’ny fihetsitsika manoloana izay lazain’ny Baiboly, sy manoloana ny fomba anatanterahan’i Jehovah ny fikasany. Asehony araka izany ny tena fahitan’Andriamanitra antsika, dia izy izay “Mpamantatra ny fo.” (Ohab. 17:3) Ampirisiho ny mpihaino anao hitadidy izany. Ampirisiho izy ireo hisaintsaina momba izay noraketin’Andriamanitra ho antsika ao amin’ny Baiboly sy momba ireo fiovana mety hilainy hatao mba hampifaliana azy kokoa. Ampio izy ireo hahita fa amin’ny famakiana ny Baiboly no ahafantarany ny fomba itsaran’i Jehovah “ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” Ho voatosika hanao ny fanitsiana ilaina izy, rehefa hitany fa misy zavatra tsy ankasitrahan’Andriamanitra ataony.—Heb. 4:12; Rom. 15:4.
Misy mpianatra Baiboly mety ho te hampihatra izay nianarany, nefa matahotra izay hoeritreretin’ny hafa. Mety hiady mafy amin’ny fanirian’ny nofo sasany koa izy ireo. Na mety hitady fialan-tsiny izy mba hifikirana amin’ny fanaon’ity tontolo ity, no sady hanompo an’Andriamanitra ihany. Lazao aminy ny loza entin’ny tsy fandraisana fanapahan-kevitra hentitra toy izany. (1 Mpanj. 18:21) Ampirisiho izy ireo hivavaka amin’Andriamanitra, mba handinihany sy hizahany toetra ny fony.—Sal. 26:2; 139:23, 24.
Asehoy azy ireo fa fantatr’i Jehovah tsara ny ady ataon’izy ireo, ary hazavain’ny Baiboly ny anton’izany ady izany. (Rom. 7:22, 23) Ampio izy ireo hitandrina mba tsy hamela ny fironan’ny fony tsy lavorary hifehy azy.—Ohab. 3:5, 6; 28:26; Jer. 17:9, 10.
Ampirisiho ny tsirairay hamakafaka ny antony manosika azy hanao zavatra. Ampianaro izy hanontany tena hoe: ‘Nahoana aho no te hanao ity zavatra ity? Moa ve izany hampiseho amin’i Jehovah fa tena ankasitrahako izay rehetra nataony ho ahy?’ Ampio izy hatoky mafimafy kokoa fa ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah no fananana sarobidy indrindra.
Ampio ny mpihaino hahatakatra ny hevitry ny hoe manompo an’i Jehovah amin’ny ‘fony rehetra.’ (Lioka 10:27) Midika izany fa tsy maintsy ampifanarahiny amin’ny lalan’i Jehovah avokoa ny fihetseham-pony rehetra sy ny faniriany rehetra ary ny antony rehetra anaovany zavatra. Ampianaro àry ny mpihaino anao hamakafaka, tsy izay ataony ihany, fa ny fiheverany ny zavatra takin’Andriamanitra koa sy ny antony anompoany azy. (Sal. 37:4) Rehefa hitan’ny mpianatrao ireo lafiny ilainy hohatsaraina, dia ampirisiho izy hivavaka amin’i Jehovah hoe: “Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.”—Sal. 86:11.
Rehefa manana fifandraisana manokana amin’i Jehovah ny mpianatra iray, dia hankatò an’Andriamanitra noho ny finoana izy, fa tsy noho ny fampirisihanao fotsiny. Ny tenany amin’izay no hanohy ‘hamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo.’ (Efes. 5:10; Fil. 2:12) Mampifaly an’i Jehovah ny fankatoavana avy amin’ny fo toy izany.—Ohab. 23:15.
Tadidio fa i Jehovah no mamantatra ny fo sy mitaona ny olona hanana fifandraisana aminy. (Ohab. 21:2; Jaona 6:44) Mpiara-miasa aminy fotsiny isika. (1 Kor. 3:9) Toy ny hoe ‘Andriamanitra no mampangataka antsika’, izany hoe, miangavy amin’ny alalantsika. (2 Kor. 5:20; Asa. 16:14) Tsy manery na iza na iza hanaiky ny fahamarinana i Jehovah, nefa ataony izay hahatakaran’ny mpihaino antsika fa valin’ny fanontaniany, na ny vavaka nataony ilay zavatra vakintsika avy ao amin’ny Baiboly. Tadidio foana izany isaky ny mampianatra olona ianao, ary mangataha tari-dalana sy fanampiana avy amin’i Jehovah.—1 Tant. 29:18, 19; Efes. 1:16-18.