FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • T-36 p. 1-4
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
  • Inona no Atao hoe Fanjakan’Andriamanitra?
  • Mitovitovy Aminy
  • Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?
    Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?
  • Iza no Tena Mpitondra An’izao Tontolo Izao?
    Iza no Tena Mpitondra An’izao Tontolo Izao?
  • Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?
    Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?
  • Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?
    Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?
Hijery Hafa
Inona no Atao hoe Fanjakan’Andriamanitra?
T-36 p. 1-4

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Aminao ve izy io...

  • zavatra ao am-po?

  • Sa fanjakana any an-danitra?

  • Sa zavatra hafa?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra.”​—Daniela 2:44, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

‘Ho mpanjaka mandrakizay i Jesosy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.’​—Lioka 1:33.

INONA NO VOKATR’IZANY EO AMINAO?

  • Hanao ny rariny io fitondrana io, ka hitondra soa ho anao.​—Isaia 48:17, 18.

  • Hiova ny fiainana, ka ho salama tsara sy ho sambatra ianao.​—Apokalypsy 21:3, 4.

TENA AZO INOANA VE IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

Eny! Ireto misy antony roa:

  • I Jesosy mihitsy no nampahafantatra hoe inona no hataon’io Fanjakana io. Nampianariny hivavaka ny mpianany hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao.” (Matio 6:9, 10) Nasehony koa hoe inona no hitranga rehefa tanteraka izany.

    I Jesosy no Mpanjakan’ilay Fanjakan’Andriamanitra, ka noporofoiny tamin’izy tetỳ an-tany fa hanao zavatra tsara be ho an’ny vahoakany izy. (Apokalypsy 11:15) Nanome sakafo an’izay noana, ohatra, izy, nanasitrana ny marary, ary nanangana ny maty.—Matio 15:29-38; Jaona 11:38-44.

  • Efa tena ratsy izao ny fiainana, ka midika izany fa kely sisa dia hanjaka etỳ an-tany io Fanjakana io. Nilaza i Jesosy fa mbola hisy ady sy mosary ary horohoron-tany aloha, vao hitondra ny tany izy io.​—Matio 24:3, 7.

    Efa kely àry sisa dia hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, matoa ratsy be hoatr’izao ny fiainana. Tsy ho ela izy io dia hanafoana ny olana rehetra mahazo antsika.

FANONTANIANA HOSAINTSAININA

Hanao ahoana ny fiainana rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra?

Mamaly izany ny Baiboly ao amin’ny SALAMO 37:29 sy ISAIA 65:21-23.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara