FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • rk fizarana 1 p. 3
  • Miahy Antsika ve Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miahy Antsika ve Andriamanitra?
  • Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Tsy mba Hanadino Anao Aho’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Inona no Atao hoe Tena Finoana?
    Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
  • Manova ny Tokantrano ny Zazakely
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Hita Amin’ny Fitiavan’ny Reny ny Fitiavan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
rk fizarana 1 p. 3

FIZARANA 1

Miahy Antsika ve Andriamanitra?

BE DIA BE ny zava-manahirana ny olombelona ankehitriny. Olona an-tapitrisany no mijaly vokatry ny ady, hetraketraky ny natiora, aretina, fahantrana, kolikoly ary olana hafa. Ary ianao? Maro koa angamba ny zavatra mampanahy anao isan’andro. Iza no afaka manampy antsika? Mba misy miahy antsika ihany ve?

Vehivavy iray mitrotro ny zanany kely

Mihoatra noho ny fitiavan’ny reny ny zanany ny fitiavan’Andriamanitra antsika

Azo antoka fa tena miahy antsika Andriamanitra. Hoy izy ao amin’ny Teniny: “Mety hanadino ny zanany mbola minono ve ny vehivavy, ka tsy hangoraka an’izay naloaky ny kibony? Mety hanadino tokoa ireny vehivavy ireny, fa izaho kosa tsy mba hanadino anao.”a

Tsy mampahery anao ve izany? Mahery ny fitiavan’ny reny ny zanany, nefa mihoatra lavitra noho izany ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Tsy handao antsika mihitsy izy! Efa nanampy antsika aza izy, satria natorony antsika izay hahasambatra antsika, dia ny tena finoana.

Ho sambatra ianao raha manana ny tena finoana. Hisoroka olana maro ianao amin’izay, ary ho afaka hiatrika ny olana tsy azo ialana. Ho akaiky an’Andriamanitra koa ianao, ary hilamin-tsaina sy hanana fiadanam-po. Hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa mihitsy aza ianao, raha asehonao fa manana ny tena finoana ianao!

Inona anefa no atao hoe tena finoana? Ahoana no atao mba hananana azy io?

a Jereo ny Isaia 49:15, ao amin’ny Soratra Masina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara