FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • fg lesona 12 fan. 1-5
  • Tianao ve ny ho Akaiky An’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tianao ve ny ho Akaiky An’Andriamanitra?
  • Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Hanatonanao An’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ny Fomba Ahafahanao Manatona Akaiky An’Andriamanitra
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Vavaka
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
Hijery Hafa
Vaovao Tsara Natao ho Anao!
fg lesona 12 fan. 1-5

LESONA 12

Tianao ve ny ho Akaiky An’Andriamanitra?

1. Henoin’Andriamanitra ve ny vavaka rehetra?

Lehilahy mivavaka amin’Andriamanitra

Tian’Andriamanitra hivavaka aminy ny karazan’olona rehetra, na inona na inona fiaviany. (Salamo 65:2) Tsy ny vavaka rehetra anefa no henoiny. Raha mampijaly vady, ohatra, ny lehilahy iray dia tsy henoin’Andriamanitra ny vavaka ataony. (1 Petera 3:7) Tsy nohenoiny koa ny vavaky ny Israelita, satria nanao ratsy foana izy ireo. Na dia nanao fahotana lehibe aza anefa ny olona iray ka mibebaka, dia hihaino azy Andriamanitra. Tombontsoa lehibe ny mivavaka!—Vakio ny Isaia 1:15; 55:7.

Jereo ilay video hoe Henoin’Andriamanitra ve ny Vavaka Rehetra?

2. Iza no tokony hivavahana, ary ahoana no atao?

I Jehovah ihany no tokony hivavahana, satria izy no tena Andriamanitra sady Mpamorona. (Matio 4:10; 6:9) Mpanota koa isika ka tokony hivavaka amin’ny anaran’i Jesosy, satria namoy ny ainy izy mba hanesorana ny fahotantsika. (Jaona 14:6) Tsy tokony hatao tsianjery na hovakina ny vavaka. Tian’i Jehovah kosa raha izay ao am-pontsika no lazaintsika.—Vakio ny Matio 6:7; Filipianina 4:6, 7.

Henon’i Jehovah na dia ny vavaka mangina aza. (1 Samoela 1:12, 13) Tiany hivavaka aminy foana isika, na vao mifoha, na rehefa hatory, na hisakafo, na rehefa misy olana, na rahoviana na rahoviana.—Vakio ny Salamo 55:22; Matio 15:36.

3. Nahoana ny Kristianina no miara-mivory?

Olona mamaky Baiboly any amin’ny fivoriana kristianina

Olona maro izao no tsy mino an’Andriamanitra, sady maneso rehefa iresahana hoe mbola hisy ny tontolo vaovao. (2 Timoty 3:1, 4; 2 Petera 3:3, 13) Mila mifampahery amin’ny mpiray finoana àry isika, raha te ho akaiky an’i Jehovah.—Vakio ny Hebreo 10:24, 25.

Ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao, rehefa miaraka amin’ny olona tia azy. Tena hampahery anao ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria hahita olona manam-pinoana ianao any.—Vakio ny Romanina 1:11, 12.

4. Ahoana no hahatonga anao ho akaiky an’i Jehovah?

Lehilahy mamaky Baiboly mandritra ny fiatoana any am-piasana

Saintsaino izay nianaranao tao amin’ny Teniny. Diniho ny zavatra nataony sy ny toroheviny ary ny fampanantenany. Raha misaintsaina izany ianao sady mivavaka, dia ho tsapanao fa tena hendry sy be fitiavana i Jehovah.—Vakio ny Josoa 1:8; Salamo 1:1-3.

Tsy maintsy mino sy matoky azy koa ianao, raha te ho akaiky azy. Tsy mitombo ho azy anefa ny finoana, fa toy ny voninkazo izay mila tondrahana. Saintsaino foana àry hoe inona no zavatra inoanao ary nahoana ianao no mino izany.—Vakio ny Matio 4:4; Hebreo 11:1, 6.

5. Inona no soa ho azonao?

Hiaro sy hikarakara anao i Jehovah. Hanampy anao izy mba tsy hihena ny finoanao, ka hahazo fiainana mandrakizay ianao. (Salamo 91:1, 2, 7-10) Ho salama sy ho sambatra koa ianao, raha manaraka ny fampitandremany. Ny fomba fiaina tsara indrindra mihitsy no atorony anao.—Vakio ny Salamo 73:27, 28; Jakoba 4:4, 8.

Mpinamana miara-mikorana

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 17 amin’ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara