FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yc lesona 8
  • Nanana Namana Tsara i Josia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanana Namana Tsara i Josia
  • Ampianaro ny Zanakao
  • Mitovitovy Aminy
  • Nifidy ny Hanao ny Tsara i Josia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Tia ny Lalàn’Andriamanitra i Josia
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Nahazo Sitraka Tamin’i Jehovah i Josia Nanetry Tena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Ny Mpanjaka Tsara Farany teo Amin’ny Israely
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ampianaro ny Zanakao
yc lesona 8
Mihaino an’i Jeremia namany i Josia Mpanjaka

LESONA 8

Nanana Namana Tsara i Josia

Sarotra ve ny manao ny tsara, araka ny hevitrao?... Maro no mieritreritra an’izany. Milaza ny Baiboly fa tena sarotra tamin’ny ankizilahy atao hoe Josia ny nanao ny tsara. Nanana namana tsara nanampy azy anefa izy. Andeha isika hianatra momba an’i Josia sy ny namany.

I Amona, mpanjakan’ny Joda, no dadan’i Josia. Nanao ratsy i Amona sady nanompo sampy. Lasa mpanjakan’ny Joda i Josia, rehefa maty ny dadany. Vao valo taona anefa izy tamin’izay. Nanao ratsy hoatran’ny dadany ve izy?... Tsia.

Nilaza ny tenin’i Jehovah tamin’ny mponin’i Joda i Zefania mpaminany

Nilaza tamin’ny olona i Zefania hoe aza manompo sampy

Te hankatò an’i Jehovah i Josia na dia mbola kely aza. Ireo olona tia an’i Jehovah ihany àry no nataony namana. Nanampy an’i Josia hanao ny tsara izy ireo. Iza ny sasany tamin’ireo namany ireo?

Anisan’ny namany i Zefania. Mpaminany izy ary nampitandrina ny olona hoe hisy zavatra ratsy hitranga raha manompo sampy izy ireo. Nihaino azy i Josia, ka nanompo an’i Jehovah fa tsy nanompo sampy.

Anisan’ny naman’i Josia koa i Jeremia. Nitovitovy taona izy ireo ary mpiray tanàna sady niara-lehibe. Mpinamana be izy ireo, ka rehefa maty i Josia dia nanao hira nilaza ny alahelony azy i Jeremia. Nifanampy i Jeremia sy Josia mba hahatonga azy ireo hanao ny tsara sy hankatò an’i Jehovah.

Nifanampy i Josia sy Jeremia mba hahatonga azy ireo hanao ny tsara

Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Josia?... Te hanao ny tsara i Josia na dia mbola kely aza. Fantany fa ny olona tia an’i Jehovah ihany no tokony hataony namana. Olona tia an’i Jehovah sy afaka manampy anao hanao ny tsara àry atao namana.

VAKIO NY

  • 2 Tantara 33:21-25; 34:1, 2; 35:25

FANONTANIANA:

  • Iza no dadan’i Josia? Nanao ny tsara ve izy io?

  • Inona no tian’i Josia hatao na dia mbola kely aza izy?

  • Iza no anaran’ireo naman’i Josia anankiroa?

  • Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Josia?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara