FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w11 1/9 p. 16-17
  • Ahoana no Hanatonanao An’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hanatonanao An’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Tianao ve ny ho Akaiky An’Andriamanitra?
    Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Ny Fomba Ahafahanao Manatona Akaiky An’Andriamanitra
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Vavaka
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Sambatra Isika fa Afaka Mivavaka
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
w11 1/9 p. 16-17

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra:

Ahoana no Hanatonanao An’Andriamanitra?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Mihaino ny vavaka rehetra ve Andriamanitra?

Manasa ny olona avy amin’ny firenena rehetra i Jehovah mba hanatona azy amin’ny vavaka. (Salamo 65:2) Tsy ny vavaka rehetra anefa no henoiny. Rehefa nikiry nanao ratsy, ohatra, ny Israelita, dia tsy nety nihaino azy ireo Andriamanitra. (Isaia 1:15) Mety ho voasakana koa ny vavaka ataon’ny lehilahy mampijaly vady. (1 Petera 3:7) Henoin’Andriamanitra anefa na dia ny mpanao ratsy aza raha mibebaka.—Vakio ny 2 Tantara 33:9-13.

2. Ahoana no tokony hivavahantsika?

Voninahitra lehibe ny mivavaka sady anisan’ny fanompoana an’i Jehovah, ka izy ihany no tokony hivavahantsika. (Matio 4:10; 6:9) Tsy lavorary isika ka tokony hivavaka amin’ny anaran’i Jesosy, satria izy no “lalana.” (Jaona 14:6) Tsy tian’i Jehovah hanao vavaka tsianjery na nosoratana isika, fa hivavaka amin’ny fo.—Vakio ny Matio 6:7; Filipianina 4:6, 7.

Henon’ilay Mpamorona antsika na dia ny vavaka anakampo aza. (1 Samoela 1:12, 13) Manasa antsika hivavaka foana izy, ohatra hoe vao maraina sy amin’ny hariva, rehefa hisakafo, ary rehefa misy olana.—Vakio ny Salamo 55:22; Matio 15:36.

3. Nahoana ny Kristianina no mivory?

Sarotra ny manatona an’Andriamanitra, satria tsy mino azy ny manodidina antsika sady manao tsinontsinona an’ilay fampanantenany hoe hisy fiadanana eto an-tany. (2 Timoty 3:1, 4; 2 Petera 3:3, 13) Mila mifanerasera sy mifampahery amin’ny mpiray finoana amintsika àry isika.—Vakio ny Hebreo 10:24, 25.

Hifandray akaiky amin’Andriamanitra ianao raha minamana amin’ny olona tia azy. Handray soa avy amin’ny finoan’ny hafa ianao raha miara-mivory amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.—Vakio ny Romanina 1:11, 12.

4. Ahoana no hanatonanao an’Andriamanitra?

Saintsaino izay nianaranao tao amin’ny Teniny. Eritrereto ny zavatra nataony, ny toromarika omeny, ary ny fampanantenany. Raha mivavaka sy misaintsaina ianao, dia hankasitraka ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahendreny.—Vakio ny Josoa 1:8; Salamo 1:1-3.

Rehefa mino an’Andriamanitra ihany ianao vao ho afaka hanatona azy. Toy ny zavamananaina mila omena sakafo anefa ny finoana. Mila misaintsaina indray ny zavatra inoanao ianao mba hatanjaka foana ny finoanao.—Vakio ny 1 Tesalonianina 5:21; Hebreo 11:1, 6.

5. Inona no soa ho azonao raha manatona an’Andriamanitra ianao?

Mikarakara an’izay tia azy i Jehovah. Arovany amin’izay mety hanimba ny finoany sy ny fanantenany hiaina mandrakizay izy ireo. (Salamo 91:1, 2, 7-10) Mampitandrina antsika koa izy mba tsy hanaraka fomba fiaina tsy mahasalama sy tsy mahasambatra. Ampianariny antsika ny fomba fiaina tsara indrindra.—Vakio ny Salamo 73:27, 28; Jakoba 4:4, 8.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 17, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara