Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Mitory Amin-kasahiana eo Anatrehan’ireo Olo-manan-kaja i Paoly
TENA niharihary tsy nisy toy izany ny fahasamihafana teo amin’izy roa lahy. Nanao satroboninahitra ny anankiray fa nisy gadra vy kosa ilay faharoa. Mpanjaka ilay anankiray; voafonja kosa ilay faharoa. Nijoro teo anatrehan’i Heroda Agripa II, mpanapaka ny Jiosy, izao ny apostoly Paoly, roa taona taorian’ny nahatao am-ponja azy. Tonga tao “tamin’ny voninahitry ny fiandrianany [ilay Mpanjaka sy i Berenika vadiny] ka niditra teo amin’ny trano fihaonana niaraka tamin’ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna”. (Asan’ny Apostoly 25:23). Hoy ny loharanon-kevitra iray: “Azo inoana fa nisy olona an-jatony maromaro tonga teo.”
I Festosy, ilay governora vao notendrena, no nandamina ilay fihaonana. Nianina tamin’ny famelana an’i Paoly ho reraka fotsiny tao am-ponja, i Feliksa, ilay governora teo aloha. Nisalasala ny amin’ny nahamarim-pototra ireo zavatra niampangana an’i Paoly anefa, i Festosy. Nanizingizina mafy ny tsy fananany tsiny mantsy i Paoly, ka nangataka ny hitondra ilay raharaha tany amin’i Kaisara! Namelona faniriana ta hahafanta-javatra tao amin’i Agripa Mpanjaka ilay raharaha nahakasika an’i Paoly. “Izaho koa mba ta-handre izay lehilahy izay”, hoy izy. Nanao fandaharana haingana i Festosy, azo inoana fa noho izy nanontany tena hoe inona no hevitry ny mpanjaka momba io voafonja niavaka io. — Asan’ny Apostoly 24:27–25:22.
Ny ampitson’io, dia nijoro teo anatrehan’ny vahoaka voaforon’ny olo-manan-kaja maro be i Paoly. “Ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio”, hoy izy tamin’i Agripa, “indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin’ny Jiosy; koa trarantitra hianao, mba mahareta hihaino ahy.” — Asan’ny Apostoly 26:2, 3.
Fiarovan-tena feno fahasahiana nataon’i Paoly
Voalohany, dia nilaza tamin’i Agripa momba ny fiainany tamin’ny lasa, fony izy nanenjika ny Kristianina, i Paoly. ‘Nanery azy hiteny ratsy aho’, hoy izy. ‘Nanenjika azy hatramin’ny tanàna any ivelany koa aza aho.’ Notohizin’i Paoly ny teniny tamin’ny fitantarana ny fomba nahazoany fahitana nahazendana iray, izay nanontanian’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty azy hoe: “Nahoana hianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.”a — Asan’ny Apostoly 26:4-14.
Nirahin’i Jesosy i Saoly avy eo, mba hanao fanambarana tamin’ny olona avy tamin’ny firenena rehetra “ny amin’izay efa hitanao sy izay hisehoako aminao”. Notantarain’i Paoly fa nifofotra tamim-pahazotoana nanatanteraka ilay asa nanendrena azy izy. Kanefa, “izany”, hoy izy tamin’i Agripa, “no nisamboran’ny Jiosy ahy teo an-kianjan’ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy”. Nisarika ny fahalianan’i Agripa tamin’ny Jodaisma i Paoly, ka nanamafy fa raha ny marina, ny fanambarana nataony dia ‘tsy nilaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain’ny mpaminany sy i Mosesy fa ho avy’ momba ny fahafatesan’ny Mesia sy ny fitsanganany amin’ny maty. — Asan’ny Apostoly 26:15-23, fanamarihana ambany pejy.
Nanapaka ny teniny i Festosy. “Ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao”, hoy ny fihiakany. Hoy i Paoly namaly: “Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin’ny fahamarinana sy ny fahononana.” Avy eo dia hoy i Paoly ny amin’i Agripa: “Fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin’ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin’ny takona izany.” — Asan’ny Apostoly 26:24-26.
Niresaka nivantana tamin’i Agripa i Paoly, avy eo. “Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va hianao?” Tsy isalasalana fa nahasakodiavatra an’i Agripa ilay fanontaniana. Rehefa dinihina tokoa mantsy, dia tsy maintsy nitandro ny laza amam-boninahiny izy, ka ny fanekeny izay nolazain’i Paoly dia nidika ho fanekena ilay nantsoin’i Festosy hoe ‘fahaverezan-tsaina’. Tsapan’i Paoly angamba ny fisalasalan’i Agripa ka ny tenany ihany no namaly ilay fanontaniana. “Fantatro fa mino hianao”, hoy izy. Niloa-bava izao i Agripa, nefa nataony tsy hahafantarana ny tena tao am-pony ny teniny. Hoy izy tamin’i Paoly: “Kely sisa dia haharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao.” (NW ). — Asan’ny Apostoly 26:27, 28, izahay no manao soramandry.
Nampiasain’i Paoly tamim-pahakingana ilay fanambarana tsy mazava nataon’i Agripa mba hilazana hevitra mafonja iray. “Mangataka amin’Andriamanitra aho”, hoy izy, “fa na amin’ny mora, na amin’ny sarotra, tsy hianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin’ireto gadra ireto ihany.” — Asan’ny Apostoly 26:29.
Tsy nahita na inona na inona nahatonga an’i Paoly ho mendrika ny fahafatesana na ho mendrika ny fonja, i Agripa sy i Festosy. Na izany aza, dia tsy azo nofoanana ny fangatahany hitondra ilay raharaha tany amin’i Kaisara. Izany no antony nilazan’i Agripa toy izao tamin’i Festosy: “Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan’i Kaisara izy.” — Asan’ny Apostoly 26:30-32.
Fianarana ho antsika
Manome ohatra miavaka ho antsika, ny fomba nanaovan’i Paoly fanambarana teo anatrehan’ny olo-manan-kaja. Malina i Paoly fony izy niresaka tamin’i Agripa Mpanjaka. Tsy isalasalana fa fantany ilay raharaha mahafa-baraka nahatafiditra an’i Agripa sy i Berenika. Fanambadiana olom-pady mantsy ny azy ireo, satria anabavin’i Agripa i Berenika, raha ny marina. Tsy nifidy ny hanao lahateny momba ny fitondran-tena anefa i Paoly tamin’io fotoana io. Ireo hevitra niombonany tamin’i Agripa kosa no nantitranteriny. Ankoatra izany, na dia nampianarin’i Gamaliela, Fariseo nahita fianarana, aza i Paoly, dia nekeny fa nahay tsara ireo fanao jiosy i Agripa. (Asan’ny Apostoly 22:3). Niresaka tamim-panajana taminy i Paoly, noho ny toeram-pahefana notanany, na dia teo aza ny fitondran-tena manokana narahin’i Agripa. — Romana 13:7.
Na dia manambara amim-pahasahiana ny zavatra inoantsika aza isika, dia tsy ny hanala sarona na hanameloka ireo fanao maloton’ireo olona mihaino antsika akory no zava-kendrentsika. Tokony hanamafy ireo lafin-javatra tsara momba ny vaovao tsara kosa isika, ka hanantitrantitra ny fanantenana iombonantsika, mba hanamora kokoa ny faneken’izy ireny ny fahamarinana. Rehefa miresaka amin’ireo olona zokintsika na manam-pahefana isika, dia tokony hanaiky ny toerana tanan’izy ireny. (Levitikosy 19:32). Amin’izany fomba izany no azontsika anahafana an’i Paoly izay nilaza hoe: “Efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.” — 1 Korintiana 9:22.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ilay fitenenana hoe ‘manipaka ny fanindronana’ dia milazalaza ny fandratran’ny omby ny tenany ihany, rehefa tsipahiny ilay fanindronana maranitra natao hampandehanana sy hitarihan-dalana azy. Toy izany koa, tamin’ny fanenjehany ny Kristianina, dia nitondra fahavoazana ho an’ny tenany fotsiny i Saoly, satria niady tamin’ny vahoaka iray izay nanana ny fanohanan’Andriamanitra izy.