LESONA 56
Tia ny Lalàn’Andriamanitra i Josia
Lasa mpanjakan’ny Joda i Josia, tamin’izy valo taona. Nilalao ody ny olona tamin’izany, sady nanompo sampy. Rehefa 16 taona i Josia, dia niezaka nikaroka hoe inona no tokony hatao rehefa mivavaka amin’i Jehovah. Nopotehiny ny sampy sy ny alitara eran’i Joda, tamin’izy 20 taona. Rehefa 26 taona indray izy, dia nasainy namboarina izay simba tamin’ny tempolin’i Jehovah.
I Hilkia no mpisoronabe tamin’izay, ary i Safana no sekreteran’ny mpanjaka. Hitan’i Hilkia tao amin’ny tempoly ny horonam-boky misy ny Lalàn’i Jehovah, angamba ilay nosoratan’i Mosesy mihitsy. Nentin’i Safana tany amin’i Josia Mpanjaka ilay izy, ary novakiny mafy. Lasa fantatr’i Josia àry hoe efa ela be ny vahoaka no tsy nankatò an’i Jehovah. Hoy izy tamin’i Hilkia: ‘Tezitra be amintsika izao i Jehovah, fa mandehana anontanio izy dia hatorony antsika izay tokony hataontsika.’ I Holda mpaminanivavy avy eo no nasain’i Jehovah niteny tamin’i Hilkia hoe: ‘Hosaziko ny vahoaka ao Joda fa tsy miraharaha an’ahy intsony. Tsy hataoko amin’ny andron’i Josia anefa izany, satria izy manetry tena.’
Rehefa henon’i Josia izany, dia nankany amin’ny tempoly izy, ary nasainy nankany daholo koa ny vahoakan’ny Joda. Novakiny mafy avy eo ny Lalàn’i Jehovah. Dia nivoady izy sy ny vahoaka rehetra hoe hankatò an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.
Efa ela be ny olona tany Joda no tsy nankalaza ny Paska. Novakin’i Josia tao amin’ny Lalàna anefa hoe tokony hankalazaina isan-taona ilay izy. Hoy àry izy: ‘Andao isika hankalaza Paska ho an’i Jehovah.’ Dia nanomana biby be dia be hatao sorona i Josia, ary nasainy nasiana mpihira tao amin’ny tempoly. Nankalaza ny Paska àry ny vahoaka, dia avy eo nankalaza ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay nandritra ny fito andro. Mbola tsy nisy Paska hoatr’izany mihitsy hatramin’ny andron’i Samoela. Tena tia ny Lalàn’Andriamanitra i Josia! Ary ianao? Tia mianatra momba an’i Jehovah koa ve ianao?
“Jiro ho an’ny tongotro ny teninao, sady fahazavana ho an’ny lalako.”—Salamo 119:105