FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bt toko 25 p. 196-202
  • “Ampakariko any Amin’i Kaisara ity Raharaha Ity!”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ampakariko any Amin’i Kaisara ity Raharaha Ity!”
  • ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Mijoro eto anoloan’ny toeram-pitsarana aho’ (Asa. 25:1-12)
  • ‘Nankatò aho’ (Asa. 25:13–26:23)
  • “Ho naharesy lahatra ahy ho lasa Kristianina ianao” (Asa. 26:24-32)
  • Mitory Amin-kasahiana eo Anatrehan’ireo Olo-manan-kaja i Paoly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Festosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ampio ny Olona Hanaiky ny Hafatra Momba Ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • “Handahatra eo Anatrehan’i Kaisara Aho”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
bt toko 25 p. 196-202

TOKO 25

“Ampakariko any Amin’i Kaisara ity Raharaha Ity!”

Modely ho antsika ny nataon’i Paoly, tamin’izy niaro ny vaovao tsara

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 25:1–26:32

1, 2. a) Inona no toe-javatra niainan’i Paoly? b) Inona no fanontaniana mipetraka rehefa nampakarin’i Paoly tany amin’i Kaisara ny raharaha?

MBOLA tsara ambina tao Kaisaria i Paoly. Roa taona talohan’izao, tamin’izy tany Jodia, dia efa intelo izy, fara fahakeliny, no saika hovonoin’ny Jiosy, tao anatin’ny andro vitsivitsy. (Asa. 21:27-36; 23:10, 12-15, 27) Mbola tsy nahafaty azy ny fahavalony hatreto, nefa nitady hirika foana izy ireo. Tsinjon’i Paoly fa mbola mety hatolotra eo am-pelatanan’izy ireo izy, ka hoy izy tamin’i Festosy, governora romanina: “Ampakariko any amin’i Kaisara ity raharaha ity!”​—Asa. 25:11.

2 Nanohana an’izany fanapahan-kevitr’i Paoly ho any Roma izany ve i Jehovah? Zava-dehibe amintsika ny valin’izany, satria mitory ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fomba feno koa isika amin’izao andro farany izao. Tokony ho fantatsika raha azontsika tahafina ny nataon’i Paoly, rehefa ‘miaro ny vaovao tsara sy miezaka hahazo zo ara-dalàna hitory an’izany’ isika.​—Fil. 1:7.

‘Mijoro eto anoloan’ny toeram-pitsarana aho’ (Asa. 25:1-12)

3, 4. a) Nahoana ny Jiosy no nangataka ny hitondrana an’i Paoly tany Jerosalema, ary ahoana no tsy nahafaty an’i Paoly? b) Ahoana no anampian’i Jehovah ny mpanompony ankehitriny?

3 Nankany Jerosalema i Festosy, governoran’i Jodia, telo andro taorian’ny nandraisany fahefana.a Nihaino an’ireo lehiben’ny mpisorona sy lohandohany teo amin’ny Jiosy izy tany, tamin’izy ireo niampanga an’i Paoly ho nanao heloka bevava. Fantatr’izy ireo fa tsy maintsy nitandro fihavanana taminy sy tamin’ny Jiosy rehetra io governora romanina vaovao io. Hoy àry izy ireo tamin’i Festosy: Ento hotsaraina atỳ Jerosalema i Paoly. Nitetika ny hamono an’i Paoly teny an-dalana avy tany Kaisaria nankany Jerosalema anefa ireo fahavalo ireo. Tsy neken’i Festosy ny fangatahan’izy ireo. Hoy izy: ‘Afaka miara-midina amiko [any Kaisaria] ireo lehibenareo dia hiampanga an’izany lehilahy izany, raha tena nanao zavatra tsy nety tokoa izy’ (Asa. 25:5) Tsy maty indray àry i Paoly teo.

4 Nanampy an’i Paoly tamin’ny alalan’i Jesosy foana i Jehovah, isaky ny niatrika fitsarana izy. Tsarovy fa efa nilaza taminy i Jesosy tao amin’ny fahitana hoe: “Manàna herim-po!” (Asa. 23:11) Misy manakantsakana sy mandrahona koa ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. Tsy miaro antsika amin’ny zava-manahirana rehetra i Jehovah, nefa manome antsika fahendrena sy hery hiaretana. Afaka miantehitra foana amin’ny “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona” omen’ilay Andriamanitsika be fitiavana isika.​—2 Kor. 4:7.

5. Ahoana no nitsaran’i Festosy an’i Paoly?

5 Rehefa afaka andro maromaro, dia “nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana” tany Kaisaria i Festosy.b Nijoro teo anatrehany i Paoly sy ireo mpiampanga azy. Tsy marim-pototra ny fiampangan’izy ireo, ka hoy i Paoly: “Tsy nandika ny Lalàn’ny Jiosy aho, na nanota tamin’ny tempoly na tamin’i Kaisara.” Tsy nanan-tsiny ilay apostoly ka mendrika ny hafahana. Inona no ho fanapahan-kevitr’i Festosy? Nila sitraka tamin’ny Jiosy izy ka nanontany an’i Paoly hoe: “Tianao ve ny hiakatra ho any Jerosalema dia hotsaraina eo anatrehako momba an’izany zavatra izany?” (Asa. 25:6-9) Tena hevitra adaladala izany! Raha halefa hotsaraina any Jerosalema i Paoly, dia ireo mpiampanga azy no hitsara azy ka azo antoka fa ho faty izy. Nifidy ny hamadika ny rariny teo i Festosy, mba hiarovana ny sezany. Izany koa taloha no nataon’i Pontio Pilato Governora, tamin’izy nitsara olona ambony lavitra noho i Paoly. (Jaona 19:12-16) Mety hanolana ny rariny koa ny mpitsara ankehitriny, satria te hahazo sitraka amin’ny olona sasany. Tsy mahagaga àry raha mamoaka didim-pitsarana tsy ara-drariny ny fitsarana, amin’ny raharaha mahakasika ny vahoakan’Andriamanitra.

6, 7. Nahoana i Paoly no nampakatra ny raharaha tany amin’i Kaisara, ary inona no modely nomeny ho an’ny tena Kristianina ankehitriny?

6 Ny ain’i Paoly no notandindomin-doza rehefa nila sitraka tamin’ny Jiosy i Festosy. Nampiasa ny zony tamin’ny naha Romanina azy àry i Paoly, ka hoy izy tamin’i Festosy: “Mijoro eto anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kaisara aho, ary eto no tokony hitsarana ahy. Tsy nanao ratsy tamin’ny Jiosy aho, ary fantatrao tsara koa izany. ... Ampakariko any amin’i Kaisara ity raharaha ity!” Raha vao nampakatra fitsarana ny Romanina iray, dia tsy azo nofoanana intsony izany matetika. Nanamafy izany ny tenin’i Festosy hoe: “Nampakarinao any amin’i Kaisara ny raharaha, ka dia ho any amin’i Kaisara ianao.” (Asa. 25:10-12) Nampakatra fitsarana i Paoly, ary modely ho an’ny tena Kristianina ankehitriny izany. Mitory any amin’ny fitsarana koa isika mba hiarovana ny vaovao tsara, rehefa “mampiasa ny lalàna mba hamoronana teti-dratsy” ny mpanohitra.c​—Sal. 94:20.

7 Navela hitondra ny raharaha tany Roma àry i Paoly, rehefa avy nigadra roa taona mahery noho ny heloka tsy nataony akory. Nisy manam-pahefana iray te hahita azy anefa talohan’ny nandehanany.

Olona maromaro ao amin’ny fitsarana, avy naheno didim-pitsarana. Mangina ny rahalahy iray sy ny mpisolovava azy ary ny Vavolombelona maromaro. Olona maromaro tsy Vavolombelona, falifaly fa nandresy tamin’ny ady teny amin’ny fitsarana nifanaovany tamin’ilay rahalahy.

Mampakatra fitsarana isika raha resy

‘Nankatò aho’ (Asa. 25:13–26:23)

8, 9. Inona no anton-dian’i Agripa Mpanjaka tany Kaisaria?

8 Andro vitsivitsy taorian’ny nilazan’i Paoly fa hampakatra ny raharaha tany amin’i Kaisara izy, dia nitsidika an’i Festosy “ara-pomba fifanajana” i Agripa Mpanjaka sy Berenika anabaviny.d Fanaon’ny mpitondra ambony tamin’izany ny nitsidika an’izay governora vaovao. Lasa governora i Festosy ka niarahaba azy i Agripa. Te hanatsara ny fifandraisana angamba i Agripa, satria mety hisy hilana an’izany amin’ny hoavy.​—Asa. 25:13.

NAMPAKATRA FITSARANA NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH

Mangataka fitsarana ambony isika indraindray mba tsy ho voasakantsakana ny asa fitoriana. Ireto misy ohatra:

Nosamborina ny Vavolombelona maromaro tany Griffin, any Etazonia, satria nizara boky ara-baiboly. Afaka madiodio anefa izy ireo tamin’ny 28 Martsa 1938, rehefa nofoanan’ny Fitsarana Tampony ny didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Io no raharaha voalohany nalefantsika tany amin’io fitsarana tampony io, ary imbetsaka isika no nanao izany mba hiarovana ny zontsika hitory ny vaovao tsara.g

Ohatra hafa koa ny amin’i Minos Kokkinakis, Vavolombelona tany Gresy. Nosamborina in-60 mahery izy tao anatin’ny 48 taona, satria hoe nitaona olona hanaraka ny finoany. Im-18 izy no notsaraina, ary nogadraina sy natao sesitany an-taonany maro tao amin’ireo nosy any amin’ny Ranomasina Égée. Tamin’ny 1986 izy no nomelohina farany, ka nampakatra fitsarana ambony tany Gresy, nefa resy foana. Naleony àry nitondra ny raharaha tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH). Namoaka didy io fitsarana io tamin’ny 25 Mey 1993, fa nanitsakitsaka ny fahalalahana ara-pivavahan’ny Rahalahy Kokkinakis i Gresy.

Raharaha maro no nentintsika tany amin’ny CEDH, ary matetika isika no nandresy. Tsy nisy fikambanana nahomby toy izany tamin’izay fikambanana niaro ny zon’olombelona teo anatrehan’io fitsarana io, na fikambanana ara-pivavahana izany na tsia.

Mandray soa avy amin’ireny fandresena azontsika ireny koa ve ny hafa? Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Charles Haynes: “Tokony hankasitraka ny Vavolombelon’i Jehovah isika rehetra. Imbetsaka izy ireo no nompana, noroahina tao an-tanàna, ary niharan’ny herisetra mihitsy aza. Mbola miady ho an’ny fahalalahany ara-pivavahana foana anefa izy ireo (ka miady ho antsika koa). Rehefa mandresy izy ireo, dia isika rehetra no mandray soa.”

g Jereo ny Mifohaza! 8 Janoary 2003, pejy 3-11. Resahina ao ilay didy navoakan’ny Fitsarana Tampony Amerikanina, momba ny fahalalahana haneho hevitra.

9 Noresahin’i Festosy tamin’i Agripa Mpanjaka ny momba an’i Paoly ka te hihaino azy izy. Nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana izy roa lahy ny ampitson’iny. Nanaitra ny sain’ny olona ny fahefan’izy ireo sy ny fomba nanetriketrika nandraisana azy, nefa mbola nanaitra kokoa ny teny holazain’ilay voafonja teo anatrehan’izy ireo.​—Asa. 25:22-27.

10, 11. Ahoana no nanajan’i Paoly an’i Agripa, ary inona avy no noresahiny rehefa nitantara ny fiainany tamin’i Agripa izy?

10 Nisaotra an’i Agripa tamim-panajana i Paoly, satria navela hiteny hiaro ny tenany teo anatrehany. Niaiky koa i Paoly fa mahay tsara ny fanao sy ny adihevitra rehetra eo amin’ny Jiosy i Agripa. Hoy i Paoly, avy eo, rehefa nitantara ny fiainany: “Efa Fariseo aho ka nanaraka an’ilay sekta hentitra indrindra tao amin’ny fivavahanay.” (Asa. 26:5) Efa Fariseo i Paoly ka nanantena fa ho avy ny Mesia. Kristianina kosa izy izao, ary sahy nilaza fa i Jesosy Kristy io Mesia nandrasana hatry ny ela io. Samy nino i Paoly sy ireo niampanga azy fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra tamin’ny razamben’izy ireo. Io finoana io no antony nitsarana an’i Paoly tamin’io andro io. Vao mainka liana tamin’izay holazain’i Paoly àry i Agripa.e

11 Nampahatsiahivin’i Paoly ny nampahoriany ny Kristianina, ka hoy izy: “Nisy fotoana aho tena resy lahatra hoe tokony hanao an’izay rehetra azoko atao mba hanoherana ny anaran’i Jesosy avy any Nazareta. ... Romotra tamin’izy ireny [tamin’ny mpanara-dia an’i Kristy] aho, ka vitako hatramin’ny nanenjika azy tany amin’ny tanàna hafa mihitsy aza.” (Asa. 26:9-11) Tsy nanitatra i Paoly rehefa nilaza izany, satria maro no nahalala fa nahery setra tamin’ny Kristianina izy. (Gal. 1:13, 23) Lasa saina angamba i Agripa hoe: ‘Inona no nampiova ny olona toa an’i Paoly?’

12, 13. a) Inona no nolazain’i Paoly rehefa nitantara ny niovany izy? b)  Ahoana no nitsipahan’i Paoly “ny hazo fanindronana”?

12 Mamaly izany ny tenin’i Paoly manaraka. Hoy izy: ‘Nandeha tany Damaskosy aho, fa nahazo fahefana sy fanomezan-dalana avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona. Raha mbola teny an-dalana aho, tamin’ny mitataovovonana, ry Mpanjaka ô, dia nahita hazavana avy any an-danitra izay nanjelanjelatra mihoatra noho ny masoandro. Nanodidina ahy sy ireo niara-dia tamiko ilay izy. Dia nianjera tamin’ny tany daholo izahay rehetra, ary naheno feo aho nilaza tamiko tamin’ny teny hebreo hoe: “Saoly, Saoly, fa maninona no manenjika ahy ianao? Ianao ihany ange no ho voan’ny ataonao raha mitsipaka lava ny hazo fanindronana ianao e!” Fa hoy aho: “Iza moa ianao, tompoko?” Dia hoy ny Tompo: “Izaho no Jesosy, ilay enjehinao.”’f​—Asa. 26:12-15.

13 Toy ny hoe ‘nitsipaka ny hazo fanindronana’ i Paoly talohan’iny zava-nahagaga iny. Mandratra tena ny biby rehefa mitsipaka an’ilay tendrony maranitra amin’ny hazo fanindronana. Nanimba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra koa i Paoly satria nanohitra ny sitrapony. Niova anefa io olona tso-po diso lalana io, rehefa niseho taminy teny an-dalana ho any Damaskosy i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty.​—Jaona 16:1, 2.

14, 15. Inona no nolazain’i Paoly momba ny fiovana nataony?

14 Niova tokoa i Paoly. Hoy izy tamin’i Agripa: “Nankatò an’izay nolazaina tamiko tao amin’ilay fahitana avy any an-danitra aho. ... Nankany amin’ny olona nipetraka tany Damaskosy àry aho aloha, ary avy eo nankany amin’ny olona nipetraka tany Jerosalema sy eran’ny faritr’i Jodia ary tany amin’ny firenen-kafa. Ny hafatra nampitaiko tamin’izy ireo dia hoe tokony hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ireo, ka hampiseho amin’ny ataony fa nibebaka.” (Asa. 26:19, 20) Nanao an’ilay asa nampanaovin’i Jesosy azy i Paoly, nandritra ny taona maro. Inona no vokany? Nibebaka ireo nandray ny teny notoriny, ary niala tamin’ny fitondran-tena maloto sy ny fanaovana ny tsy marina, ka niverina tamin’Andriamanitra. Lasa olom-pirenena vanona izy ireny, ary nampirisika ny olona hanaja lalàna sy tsy hanakorontana.

15 Nitondra soa àry ny fitorian’i Paoly, saingy tsy nisy dikany tamin’ireo Jiosy nanohitra azy izany. Hoy i Paoly: “Izany no antony nisamboran’ny Jiosy ahy tao amin’ny tempoly, ka saika namonoany ahy. Nampian’Andriamanitra anefa aho, ka mbola mitory foana mandraka androany, na amin’ny madinika na amin’ny lehibe.”​—Asa. 26:21, 22.

16. Ahoana no anahafantsika an’i Paoly rehefa manazava ny finoantsika amin’ny mpitsara sy ny manam-pahefana isika?

16 “Vonona foana” hiaro ny finoany ny tena Kristianina. (1 Pet. 3:15) Rehefa manazava ny finoantsika amin’ny mpitsara sy ny manam-pahefana isika, dia tsara ny hanahafantsika an’izay nataon’i Paoly tamin’izy niteny teo anatrehan’i Agripa sy Festosy. Mety hanohina ny fon’izy ireny isika raha milaza amim-panajana fa nanatsara ny fiainantsika ny fahamarinana, sady nanatsara ny fiainan’ireo mandray ny hafatra torintsika.

“Ho naharesy lahatra ahy ho lasa Kristianina ianao” (Asa. 26:24-32)

17. Ahoana no fihetsik’i Festosy rehefa nandre ny tenin’i Paoly, ary inona no mitovy amin’izany ankehitriny?

17 Sarotra tamin’ireo manam-pahefana roa lahy ireo ny tsy hihontsina tamin’ny teny naharesy lahatra nataon’i Paoly. Diniho izay nitranga: “Raha mbola nilaza an’izany i Paoly ho fiarovan-tenany, dia niteny mafy i Festosy hoe: ‘Lasa adala ianao, ry Paoly a! Ny fianarana be nataonao no mahalasa adala anao!’” (Asa. 26:24) Maro koa no manao toa an’i Festosy ankehitriny, ka mihevitra fa mafana fo tafahoatra ny olona mampianatra izay tena lazain’ny Baiboly. Matetika no sarotra amin’ny olon-kendry eo amin’izao tontolo izao ny manaiky an’ilay fampianaran’ny Baiboly hoe mbola hitsangana ny maty.

18. Ahoana no navalin’i Paoly an’i Festosy? Inona no vokatr’izany teo amin’i Agripa?

18 Hoy anefa i Paoly tamin’ilay governora: “Tsy lasa adala aho, ry Festosy Governora hajaina ô, fa marina ny teniko sady mitombina tsara. Mahalala tsara an’izany ny mpanjaka ka sahy miresaka aminy momba an’izany aho. ... Mino ny Mpaminany ve ianao, ry Agripa Mpanjaka? Fantatro fa mino ianao.” Hoy i Agripa: “Raha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho lasa Kristianina ianao.” (Asa. 26:25-28) Tsy fantatra raha vokatry ny fo io teniny io na tsia. Hita eo anefa fa nisy vokany lalina tamin’ilay mpanjaka ny fitorian’i Paoly.

19. Inona no tsapan’i Festosy sy Agripa momba an’i Paoly?

19 Nitsangana i Agripa sy Festosy, ka nidika izany fa nifarana ny fitsarana. “Sady niala teo izy ireo no nifampiresaka hoe: ‘Tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy ho faty na hanagadrana azy io lehilahy io.’” Hoy koa i Agripa tamin’i Festosy: “Raha tsy nampakatra an’ity raharaha ity any amin’i Kaisara izy, dia ho azo nafahana.” (Asa. 26:31, 32) Fantatr’izy ireo fa tsy nanan-tsiny i Paoly. Nankasitrahan’izy ireo kokoa angamba ny Kristianina, nanomboka teo.

20. Inona no vokatry ny fitorian’i Paoly tamin’ny manam-pahefana?

20 Toa tsy nisy nanaiky ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo manam-pahefana ambony tao amin’iny tantara iny. Raha izany no izy, nisy nahatsara azy ve ny nisehoan’i Paoly teo anatrehan’izy ireo? Eny. Inona tokoa no vokany rehefa ‘nentina teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny governora’ tao Jodia i Paoly? (Lioka 21:12, 13) Afaka nitory tamin’ny manam-pahefana romanina izy. Tsy nisy afaka nitory tamin’izy ireny angamba, raha tsy izany. Nampahery an’ireo mpiray finoana taminy koa ny zavatra niainany sy ny tsy fivadihany.​—Fil. 1:12-14.

21. Inona avy no vokatra tsara mety ho azontsika rehefa mitory foana isika?

21 Toy izany koa ankehitriny. Mitory foana isika na eo aza ny fitsapana sy ny fanoherana, ary misy vokany tsara izany. Ho afaka hitory amin’ny manam-pahefana angamba isika. Mety ho sarotra mantsy ny hahita fomba hafa hitoriana amin’izy ireny. Mampahery ny mpiray finoana amintsika koa isika rehefa miaritra sy tsy mivadika, hany ka vao mainka sahy mitory ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fomba feno izy ireo.

PORSIO FESTOSY: GOVERNORA ROMANINA

Maro ny boky miresaka momba an’i Porsio Festosy, fa ny Asan’ny Apostoly sy ny asa soratr’i Flavius Josèphe ihany no avy amin’ny vavolombelona nanatri-maso. I Festosy no governoran’i Jodia nandimby an’i Feliksa, tamin’ny taona 58 tany ho any. Maty am-perinasa izy, roa na telo taona monja tatỳ aoriana.

Porsio Festosy.

Toa governora malina sy nahay i Festosy, fa tsy toa an’i Feliksa teo alohany sy Albinus nandimby azy. Nisy andian-jiolahy maro tao Jodia tamin’i Festosy lasa governora. Milaza i Josèphe fa ‘nataon’i Festosy anton-draharaha ny nanafay an’ireo nanakorontana ny firenena, ka jiolahy maro no nosamborina sy novonoina.’ Nisy manda naorin’ny Jiosy tamin’ny fotoana nitondrany, mba tsy ho hitan’i Agripa Mpanjaka ny zava-nitranga tao amin’ny faritry ny tempoly. Nanome baiko ny handrodanana azy io i Festosy tamin’ny voalohany. Nangataka hitondra an’io raharaha io tany amin’i Néron mpanjaka romanina anefa ny Jiosy, ary navelan’i Festosy.

Toa tsy nilefitra tamin’ny mpanao heloka bevava sy ny mpikomy i Festosy. Tsy tiany ho simba anefa ny fifandraisany tamin’ny Jiosy ka tsy nampaninona azy ny nanao ny tsy rariny, ary anisan’ny niharan’izany ny apostoly Paoly.

HERODA AGRIPA II

Iza ilay Agripa Mpanjaka resahina ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-25? I Heroda Agripa II, izay zafiafin’i Heroda Lehibe, ary zanak’ilay Heroda nanenjika ny fiangonana tao Jerosalema, 14 taona lasa. (Asa. 12:1) I Agripa no farany tamin’ireo tarana-mpanjaka avy amin’i Heroda.

Mpanjaka Heroda Agripa II.

Tamin’i Agripa 17 taona no maty ny rainy, tamin’ny taona 44. I Klaodio no mpanjaka romanina fara tampony tamin’izay, ary nampianarina tao an-dapany i Agripa. Nihevitra anefa ireo mpanolo-tsain’i Klaodio fa mbola kely loatra i Agripa ka tsy afaka ny handova ny fanjakan’ny rainy. Governora romanina àry no notendrena hisolo azy. Nilaza i Flavius Josèphe fa na mbola tany Roma aza i Agripa, dia niaro ny Jiosy sy nitsinjo ny tombontsoan’izy ireo.

Notendren’i Klaodio ho mpanjakan’i Chalcis i Agripa, tamin’ny taona 50 tany ho any, ary nomeny azy koa i Itoria sy Trakonitisy ary Abilena, tamin’ny taona 53. Nasaina niandraikitra ny tempolin’i Jerosalema koa izy, ary nomena fahefana hanendry mpisoronabe jiosy. Nitarin’i Néron, mpandimby an’i Klaodio, ny fanjakan’i Agripa ka lasany ny ampahany tamin’i Galilia sy Pere. Nihaona tamin’i Paoly tao Kaisaria i Agripa sy Berenika anabaviny. Efa nialan’i Berenika tamin’izay ny vadiny, izay mpanjakan’i Kilikia.​—Asa. 25:13.

Tsy nahavita nampitony ny Jiosy tsy hikomy tamin’i Roma i Agripa, ka izy indray no lasibatr’ireo mpikomy, tamin’ny taona 66. Ny niandany tamin’ny Romanina àry sisa no azony natao. Rava ihany ny fikomian’ny Jiosy, ka namaly soa an’i Agripa i Vespasien, mpanjaka fara tampony vaovao. Nitariny àry ny faritra nanjakan’i Agripa.

a Jereo ilay efajoro hoe “Porsio Festosy: Governora Romanina”, pejy 199.

b Seza iray natao teo ambony sehatra ilay “toeram-pitsarana” resahina eto. Ambony toerana àry ilay mpitsara, ka noheverina fa tsy azo nivalozana sy tsy maintsy nohajaina ny didy navoakany. Nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana i Pilato tamin’izy nandinika an’ireo fiampangana an’i Jesosy.

c Jereo ilay efajoro hoe “Nampakatra Fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah”, pejy 200.

d Jereo ilay efajoro hoe “Heroda Agripa II”, pejy 201.

e Kristianina i Paoly ka nanaiky an’i Jesosy ho Mesia. Nihevitra an’i Paoly ho mpivadi-pinoana kosa ireo Jiosy nanda an’i Jesosy.​—Asa. 21:21, 27, 28.

f Nilaza i Paoly fa nandeha “tamin’ny mitataovovonana” izy. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Mahamay be amin’ny mitataovovonana ka niala sasatra ny mpanao dia lavitra, raha tsy hoe tena maika be angaha. Hita avy amin’izany fa tsy nitandro hasasarana i Paoly nanenjika ny Kristianina.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara