FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • rk fizarana 13 p. 30-31
  • Ho Sambatra Mandrakizay Ireo Manana ny Tena Finoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ho Sambatra Mandrakizay Ireo Manana ny Tena Finoana
  • Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hatanjaho hatrany ny finoanao
  • Inona no Atao hoe Tena Finoana?
    Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
  • Aoka Ianao Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Tany Paradisa
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
  • Asehoy hoe Tena Mino ny Fampanantenan’i Jehovah Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Faminaniana Momba ny Hoavy Tsy ho Ela
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
rk fizarana 13 p. 30-31

FIZARANA 13

Ho Sambatra Mandrakizay Ireo Manana ny Tena Finoana

HOY ny Soratra Masina: “Ny olo-marina dia ho velona noho ny finoany.” (Romanina 1:17) Mahakasika anao izany fampanantenana mahafaly izany. Fa nahoana?

Niakatra tany an-danitra ho any amin’Andriamanitra i Jesosy, ilay Mesia, rehefa nahavita ny asany teto an-tany. “Nakarina” teo imason’ny mpianany izy, “ary nisy rahona nanarona azy ka tsy hitan’ireo intsony izy.” (Asan’ny Apostoly 1:9) Notendren’Andriamanitra ho Mpanjaka mahery any an-danitra izy. Tsy ho ela, dia ho tonga “amin’ny voninahiny” i Jesosy, izay antsoina hoe “Zanak’olona.” Ho tonga “miaraka amin’ny anjely rehetra” izy, ary ‘hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra. Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.’ (Matio 25:31, 32) Rahoviana izany?

Milaza ny Soratra Masina fa hisy fe-potoana hisian’ny olana maneran-tany. Izany no ho famantarana fa akaiky ny fotoana hitsaran’ny Mesia an’ireo firenena. Anisan’ilay famantarana izao nolazain’i Jesosy izao: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Hisy horohoron-tany lehibe, ary hisy areti-mandringana sy mosary any amin’ny toerana samy hafa. Hisy zavatra mampahatahotra ho hitan’ny olona.”—Lioka 21:7, 10, 11.

Anisan’ny olana misy amin’izao ny heloka bevava, ny aretina, ny ady, ny herisetra ary ny mosary

Ny olana misy ankehitriny no manaporofo fa kely sisa dia hitsara an’ireo firenena ny Mesia

Hitantsika ankehitriny fa tanteraka ireo tenin’i Jesosy ireo. Ho avy tsy ho ela izy mba handringana ny ratsy fanahy. Na i Satana aza horinganina koa amin’ny farany! Ho lasa paradisa ny tany manontolo. Hifankahazo tsara daholo ny olona ary hihavana koa ny olona sy ny biby. ‘Hiaraka tsindraindray ny zanak’ondry sy ny amboadia, hatoritory hiaraka amin’ny zanak’osy ny leopara, ary hiaraka daholo ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny biby nohatavezina, ka ankizilahikely no hitarika azy ireo.’ (Isaia 11:6, 9) ‘Tsy hisy mponina hilaza hoe: “Marary aho. Amin’izany fotoana izany, dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hatao mandre ny sofin’ny marenina.” (Isaia 33:24; 35:5) Na ny maty aza hatsangana. “Hofafan’i Jehovah ... koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra”, ary “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Isaia 25:8; Apokalypsy 21:4) Ho tanteraka ilay fikasan’Andriamanitra hoe ho paradisa honenan’ny olona sambatra ny tany. Hahafinaritra tokoa izany!

Hatanjaho hatrany ny finoanao

Iza no havelan’Andriamanitra hiaina ao amin’ny Paradisa? Ny olona manana ny tena finoana!

Tadidio fa ny tena finoana dia mifototra amin’ny fahalalana marina tsara ny Tenin’Andriamanitra. Miezaha foana àry hahalala misimisy kokoa momba an’Andriamanitra sy Jesosy!

Olona samy hafa fiaviana sy volon-koditra, mankafy fiainana ao amin’ny Paradisa

Hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa ny olona manana ny tena finoana!

Ny fanaovanao ny tsara koa no manaporofo fa manana ny tena finoana ianao. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: ‘Maty ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.’ (Jakoba 2:26) Raha manao ny tsara ianao, dia hanana ny toetran’Andriamanitra, izany hoe ny hery, fanaovana ny rariny, fahendrena ary fitiavana. Miezaha foana hanana ireo toetra tsara ireo!

Hahazo valisoa be dia be sy ho sambatra ianao raha manana ny tena finoana. Eny, ho sambatra ianao dieny izao sy ho mandrakizay!

Ahoana no Havalinao?

  • Aiza no misy an’i Jesosy izao?

  • Ahoana no ahalalantsika fa kely sisa dia hitsara an’ireo firenena i Jesosy?

  • Inona no hataon’i Jesosy rehefa ho tonga izy?

  • Inona no azonao atao mba hanatanjahana ny finoanao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara