FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jr toko 12 p. 140-153
  • “Tsy Izany ve no Atao hoe Mahalala Ahy?”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tsy Izany ve no Atao hoe Mahalala Ahy?”
  • Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY HOE MAHALALA AN’ANDRIAMANITRA
  • “MANDRAKIZAY NY HATSARAM-PANAHINY FENO FITIAVANA!”
  • ‘MAMPIHATRA NY RARINY I JEHOVAH’
  • “TSY HO TEZITRA MANDRITRA NY FOTOANA TSY VOAFETRA AHO”
  • “Mba Ankatoavy re ny Tenin’i Jehovah!”
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
  • Nanompo Nandritra ny ‘Farany’ Ilay Mpaminany
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
  • Manontany Tena Foana ve Ianao Hoe: “Aiza i Jehovah?”
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
  • “Efa Nataoko ao Am-bavanao ny Teniko”
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
Hijery Hafa
Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
jr toko 12 p. 140-153

TOKO FAHA-12

“Tsy Izany ve no Atao hoe Mahalala Ahy?”

1, 2. Nahoana i Joiakima no tsy tokony ho nanorina lapa?

NIERITRERITRA hanao trano lehibe i Joiakima Mpanjaka. Hisy efitra lehibe maromaro izy io, ary rihana iray fara fahakeliny. Hatao lehibe koa ny varavarankely, mba hidiran’ny tara-masoandro ny trano, ary hisy rivodrivotra foana, ka hahazo aina tsara ny mpanjaka sy ny fianakaviany. Hopetahana hazo manitra avy any Libanona, antsoina hoe hazo sedera, ny rindrina. Loko mena mivolon-daoranjy hohafarana avy any ivelany no handokoana ny atin’ilay trano, dia loko tena tian’ny olona ambony sy ny manam-pahefana tany an-tany hafa.—Jer. 22:13, 14.

2 Be ny vola hilaina amin’izany, nefa ny tahirim-panjakana toa efa lany nampiasaina tamin’ny fiarovana ny firenena sy nandoavana hetra tamin’ny Ejipsianina. (2 Mpanj. 23:33-35) Nahita hevitra ihany anefa i Joiakima. Tsy nomeny karama ny olona nasainy nanorina an’ilay lapa! Nataony toy ny andevo izy ireo, ka ny hatsembohan’izy ireo no nanatanterahany ny zavatra notadiaviny.

3. Inona no tsy nitovizan’i Joiakima sy ny rainy? Inona no nahatonga izany?

3 Nampiasa an’i Jeremia Andriamanitra mba hanameloka an’i Joiakima noho izy tia tena.a Nampahatsiahiviny azy fa tena tsara fanahy sy nalala-tanana tamin’ny vahoaka madinika sy ny mahantra i Josia rainy. Niaro ny zon’izy ireny teny amin’ny fitsarana mihitsy aza izy. Hoy i Jehovah nampisaintsaina an’i Joiakima: “Tsy izany ve no atao hoe mahalala ahy?”—Vakio ny Jeremia 22:15, 16.

4. Nahoana no tokony ho zava-dehibe aminao ny hoe mahalala an’i Jehovah?

4 Miharatsy ny fiainana eto amin’ity tontolon’i Satana ity, ka mila fanampiana sy fiarovana avy amin’i Jehovah isika. Ny olona mahalala azy tsara no ampiany sy arovany. Mila miezaka hahalala azy tsara àry isika, ka hifandray akaiky aminy. Mila manahaka ny toetra tsarany koa isika, raha te hahomby amin’ny fitoriana. Hitantsika teo fa nahalala an’i Jehovah i Josia. Ahoana koa no azontsika Kristianina atao mba hahalalana tsara an’i Jehovah?

NY HOE MAHALALA AN’ANDRIAMANITRA

5, 6. a) Manao ahoana ny ankizy raha tsara toetra ny rainy? b) Mifanohitra amin’ny nataon’i Joiakima, inona no tokony hataontsika raha mahalala an’i Jehovah isika?

5 Misy heriny eo amin’ny ankizy ny toetra tsaran’ny rainy. Rehefa hitany, ohatra, hoe tia mizara amin’ny olona tsy dia manana ny rainy, dia azo inoana fa ho lasa malala-tanana koa izy. Raha hitany hoe tia sy manaja ny reniny ny rainy, dia ho tsara fanahy amin’ny vehivavy koa izy. Raha fantany hoe manao ny marina ny rainy amin’ny resa-bola, dia hanahaka azy koa izy. Azo inoana àry fa raha fantatry ny ankizy hoe manao ahoana ny toetran’ny rainy rehefa mifandray amin’olona, dia hanao toy izany koa izy.

6 Toy izany koa ny Kristianina mahalala an’i Jehovah Raintsika any an-danitra. Toa an’i Josia izy ireo. Tsy hoe miaiky fotsiny izy ireo hoe Mpanjakan’izao Rehetra Izao Andriamanitra. Rehefa mamaky Baiboly kosa izy ireo, dia lasa mahafantatra ny fomba itondran’i Jehovah Ray ny olona, ka te hanahaka azy. Mitombo ny fitiavany an’i Jehovah, ary hita amin’ny ataony isan’andro hoe tia ny zavatra tiany izy ary mankahala izay halany. Tsy azo lazaina hoe mahalala an’ilay tena Andriamanitra kosa anefa ny olona tsy miraharaha ny lalàny sy ny fampahatsiahivany, ary mandà ny tari-dalany. Mitovy amin’i Joiakima izy, ilay nanipy ny tenin’Andriamanitra tao anaty afo.—Vakio ny Jeremia 36:21-24.

Sary, pejy 143

Samy hafa ny fihetsik’i Josia sy Joiakima rehefa nandre ny tenin’Andriamanitra

7. Nahoana ianao no tokony hiezaka hahafantatra an’i Jehovah, toy ny nataon’i Josia Mpanjaka?

7 Mila mahafantatra tsara an’i Jehovah isika, raha te hahomby amin’ny fanompoana masina ataontsika sy te hiaina ao amin’ny tontolo vaovao. (Jer. 9:24) Hodinihintsika àry ny toetran’Andriamanitra sasany resahina ao amin’ny boky nosoratan’i Jeremia. Eo am-pandinihana izany, dia eritrereto izay azonao atao mba hahafantarana azy sy hanahafana azy, toy ny nataon’i Josia Mpanjaka.

Nahoana no azo lazaina fa nahafantatra tsara an’i Jehovah i Josia Mpanjaka? Inona no tafiditra amin’ny hoe mahalala an’i Jehovah?

“MANDRAKIZAY NY HATSARAM-PANAHINY FENO FITIAVANA!”

8. Inona no atao hoe hatsaram-panahy feno fitiavana?

8 Hodinihintsika ilay toetran’Andriamanitra hoe hatsaram-panahy feno fitiavana, na fitiavana tsy miovaova. Sarotra ny mahita teny fohy mahalaza tsara ny hevitr’izy io, amin’ny fiteny maro. Nanazava ny teny hebreo nandikana azy io ny diksionera iray ara-baiboly. Nolazainy fa fitambaran’ny herim-po sy tsy fivadihana ary fitiavana izy io. Voalaza ao koa hoe: “Tsy mamoaka ny tena hevitr’io teny io ny fanazavana omentsika, raha tsy tafiditra ao ireo toetra telo ireo.” Tsy hoe tsara fanahy fotsiny àry ny olona maneho hatsaram-panahy feno fitiavana. Tena miahy ny olona izy, ka manao araka izay farany heriny, mba hanampiana azy ireo, indrindra fa eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mahafoy tena toy izany izy satria te hampifaly an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.

9. Inona no hitantsika amin’ny fomba nitondran’i Jehovah ny firenen’ny Israely?

9 Ho azontsika ny tena dikan’ny hoe “hatsaram-panahy feno fitiavana”, rehefa mandinika ny fomba nitondran’Andriamanitra ny vahoakany fahiny isika. Niaro sy nanome sakafo azy ireo izy, tamin’izy ireo tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona. Nanendry mpitsara koa izy tao amin’ny Tany Nampanantenaina, mba hamonjy azy ireo amin’ny fahavalo sy hanampy azy ireo hiverina amin’ny fivavahana marina. Tsy nanary azy ireo i Jehovah, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra, ka afaka nilaza hoe: “Fitiavana mandritra ny fotoana tsy voafetra no itiavako anao. Izany no antony nisarihako anao, ka ny hatsaram-panahiko feno fitiavana no nentiko nanintonana anao.”—Jer. 31:3.b

10. Ahoana no anehoan’i Jehovah hatsaram-panahy feno fitiavana rehefa mihaino vavaka?

10 Mbola maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny mpanompony i Jehovah ankehitriny. Eritrereto, ohatra, ny vavaka. Marina fa mihaino ny vavaka rehetra vokatry ny fo i Jehovah. Mifantoka manokana amin’ny vavak’ireo mpanompony nanokan-tena ho azy anefa izy. Tsy sosotra izy na leo mihaino ny vavaka ataontsika, na dia olana mitovy foana aza no resahintsika aminy mandritra ny taona maro. Tany amin’ny 800 kilaometatra mahery avy teo amin’ny tempoly, ohatra, no nisy an’ireo Jiosy babo tany Babylona, lavitra ny fianakaviany sy ny namany tany Joda. Na teo aza izany, dia nihaino foana i Jehovah, rehefa nitalaho famindram-po sy nidera Azy izy ireo. Namaly azy ireo i Jehovah, ka nasainy nandefa hafatra tany i Jeremia. Azo antoka fa nampahery azy ireo ilay hafatra, izay voarakitra ao amin’ny Jeremia 29:10-12. (Vakio.) Tadidio àry fa hihaino ny vavaka vokatry ny fo ataonao koa i Jehovah.

Sary, pejy 144

11, 12. a) Inona no nampanantenain’i Jehovah an’ireo mponin’i Jerosalema? b) Inona no fanampiana nampanantenaina an’ireo nahazo famaizana?

11 Misy fomba hafa koa anehoan’i Jehovah hatsaram-panahy feno fitiavana: Mijery lafy tsaran-javatra izy. Diniho ity ohatra ity. Efa ho rava i Jerosalema tamin’izay. Mbola nikomy ihany anefa ny mponina, ary nikomy tamin’i Jehovah raha ny marina. Inona no niandry azy ireo? Mety ho fatin’ny mosary izy ireo, na hovonoin’ny Babylonianina, na ho babo any an-tanin’olona mandritra ny fotoana ela be ka ho faty any. Nanantena anefa i Jehovah hoe hisy hibebaka sy hiova amin’izy ireo, ka ‘nampanantena’ izy fa “hitsinjo” azy ireo sy hitondra azy ireo ‘hiverina’ any an-tanindrazany. (Jer. 27:22) Hilaza ireo Jiosy ireo amin’izay hoe: “Derao i Jehovah Tompon’ny tafika fa tsara i Jehovah, fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana!”—Jer. 33:10, 11.

12 Mampahery ny olona ao anatin’ny zava-tsarotra i Jehovah, noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana. Nofaizina, ohatra, ny Kristianina sasany, ka tsy anisan’ny fiangonana intsony. Ara-drariny ny famaizana azy ireo. Mety hanamelo-tena anefa izy ireny, ka hisalasala hifandray amin’ny vahoakan’Andriamanitra indray. Mety hieritreritra izy ireny hoe: ‘I Jehovah ve dia hamela ny fahotako ka handray ahy indray?’ ‘Nampanantena’ azy ireo anefa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra fa hahazo fanampiana amin-katsaram-panahy izy ireo, mba hahafahany hanova ny fomba fisainany sy hiala amin’ny ratsy. Hihatra amin’izy ireo koa ny voalazan’ny fehintsoratra teo aloha hoe ‘haverin’i Jehovah eo amin’ny toerany’ izy ireo, izany hoe eo anivon’ny vahoakany sambatra.—Jer. 31:18-20.

13. Nahoana no mampahery anao ny mahalala fa nanohana an’i Jeremia i Jehovah?

13 Manohana foana ny mpanompony tsy mivadika koa i Jehovah, noho izy maneho hatsaram-panahy feno fitiavana. Afaka matoky àry isika fa hanohana sy hiaro an’izay manao ny Fanjakany ho loha laharana izy, amin’izao andro faran’ny tontolon’i Satana izao. Tadidio fa nanohana an’i Jeremia izy nandritra ireo andro farany talohan’ny naharavan’i Jerosalema, ka nanome azy sakafo sy fiarovana. Tsy nahafoy azy mihitsy i Jehovah. (Jer. 15:15; vakio ny Fitomaniana 3:55-57.) Raha misy olana mampiady saina anao, dia matokia fa tsaroan’Andriamanitra ny tsy fivadihanao hatramin’izay. Noho izy maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, dia te hanohana antsika izy rehefa miatrika fitsapana isika.—Ampitahao amin’ny Fitomaniana 3:22.

Inona no tena manintona anao amin’ny fomba anehoan’i Jehovah hatsaram-panahy feno fitiavana, ary nahoana?

‘MAMPIHATRA NY RARINY I JEHOVAH’

14. Inona avy ny tsy rariny hitanao tato ho ato?

14 Misy olona migadra an-taonany maro noho ny zavatra tsy nataony. Misy aza voaheloka ho faty, ary rehefa avy novonoina izy vao hita hoe tsy meloka. Misy koa ray aman-dreny mivarotra ny zanany ho andevo, mba hahazoan’ny fianakaviany sakafo. Inona no tsapanao rehefa mandre tsy rariny toy izany? Ary inona no tsapan’i Jehovah? Milaza ny Baiboly fa te hanafoana ny zavatra rehetra mampijaly izy. Izy irery no mahavita izany. Manana fanantenana àry ireo mahantra sy tsy manan-tsiny mijaly. Efa manao zavatra i Jehovah, ilay Andriamanitra tia rariny, mba hanafahana azy ireo.—Jer. 23:5, 6.

Sary, pejy 146

15, 16. a) Inona no toetran’i Jehovah nasongadin’i Jeremia? b) Nahoana ianao no afaka matoky ny lalàn’Andriamanitra sy ny fampanantenany?

15 Nahatsapa ny Israelita sasany fa manao ny rariny Andriamanitra. Manaporofo izany ny tenin’i Jeremia. Nilaza izy fa mety hibebaka ireo Israelita ireo ary hiova, ka hianiana hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah ka mampihatra ny fahamarinana sy ny rariny ary ny hitsiny, dia...” (Jer. 4:1, 2) Tena manao ny rariny i Jehovah, matoa i Jeremia nahazo antoka fa hianiana toy izany ny Israelita. Tsy mieritreritra hanao ny tsy rariny tokoa i Jehovah. Misy porofo hafa koa mampiseho izany.

16 Mitana ny teny nataony i Jehovah, ary tsy mihatsaravelatsihy. Tsy manatanteraka an’izay zavatra nampanantenainy ny olona maro, fa tsy mba toy izany i Jehovah. Na ny lalàn’ny natiora nataony aza dia tsy miovaova, ary mahasoa antsika. (Jer. 31:35, 36) Azo ianteherana koa ny fampanantenany sy ny didim-pitsarany, satria mahasoa foana.—Vakio ny Fitomaniana 3:37, 38.

17. a) Ahoana no ataon’i Jehovah rehefa mitsara? b) Nahoana ianao no afaka matoky hoe mety ny fomba fandaminan’ny anti-panahy olana? (Jereo ny efajoro hoe “Mpitsara Ampiasain’i Jehovah.”)

17 Tsy mianina amin’izay miseho ivelany fotsiny i Jehovah rehefa mitsara, fa mamantatra ny tena zava-misy rehetra. Fantariny koa ny antony nanosika an’ilay olona tsarainy. Manana fitaovana arifomba fijerena fo ny dokotera mba hamantarana raha salama tsara izy io. Afaka mandinika ny voa, izay manadio ny ra, koa izy ireo. Be lavitra noho izany anefa no vitan’i Jehovah. Mandinika ny ao anatin’ny fo an’ohatra izy, dia ny antony manosika, ary koa ny voa an’ohatra, dia ny fihetseham-po lalina indrindra. Azony fantarina àry ny antony nanosika an’ilay olona, sy ny fihetseham-pony amin’ilay zavatra nataony. Na betsaka aza anefa ny tsipiriany hitan’ilay Mahery Indrindra, dia tsy manelingelina azy izany. Mbola mahay noho ny mpitsara mahay indrindra izy, satria ampiasainy amin’ny fomba tsara sy voalanjalanja ireny tsipiriany ireny, rehefa mitsara antsika.—Vakio ny Jeremia 12:1a; 20:12.

MPITSARA AMPIASAIN’I JEHOVAH

Mampiasa ny Teniny sy ny fandaminany i Jehovah, mba hampiofanana ny anti-panahy hanahaka ny fomba fitsarany. Izy ireo no notendren’i Jehovah hisolo tena azy, rehefa misy olana mila alamina eo anivon’ny fiangonana. Tsy lavorary ny anti-panahy, ary tsy mahita ny ao am-po toa an’i Jehovah. Te hanahaka an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra anefa izy ireo, eo amin’ny fomba itondrany ny mpiara-manompo. Mivavaka mba hahazo ny tari-dalany izy ireo, ary miezaka mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly mifandray amin’izay raharaha tsarainy. Manampy azy ireo izany mba ‘hitsara araka ny rariny’ toa an’i Jehovah. (Jer. 11:20) Afaka matoky ny anti-panahy àry ianao, satria ‘miaro antsika hatrany izy ireny toy ny olona mbola hatao ampamoaka.’—Heb. 13:17.

18, 19. Misy vokany inona amintsika ny fahalalana fa manao ny rariny i Jehovah?

18 Afaka matoky an’i Jehovah àry ianao, na dia enjehin’ny eritreritrao aza noho ny fahadisoana nataonao taloha. Aza hadinoina fa tsy mba mpitsara tsy milefitra izy ka hoe ny hanasazy ihany no tanjony. Mpitsara mangoraka izy, ka te hanampy. Raha mbola miady saina ianao satria nanao zavatra tsy nety taloha, na nanana olana tamin’olona, dia mangataha amin’i Jehovah mba ‘hiady ho anao’, izany hoe hanampy anao hanamaivana ny fihetseham-ponao sy hanadino ny lasa.c Afaka manampy anao izy hahatsapa fa tena sarobidy aminy ny fandraisanao anjara foana amin’ny fanompoana masina.—Vakio ny Fitomaniana 3:58, 59.

19 Manao ny rariny amin’ny fomba tonga lafatra Andriamanitra, ka tiany hanao ny rariny koa ny olona te hahazo sitraka aminy. (Jer. 7:5-7; 22:3) Fomba lehibe anaovana izany ny fitoriana amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka. Sady manao ny rariny toa an’i Jehovah isika no handray soa ny olona, raha ataontsika tsara ny fiverenana mitsidika sy ny fampianarana Baiboly. Nahoana? Satria tian’i Jehovah hahafantatra azy sy ho voavonjy ny karazan’olona rehetra. (Fitom. 3:25, 26) Tombontsoa ho anao tokoa ny hoe miara-miasa amin’Andriamanitra amin’io asa famonjena io!

Nahoana no mampahery anao ny mahalala fa manao ny rariny i Jehovah? Ahoana no azonao ampaherezana ny hafa, raha manao ny rariny toa an’i Jehovah ianao?

“TSY HO TEZITRA MANDRITRA NY FOTOANA TSY VOAFETRA AHO”

20. a) Inona no asongadin’ireo boky nosoratan’i Jeremia momba an’Andriamanitra? b) Ahoana no ahitana hoe tena mamela heloka i Jehovah, rehefa jerena ny dikan’ilay hoe ‘manenina’ izy? (Jereo ilay efajoro hoe “Inona no Dikan’ny hoe ‘Manenina’ i Jehovah?”)

20 Maro no mihevitra fa tsy misy afa-tsy hafatra fanamelohana, ao amin’ny bokin’i Jeremia sy ny Fitomaniana. Hadinon’izy ireo fa misy teny mampahery nolazain’i Jehovah ao, mba hampirisihana ny vahoakany hiova ka hahazo famelan-keloka. Niteny tamin’ny Jiosy izy, ohatra, hoe: “Samia re miala amin’ny lalan-dratsinareo ianareo e, ka ahitsio ny lalanareo sy ny fanaonareo.” Nampirisika azy ireo koa i Jeremia hoe: “Ahitsio ny lalanareo sy ny fanaonareo, ka ankatoavy ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo, dia hanenenan’i Jehovah ny loza efa nolazainy hamelezana anareo.” (Jer. 18:11; 26:13) Mbola mamela ny fahadisoan’izay rehetra tena manenina sy miala amin’ny ratsy i Jehovah ankehitriny.

21. Inona no antony mahatonga an’i Jehovah hamela heloka?

21 Tsy resaka fotsiny anefa izany. Tena mamela heloka i Jehovah. Nasainy nampirisika ny vahoakany toy izao i Jeremia: “Miverena ry Israely mpikomy ô ... Fa tsy ho vinitra aminareo aho ... Tsy ho tezitra mandritra ny fotoana tsy voafetra aho.” (Jer. 3:12) Tsy mitana lolompo i Jehovah, rehefa mamela ny mpanompony. Te hihavana aminy indray izy. Raha tena mibebaka ilay olona ary mangataka famelana, dia ‘hataon’i Jehovah’ izay hiverenan’ilay olona aminy, mba hahazo sitraka sy fitahiana avy aminy indray. (Jer. 15:19) Tokony hanampy an’ireo olona tafasaraka amin’i Jehovah izany fanomezan-toky izany, ka handrisika azy ireo hiverina. Tsy lasa tia kokoa an’i Jehovah ve ianao noho izy mamela heloka?—Vakio ny Fitomaniana 5:21.

INONA NO DIKAN’NY HOE ‘MANENINA’ I JEHOVAH?

Ho hitantsika fa tena mamela heloka Andriamanitra, rehefa dinihintsika izay ataony amin’ny olona zatra nanota nefa niova. Rehefa hitan’Andriamanitra hoe miova ilay olona ary mankatò azy, dia ‘manenina’ izy. (Jer. 18:8; 26:3) Inona no dikan’izany?

Tonga lafatra Andriamanitra ka tsy mba diso ny fomba fitsarany. Tsy mitovy amin’ny olona àry izy rehefa manenina. Tsy hoe manenina izy satria nanao diso rehefa nitsara. Manenina kosa izy, izany hoe ovany ny zavatra noeritreretiny hatao amin’ilay olona, rehefa hitany hoe miova ilay olona.

Miova koa anefa ny fihetseham-pon’i Jehovah amin’ilay mpanota mibebaka. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa ny teny niavian’ilay teny hebreo nadika hoe ‘manenina’, dia mety hanana heviny hoe “miaina mafy” toy ny rehefa misento. Azo lazaina hoe misento lalina mahatsiaro ho maivamaivana i Jehovah, rehefa mahita olona tena malahelo noho ny ratsy nataony. Afaka miahy amim-pitiavana an’ilay olona mibebaka izy, toy ny ataony amin’ny olona ankasitrahany. Mety mbola hiharan’ny vokatry ny nataony ilay olona nanota, nefa faly Andriamanitra satria niova izy. Alefahiny ny “loza” na ny famaizana tokony hampiharina amin’ilay olona. (Jer. 26:13) Vitsy ny mpitsara olombelona mahavita miahy ny olona tena mibebaka, toy izany ataon’i Jehovah izany. Tena mahafinaritra an’i Jehovah anefa ny manao izany.—Jer. 9:24.

Sary, pejy 152

22, 23. Inona no tokony ho tanjonao, raha mamela heloka toa an’i Jehovah ianao?

22 Hanahaka an’i Jehovah ve ianao, raha misy milaza teny tsy voahevitra aminao, na manao zavatra manafintohina anao? Nilaza tamin’ireo Jiosy Andriamanitra fa ‘hodioviny’ izay Jiosy avelany heloka. (Vakio ny Jeremia 33:8.) Afaka manadio an’izay olona mibebaka izy, izany hoe afaka manala ny fahotan’ilay olona ka tsy mieritreritra izany intsony. Ankasitrahany indray ilay olona, ka avelany hanompo azy. Na mahazo famelan-keloka amin’Andriamanitra aza anefa ny olona iray, dia tsy midika izany hoe voadio amin’ny fahotana nolovana izy, ka hoe tsy mpanota intsony. Misy lesona azontsika tsoahana amin’ny ataon’i Jehovah. Tokony hiezaka isika hanadio ny fontsika, izany hoe hanitsy ny fomba fihevitsika an’ilay olona nanafintohina antsika, ka tsy hieritreritra ny fahadisoany intsony. Ahoana izany?

23 Eritrereto hoe nisy nanome anao vazy tsara tarehy. Ahoana no hataonao raha maloto na misy tasy ilay izy? Tonga dia harianao ve? Azo antoka fa hiezaka mafy ianao hanadio azy io. Tianao ho tsara tarehy indray ilay izy, ka hamirapiratra rehefa tarafin’ny masoandro. Toy izany koa no tokony hataonao rehefa misy Kristianina nanafintohina anao. Miezaha hanala ny hatezerana na ny hasosorana ao am-ponao. Miezaha mafy tsy hieritreritra an’ireo teny na zavatra nampalahelo anao. Raha vitanao izany, dia toy ny hoe voadionao ny fonao, ka tsy tsaroanao intsony ireo fahatsiarovana ratsy nanananao momba an’ilay olona. Rehefa madio ny fonao, ka tsy mieritreri-dratsy momba an’ilay olona intsony ianao, dia ho vonona kokoa ianao hamerina indray ny fisakaizanareo, izay efa tapaka tanteraka teo aloha.

24, 25. Inona no soa horaisinao raha mahafantatra tsara an’i Jehovah ianao, toa an’i Josia Mpanjaka?

24 Nandinika ny sasany tamin’ny toetran’i Jehovah isika teo. Hitantsika fa mandray soa isika rehefa mahafantatra azy tsara toa an’i Josia Mpanjaka. Handrisika antsika hazoto hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba ankasitrahany izany. Ankoatra izany, dia tena hahita fifaliana isika, izay toetran’Andriamanitra koa.

25 Hihatsara ny fifandraisantsika amin’ny hafa, rehefa mahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah isika. Hanjary hifandray akaiky amin’ireo Kristianina eo anivon’ny fiangonana isika, raha manahaka an’i Jehovah, ka maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, manao ny rariny, ary mamela heloka. Hitombo koa ny fitiavantsika azy ireny. Ankoatra izany, dia ho haintsika kokoa ny hanao fiverenana mitsidika sy hanampy ny mpianatra Baiboly handroso. Ho mora kokoa amin’ny olona liana ny manaraka ny fomba fiaina kristianina efa hitany hoe arahintsika. Ho haintsika kokoa àry ny hanampy azy ireo hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba ankasitrahany, izany hoe hanampy azy ireo handeha amin’ny “lalana tsara.”—Jer. 6:16.

Inona no ianaranao avy amin’ny Fitomaniana 5:21?

a Resahina ao amin’ny Toko faha-4, fehintsoratra faha-12, amin’ity boky ity ny loza nanjo an’i Joiakima.

b Izao no andikana an’io tenin’i Jehovah io ao amin’ny Baiboly Anglisy Vaovao: “Tena tia anao aho hatramin’izay, ary mbola mikarakara anao foana.”

c Raha nandika ny lalàn’Andriamanitra ny Kristianina iray, dia tokony horesahina amin’ny anti-panahy izany, mba hahafahan’izy ireo handamina an’ilay izy sy hanome fanampiana avy ao amin’ny Soratra Masina.—Jak. 5:13-15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara