FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bh p. 221-p. 222 feh. 2
  • Teraka Volana Desambra ve i Jesosy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Teraka Volana Desambra ve i Jesosy?
  • Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Mitovitovy Aminy
  • Jesosy
    Mifohaza!—2013
  • Taiza i Jesosy no Teraka ary Oviana?
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Oviana i Jesosy no Teraka?
    Mifohaza!—2008
  • Ny nahaterahan’i Jesosy: taiza ary oviana no nitranga izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
bh p. 221-p. 222 feh. 2

FANAZAVANA FANAMPINY

Teraka Volana Desambra ve i Jesosy?

TSY milaza ny Baiboly hoe oviana i Jesosy no teraka. Misy porofo manamarina anefa ao hoe tsy volana Desambra izy no teraka.

Eritrereto ny toetrandro tany Betlehema, tamin’io fotoana io. Nangatsiaka sy nanorana ny andro, nandritra ilay volana jiosy atao hoe Kisleo (Novambra/Desambra). Nanarakaraka azy io ny volana Tebeta (Desambra/Janoary). Io no volana nangatsiaka indrindra tao anatin’ny taona, ary nisy lanezy mihitsy aza indraindray teny an-tendrombohitra. Hojerentsika izay lazain’ny Baiboly momba an’izany.

Nilaza i Ezra, mpanoratra Baiboly, fa matetika no nangatsiaka sy nanorana ny volana Kisleo. Nisy vahoaka nivory, ohatra, tao Jerosalema “tamin’ny faharoapolon’ny volana fahasivy”, izany hoe volana Kisleo. Nilaza i Ezra fa ‘nangovitra izy ireo satria avy ny orana.’ Niteny mihitsy aza ny vahoaka hoe: “Fotoanan’ny orana izao, ka tsy vitanay ny mijoro etỳ ivelany.” (Ezra 10:9, 13; Jeremia 36:22) Tsy mahagaga àry raha tsy nijanona tany an-tsaha tamin’ny alina ny mpiandry ondry sy ny bibiny tany amin’io faritra io, rehefa volana Desambra!

Milaza anefa ny Baiboly fa niandry ny ondriny tany an-tsaha ny mpiandry ondry, ny alina nahaterahan’i Jesosy. Nilaza i Lioka, mpanoratra Baiboly, fa ‘nitoetra tany an-tsaha ny mpiandry ondry tamin’ny alina, niambina ny andian’ondriny’ tany akaikin’i Betlehema. (Lioka 2:8-12) Tsy hoe nandehandeha tany an-tsaha fotsiny izy ireo, fa nitoetra tany an-tsaha mihitsy niaraka tamin’ny ondriny tamin’ny alina. Hanao an’izany amin’ny volana Desambra ve izy ireo, nefa mangatsiaka sy manorana tany Betlehema tamin’izany? Mazava ho azy fa tsia. Tsy volana Desambra àry i Jesosy no teraka, raha jerena ny zava-nisy tamin’ny fotoana nahaterahany.a

Lazain’ny Baiboly mazava hoe oviana i Jesosy no maty. Tsy miresaka firy ny fotoana nahaterahany kosa izy io. Mampahatsiaro an’izao tenin’i Solomona Mpanjaka izao izany: “Aleo laza tsara toy izay menaka manitra, ary aleo ny andro ahafatesana toy izay ny andro ahaterahana.” (Mpitoriteny 7:1) Izany no mahatonga ny Baiboly hitantara ny fanompoan’i Jesosy sy ny nahafatesany amin’ny an-tsipiriany, fa zara raha miresaka ny fotoana nahaterahany.

Mpiandry ondry miambina ny ondriny any an-tsaha amin’ny alina, tany akaikin’i Betlehema

Niambina ny ondriny tany an-tsaha ny mpiandry ondry ny alina nahaterahan’i Jesosy

a Ahitana fanazavana fanampiny ny pejy 195-198, amin’ny boky Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara