FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jl lesona 4
  • Nahoana Izahay no Namoaka Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Izahay no Namoaka Baiboly?
  • Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Mitovitovy Aminy
  • Dingana Iray Lehibe ho An’ireo Tia ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Mankasitraka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny Olona An-tapitrisany Maro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Marina Tsara ve ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Hijery Hafa
Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
jl lesona 4

LESONA 4

Nahoana Izahay no Namoaka Baiboly?

Milina fanontam-pirinty nampiasaina taloha
Ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao navoaka voalohany
Vavolombelona falifaly fa nahazo Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tany Congo (Kinshasa)

Congo (Kinshasa)

Ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo vaovao navoaka tany Rwanda

Rwanda

Ampahany amin’ny dikan-tenin’i Symmaque, ahitana ny anaran’Andriamanitra

Ampahany amin’ny dikan-tenin’i Symmaque, izay ahitana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Salamo 69:31, taonjato fahatelo na fahefatra

Maro ny olona namoaka Baiboly. Nampiasa sy nanao pirinty ary nizara azy ireny izahay Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny taona maro. Hitanay anefa fa nila nanao Baiboly izahay, mba hanana “fahalalana marina tsara ny fahamarinana” ny olona. Izany mantsy no sitrapon’Andriamanitra. (1 Timoty 2:3, 4) Namoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao àry izahay. Efa voadika amin’ny fiteny 130 mahery izy io, ary marina tsara ny hevitra ao. Tamin’ny 1950 no navoaka voalohany ny ampahany taminy.

Mila Baiboly mora azo ny olona. Miova foana mantsy ny teny fampiasan’ny olona, ka lasa tsy misy mahazo intsony sy lany andro ny teny ao amin’ny Baiboly sasany. Nahita ampahany tamin’ny Baiboly mbola sora-tanana koa ny mpikaroka. Marina sy nitovy kokoa tamin’ny Baiboly voalohany indrindra izy ireny, ka nanampy ny mpandika teny hahazo kokoa ny tena hevitry ny Baiboly tamin’ny teny hebreo sy aramianina ary grika. Afaka nandika Baiboly àry izahay.

Mila Baiboly ahitana izay tena nolazain’Andriamanitra ny olona. Tsy tokony hivaona amin’ilay nanoratana ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny voalohany ny mpandika Baiboly. Maro tamin’izy ireo anefa no nanala ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah.

Baiboly manaja an’ilay nanome azy no tena ilaina. (2 Samoela 23:2) Raha ny Baiboly mbola sora-tanana fahiny no jerena, dia niverina tao im-7000 teo ho eo ny hoe Jehovah. (Jereo ny sary etsy ambany.) Naverina tamin’ny laoniny àry izy io, tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. (Salamo 83:18) Nanao fikarohana lalina aman-taonany ireo nandika an’io Baiboly io. Tena mahafinaritra ny mamaky azy io, satria mamoaka tsara ny hevitr’Andriamanitra. Na manana an’io Baiboly io amin’ny fiteninao anefa ianao na tsia, dia mazotoa mamaky Baiboly isan’andro.—Josoa 1:8; Salamo 1:2, 3.

  • Nahoana izahay no namoaka Baiboly?

  • Raha te hahalala ny sitrapon’Andriamanitra ianao, dia inona no tokony hataonao isan’andro?

IEZAHO ATAO IZAO

Vakio ny sasin-teny ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ary jereo ao hoe inona no tsapan’ireo nandika an’io Baiboly io. Jereo koa avy eo ireto andinin-teny ireto, ary ampitahao amin’izay Baiboly hafa anananao: Genesisy 3:15; Mpitsara 11:40; Matio 5:3; 23:5; Asan’ny Apostoly 13:1; Filipianina 1:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara