FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • T-35 p. 1-4
  • Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?
  • Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?
  • Mitovitovy Aminy
  • Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?
    Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?
  • Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?
    Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?
  • Iza no Tena Mpitondra An’izao Tontolo Izao?
    Iza no Tena Mpitondra An’izao Tontolo Izao?
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona no Atao hoe Fanjakan’Andriamanitra?
Hijery Hafa
Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?
T-35 p. 1-4
Mpivady mijery ny sarin’ny zanany maty

Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?

Ahoana no havalinao?

  • eny

  • tsia

  • angamba

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Hisy fitsanganan’ny maty.—Asan’ny Apostoly 24:15, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

INONA NO VOKATR’IZANY EO AMINAO?

Hampahery anao izany rehefa misy havanao maty.—2 Korintianina 1:3, 4.

Tsy hatahotra fahafatesana intsony ianao.—Hebreo 2:15.

Afaka manantena ianao hoe hihaona indray amin’ireo havanao efa maty.—Jaona 5:28, 29.

Fianakaviana sy vehivavy maty vady faly manantena ny fitsanganana amin’ny maty

TENA AZO INOANA VE IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

Eny! Ireto misy antony telo:

  • I Jehovah Andriamanitra no Mpamorona. Milaza ny Baiboly fa izy no “loharanon’aina.” (Salamo 36:9; Asan’ny Apostoly 17:24, 25) Izy no nanome aina ny zavaboary rehetra, ka azo antoka fa hainy koa ny mamelona indray ny olona efa maty.

  • Efa nanangana ny maty Andriamanitra taloha. Olona valo no voalaza ao amin’ny Baiboly hoe natsangana tamin’ny maty teto an-tany. Nisy lehilahy, vehivavy, ankizy, ary olon-dehibe. Ny sasany maty vao haingana, fa ny iray kosa efa tao am-pasana efatra andro!—Jaona 11:39-44.

  • Tena te hanangana ny maty indray Andriamanitra. Mankahala ny fahafatesana izy. Fahavalo izy io aminy. (1 Korintianina 15:26) Maniry mafy hanafoana an’io fahavalo io Andriamanitra, ary hanao izany izy rehefa hanangana ny maty. Tadidiny ny olona maty, ary tena tiany ny hamelona azy ireny ka hahita azy ireny eto an-tany indray.—Joba 14:14, 15.

FANONTANIANA HOSAINTSAININA

Zazakely mihalehibe dia mihantitra

Nahoana isika no mihantitra sy maty?

Mamaly izany ny Baiboly ao amin’ny GENESISY 3:17-19 sy ROMANINA 5:12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara