FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jl lesona 21
  • Inona no Atao hoe Betela?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Atao hoe Betela?
  • Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Mitovitovy Aminy
  • Mety ho io ve no Asa Tsara Indrindra ho Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Fandinihana Amim-pankasitrahana ny “Tranon’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Vonona Hanompo ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Faly Manasa Anao Izahay!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
jl lesona 21

LESONA 21

Inona no Atao hoe Betela?

Vavolombelona roa mikirakira sary ao amin’ny Betela

Sampan-draharahan’ny Fanaovana Sary, Etazonia

Lehilahy iray miasa ao amin’ny fanaovana pirinty, any amin’ny Betelan’i Alemaina

Alemaina

Vavolombelona miasa ao amin’ny fanasana lamba any amin’ny Betelan’i Kenya

Kenya

Mpandroso sakafo ao amin’ny Betelan’i Kolombia

Kolombia

Nanamboatra trano eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah mba hisahanana ny asa fitoriana, ary mety tsara ny iantsoana azy ireny hoe Betela. Midika hoe “Tranon’Andriamanitra” mantsy io anarana io. (Genesisy 28:17, 19, fanamarihana ambany pejy) Ny Betela any Etazonia no foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Any no misy ny Filan-kevi-pitantanana, ary izy io no miandraikitra ny asa any amin’ny Betela (biraon’ny sampana) eran-tany. Fianakavian’ny Betela no iantsoana an’ireo manompo any amin’ny Betela, satria miaraka ao foana izy ireo, na manompo izany na misakafo na mianatra Baiboly.—Salamo 133:1.

Toerana miavaka ahitana olona mahafoy tena izy io. Maro ny lehilahy sy vehivavy manompo any amin’ireny Betela ireny. Mpanompo manontolo andro izy ireo, ka mazoto manao ny sitrapon’i Jehovah sy mikatsaka ny Fanjakany. (Matio 6:33) Tsy karamaina izy ireo, fa omena trano sy sakafo ary vola fanampiana ividianany izay ilainy. Samy manana ny andraikiny ny Betelita. Ao, ohatra, ny mahandro sakafo, miasa birao, manamboatra boky, manadio, manasa lamba, ary mikojakoja trano.

Toerana natao hampandrosoana ny asa fitoriana izy io. Inona no tena tanjon’ireo manompo ao? Mba ho betsaka ny olona mahafantatra izay tena lazain’ny Baiboly. Anisan’ny fitaovana ampiasaina amin’izany ity bokikely ity. Ny Filan-kevi-pitantanana no niandraikitra ny fanoratana azy. Nalefa tamin’ny alalan’ny Internet tany amin’ny mpandika teny an’arivony eran-tany avy eo izy ity, ary rehefa voadika dia natao pirinty. Misy Betela vitsivitsy mpanao pirinty eran-tany, ka milina mahavita mamoaka boky be dia be ao anatin’ny fotoana fohy no ampiasain’izy ireo. Rehefa vita pirinty izy ity, dia nalefa sambo tany amin’ny fiangonana 110 000 mahery. Mampandroso ny fitoriana ireo Betelita amin’izany rehetra izany, satria asa tena maika izy io.—Marka 13:10.

  • Iza no manompo any amin’ny Betela, ary ahoana no ikarakarana azy ireo?

  • Inona ilay asa maika sahanina any amin’ny Betela tsirairay?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara